Asa sy Tantara Tsantan’ny Fitiavana

Tsantan’ny Fitiavana

Ny Tsantan’ny Fitiavana dia Antoko Mpihira niorina teto @ FJKM Isotry Fitiavana t@ taona 1996 t@ andron’i Pasteur Rakotondrainibe Richard. Ny anjara fanompoan’ny Tsantan’ny Fitiavana dia ny mihira isaky ny alahady ankatoka ary miaraka @ antoko mpihira mitambatra isaky ny alahady voalohany sy ny fotoan-dehibe. Mitarika ny fiderana (louange) ihany koa ny Tsantan’ny Fitiavana nanomboka t@ volana May 2012.

Ny famerenan-kira (répétition) dia ny Alakamisy @ 6ora-8h30 alina, sy ny Asabotsy @ 2ora30-6ora.Ankoatry ny lafiny hira, dia misy ny fitaizana ara-panahy tsy tapaka ary misy hetsika samihafa ho fikolokoloana ny fifankatiavana sy ny firaisan-kinan’ny mpikambana (fitsangatsanganana, convivialité). Mandray anjara @ adidy sy hetsika rehetra ato am-piangonana koa ny Tsanta.

Vaovaon'ny Tsantan'ny Fitiavana