Etude Biblique

Amin'ny 5ora30 hariva ka hatramin'ny 6ora sasany hariva ny Etude Biblique isaky ny Alarobia.

Sehatra iray handalinana ny Soratra Masina izy io ka ny bokin'ny Apokalypsy izao no hianarana ao.

Ny Mpitandrina Solofo RAMAHOLIMIHASO no mitondra ny fampianarana, ary ny maha-zava-dehibe io fotoana io dia misy ny fandinihan-tena atao amin'ny alalan'ny vavaka atao eo am-pandohalihina isaky ny fahamarinana voalazan'ny Baiboly.

Ho anao izay mahatsapa fa mila mitombo amin'ny fianarana ny Soratra Masina, io no sehatra hahafahanao manatanteraka izany; koa dia manasa anao ho avy.