Asa sy Tantara Sampati

ASA ATAON'NY SAMPATI

Ireo lasin-jobily notanterahina
- 1998 : Lasin-jobily fahadimy taona notanterahina tany Mahajanga
- 2003 : Lasin-jobily fahafolo taona notanterahina tany Foulpointe
- 2008 : Lasin-jobily fahadimy ambinifolo notanterahina tany Fenoarivo atsinanana
- 2014 : Lasin-jobily faharoapolo taona notanterahina tany Foulpointe

Ireo Sampam-panabeazana mijoro
- Mpanazava Mavo na Voronkely (zazavavy 4- 11 taona)
- Mpanazava Maitso (ankizivavy 12- 15 taona)
- Mpanazava Mena na Afo (zatovovavy 16 taona noho mihoatra)
- Tily Mavo na Lovitao (zazalahy 4-12 taona)
- Tily Maitso (ankizilahy 12- 16 taona)
- Tily Mena na Mpiandalana (zatovolahy 16- 19 taona)
- Tily Menafify (zatovolahy 20- 25 taona)

Ireo Rafitra mpitantana sy Mpanohana misy
- Komitim-Pivondronana
- FMT2S na Fikambanan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza

DESCRIPTION DES ACTIVITES

Ny zava-kendren’ny Mpanazava sy Tily dia ny hanabe sy hanolokolo ary handray anjara amin’ny fampivelarana ny maha-olona feno ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora Zazavavy sy Zazalahy ao aminy ho :
- Vavolombelon’i Jesoa Kristy
- Olom-pirenena vanona
- Andrin’ny Fianakaviana

Ny Fototra ijoroan’ny Skotisma ampiharin’ny Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara dia amin’ny Fitaizana izay ataony amin’ny Mpikambana ao aminy dia ireto:
- Adidy amin’Andriamanitra
- Adidy amin’ny hafa
- Adidy amin’ny tena

Ny fomba fanabeazana dia :
- ny fibeazantenan’ny tsirairay izay miorina sy mivoatra, mifototra amin’ny Lalàna sy Fanekena, anaty fiainam-bondrona.
- fandaharana mivoatra sy manintona ahitana fihetsiketsehana maro sy miovaova izay tanterahina indrindra eny ankalamanjàna.

Vaovaon'ny SAMPATI