Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 24 MEY 2020

Ao amin’ny Epistily nosoratan’ny Apostoly Paoly ho an’ny Galatiana ; Galatiana 5 ; ho singanintsika amin’izany perikopa izany ny and.16 sy ny and.18 : « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna ».

MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – METEZA TARIHIN’NY FANAHY. Izay ilay hafatra ho antsika Fiangonana androany ry havana. MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – METEZA TARIHIN’NY FANAHY.

Avy hatrany dia apetraka aty am-boalohany ny famitinana ny toriteny mba hazava tsara amintsika ry havana. Raha lazaina amin’ny teny hafa ny hoe :MANDEHANA ARAKA NY FANAHY, dia azo lazaina tahaka izao hoe : ANKATOAVY NY FANAHY MASINA. Ary ny hoe : ANKATOAVY NY FANAHY MASINA dia hoe ANKATOAVY NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Izay ny Fahamarinana 1 : MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – ANKATOAVY NY FANAHY – ANKATOAVY NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ilay « mandeha » moa izany dia hoe zavatra « actif » : mandehana. Ilay faharoa indray : meteza ho tarihin’ny Fanahy ; ilay hoe « tarihin’ny Fanahy » dia « passif ianao. Teo izany ianao « actif » : mandehana. Fa ilay tarihina : « passif » ianao. Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay hoe : METEZA TARIHIN’NY FANAHY : MATOKIA NY FANAHY.

Matoanteny anankiroa izany no mamintina ilay toriteny androany, hoe : ANKATOAVY NY FANAHY MASINA – MATOKIA NY FANAHY MASINA.
Hoy ny and.16 ary, ao no ahitana an’izany fahamarinana izany. Hoy ny Apostoly Paoly hoe : « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo ». Io filàn’ny nofo io ry havana ; ny nofo sy ny filàny ; ny nofontsika sy ny faniriany. Ilay nofo aloa eto tsy dia tena hoe vatana loatra ; fa ilay nofo, dia ilay herin’ny ratsy, ilay herin’ny fahotana miasa ao amintsika. Ka izay nofo izay efa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana niaraka tamin’i Kristy izany e. Efa nohomboana io ; saingy izao : tsy mbola fongana io, tsy mbola éradiqué io asan’ny nofo, io filàn’ny nofo io, ato amiko sy ao aminao. Ary dia inona ny zavatra mitranga ry havana ? Rehefa manao ny hafitsony io asan’ny nofo io, fantatsika ihany hoe tsy mety izany ataontsika izany. Misy fotoana isika tena hoe te hiala, te hiala amin’izany asan’ny nofo izany ; notanisaina teo ny asan’ny nofo ry havana. Te hiala amin’izany isika satria tofoka, tofoka amin’ilay asan’ny nofo isika. Izay ny toetra tian’Andriamanitra ho hita eo amintsika, hoe tofoka marina amin’ny asan’ny nofo ; fa tsy hoe mahay tsianjery fotsiny ny Galatiana 5 : 19 hoe : fa izao ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana sy ny karazany. Tena hoe tofoka amin’ilay asan’ny nofo ry havana ô.

