RAHA TSY MIBEBAKA IANAO DIA HO RINGANA

RAHA TSY MIBEBAKA IANAO DIA HO RINGANA. (Lioka 13 :1-5)

Mahatsiravina hoy ianao ny tantaran’ilay Galiliana tonga nanao fanatitra tao amin’ny tempoly, dia novonoin’i Pilato, ary ny ràny naharoharon’i Pilato tamin’ny fanatiny.

Tena mba malchance hoy ianao izany lehilahy valo ambin’ny folo nianjeran’ny tilikambo tany Siloama izany.

Jesoa tsy miteny aminao hoe : ilay Galiliana meloka kokoa, na hoe ireo lehilahy valo ambin’ny folo mpanota kokoa.

Fa ianao no resahiny izao.

Raha tsy mibebaka ianao dia ho ringana tahak’izany koa.

Tsy nibebaka ny Jiosy tao Jerosalema dia naringan’ny tafika Romana 40 taona taorian’izao fampitandreman’i Jesoa izao.

Amena