Loloha

Ny Fiangonana FJKM Isotry Fitiavana dia miahy sy manampy ireo olona sahirana.
Ny fomba hisafidianana azy dia manao taratasy fangatahana ilay olona ka mandalo ny ambaratonga (birao, Mpihevidraharaha, Mpandray) ary alefa any amin'ny Vaomiera Asa Sosialy.
Mitsidika ilay olona ny vaomiera dia manao fanadihadiana ka miresaka amin'ny ilay olona sy ny ankohonany ary rehefa manaiky dia eken' ny vaomiera ary miverina any amin'ny ambaratonga ny fangatahana.
Rehefa ekena dia mandray fanampiana isam-bolana, ary tolorana fanomezana amin'ny fotoana tahaka ny: Paska - Fetim-pirenena-Pentekosta-Krismasy ireo loloha ireo.
Ankoatra an'izay, rehefa marary izy ireo dia tsaboina maimaimpoana ao amin'ny Dispensaire-ny Fiangonana ary mahazo fanafody.
Farany, rehefa tonga ny fahafatesany dia tolorana lambamena.