Fikambanan’ny Diakona sy Loholona

Diakona

Diakona Andiany "FANKATOAVANA" (2015-2019)

NY FIKAMBANAN'NY DIAKONA SY LOHOLONA (FDL)

Ny niorenany
Tao anatin’ny Vaomiera sosialy no nampivondronana ny diakona teto anivon’ny fitandremana talohan’ny taona 1997.
Ny volana Martsa 1997 no najoron’ny ambaratongam-pitondrana teto amin’ny fitandremana ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL_IF) araka ny toro-marika nomen’ny synodamparitany.
Andriamatoa RASOLOHERY Alain Dieu Donné no solon-tenan’ny FDL_IF tamin’ny fivoriana voalohany hananganana ny Firaisan’ny Diakona sy Loholona teo anivon’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana (FDL_SPAA.10) tamin’ny faha 20 Mey 1997 . Ary izy no lany ho Filoha voalohany nitarika izany FDL SPAA.10 izany.

Ny mpikambana ao aminy
Ny diakona amperin’asa sy ny loholona eto amin'ny fitandremana.
Manana birao 7 tahaka ny Sampana sy ny Fikambanana rehetra eto amin'ny fitandremana ny FDL.

Ny antom-pisiany
Ny antom-pisiany dia hampiorina ny diakona sy ny loholona amin' ilay Andriamanitra Tompon’ny fiantsoana ary mba haneho fifankatiavana mitondra ho amin’ny fiombonan’aina eo amin'ny Mpitandrina sy ny diakona sy ny loholona amin’ny fanatanterahana ny fanompoana izay efa nekena.

Ny fomba fiasa
- Ny Mpitandrina no tompon’andraikitra amin’ny fitaizana lalim-paka sy mitohy ny diakona sy ny loholona ary ny ankohonan’izy ireo.
- Mandrindra ny fanatanterahana izany fitaizana izany ary ny ara-tsosialy kosa ny FDL

Ireo Asa anatiny

1. Ny fisintonana
Ny antsoina hoe fisintonan’ny FDL miaraka amin'ny MD ny sampana dia fitokanana amin'ny toerana iray mandritry ny tontolo andro iray mba handraisana fampiofanana sy fampianarana ary indrindra hitokanana amim-bavaka hiombonan’ny diakona sy ny loholona ary ny MD miaraka amin’ny vady.

Misy in-telo izy ireo isan-taona ary ny fisintonana iray amin’ireo dia iarahana amin’ny vady aman-janaka.

2. Ny fisindana
Ny atao hoe fisindana FDL miaraka amin'ny solon-tenan’ny MD Sampana dia fitokanana amin'ny toerana iray mandritry ny tontolo andro mihoatra ny iray, izany hoe matory any amin' ilay toerana mihitsy. Miaraka amin'ny vady izany satria ny fanompoan’ny lahy dia fanompoan’ny vavy. Amin’ny ankapobeny dia roa andro sy iray alina izany fisindana izany.

Indray mandeha isan-taona no hanatanterahana izany. Ary ny endriny dia fitokanana mivavaka ary fandraisana fampianarana sy fampiofanana, fampitomboana ny fifankahalalana sy ny fifankatiavana eo amin'ny rehetra.

3. Ny alahadin’ny FDL
Nanokanana Alahady iray isan-taona ny FDL eto amin'ny fitandremana mba hitondrana am-bavaka ny asa fanompoana.

4. Fandraisana anjara amin'ny vinan’ny fitandremana amin'ny fananganana fiangonana vaovao
Ny isam-batan’olona diakona na loholona dia manome izay foiny ho amin’ny fanorenana ny trano fiangonana.

Fa ny FDL kosa amin’ny maha fikambanana azy dia manome ny polipitra sy ny fanaka eo aminy ho an’izay trano fiangonana haorin’ny fitandremana.

Ireo Asa Ivelany
Mifandray amin’ny FDL misy amin'ny rafitra eto amin'ny FJKM ny FDL fitandremana Isotry Fitiavana ka :
­- Mandefa solon-tena amin’ny fihaonam-be nasionalin’ny diakona sy ny loholona izay karakarain’ny Foibe
­- Manatrika ny fihaonam-ben’ny FDL SPAA.10 etsy Antsahamanitra isaky ny volana Aprily sy ny volana Novambra
­- Miaraka miasa amin'ny FDL /ARM (Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina) ihany koa amin'ny fandraisana anjara  amin'ny hetsika ilàna diakona sy loholona eto Antananarivo, tahaka ny famoahana mpitandrina sy mpampianatra FJKM isaky ny alahady farany amin’ny volana Jolay.
­
Loharanom-bolan’ny fikambanana
Hahatonga ny diakona sy ny loholona ho filamatra ny amin’ny fahafoizana vola ho amin’ny asan’Andriamanitra dia tsy misy, na 0 Ar no teti-bola natokan’ny fiangonana ho an’ny FDL sy ny asa rehetra izay sahaniny.
Ny loharanom-bolan’ny fikambanana dia :
1. Latsakemboka isam-bolana alohan’ny mpikambana
2. Fahafoizan’ny tsirairay araka izay hetsika atao sy ny fandaminana
3. Rakitra isaky ny fivorian’ny Mpihevi-draharaha
4. Alahadim-bokatra

Ny anarany
Nanomboka ny taona 2011 dia nomena anarana isalorana ny andiany indray mihiran’ny diakona sy ny loholona :
2011 – 2015 : MPANALALANA
2015 – 2019 : FANKATOAVANA

2019-2023: FANEKENA NY FINOANA

Ny birao (2019-2013)

Filoha: RAVOKATRA Fidiniavo

Filoha mpanampy: RAKOTOARINIVO Jean Tovomahery

RAMIANDRISOA Narijaona

Mpitantsoratra PV: RAMANANORONIAINA Nivo

Mpitantsoratry ny vola: JEANNOT

Mpitahiry vola: EAZAKANAIVO Ihaja

Mpanolon-tsaina: ANDRIANTSOA Mamy Gaspard