Asa sy Tantara VFL

ARA-PANAHY :

Fanaovana fanompoam-pivavahana mialohan’ny fivoriana rehetra atao.
- Fampianarana Soratra Masina hiantsoana mpitandrina na laika avy any ivelany.
ASA IVELANY :

Fiaraha-miasa amin’ny fiangonana any Antetezampafana, Fenoarivo Atsinanana (fanorenana sy fanampiana)
Fiaraha-miasa amin’ny SPAA sy Foibe : Manana solontena ao amin’ny SPAA 10 sy Vaomiera Maharitra Foibe ny VFL.
SOSIALY :

Fanampiana ny zaza any Tangaina Ampitatafika
Fanantanterahana ny Famorana Foibe (ankizy 40)
Fanomezana ireo Lolohan’ny fiangonana Isotry Fitiavana

Ny teny hoe : LAIKA dia avy amin’ny teny Grika hoe : LAOS » izay mitovy hevitra amin’ny hoe : « VAHOAKA »
Ao amin’ny Filazantsara dia VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA no ilazana ny « LAIKA » ary amin’izany dia LAIKA avokoa ny Kristiana rehetra.

I- NY SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (S.F.L) eo amin’ny FJKM :

Tsy fitoriana ny Soratra Masina ara-bakiteny fotsiny no ilaina amin’ny fampivelarana ny olombelona fa ampiharina amin’ny alalan’ny ASA samihafa ny fiambonian’ny « fahasoavan’Andriamanitra » ka tanterahina amin’ny fanambarana ny herin’ny kristianina rehetra, hiara-hiasa amim-pinoana.
Ireo foto-kevitra ireo no nahatonga ny Synoda faha-IV natao teto Antananarivo tao amin’ny Kolejy Rasalama ny 5 – 14 Oktobra 1978, nanaiky ny hijoroan’ny rafitra izay nantsoina hoe : “FIVONDRONANA LAIKA KRISTIANINA” (FLK) ary notokanana ny Alahady 28 Janoary 1979 tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, tao aorian’ny Zaikabe natao ny 26 – 28 Janoary.
Ankehitriny dia efa niova ho S.F.L, ny anarany na Sampana Fivondronana Laika. Izy no SAMPANA faha VI eo anivon’ny F.J.KM.

Nahoana no natao hoe : “Fivondronana” izy, satria sehatra iray ivondronan’ny olona rehetra tsy ankanavaka ao anatin’ny Fiangonana, izay vonona hiara-hiasa amin’ny alalan’ny talenta sy fanomezam-pahasoavana samihafa eo amin’ny isam-batan’olona izy.

  • Ny LAIKA : dia ilay voalaza ao amin’ny IPet 2 :9 hoe “Taranaka voafidy, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany” ary vahoakan’Andriamanitra mampihatra ny Soratra Masina amin’ny lafim-piainany rehetra.
  • Ny Laika dia vahoakan’Andriamanitra manaiky iraka.
  • Ny Laika dia kristianina mampiasa ny talentany hampandrosoana ny finoana.
  • Ny laika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny ASA, eo amin’ny sehatra sy fotoana misy azy.
  • Ny Laika dia hery velona sy manan-danja amin’ny fanehoana fa velona ny Tompo eo amin’ny tany ama-monina sy ny Firenena ary izao tontolo izao.
  • Ny laika dia manamafy ny tenin’I Paoly apostoly hoe : “lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho.”
  • Ny Laika dia vavolombelona amin’ny ASA ataony eo anatrehan’izao tontolo izao.
  • Ny Laika dia fiasana eo am-pelatanan’ny Fiangonana ho fitoriana ny Filazantsaran’I Kristy ary vavolombelon’ny Kristy, hampandroso ny Fiangonana eo ami’ny fanomezam-pahasoavana samihafa ananany.

II- NY ZAVA-KENDRENY :
Hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba :

  • Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana.
  • Hiara-miasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana.
  • Hikaroka loharanom-bola maharitra ho an’ny asa’ny Fiangonana.
  • Handroso amin’ny Ekiominisme.
  • Hampiroborobo ny fiainam-bahoala sy ny fiaraha-monina.
  • Fanambeazana eo amin’ny lafiny rehetra.
  • Fanarenana ny madilana tokony ho tetenana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana.

III- NY TENY FANEVA SY TARIGETRA :

“Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany” (Mat 5:47);
Ny sampana LAIKA dia sehatra iray natao hirotsahan’ny Kristianina rehetra vita batisa, na ireo efa any amin’ny Sampana hafa, ary indrindra ireo tsy mbola tafiditra any amin’ny Sampana misy eo anivon’ny Fiangonana ka vonona hampiasa ny talenta sy fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy mba hitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny ASA, sy hampivoarana ny tontolo manodidina ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina.

Ny heviny dia ny hoe : “ny vahoakan’Andriamnitra dia tsy maintsy mandray andraikitra sy adidy ao amin’ny Fiangonana misy azy, nefa koa miezaka hanao mihoatra noho izay efa tandrify sy efa fanaony ka an-tsitra- po no hanaovany izany, satria ny fitiavana, dia ny “Fitiavan’ I Kristy” no mibaiko azy.”

Vaovaon'ny Sampana VFL