Misy ilay evanjelista sinoa, efa fitantarantsika eto ihany moa, Watchman Nee. Tamin’ny tao 1900 sy ny manaraka izy no nitory ny filazantsara tany Chine tany. Anisan’ny andrarezina amin’ny fitoriana filazantsara tany Chine izany. 30 taona izy nitory filazantsara tany Chine ; anisan’ny mpamaky lay tany izy. Avy eo nony tonga ny régime communiste, dia nigadra izy, condamné 20 ans any amin’ny camp de travail. 1972 izy no maty tany amin’ny camp de travail tany. Dia nisy mpianatr’i Watchman Nee tany amin’ny Fiangonana nisy azy, dia nahita ny herin’ny Fanahy Masina tao amin’i Watchman Nee ilay mpianany io, dia nanontany azy hoe : « mpampianatra ô, Pasitera ô, inona kay ny secret-ny herinao io, ny herin’ny Fanahy Masina ao aminao io ? ». Tsy namaly Watchman Nee ry havana ; fa inona no nataony ? Any Chine moa, dia nisy moron-drano izay tao, dia nisy rano izay tao ; dia nentin’i Watchman Nee tao anaty rano ilay mpianany, dia nony tonga tao anaty rano, noraisiny tamin’ny vozony ohatran’izao ilay mpianany dia narobony tao anaty rano ; ary narobony tao anaty rano ny lohan’ilay mpianatra. Izany hoe tsy avy miaina izany ilay mpianatra. Dia tsy azon’ilay mpianatra loatra ilay izy fa dia tsy nampaninona ilay mpianatra loatra aloa. Notazomin’i Watchman Nee tao ihany. Azontsika an-tsaina fa nanomboka sempotra ilay mpianatra, nanomboka nibitabitaka ilay mpianatra, nanomboka nitsipatsipaka ilay mpianatra, gejain’i Watchman Nee tao anaty rano tao ihany. Fa rehefa nitsipatsipaka faran’izay tratry ny ainy izy satria sempotra, dia tsy tanan’i Watchman Nee intsony. Dia hoy ilay mpianatra tamin’i Watchman Nee: « Fa inona ity ataonao ahy Pasitera an ? ». Dia hoy Watchman Nee tamin’ilay mpianany io, hoe : « ny secret-ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona anankiray sy ny fandehanana amin’izany dia ianao hoe tofoka ohatran’io, tofoka amin’ny asan’ny nofo sy amin’ny filàn’ny nofo ; tena tofoka. Ary rehefa tonga amin’izay toerana izay ianao, manana izay toe-po izay ianao dia voambara aminao izany hoe secret-ny fandehanana amin’ny Fanahy Masina izany ».

Haintsika tsianjery hoy aho ny Galatiana 5 :17. Fa tofoka amin’izany ve isika ry havana ? Fa rehefa tonga amin’izay situation izay isika, dia mora foana amintsika izany hoe mandeha araka ny Fanahy izany. Satria izany hoe « handeha araka ny Fanahy » izany, tsy hoe mandehandeha foana izany, fa ilay Fanahy izany ohatrany hoe tsipika tsy maintsy arahina ary ho diavina ; tsipika tsy maintsy ho diavina. Hoe ianao izay eto hoe « mandeha » : « actif » ianao izany ry havana ô. Izay ilay izy. Ary ilay tsipika diavina iny, dia ilay tenin’Andriamanitra izay ampatsiahivin’ny Fanahy Masina aminao amin’ny fotoana handinihinao tena hoe : inona indray ny sitrapon’ny Tompo, aiza indray ny fandehanana araka ny Fanahy amin’izao situation izao ?
Hitantsika ohatra ao an-trano ry havana, hoe : misy tanora izao, irahin’ny ray aman-dreniny, irahiny manao raharaha, dia efa henontsika ilay fomba fiteny hoe : « vetivety ange aloa neny an, aoka kely aloa dada an » ; fa izy eo mbola mamita jeu vetivety, mbola mijery film vetivety. Dia tsy mety mandeha : « aoka aloa kely vetivety ». Tsy mety mandeha satria sakanan’ilay fahafinaretana, na sakanan’ilay fahalainana. Tsy mety mandeha, tsy mety mandeha. Fa ilay hoe « mandeha araka ny Fanahy » ry havana dia hoe misy teny eo ampatsiahivin’ny Fanahy Masina : tiavo iny, tandremo iny.
