RAVOLAHARINIVOSOA Fanjalalaina

« Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra » Matio 28 : 19a.
RANDRIANJANAHARY NyIraka Tonisoa Fiadanana (antsoina hoe “Fiadanana” aho, 10 taona amin’ity taona 2016 ity aho).
4 mianadahy izahay, izaho no farany, eto Ambodiapanga izahay no monina. Kilasy fahadimy aho ao amin’ny Sekoly Alahady FJKM Andramahavola , mpiahy n vondrombavaka Ambodiapanga sady kilasy fahadimy koa aho any ampianarana EPP Akany Sambatra Itaosy. Rehefa nanomboka tafika masina teto Ambodiapanga ny AFF Isotry Fitiavana, dia I Bebe Claire no nanazava tamiko ilay “Boky mavo”.
Tamin’ny 20 Novambra 2011 aho no nandray an’I Jesoa fa efa nanao tafika masina nampandray an’I Jesoa anay I Neny tamin’izay (mbola tsy nisy Fiangonana teto Ambodiapanga). Liana te-hanohy io boky mavo io aho f ahoy Bebe Claire hoe “tohizantsika amin’ny manaraka”.
Ny 07 Janoary 2016 niverina niditra nianatra avy vacances de Noël izahay, alohan’ny hivoahako ny trano dia nikaroka ilay “boky mavo” eran’ny trano no hitan’i Neny ka hoy izy:
- “tara ianao, Fiadanana, fa inona no tadiavinao, sa mba hitondra Bonne année ho an’i Maîtresse?”
- “An! an! hoy aho, fa aiza no nasian’i Neny ilay boky mavo fa entiko any ampianarana: history teny amin’ny namako aho rehefa recreation izahay, dia ilay bandy kely eo akaikiko no hanombohako azy. Faly be Neny dia nomeny filazantsara Gideona roa aho ary hoy izy, “ny iray anao ary ny iray azy, samy mamaky ianareo rehefa misy Soratra Masina tokony vakiana (omeo azy entiny mody avy eo)”. Rehefa tong any recreation dia nantsoiko izy (Joel no anaran’io namako mipetraka eo akaikiko io, Jô no fiantso azy).
- Avia ange ialahy vetivety e! fa hanaovako zavatra ialahy dia tsy miteniteny an! hoy aho
- Inona izany leisy” hoy izy.
Dia nampijereko azy ilay boky mavo dia nomeko azy ilay filazantsara iray, ary nohazavaiko taminy ilay boky dia naira-namaky ireo voalazan’ny Soratra Masina izahay ary niara-namerina ireo vavaka fandraisana an’i Jesoa. Fa ilay boky mavo itsy nomeko azy. Rehefa tong any hariva dia notsenain’i Neny teo ambaravarana aho hody any an-trano, ka hoy izy: “Vitanareo ve ilay izy?
- Eny, hoy aho, sady faly, dia faly koa i Neny , fa tsy izay ihany Neny fa ity ny Bulletin-ko fa tsara ny moyenne-ko (faly be i Neny fa 15,01/20 ny moyenne 1er trimestre)
- Tohizo ny fahendrena hoy izy, fa faly aminao koa izao i Jesoa.
Rehefa tonga ry Dada sy zoky ny hariva dia notantarainay azy ireo izany dia naira-nifaly izahay enina mianaka.
ITimoty 1: 15 “Matoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tety ambonin’ny tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany”, io no tsianjeriko tao amin’ny kilasy fahatelo Sekoly Alahady dia haiku foana. Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra, Amen!.

RAVOLAHARINIVOSOA FanjalalainaMpiandraikitra vondrom-bavaka Ambodiapanga Itaosy