KATEKOMENA

KATEKOMENA

Ireo rehetra feno 15 taona no mihoatra manolo-tena dia raisina ho katekomena . Maharitra 1 taona ny fianarana ary fampianarana tsy latsaky ny 40 présences no tsy maintsy hatrehana (araka ny FDF and 29)

Eto amin’ny FJKM Isotry Fitiavana : dia in-telo ny fotoana fanokanana : Ascension – Pentecôte ary ny Alahady voalohany amin’ny volana Novambra.

Isaky ny alahady dia afaka miditra mianatra izay te-ho katekomena, fa ny fotoana fandraisana azy ireo kosa dia tsy maintsy manaraka ny FDF.
Ireo izay efa mihoatra ny 65 taona kosa dia misy fepetra manokana ho an’izy ireo amin’ny fianarana Katekomena raha toa ka vonona hanolo-tena.

Ny katekomena dia sekoly fianarana ny fiainan’ny Fiangonana, araka izany dia mandray anjara amin’ny asam-piangonana rehetra ny katekomena toy ny :

- Fanadiovana faobe
- Bazar de Noël
- Fivarotana sy fanaparitahana ny Gazetin’Isotry Fitiavana
- Asan’ny Fiangonana hifarimbonana amin’ny vaomiera hafa
- Fandraisana anjara amin’ny fananganana ny Fiangonana tendren’ny Synodam-paritany na ny Foibe
Ny Katekomena rehetra dia manatanteraka Tafika Masina daholo mialoha ny fanokanana azy ireo.

FOTOANA FIANARANA

- Isaky ny Alahady maraina : 7h tsy diso ka hatramin’ny 8h45 min. Noho ny fisian’ny fanopoam-pivavahana indroa ny alahady voalohany : 8h30mn ka hatramin’ny 9h45 mn .
- In-telo asabotsy hariva ao anatin’ny taona
- Ho fanampin’ny fianarana isaky ny alahady maraina dia : manatrika ny fiofanana rehetra tanterahin’ny Firaisan’ny sampana sy ny Fiangonana

Zaraina groupe ny katekomena ka misy coach ny groupe tsirairay. Ny Coach no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana – fampaherezana – famangiana ny katekomena isan-tokantrano.

TSANGAMBATO

Isan-taona dia manolotra tsangam-bato ho an’ny Fiangonana ireo Katekomena ho raisina Mpandray ny fanasan’ny Tompo. Ny hoenti-manana amin’izany dia ireto no fitadiavam-bola tanterah’inizy ireo :

- Alahady voalohany amin’ny taona : Varotra tsakitsaky
- Alahady fahatelo amin’ny volana Aprily : Alahadim-bokatra
- Valopy amin’ny fotoana fandraisana ( Ascension – Pentecôte – Alahady voalohany amin’ny Novambra)

Miantso anao ny Tompo
« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah » Salamo 34.8