Vary ho an’i Jesoa

Asa sosialy natsangan'ny Fiangonana ho fanampiana ny olona sahirana ny "Vary ho an'i Jesoa" ary nanomboka ny volana Jona 2009 no nanaovana azy. Tany am-piandohana dia 127 no isan'ny olona nisitraka izany fanampiana izany. Fa ankehitrina kosa dia nihena ho 90 izy ireo satria misy ireo izay tsy naka intsony ary misy koa ireo izay nodimandry.

Vary 5 kilao isaky ny olona sahirana no zaraina ary isa-kerinandro, ny Asabotsy maraina no anatanterahana izany fizarana izany. Raha sanatria ka tsy ampy ny vary voangona ao anatin'ny herinandro dia tsy misy ny fizarana.

Ireo tsara sitrapo sy ireo malala-tanan'ny Fiangonana no mamatsy ity tetik'asa "Vary ho an'i Jesoa" ity amin'ny alalan'ny fandrotsahana azy mivantana ao amin'ny sekretera mpandraharahan'ny Fiangonana na amin'ny alalan'ny raki-pisaorana.

Araka ny voalaza tetsy ambony dia isaky ny Asabotsy maraina ny fizaram-bary. Tamin’ny voalohany dia natomboka tamin’ny vavaka fotsiny ihany ny fotoana; fa hatramin’ny nanombohana ny fankalazana ny faha 150taonan'ny Fiangonana kosa dia misy ny famakiana ny mofon’aina sy ny hafatra 1min30s ataon’ny diakona.
Ny diakona ao amin’ny vaomieran’ny fananana sy ny vaomiera sosialy no miara-miasa amin’ny fizarana ny vary.
Nampianarina ireo mpaka vary mba hanome maimaim-poana, koa dia manome vary indroa an’ny tanana eo izy ireo amin’ny vary izay omena azy.