Asa sy Tantara DORKASY

FIAINAN'NY SAMPANA

EO ANIVON'NY FITANDREMANA :
1) Fotoam‐pivoriana: isaky ny Talata tolakandro ho an’ny mpikambana rehetra, isam‐bolana ho an’ny Komity (latsaky ny 65 taona), ary Fivoriambe indroa isan‐taona (AG)
2) Misy asa fampaherezana tanterahin’ny SAFIF isaky ny Talata faharoan’ny volana.
3) Fampianarana: toro‐hevitra (fomba fanao, fahasalamana…), sakafo, zaitra ...
4) Ny mpikambana dia manao tolo‐bola mba hanatevenana ny teti‐bola (budget), fa tsy manao varotra takalo intsony.
5) Mizara fanomezana ho an’ny loholona sy ny loloha ny Janoary taombaovao, sy ho an’ny mpikambana isaky ny fête des mères, ary ho an’ny TOPAZA isaky ny alohan’ny Krismasy.

EO ANIVON'NY FOIBE :
1) Misy Alahadin’ny Dorkasy indray mandeha isan‐taona; mankalaza ny 8 Martsa andron’ny vehivavy.
2) Mamonjy lasy tsalatra inefatra isan‐taona, Fihaonambe‐Paritra sy Fihaonambe indray mandeha isan‐taona avy.
3) Manome fanampiana ny Akany Gazela any Moramanga.

EO ANIVON'NY SP (SYNODAM-PARITANY) :
1) Fivoriambe, adidy sy vokatra, opération sakafo.
2) Famangiana TPM Ambatonakanga sy Ivato, IFRP; Tafika Masina indray mandeha isan‐taona.

EO ANIVON'NY FARITRA (Atsinanana) :
1) Fivoriambe, adidy sy vokatra, opération gâteau.
2) Famangiana TPM Ambatonakanga sy Ivato, IFRP; fitsangantsanganana.

EO ANIVON'NY ARM (Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina) :
1) Fivoriambe, adidy sy vokatra, opération gâteau.
2) Famangiana ny TPM Ambatonakanga sy Ivato, ny IFRP, ny zaza tezaina eny Tangaina sy Ambohidratrimo, ny voafonja Antanimora, ny boka any Manakavaly; fitsangantsanganana.

EO ANIVON'NY FG MM (Fiangonana Miara-Mandroso :
1) Manao Tafika Masina miraka amin’ny SP isan‐taona.
2) Manao Tafika Masina fanarahana maso.

Vaovaon'ny Sampana Dorkasy