Ohatra izao koa, maka ohatra rehefa Alahady maraina. Ohatra efa fanao ity, na malaza aza ity ohatra ity, mbola maro amintsika no mila maheno an’izao ry havana. Ny Fanahy Masina dia mitarika anao ry havana ô, antsika rehetra : izany Alahady maraina izany dia natokana ho an’Andriamanitra aty an-tranony. Ka rehefa hoe hankatoa ianao, hanaiky ny tari-dalana avy amin’ny Fanahy Masina ianao : ny hariva ianao ry havana ô, dia efa manomana ny akanjo anaovana ny ampitso, efa mipasoka ny akanjo anaovana ny ampitso, efa mahandro ny sakafo hohanina ny ampitso atoandro, manomana izay ho rakitra, ary mazava ho azy miomana matory mialoha mba tsy ho sarotra ny fifohazana ny ampitso maraina. Izany ilay olona mandeha ry havana ô, izany ilay olona mandeha araka ny Fanahy Masina. Fantany hoe izao no sitrapon’ny tenin’Andriamanitra, izao no sitrapon’Andriamanitra, dia hoe : miomana ho amin’izany. Petera miteny hoe : « manana saina misikina ». Fa raha hoe mandeha fotsiny, hoe ; « eny e, tokony handeha aloa izaho e », non non non. Fa manana saina misikina. Mankatoa sy manana saina misikina. Izay ry havana ô, izay ilay « mandeha, mandeha araka ny Fanahy ». Mankatoa, dia manana saina misikina. Ary izay no mahatonga ny 1 Petera 1 :13 hoe : « Sikino ny sainareo ». Sikino ny sainareo hanao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana ô. Ary izay ihany, izay fandehanana araka ny Fanahy izay, izay fankatoavana ny Fanahy izay, izay fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izay, izay ihany no tsy ahatanterahantsika izany hoe filàn’ny nofo izany. Mankatoa sy misikina. Fa izao ny farany : mila vavaka izany ry havana ô. Mila vavaka. Tsy ampy ilay hoe mankatoa, tsy ampy ilay hoe misikina ny saina. Fa hoe mila vavaka. Ary misy tonom-bavaka ry havana nalaina avy ao amin’ny Fihirana FFPM, ao amin’ny laharan-kira faha-174. Hoy ny and.1 , miresaka Fanahy Masina hoe : « Vonoy ny otanay, diovinao izahay, ka ny fanahinay onenonao ». Dia hoy koa ilay Fihirana FFPM 550 : 3 : « Ny afonao no ampandreseo ny afon’ny nofoko e ; ny sitrakao anie hekeko ho tena sitrako ». Izany ry havana no aoka ho tonom-bavaka fanaontsika, hoe : « ny afonao Fanahy Masina ô, ampandreseo ny afon’ny filàn’ny nofoko mahazatra ahy ireo ; ary aoka ilay sitraponao izay ambaranao isan’Alahady, ambaranao isan’andro, aoka hoe ekeko marina noho ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ho tena sitrako izany ».

Izay ny Fahamarinana 1 izany, hoe : MANDEHA ARAKA NY FANAHY MASINA, MANKATOA NY FANAHY MASINA, MISIKINA NY SAINA ARY MIVAVAKA.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia hitantsika eo amin’ny and.18 : « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna ».
Zava-doza anankiroa izany no ialana eto : tery amin’ny voalohany hoe : tsy mahatanteraka ny filàn’ny nofo. Eto indray, hoe : tsy mba ambanin’ny lalàna.
