Zava-maneno

Zava-maneno

Ry havana malala ao amin'ny Tompo,

Toy izao raha ambara amin'ny endrika tsotsotra ny mikasika ny Fikambanan'ny Mpitendry ZAVAMANENO eto Isotry Fitiavana :

  • Talohan'ny taona 1967 : Fianarana mozika (solfège) teto amin'ny fiangonana ka maro be ny ankizy sy tanora nianatra kanefa lafiny teorika ihany anefa zany satria lafo ny vidin'ny zavamaneno ka tsy zakan'ny ray aman-dreny ny vidiny.
  • Rehefa nisy andro lehibe teto amin'ny Fiangonana, dia nisy olona vitsivitsy afaka nanao fitendrene tamin'ny nahim-pony, niaraka tamin'ny Mpitendry harmonia. Tsy dia voakarakara anefa izany fa mbetika nety, mbetika tsy nety.
  • Desambra 1969 : Nahazo Orga vaovao ny Fiangonana (io hitantsika io andrefana io). Nisy olona vitsivitsy notendrena vonjimaika mba hitendry, izany dia nanana endrika tetezamita fotsiny.
  • Niantso Mpampianatra orga avy any ivelany ny Fiangonana, ary nanomboka hatreo dia izay afa-panadinana no lasa Mpitendry ara-dalàna.
  • Ny Fiangonana dia te handre Zavamaneno miaraka amin'ny Orga.
  • Ny mpitendry zavamaneno efa zatra niaraka sy ny Mpitendry Orga amperinasa anefa dia tsy nisy fifandraisana firy, ary dia niteraka disadisa izany isaky ny ho avy ny Andro lehibe.
  • Nisy fotoana vitsivitsy aza iza voatery nanakaramàna Mpitendry zavamaneno avy any ivelany mba hanatontosa ny Andro lehibe teto amin'ny Fiangonana, na dia teo aza ny mpanan-talenta teto Isotry Fitiavana.
  • Novambra 1973 : Tapa-kevitra fa hasiana fampihavanana sy fanombohana asa vaovao mikasika ny amin'ny fiarahana mtendry zavamaneno eto Isotry Fitiavana.
  • Ho fanatanterahana izany rehetra izany dia novorian'ny Mptandrina SOLOHERY Paul tany an-tokatranony ny Mpanan-talenta rehetra tsy ankanavaka, mba hahazoana manorina ny Fikambanan'ny Mpitendry Zavamanenon'ny Fiangonana.
  • Alahady Fandraisana Janoary 1974 : Nijoro ara-dalàna teto amin'ny Fiangonana ny Fikambanan'ny Mpitendry Zavamaneno.
  • Nofohazina ny fampianarina mozika teto amin'ny Fiangonana.
  • Répétition hebdomadaire: Alahady hariva  tamin'ny 5 ka hatramin'ny 7 ora hariva teo am-panombohana. Fa amin'ny zao dia alahady maraina vita fanompoam-pivavahana ka nianga soratanana sy ny photocopie tsotsotra ny fanomanana ny partitions dia miampy fampiasana logiciels isankarazany amin'ny fanoratana  ny mozika.
  • Ny zavamaneno rehetra nampisaina ankoatran'ny orga, hatramin'izay ka hatramin'zao dia fananan'ny tsirairay avokoa, hatramin'ny sonorisation izay hitantsika ankehitriny.
  • Ny fanompoampivavahana lehibe teo amin'ny sehatry ny FJKM izay natao teny ivelany sy teto an-toerana dia nandraisan'ny Mpitendry Zavamaneno Isotry Fitiavana avokoa.
  • Fotoan-dehibe teo Isotry Fitiavana niarahana tamin'ny Fikambanana : Fanokanana ny Biraon'ny FFKM voalohany, Fanokanana sy famoahana ny Tiona FFPM.
  • Misy ny Alahadin'ny zavamaneno fanao isan-taona, kanefa dia hadinodino izany tao aoriana. Fa ankehitriny kosa dia tapaka teo amin'ny Ankatoky ny fandraisan'ny Mpandray ny fanasan'Tompo tamin'ny volana Febroary 2014 teo fa haverina hasiana indray izy io isaky ny Alahady Fandraisana volana Janoary.
  • Marihina fa tsy Sampana ny Fikambanan'ny Mpitendry Zavamaneno fa fanatanterahana asa lehibe, ho fanentanana ny hiram-pivavahana isaky ny misy Andro lehibe.
  • Marihina eto fa ny fitendrena zavamaneno eto amin'ny Fiangonana Isotry Fitiavana dia misokatra ho an'ny zanaky ny Fiangonana, ary tsy misy fanavakavahana.