Tena misy ny « Valim-bavaka »

Tena misy ny « Valim-bavaka ».
— Jean Aimé

Nijoro vavolombelona tamin’ny mpiantafika i Tanjona, biraom-piangonana ao amin’ny FJKM Ranomafana sy i Erica vadiny, ka hoy izy ireo hoe : « Faly be izahay mivady fa tena natao ho anay mihintsy ilay fiofanana nentinareo. Fa inona no zava-nitranga nahatonga azy mivady ireto ho faly ka hijoro vavolombelona ? Tsy nahafantatra mihintsy izy mivady ireto fa misy fiofanana.
Ny sabotsy (10/10/15) vao maraina dia niainga tao an-tranony izy mivady ka ny anton-diany dia hijery omby hovidiana fa mpiompy ry zareo. Tonga teo amin’ny tsenakely iray dia nivily mba hisotro kafe kanefa tsy mpisotro kafe akory. Ilay mpivarotra kafe no nahafantarany fa misy fiofanana any am-piangonana. Efa nanomboka ny fiofanana vao tonga teo an-tokontanim-piangonana izy mivady ka sadaikatra teo hoe efa tara isika fa andao hiverina. Rehefa niady hevitra teo dia tapa-kevitra hiroso hiditra ihany fa nitovy hevitra hoe “Tsy mampaninona izay azontsika eo no avy amin’ny Tompo ho antsika.”
- Raisinay ho valim-bavaka. Rehafa nanaovana fandaminana dia nomena fiofanana feno izy mivady ka tena nahafaly azy ireo izany sady valim-bavaka ho azy ireo satria rehefa nanao fanohizana Tafika Masina tany Kelilalina ny AFF Ranomafana dia nifanontany izy mivady hoe “Inona no hotenenintsika amin’izay olona mandray antsika? Ka ny nataon’izy ireo dia nitondra am-bavaka ihany. Fa eo amin’ny fiofanana izy mivady dia nahatsapa fa izany fampianarana izany mihintsy no tena ilainay. Hoy Erica hoe “Izaho moa katolika no nanaraka ny vadiko ka tsy haiku izany mitory filazantsara sy manao fanohizana izany. Isaoranay ny Tompo fa tsy navelany jiverin-dalana izahay tamin’ny mbola tao an-tokontany.
- Fa valim-bavaka ihany koa izy mivady ho anay mpiantafika satria tsy nisy olona ho afaka hiofana fa hoe mbola vizana. Koa nisy mpiantafika roa vavy nifanaiky hangataka amin’ny Tompo mba ho afaka hanohy tafika masina any Kelilalina.
Araka izany dia valim-bavaka mihintsy izy mivady ireto ary tsy izy ireo ihany fa nisy enina mianadahy ry zareo no tonga niofana ka biraom-piangonana sy biraon’ny AFF avokoa izy ireo. Fiofanana FIANGONANA MITERAKA no natao tany.
Ry Havana, tena misy ny valim-bavaka raha sahy mangataka amin’ny finoana isika dia ho azontsika izay hangatahintsika. IJao 5: 14, 15

Jean Aimé