Asa sy Tantara SA

Teny iorenan’ny Sampana na teny faneva : “… Ary ny Teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko…” Jeremia 15:16b

 

1. Tantara sy Antom-pisian’ny Sampana :
NY FIAINAN’NY SA IF ARAKA IREO MPITANDRINA NIFANDIMBY :
Ny taona 1878 no niandohan’ny Sekoly alahadyIF tamin’ny nitondran’ny Mpitandrina ANDRIANTSEHENO mivady
Ny vadin’ny Mpitandrina no nitarika an’izany tamin’ny alalan’ny fanangonana ireo zaza sy ankizy ary tanora manodidina ny Fiangonana ka fampianarana ireo ondrikely ireo isan’andro no nataony tamin’izany.
Rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra dia nifanarahana teto amin’ny Fiangonana fa atao isan’Alahady ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra fa ny fianarana tsotra toy ny tao-zavatra sy ny hafa no notanterahina isan’andro.
Tsy mbola nisy boky nampiasaina firy tamin’izany fa ny raki-tsoratr’ireo Misionera sy ny traikefan’ny mpitarika no fitaovana noenti-nampianatra.
Nifanesy nitarika ny SA ireo vadin’ny Mpitandrina nifandimby :
- Ramatoa RAJAFETRA (1902 – 1908)
- Ramatoa ANDRIANAIVORAVELONA (1909 – 1961)
Fa nanomboka ny 1945 dia Itpkl RAKOTONANAHARY Jean no filohan’ny SA, ka naharitra 50 taona izany naha-filoha azy izany. Tamin’izany ny isan’ny Mpampianatra dia 20 ary ny mpianatra 444. Ny kilasy nisy dia Cours Préparatoire, Cours Moyen, Cours Supérieur,Cours Second Degré ary ny Essai.
Ny taona 1968 tamin’ny nahaterahan’ny FJKM tamin’ny nitondran’ny Mpitandrina SOLOHERY Paul ( 1965 – 1995)
Dia nisy rafi-pandaminana teo amin’ny sahan’ny Fiangonana rehetra niray tao anatiny ka voakasik’izany ny Sekoly Alahady.
Nanomboka teo ny fisian’ny boky iraisana ampianarana Soratra Masina ka tamin’ny alalan’ny kilasin’ny mpianatra no nandrafetana azy izay mitsinjara toy izao : Kilasy Akaninjaza – Ambaratonga 1 na cours Préparatoire – Ambaratonga faharoa na Cours Elementaire – Ambaratonga Fahatelo na Cours Moyen – Ambaratonga Fahaefatra na Cours supérieur – Kilasy ambony.
Ny kilasy ambony dia ny Mpitandrina no miandraikitra mivantana azy. Samy nisy fanadinana avokoa ireo rehetra ireo rehefa mifarana ny taom-pianarana. Ny isan’ny Mpampianatra dia 42 ary ny mpianatra 671.
Ny taona 1995 – 1998 : Fanovana ny rafitry ny kilasy sy ny boky lesona teo amin’ny sahan’ny FJKM, nandritra ny nitondran’ny Mpitandrina RAKOTONDRAINIBE Richard
1995 : Novàna ho vakiana isan’andro toy ny boky lesona any an-tsekoly ny boky fianarana ny Tenin’Andriamanitra ka any an-trano no mianatra azy miaraka amin’ny raiamandreny ny ankizy fa aty am-piangonana kosa dia famintinana sy fanazavana izay tsy azo sisa no tena hatao.
Niova koa ny rafitry ny kilasy ka niainga amin’ny Kilasy voalohany ( 3taona) ka hatrany amin’ny kilasin’ny olon-dehibe izay mianatra ny « Dinihonareo ny Soratra Masina » sy ny “Tokantrano sambatra” izany.
Ny filohan’ny SA IF nanomboka ny 1995 – 2015 dia Atoa RAMIANDRISOA Andrianjara, naharitra 20 taona ny nitondrany.
1998 : Nisy fanitsiana natao indray ny boky lesona tato anatin’ny sahan’ny FJKM izay hitantsika amin’izao endriny ankehitriny izao. Mampiasa ireo boky ireo ny SA IF ankehitriny.
Ny taona 2003 dia natsangana ny TANINKETSA izay zanan-tsampana ato amin’ny SAIF, tsangambato tamin’ny jobily faha 125 taonan’ny SAIF, nandritra ny nitondran’ny Mpitandrina RAKOTOMALALA Nivomboahangy
Noho ny fahavitsian’ny mpiandraikitra azy ireo anefa dia indrisy fa tsy naharitra ela ny fijoroan’izy io hany ka natory ny TANINKETSA IF nanomboka ny taona 2005.
Nanomboka ny taona 2004 - ….: itondran’ny Mpitandrina RAMAHOLIMIHASO Solofo mivady
Napetraky ny Mpitandrina ny fanatsarana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ho an’ny Mpampianatra sy ny mpianatra SA. Anisan’izany ny :
 Fitaizam-panahy samihafa.
 Fanamarinam-pahatongavana (na cahier de présence) ny mpampianatra @ 7ora sy sasany maraina isaky ny Alahady maraina amin’ny fotoanan’ny SA . Ho fanajana an’Andriamanitra sy ny fanompoana azy dia tokony ho tonga alohan’ny mpianatra SA ny Mpampianatra SA.
 Ny maha-mpiandry ondry ny Mpampianatra SA ka tokony ho fantatry ny Mpampianatra amin’ny antsipirihany ny momba ny mpianany tsirairay.
 Valisoa ho an’ny mpianatra tsy tara mihitsy mandritra ny taom-pianarana sy tonga mianatra foana (na Assiduité)
2013 : Nampiharana ny fizarana roa ny lesona 12 ho an’ny kilasy iray sy ny fisian’ny Dingana A na B amin’ny kilasy rehetra mandritra ny taom-pianarana iray
Dingana A : lesona 1-2-3-7-8-9
Dingana B : lesona 4-5-6-10-11-12
2016 : Nampiharana ny fisian’ny Dingana A sy B amin’ny kilasy rehetra amin’ny taom-pianarana rehetra
25 martsa 2017 : Namoahana ny andiany voalohany “Andiany VAVOLOMBELONA” ireo Mpampianatra nahavita fiofanana tao amin’ny SAMM na Sekoly Alahady Mampiofana Mpampianatra. Niisa 67 mianadahy mianaka ireo Mpampianatra teto IF.
8 desambra 2017 : Famohazana sy famelomana indray ny TANINKETSA IF araka ny fampirisihana nataon’ny Mpitandrina RAMAHOLIMIHASO Solofo
17 jona 2018 : Fiverenan’ny TANINKETSA IF mihira isaky ny Alahady fahatelo @ volana alohan’ny fotoanan’ny Ankizy sy Tanora.
Ny isan’ny Mpampianatra ankehitriny dia 106 ary ny mpianatra 995.
Ny filoha amperin’asa dia Rtoa RATSIRAHONANA Bako

