Asa sy Tantara SLK

Raha ambara amin’ny teny fohy ny amin’ny SLK eto Isotry fitiavana dia nitsangana tamin’ny taona 1984 izy. Maro ireo filoha efa nifandimby nitarika ny SLK teto Isotry Fitiavana, isan’izany Itompokolahy Ranaivoarisoa, Atoa isany Solo Andriamasy, Andriamihanta Tiana, Rajoela Ambinina Derarizo, Randrianandrainy Faneva, ary Rabeniarison Tiana Nirina izay filoha mpitarika ankehitriny. Mpitarika ihany ireo fa ny Tompo no tena lohany ary ny fanahin’ny Tompo izay Masina sy Tanteraka no mameno ny mpikambana ahatanterahana ireo asa omen’ny Tompo.

Azo lazaina ho mitombo miandalana raha tsy hijery afatsy ny isan’ny mpikambana fotsiny isika. Tany am-piandohana mantsy araka ny tantara dia azo isaina amin’ny rantsan-tanana izy ireo. Raha ny asa indray dia mandray anjara feno amin’ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa iombonana amin’ny sampana sy ny fiangonana, ny synodam-paritany ary ny foibe izy.

Ary ny lehibe indrindra dia ny asa eo anivon’ny sampana manokana izay natao ho fanabeazana ny lehilahy ho ray mpitaiza sy mpanolokolo ny taranaka ho vanona, mizara fahalalana sy mitaiza ny namana; ho lehilahy mpampihavana sy mitombo hery ary mandray andraikitra. Amin’ny alalan’ireo sokajin’asa telo no hanatanterahana izany, dia ny aim-panahy izay mitarika ny fandinihana ny Soratra Masina, ny fanatanjahan-tena mitaona ny lehilahy sy ny tanora eto anivon’ny fiangonana hanao izany isaky ny zoma hariva ary ny vaomieran’ny hira izay mampianatra sy manomana ny antsam-panahy. Ny asan’ny sampana no hanehoana ny maha filazantsara velona sy mahery azy.

Ny tsangambato ahatsiarovana izao faha 30 taona izao dia ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana ny «placard» ho an’ny sampana rehetra eto amin’ny fitandremana, sy ny fanavaozana ny fanamian’ny mpikambana.
Misy ny hetsika ara-panatanjahan-tena natao teto ani’vo’ny Fiangonana tamin’ny 14 jona teo, ary hisy ny antsam-panahy ary sakafom-pirahalahiana atao mandritry ny taom-pankalazana.
ny tsangambaton’ny faha 30 taonan’ny SLK Foibe dia ny fananganana Ivotoerana iray any Foulpointe. Manana anjara amin’izany ny SLK eto Isotry fitiavana koa manantena ny fanohanantsika fiangonana amin’izany.
Eto am-pamaranana dia mampirisika antsika hatrany ry lehilahy fa hoy ny Soratra Masina hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. (Matio 9,38) Fa mbola maro tokoa ny asa ilana antsika lehilahy, ary sehatra iray ahazoantsika manao izany ny sampana koa mijoroa ry lehilahy, manàna Finoana, Hery, ary Fanantenana; ka ho vavolombelona amin’ny fahamarinana eo anivon’ny Firenena anie isika lehilahy amin’ny fanantanterahana izany asa masina izany. Fa “be hery ny lehilahy Hendry, eny mitombo hery ny olona manam-pahalalana” (ohab 24,5)
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amena.

Vaovaon'ny SLK