Mazava ho azy ry havana, fa ny olona rehetra, ny olombelona izany, na ny mino, na ny tsy mino, izay mikasa hanao ny tsara, dia lasa mametraka ny tenany eo ambany lalàna, eo ambany lalàna morale, dia ilay lalàna milaza hoe : aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mamono olona. Ambany lalàna satria mavesatra ilay lalàna, manempotra ilay lalàna ; ary noho izany dia matetika, tsy tanteraka ilay lalàna. Samy miaina izany isika ry havana ô. Ary na vita aza, na tanterakao aza ilay lalàna, dia mety tsy haharitra amin’izany ianao satria misy fetrany ihany ilay ezaka. « Raha izaho dia zakako izao, fa raha izany kosa dia tsy vitako e ». Misy fetrany ara-potoana ihany koa ilay ezaka ataonao. Ohatra izao : mety tamin’ny 2019 ianao izany tena hoe tsy mba hita teo amin’ny fiainanao mihitsy izany kolikoly izany ; tamin’ny 2019 na ny tany aloa ; fa izao 2020 izao, tena hoe ianao no tompon’ny kolikoly. Izay ilay olona ry havana ô : miezaka hanao zavatra tsara dia mametraka ny tenany eo ambany lalàna, manao asan’ny lalàna. Fa nahoana no hoe mametraka ny tenany eo ambany lalàna ? Maninona no atao hoe manao asan’ny lalàna ? Manao asan’ny lalàna satria mieritreritra hahavita zavatra tsara amin’ny herin’ny tenany, amin’ny herin’ny fahendreny ; asan’ny lalàna, satria ilay olona manao azy, mieritreritra hoe hahatratra an’izany tsy mila fanampian’ny Fanahy Masina, tsy mila fanampian’i Jesoa ry havana ô. Ary izany no lazain’ny Soratra Masina, hoe : ilay asan’ny lalàna tahaka izany dia hoe asa maty ; asa maty. Manana endrika ivelany ho tsara, nefa asa maty. Ary satria asa maty : tsy mitondra fiainana ; tsy mitondra fiainana satria vao maika aza mitondra ozona. Satria ry havana, ianao ilay tsy maharitra amin’ny fanarahana an’io lalàna izay tianao arahina io, izany tsy fankatoavanao lalàna izany dia miteraka ozona ry havana ô. Ary izany no maha-zava-dehibe, no maha tena hoe vaovao mahafaly an’ity tenin’i Paoly ity hoe : raha tarihin’ny Fanahy isika ; izay ilay hoe passif ; raha tarihin’ny Fanahy isika dia tsy mba ambanin’ny lalàna. Tsy mba ambanin’ny lalàna. Ary izay no mahatonga an’ilay fahamarinana 2 teo hoe MATOKIA BEBE KOKOA NY FANAHY MASINA. Tsy hoe, eo anatrehan’izany dia miezaha mafimafy kokoa, andramo mafimafy kokoa ohatra ny tsy hanao kolikoly : non. Fa hoe : MATOKIA BEBE KOKOA NY FANAHY MASINA. MATOKIA BEBE KOKOA NY FITARIHIN’NY FANAHY MASINA.
Tsy mitovy ry havana ny hoe : « miezaha bebe kokoa » sy ny hoe : « matokia bebe kokoa ». Matoky aho, matoky ny fitarihin’ny Fanahy Masina. Maka ohatra izao, hoe : raha handeha hi-visité valan-java-boary ianao izao, tena normal be ianao maka guide touristique. Fa izao : tsy adalana be ve ny anao, miditra ao amin’ny valan-java-boary ianao, io ilay guide, dia tsy manaraka ilay guide ianao. Dia tenenin’ilay guide hoe : « an an an, avy eto isika, dia mankatsy dia mankatsy » ; « an an an, za hanao an’izao ». Ohatran’izany ry havana, ohatran’izany ny olona amin’ny fifandraisany amin’ny Fanahy Masina. Tsy mety tarihina. Tsy manaiky ny fitaomana e. Tsy manaiky ny fitaomana. Fa izay ilay hafatra ho antsika : ianao hitenenan’ny Apostoly Paoly hoe tarihin’ny Fanahy Masina : matokia Azy. Matokia Azy. Matokia Azy. Matokia ny fitaomany.

Fa maninona aho no hahatoky Azy ry havana ? Satria io Fanahy Masina io manana hery. Ary isika Isotry Fitiavana mahay tsara ilay Efesiana 1 :19. Ilay hoe herin’ny Fanahy Masina io dia hoe hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika. Hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika araka ny fiasany tsy hay tohaina sady mahery vaika. Izany io hery napetrak’Andriamanitra ao anatintsika io ry havana ô, ka hitaomany antsika. Efa fantatsika tsara hoe nasehon’Andriamanitra hoy Paoly io hery io raha nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty Andriamanitra. Iray izay ; ary faharoa : raha nampiakatra Azy any an-danitra eo an-kavanany. Izany ilay démonstration de puissance. Izany hery izany no napetrak’Andriamanitra ato amintsika ry havana ô hanasoavana antsika, hitarika antsika. Ary mila izany hery lehibe sy tsy hay tohaina izany, mila izany hery lehibe sy mihoa-pampana izany ahazoana mandresy ilay asan’ny nofo, ahazoana mitarika ahy sy mitarika anao. Tsy vitanao irery izany e. Tsy vitanao irery izany ry havana ô. Fa izay no ataontsika, hoe : MATOKIA NY FANAHY MASINA, MATOKIA NY HERINY.