3. Zava-kendrena

4. Asa sosialy na asa fanorenana na asa fitoriana atao :

5. Asa iombonana (FJKM IF, SPAA, Foibe)

6. Raha te hiditra ho mpikambana
- Fotoam-pivoriana : Asabotsy aorian’ny Fandraisana voalohany amin’ny 2 ora sy sasany
- Toerana : Fiangonana IF
- Fepetra : Fivorian’ny Komity : mpampianatra Sekoly Alahady rehetra.
Misy ny Assemblée Générale ny volana Jiona izay hivorian’ny Mpampianatra, Ray amandreny, sy ny mpianatra Kilasy fahaenina (K6) ka hatramin’ny fahafolo (K10).

7. Ireo Birao mitantana (2015 – 2019)
Présidente RATSIRAHONANA Bako
Vice président RAMIANDRISOA Andrianjara
Secrétaire PV RANAIVOSON Dina
Secrétaire VOLA RARIVOARIVELOMANANA Kanto
Trésorière RAVELOMANANTSOA Hortensia
Conseillères RAKOTONIRINA Nivoharilala
RANIVOMAMPIONONA Oméga
Contrôleurs financiers RAKOTOMALALA Celestin
RAKOTOMANGA Andrianjaka Solo Zina
Mpihevi- draharaha RABEMANANTANY Malala
Komity Lehibe RAMIANDRISOA Andrianjara
RABEROJO Serge
AFF RANDIMBIHANITRINIALA Vero Jemima
RAZAFINDRABE Hagason

 

 

Vaovaon'ny Sekoly Alahady