Ny Birao

 

Ny Biraon’ny Fitandremana Isotry Fitiavana dia:

  • Miara-miasa akaiky amin’ny Mpitandrina amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Filazantsara izay hanirahana ny Fitandremana
  • Mamolavola ny vina sy ny tetik'asan’ny Fitandremana ary manolotra izany hodinihin’ny Mpihevi-draharahan’ny Fitandremana
  • Manatanteraka ny hevitra tapaky ny Mpihevi-draharaha sy ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo
  • Mandamina sy manao izay mampandeha ny raharaha rehetra eto amin’ny Fitandremana
  • Manao izay hisian’ny filaminana sy fiombonana eto anivon’ny Fitandremana
  • Manao izay hahatanterahan’ny Fitandremana Isotry Fitiavana ny adidiny, na eo anivon’ny Synodamparitany misy azy, na eo anivon’ny Foibe FJKM
  • Mandamina ny fitantanana ara-bola

Mba hahafahan’ny birao manatanteraka ireo andraikiny ireo dia mivory in-droa isam-bolana ny Biraon’ny Fitandremana Isotry Fitiavana.

Ireo biraon'ny Fitandremana (2024-2028) dia :

  • Filoha : Ny Mpitandrina ANDRIANOMANANA MIARISOA
  • Mpitantsoratry ny fivoriana : RABENIARISON TIANA NIRINA
  • Mpitantsoratry ny vola : RAZAKANAIVO RABEMIHOATRA IHAJA NIRINA1
  • Mpitahiry vola : ANDRIAMALALA NIRINA DANIEL
  • Mpanolo-tsaina voalohany : RAKOTOARISON OLIVIER
  • Mpanolo-tsaina faharoa : RASAMOELINA WICKLIFF JOEL
  • Mpanolo-tsaina fahatelo : RANJOHANISON PATRICK