RAZANADRAZAFY Haingomandimby

Ho voninahitr’Andriamanitra no hijoroako vavolombelona eto fa vokatry ny fanarahako ny fiofanana FIANGONANA MITERAKA teto amin’ny Fiangonantsika FJKM Isotry Fitiavana dia tonga sahy nitory ny Filazantsara tamin’ireo olom-pantatro sy ny manodidina ahy aho.
Fianakaviana kely iray tamin’ireny no entiko aminareo mpamaky eto. Izany fianakaviana kely izany no tian’ny Tompo ho vonjena ka nanirahany ahy history ny Filazantsara aminy. Mpivady samy nanana ny Fiangonana nivavahany mantsy no tao anatin’io fianakaviana io, niteraka olana lehibe tao anatin’ny tokantranony izany fahasamihafana izany indrindra rehefa alahady maraina, nampalahelo aza fa niteraka tsy fidirana am-piangonana intsony izany taty aoriana.
Teo anatrehan’izany indrindra no nampahafantarana azy ireo fa tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy fa ny fananana an’I JESOA KRISTY ao am-po. Rehefa vita ny dinidinika dia nanaovana “Boky mavo” na Zava-dehibe efatra momba ny fiainana ara-panahy izy ireo ary tamin’izany no nandraisany an’I JESOA tao am-pony. Tsy nijanona hatreo anefa ny fitoriana fa narahana fanohizana izany isan-kerinandro. Taty aoriana dia nirotsaka hianatra katekomena ilay renim-pianakaviana ary tsy ela taorian’izay dia niroso koa ny vadiny. Ny 12 Janoary 2014 lasa teo dia noraisina ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo tao amin’ny FJKM Ambohimarina Faharetana Andoharanofotsy izy ireo ary tsy izany ihany fa dia natolony ho an’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Batisa ny zanany lahy.
Deraina ny Tompo fa Izy no miantso sy maniraka hahatanteraka ny sitrapony.