Indray maka tany Etats-Unis tany ry havana, nisy fikambanana Pasitera ni-organiser conférence ao anaty-na croisade évangélique. Dia eo ilay groupe-na Pasitera, manomana ilay conférence ; dia hoe iza ary no antsointsika e, hoe ho principal orateur ? Dia nanomboka nifanakalo teo. Dia hoe vetivety dia niray hevitra sy niray saina ny Pasitera rehetra teo hoe DL Moody (anarana fantatsika koa izany) no hoe andao antsoina ho mpandaha-teny amin’io conférence io. Dia nisy fahanginana kely tao amin’ilay efitrano fivoriana. Dia nisy mpianatra teolojia izay, izay no tanora idrindra tao, dia hoy izy, nananga-tanana ilay mpianatra : « gaga aho hoy izy, aminareo zoky ray aman-dreny ireto. Fa rehefa mihaino anareo nifanakalo hevitra teo, dia ohatrany miteny ianareo hoe : DL Moody no manana monopole du Saint Esprit, ary tsisy afa-tsy izy no manana monopole di Saint Esprit ». Dia narahina fahanginana izay tenin’ilay tovolahy izay. Dia hoy ilay Pasitera président de séance : « Tsia ry zandry, hoy izy, tsia. Tsy manana monopole du Saint Esprit DL Moody, fa ny Saint Esprit, ny Fanahy Masina, no manana monopole amin’i DL Moody. Ny Fanahy Masina no manana monopole amin’i DL Moody ». Takatrao ve ry havana ilay kisarisary ? Tena hoe nanoka-tena tsisy fangarony ho an’ny Fanahy Masina, tsisy fangarony ho an’ny Fanahy Masina DL Moody ry havana ô. Ary ilay Pasitera président de séance tena hoe : ny Fanahy Masina manana monopole amin’i DL Moody.

Matokia ry havana ny Fanahy Masina izay mba te hanana monopole aminao. Matokia Azy e. Mampahatsiahy anao fa Jesoa Kristy izay mipetraka ankehitriny eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra any an-danitra no monina ato am-poko sy ao am-ponao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary ilay herin’ny Fanahy Masina, ilay hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa efa miasa amin’izao fotoana hihainoanao an’ity toriteny ity : miasa Izy ao ; miasa Izy ao ; miasa Izy ao. Ary afaka mi-encourager an’i Jesoa ianao, afaka mampitombo an’izany asany izany ianao, manafaingana an’izany asany izany ianao amin’ny asa vitsivitsy samihafa :
- Amin’ny fiaikena tsy mitsahatra ny otanao
- Amin’ny fivavahana mandrakariva ka tsy reraka
- Amin’ny famakiana sy ny fisainana, ny méditation-ny tenin’Andriamanitra
- Amin’ny fifankazarana amin’i Jesoa ka tena hoe meilleur ami-nao, tena sakaizanao
Izany ny olona te hitombo amin’ny fatokiana ny Fanahy Masina ô. Ary ho hitanao fa rehefa izany no ataonao, dia ilay fahazaran-dratsinao, izay tena hoe mahakivy anao e ; tenenin’ny olona ange ianao hoe « ianao mbola ohatran’izao », tenenin’ny vadinao ianao : « ianao mbola ohatran’izao » ; manamari-tena ianao e : « tsy anao izany e, ahy sy Andriamanitra izany e » ; fa fantatrao ao anatinao ao fa tena hoe manimba anao izany ary tianao ialana izany. Fa rehefa hoe mifankatra amin’ny Fanahy Masina tahaka izany ianao : matoky Azy ianao : afaka ho azy ireo fahazaran-dratsy ireo.

