Bourses

VATSIM-PIANARANA ISOTRY FITIAVANA

Volavolan-kevitra momba ny fampiasana ny ampahany amin’ny fahafolon-karena izay entina hanampiana ny zanaka Mpitandrina FJKM mianatra eny amin’ny Ambaratonga Ambony.
Volavolan-kevitra izay:
- Niaraha-nidinika tamin’ny Mpitandrina Ramaholimihaso Solofo in-droa mihataona: Talata 23/08 sy 30/08 (18:30 – 20:30 ora hariva)
- Nentina teo amin’ny Biraom-piangonana ny Alarobia 7/09 (20:00 ora alina)
- Nentina teo amin’ny mpihevi-draharaha ny Sabotsy 24/09 (06:30 ora maraina)
- Nentina teo amin’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo ny Alahady 25/09 taorian’ny fanompoam-pivavahana maraina.
- Nentina teo amin’ny Tonian’ny Departemanta Fiangonana ao amin’ny Foibe FJKM, Atoa Radimisaona Jonah, Mpitandrina, ny Zoma 30/09 (08 :30 ora maraina)

Fanamarihana :
- Fijoroana vavolombelona eo amin’ny firenena satria zava-dehibe amin’ny firenena ny manao investissement eo amin’ny sehatry ny fanabeazana izay lova sarobidy indrindra azontsika apetraka ho an’ny taranaka.
- Formation diplômante et professionnalisante , cycle court, hahitana asa avy hatrany fa tsy sanatria hoe formation hanomana ho futurs chômeurs.
- Ny projet dia ampifanarahana hatrany amin’ny “Vision d’excellence” izay efa vinan’ny Fiangonana hatrizay.

Ireo volavoaln-kevitra :
1°) “Vatsim-pianarana Isotry-Fitiavana” no atao anaran’ ilay bourses
2°) Ny hisitraka izany dia hotsongaina avy amin’ ny zanaka Mpitandrina manerana ny sahan’ny FJKM maniry hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony ka :
- atomboka amin’ireo manana BACC 2016
- nahavita ny inscription administrative ao amin’ny lalam-piofanana nosafidiany eny amin’ny Sekoly ambaratonga ambony an’ny fanjakana manerana ny Nosy (vita concours , voaray ao amin’ny lalam-piofanana nosafidiany ka nahatontosa ireo dingana rehetra takiana eo amin’ny inscription administrative: ohatra hoe efa voaloa ny antsasaky ny droit d’inscription)
3°) Ny vatsim-pianarana omen’ ny fiangonana dia miendrika fanampiana ara-bola mitentina 50 000 ariary isam-bolana, mandritry ny 9 volana isan-taom-pianarana, ary maharitra 3 taona (Bacc + 3 , ny Cycle Licence amin’ny système LMD no cycle court indrindra izao).
4°) Ny fomba fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra (mode de paiement) dia heverina ho isaky ny voalohan’ny volana ary arahi-maso hatrany ny mpianatra raha voaloany ara-dalàna sy ara-potoana avokoa izay vola tokony aloany momba ny fianarany.
5°) Ny fanampiana omen’ny fiangonana dia havaozin’ireo izay misitraka izany isan-taom-pianarana, amin’ny fangatahana fanampiana vaovao, ary mety hitsahatra izany raha misy redoublement.
6°) Mpianatra zanaka mpitandrina miisa 20 isan-taom-pianarana no hozakain’ny fiangonana ary manerana ny Synodamparitany (38) eto amin’ny sahan’ny FJKM no isafidianana azy ireo .
7°) Andraikitry ny Vaomiera Vatsimpianarana eto amin’ny FJKM Isotry Fitiavana:
- Manao ny “sélection sur dossier sy interview” ireo candidats (dinihina ny naoty hatrany amin’ny classe de Seconde miakatra)

- Manadihady momba ny safidin’ ny candidat ary mamakafaka sy mandinika raha toa ka mifanaraka amin’ izay zavatra andrasana sy voafaritra izany safidy izany na tsia (formation professionnalisante , ahitana asa avy hatrany), ary dia manapaka araka izany raha omena vatsim-pianarana ny candidat na tsia.
- Manara-maso akaiky ny fandoavan’ny mpianatra ny frais pédagogiques

8°) Ny ‘’bourses nationales’’ na vatsimpianarana omen’ny fanjakana ny mpianatra eny amin’ny Oniversite, isam-bolana mandritry ny 9 volana:
L1 na 1ère année de Licence: 24200 Ar
L2 na 2ème année de Licence: 30250 Ar
L3 na 3ème année de Licence: 48400 Ar
Raha misy redoublement dia mihena ka lasa 1/4 sisa no bourses raisina.
Ireo dia miampy ny antsoina hoe ‘’équipements’’, vola 66000 Ar izay omena ny mpianatra isaky ny fanombohan’ny taom-pianarana.
Ny mpianatra voafantina hisitraka ny Vatsim-pianarana IF izany dia tokony efa mahazo ireo bourses nationales sy équipements avy amin’ny fanjakana ireo.