Nehemia 5 :19 : « Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro o, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity ».

Araka ny hevitrao, HO TSAROAN’ANDRIAMANITRA VE NY ASA SOA NATAONAO ?
Ho tsaroany izany arakarak’izay hoe motivation anao.
Rehefa manisy soa olona ve ianao dia hoe miandry takalony, miandry setriny ?
Ary raha ohatra ka hoe tsy mamaly anao ilay olona, tsy mahavaly ny soa ataonao ilay olona, tafintohina ve ianao ?
Raha izay, dia ho anao no anaovanao ilay asa ary tsy ho tsaroan’Andriamanitra ianao na oviana na oviana.

Amena