Nahafinaritra ry havana, ohatra nalaina mpitoriteny anankiray hoe any Etats-Unis any, any Europe any koa raha tsy diso aho, fa any Etats-Unis, misy hazo ngeza be izay antsoina hoe « chêne ». Sady ngeza be ilay hazo no mandravona be. Dia rehefa tonga ny fararano ka manakaiky ny ririnina, dia mazava ho azy hoe miha-malazo miha-malazo ilay ravina. Fa izao hoy ilay mpandinika : miha-malazo ny ravina, fa rehefa tonga ny ririnina sy ny neige : misy ravina malazo tsy mihintsana hoy izy fa eo ihany. Fa rehefa tonga ny loha-taona, ka hoe manomboka mitsimoka ilay solofo kely, dia ilay fitsimohan’ilay solofo kely iny, no toa ohatrany hoe mampihintsana ilay ravina efa malazo, efa maty ary. Ohatran’izay tsisy hafa ry havana ô, ohatran’izay tsisy hafa ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika. Mety kivy ianao araka ny nolazaina teo ; mety kivy ianao ny amin’ny toetra ratsinao izay fantatrao tsara. Fa rehefa hoe kolokoloina ao aminao ny asan’ny Fanahy Masina, ataonao izay mahatamana an’i Jesoa satria diovinao ny fonao sy ny fanahinao, dia tsy maintsy mitondra vokatra Izy e. Misy zavatra kely ao mitsimoka , dia iny zavatra kely mitsimoka iny no mandroaka sy mampihintsana ilay ravina ratsy, ilay fahazaran-dratsy rehetra. Ary inona ilay zavatra mitsimoka kely iny ? Noho ny asan’ny Fanahy Masina, noho ny asany lehibe sy mihoa-pampana tokoa :inona ilay zaavtra kely mitsimoka ? Misy fotoana ianao fantatra hoe kizitina sy mpankahala, misy fotoana ianao hoe mampiseho fihetsiky ny fitiavana tampoka amin’ny vadinao, amin’ny zanakao, amin’ny rafozanao. Izay ilay asa, ilay mitsimoka ry havana ô. Ianao mpanao fausse facture sy ny karazany io, indray andro ianao, tsy ahoana tsy ahoana eo : « ohatrany tsy mety ihany izany ataoko izany an ». Tsy manao fausse facture ianao, tsy nanodina volam-panjakana ianao tamin’iny fotoana iny. Ianao izay mpihatsaravelatsihy ; indray andro tena tsaroanao tsara hoe « tena fidèle, tena tahaka ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky aho ». Izany zavatra madinika kely izany ry havana ô ; izay ilay solofo kely mitsimoka ao aminao ary hanapaka sy handroaka izay fahazaran-dratsy mbola miraikitra ao aminao. Ary fantaro fa solofo kely mitsimoka ao aminao izany ?
