Ireo Mpitandrina nifandimby

10. Miarisoa ANDRIANOMANANA (2022 – )

Ny Asabotsy 09 Aprily 2022 no nanoloran’ny SPAA ny Mpitandrina Miarisoa ANDRIANOMANANA teo anatrehan’ny Mpihevi-draharahan’ny Fiangonana ary ny Alahady 10 Aprily 2022 kosa teo anatrehan’ny Fiangonana.
Ny Alarobia 19 Jolay 2023 no noraisin-tanana niaraka tamin’ny Synodamparitany izy ary ny Alahady 23 Jolay 2023 kosa no noraisin-tanana niaraka tamin’ny Fiangonana izy.

 

9. Solofo RAMAHOLIMIHASO (2004 – 2021)

Ny taona 2004 no nahatongavan’ny Mpitandrina Solofo RAMAHOLIMIHASO teto Isotry Fitiavana raha efa nitandrina tamin’ny FPMA tany ampita izy. Ny 19 Desambra 2021 no namaranana ny Jobily Fisotron-dronono azy ary ny 31 Desambra 2021 kosa no namarana ny asa fitandremana teto Isotry Fitiavana.

 

8. Pierrot RASOAFANOMEZANTSOA (1999-2000)

Ny 28 marsa 1999 no natolotra ny Fiangonana ny Mpitandrina Rasoafanomezantsoa Pierrot, mivady. Herintaona sy telo volana no nitandremany teto Isotry Fitiavana.

 

7. Richard RAKOTONDRAINIBE (1995 – 1998)

Mpitandrina Rakotondraibe Richard

Tamin’ny Alahady 11 Jona 1995 no natolotra tamin’ny Fiangonana ny Mpitandrina RAKOTONDRAINIBE Richard William, izay Mpitandrina fahafito.

Telo volana mahery kely taorian’izay, ny Alahady 13 Aogositra 1995 vao natao ny fandraisan-tànana azy mivady.

Telo taona no nitandrameny teto Isotry Fitiavana. Ny Alahady 29 Novambra 1998 no nanovana ny fotoam-pivavahana fankasitrahana sy fanaovam-beloma azy mivady.

 

6. SOLOHERY Paul (1965 – 1995)

Mpitandrina Solohery Paul

Tamin’ny Alahady 10 Febroary 1963 dia natao ny fifidianana fanitsanana tamin’ireo Mpitandrina efatra nanaiky hisafidianana.

Ny Mpitandrina SOLOHERY Paul no nahazo vato be indrindra na dia mbola teo am-panomanana ny « Doctorat en Théologie» tany amin’ny Oniversiten’i Strasbourg aza izy tamin’izany.

Ny Asabotsy 15 Mey 1965 no nanaovana ny fanokanana ny Mpitandrina SOLOHERY Paul mivady ho Mpitandrina teto Isotry Fitiavana ary nitohy ny ampitso Alahady 16 Mey tontolo andro izany.

30 taona no nitondrany ny Fiangonana, ary maro ny fanavaozana nentiny, indrindra teo amin’ny fivelaran’ny sampana.

Ny Alahady 07 mey 1995 no natao ny fankalazana ny faha-30 nitandremany teto Isotry Fitiavana. Tamin’iny taona 1995 iny indrindra koa anefa no tonga teo amin’ny fotoana hisotroany ronono ny Mpitandrina SOLOHERY Paul mivady.

Ny Alahady 11 Jona 1995 no nifanaovany veloma tamin’ny Fiangonana.

 

5. Joseph ANDRIANAIVORAVELONA (1909 -1961)

Mpitandrina Andrianaivoravelona

Ny Alahady 04 jolay 1909 no nanolorana sy nandanian’ny fiangonana an’i Joseph ANDRIANAIVORAVELONA tamin’ny tsangan-tanana.

Efa diakona tao amin’ny fiangonana Tranovato Anatirova izy tamin’ny 1895 raha vao 18 taona monja. Nanohy ny fianarany tany Montpellier any Frantsa izy avy eo, niaraka tamin’ny Malagasy valo hafa ihany koa.

52 taona no nitondrany ny Fiangonana Isotry, ary maro ny fanavaozana nentiny. Marihina manokana ny fananganana ny trano Fiangonana araka izao hitantsika izao, sy ny anarana hoe Isotry Fitiavana.

Ny Asabotsy mialoha ny Paska, ny 01 Aprily 1961 tamin’ny 6 ora maraina izy no nodimandry. Izany dia tsy ampy iray volana akory tao aorian’ny nahalasan-dRamatoa Mary RAMIHAMINA vadiny, izay nodimandry ny 09 Marsa 1961. 84 taona izy no nodimandry.

 

4. RAJAFETRA (1902-1908)

Mpitandrina Rajafetra

Tamin’ny Asabotsy 01 Febroary 1902 no natokana ho Mpitandrina ny Fiangonana Isotry i RAJAFETRA. Mpitoriteny tao Antsapanimahazo sy Andravoahangy izy sady mpampianatra Sekoly Alahady tao amin’ireo Fiangonana ireo.

Izy no tompo-mariky ny valitafo mbamin’ny andohalambo tamin’ny polipitra, izay mbola hitantsika ankehitriny. Nodimandry ny 12 Mey 1908 izy raha vao 49 taona monja.

 

3. ANDRIANTSEHENO (1878-1900)

Mpitandrina Andriantseheno

Voafidy tamin’ny 30 Jona 1878 ny Mpitandrina ANDRIANTSEHENO. Alahady io andro io, ka ny maraina no nanaovana ny fifidianana. Ny tolakandro nanomboka tamin’ny 2ora kosa no natao ny fanokanana azy. Toy ireo Mpitandrina roa teo aloha dia mpitoriteny tao amin’ny Fiangonana Amparibe koa i Andriatseheno.

Nodimandry ny 27 Febroary 1900 tao Tsaralalana, ary nalevina eny amin’ny fasan-drazany eny Ilafy.

 

2. ANDRIAMANGA (1876)
Taty aoriana dia ANDRIAMANGA no voafidy ho Mpitandrina teto Isotry. Efa mpitoriteny matetika teto amin’ ity Fiangonana ity izy satria isan’ ireo mpitoriteny avy ao Amparibe.

Ny 20 Jona 1976 no nanokanana azy ho Mpitandrina ny fiangonana Isotry. Ny mampalahelo dia tsy naharitra afa-tsy efa-bolana mahery kely monja no naha-Mpitandrina an’ANDRIAMANGA teto amin’ny Fiangonana Isotry.

Nodimandry ny 09 Novambra 1876 teo amin’ny faha-44 taonany izy. Fanina tampoka teny an-dalàna izy tamin’io andro io ary maty izy nony tamin’ny 2ora tolakandro.

 

1. RAKATRO (1867-1874)

RAKATRO no Mpitandrina voalohany nitondra ny fiangonana ISOTRY hatramin’izay niorenany tamin’ny 1867. Mpandray ny fanasan’ny Tompo sady mpitoriteny tao Amparibe ny tenany, saingy tao Isotry no fonenany.

Taorian’ny nahavitana ny fianarany tao Ambatonakanga dia notendren’ny Fiangonana Anatirova izy ho evanjelistra ho any Ambatondrazaka.