IANAO VE MBA MANGATAKA NY HERIN’NY FANAHY MASINA REHEFA MITORITENY ?

IANAO VE MBA MANGATAKA NY HERIN’NY FANAHY MASINA REHEFA MITORITENY ? Asan’ny Apostoly 2:37a
Satria feno ny Fanahy Masina Petera raha nitoriteny, dia nanindrona ny mpihaino ny teniny.
Sabatra roa lela ny tenin’Andriamanitra ka miditra any amin’ny lalina indrindra amin’ny tena. (Hebreo 4 :12)
Fa sabatry ny Fanahy koa ny tenin’Andriamanitra. (Efesiana 6)
Ary raha tsy ampiasain’ny Fanahy ny sabatra izany, dia tsy miasa.
Koa angataho ny Fanahy Masina, mba hahazoan’ny teny manindrona am-pon’ny olona.
Ka rehefa voatsindrona am-po ny olona, dia mitondra vokatra ny tenin’Andriamanitra : mampitodika azy ho amin’ny fibebahana.
Amena