Faranana ry havana ô, faranana izao teny izao. Matoa ange ohatran’izao ny Fiangonana e, dia izahay Pasitera no tsy mitory teny tsara e. Satria ny toriteninay dia mitovy amin’ny toritenin’ny philosophe sy ny mpanao morale : velesina amin’ny kanotan’ny morale ny Fiangonana : « aza manao an’izao, manaova an’izao » ; fa tsy mampianatra izahay momba ny asan’ny Fanahy Masina ; tsy mampianatra izahay momba ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amin’ny tsirairay, mampitombo azy amin’ny fanahafana an’i Kristy. Izay no tena adidinay ry havana ô, andraikitra izany. Fa izao : afarana isika Fiangonana manomboka anio e ; afarana isika Fiangonana manomboka anio : MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – ANKATOAVY NY FANAHY – ANKATOAVY NY TENIN’ANDRIAMANITRA – SIKINO NY SAINA ARY MIVAVAHA. Ary faharoa, hoe : MATOKIA, MATOKIA ILAY HERY LEHIBE SY MIHOA-PAMPANA TOKOA IZAY HOE APETRAK’ANDRIAMANITRA AO AMINTSIKA AMIN’NY ALALAN’NY FANAHY MASINA HANASOAVANA ANTSIKA. Ary enga anie ka hoe izaho sy ianao ho hitan’ny namantsika, manomboka ao amin’ny ankohonana, ireo mpiara-manompo ; mba ho hitany koa isika hoe hananan’ny Fanahy Masina monopole ry havana ô. Ary tsy hoe hananan’ny Fanahy Masina monopole fotsiny, fa hananany monopole exclusif. Izany no firariana ho antsika Fiangonana. Aza kivy. Mi-persévère-va. Mahareta amin’izany. Mahareta amin’izany fandehanana izany. Mahareta amin’izany hoe fetezana tarihin’ny Fanahy Masina izany. Tsy misy zaza vao teraka izany, vao mivoaka avy ao an-kibon-dreniny dia afaka nandeha. Processus miandalana izany. Fa azo antoka ry havana ô, fa ny Fanahy Masina hitondra vokatra, hitondra vokatra be dia be ao aminao rhaa avelanao hitondra an’izany vokatra izany Izy. Ary azo antoka ihany koa fa hampitombo hatrany hatrany an’izany vokatra izany Izy ao amin’ny fiainana mandra-pialanao ety. Ary Izy hitarika anao sy hitantana anao eny an-dalana ambara-pahatratraranao ny lanitra.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo ary ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amena

ALAKAMISY 21 MEY 2020

Ny teny ry havana, izay nomen’ny Tompo antsika amin’izao andro fiakarana izao dia ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona 16. Mety ho gaga ihany isika hoe sao dia tokony toriteny amin’ny pentekosta itony Jaona 16 itony satria tena hoe fanazavana momba ny Fanahy Masina. Fa rehefa dinihinao, tena logique be ilay izy ry havana, satria ny zavatra voalohany nataon’i Jesoa raha vao tafakatra any an-danitra Izy, ny zavatra voalohany dia voalohany nataony, dia naniraka ny Fanahy Masina araka ny teny fampanantenana nataony tamin’ny mpianatra ry havana ô. Ny Jaona 16 :8-11 no hakantsika hafatra. Ary misaotra ny Tompo moa fa araka ny fanazavana ataon’ny mpitoriteny matetika, hoe : mora kokoa ny mandinika ny asan’ny Fanahy Masina alohan’ny ahatongavany ; fa rehefa tonga Izy, dia be dia be ny zavatra ataony dia tsy fantatra intsony. Fa eto, mazava be ny asan’ny Fanahy Masina nanirahan’i Jesoa Azy, niaraka tamin’ny Ray, dia hoe : hampiaiky. Ny Fanahy Masina dia nirahina hampiaiky. Nirahina avy any an-danitra hampiaiky : hampiaiky ahy. Ilay hafatra ho antsika izany ry havana, dia hoe : MBA METEZA AMIN’IZAY HIAIKY.

Ny Fahamarinana 1 hita eo amin’ny and.8 sy 9 dia hoe : « Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana ». Izay aloa ny asan’ny Fanahy Masina voalohany : hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana.
