RESAKA PANNEAU DE SIGNALISATION SY POTEAU

« Manangàna famantaran-dalana ho anao hianao, manorena tsangam-bato ». Jeremia 31 :21a

Ilay hoe : « Manangàna famantaran-dalana » : mitadiava ianao signalisation ho anao.

Ary : « manorena tsangam-bato » : poteau de direction.

Ry havana ô, ny Isiraely entin’Andriamanitra ho babo any Babylona, no hitenenana hoe : manangana ianao panneau de signalisation, poteau de direction ; amin’izay ianao rahatrizay averiko avy any Babylona, tsy ho diso lalana, hiverina any an-tanana. Azonareo ve izany ?

Ny hafatra ho antsika dia hoe : amin’ny fiainanao, manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangambato.

Eo isika rehetra, fa mitodika manokana aminareo tanora aho : raiso ho anareo manokana ity teny ity, hoe : « mitadiava panneau de signalisation, mitadiava poteau de direction » dia tsy ho diso lalana ianareo amin’ny fiainanareo.

Ataontsika mitovy daholo ny famataran-dalana sy ny tsangambato, signalisation sy poteau :

  • Ny signalisation sy poteau voalohany dia ny Baiboly sy ny vavaka ; tsy misaraka ireo. Rehefa any an-dafy any, rehefa entin’ny olona ianao dia saiky manana GPS daholo ny olona ; ilay GPS dia hoe : miteny amin’ilay GPS ianao hoe andeha ho ary aho izany. Dia programmé izay, misy carte mivoaka eo an. Amin’ny vavaka ianao no miteny hoe izaho te ho any amin’ny destination finale, dia ny Baiboly no manoro lalana hoe eto dia eto. Fa misy feo ihany koa miteny hoe : à la prochaine, après 50m, prenez à droite, après la deuxième à gauche, ohatran’izay. Tsisy olona hanana an’izany hoe famataran-dalana sy poteau izany raha tsy mivavaka izy miteny amin’ny Tompo hoe : novakiako tao amin’ny Baiboly, te ho any amin’ny Jerosalema Vaovao aho, atoroy aho izany. Dia mamaly Andriamanitra ao anaty vavaka, dia manome tari-dalana.
  • Ny famataran-dalana sy ny poteau ihany koa ry havana ô, dia ny Baiboly manome anao rhema isan’Alahady.
  • Fa ny famataran-dalana sy ny tsangambato ihany koa, dia ny ray aman-dreny na ny zoky ara-panahy, manoro lalana.
  • Ary farany, mba tsy hahalava loatra ny message, ny hoe famataran-dalana sy tsangambato dia hoe : ny namana. Namana manana ny Tompo. Manànà namana hanampy anao amin’ny famataran-dalana ho anao, manorena tsangam-bato, mitadiava namana izay hoe poteau de direction ho anao. Tsy ho diso lalana ianao ; ary raha diso lalana ianao, hamerina anao amin’ny lalana, amin’ny fiverenana ho amin’ny Tompo.

Amena