Izao tontolo izao ry havana ; izao tontolo izao no resahina eto, dia tsy hiaiky fahotana izany mihitsy raha tsy ny Fanahy Masina no miasa ao aminy. Hitanao izany amin’ny traikefa amin’ny maha-mpitoriteny, na mpampianatra. N’inon’inona fahaizanao mandahatra eo, n’inon’inona fahalalanao eo, ohatrany hoe kipantsona maneno ianao eo anatrehan’izao tontolo izao raha tsy eo ny Fanahy Masina ry havana. N’inon’inona fahaizanao mandahatra, ary n’inon’inona hoe mba fahaizanao kely Soratra Masina, rehefa tsy ny Fanahy Masina no miasa amin’ilay olona eo amin’izao tontolo izao, tsy ahoany inona izany teny izany. Sahirana ianao mba maka ohatra, maka tantara kely, mampieritreritra, mampihomehy, mampitsiky, na mampitomany, mahaontsa ; henony tsara e ; fa izao : raha tsy miasa ny Fanahy Masina, ny toe-pon’ilay olona sy ny toe-panahiny tahaka an’ilay toe-pony talohan’ny nanombohan’ilay toriteny vao vita ny Amena amin’ilay toriteny ry havana ô. Izay no maha-zava-dehibe ny asan’ny Fanahy Masina ry havana ô.
Rehefa mandinika ianao hoe inona ary no mahatonga an’izany, azo azavaina ihany, rehefa trandrahana, hoe ilay kolon-tsaina ao amin’ilay tontolo iainantsika no mahatonga an’izany. Inona no dikan’izany ? Hoe : ilay kolon-tsaina amin’izao fotoana izao dia kolon-tsaina mahatonga ny olona tsy handray andraikitra. Ny dikan’ny hoe tsy mandray andraikitra : rehefa nanao ny tsy mety, dia malaky mi s’excuser na mifona. Jereo ny ankizy kely any an-trano any, rehefa tratra manao zavatra ; tena vitsy no hoe : « mifona aho dada, mifona aho neny » an. Fa manamari-tena. Izay ilay culture. Ka raha tsy ny Fanahy Masina ry havana no mampiaiky an’ilay olona hoe : « E, ianao ange ka ohatran’izao e » ; fa tsy mampiaiky an’izay fotsiny, fa mampiaiky koa hoe : « ianao ange ka tokony hiala amin’izany e, ary ianao ange ka tokony hitodika any amin’Andriamanitra ». Asan’ny Fanahy Masina izany ry havana ô.
Fa rehefa jerenao ihany, ankoatra an’izay hoe kolon-tsaina iainantsika sy hilonantsika izay, dia matetika koa ilay olona hoe manohatra ; mi-comparer ny tenany amin’olon-kafa. Dia miteny izy hoe : « bof, eny e, izaho aloa ohatran’izao e, fa rehefa mijery an’i ra-anona aho : tena pire lavitra an, pire lavitra ». Marina angamba ilay teninao ; fa ny mahadiso anao : diso ilay comparaison ataonao. Tsy tokony hi-se comparer amin’ny hafa ianao ; ilay norme, ilay fenitra hi-se comparer-vanao dia tokony hoe ny normes an’Andriamanitra, standards an’Andriamanitra. Ary eo ianao, raha tena hoe mazava saina, dia tonga saina ianao hoe : « oay, tena izaho tokoa ilay mpanota mila famonjena ka nanirahan’ny Ray ny Zanany tety an-tany. Eo izany izay ilay fahazaran-dratsy manao comparaison amin’ny samy olona izay. Izany.
Ary ny fahatelo farany ry havana dia izao : tsy mahita tsotra izao izay maharatsy toetra antsika isika. Tena nampieritreritra ahy ity toriteny natao-na Pasitera anankiray ity. Mitoriteny ohatran’izao izy dia mahita an’ilay olona mafy hatoka, manamari-tena, dia hoy izy : « izao ry havana : saino kely hoe, ary eritrereto tsara izay hoe 5 minitra tao amin’ny fiainanao ka heverinao hoe 5 minitra tena madio, tena marina, tena tsisy pentina ; eritrereto kely hoe oviana izay 5 minitra izay, ary nanao ahoana izay 5 minitra izay ». Dia nalefan’ilay Pasitera tahaka izay ilay fampieritreretana ry havana, dia hoy izy hoe : « izaho tsy anontany anareo : ny anao nanao ahoana, na ny anao nanao ahoana ; Fa hoy Isaia mpaminany aminareo : « Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra ». « Samy efa tahaka ny olona maloto izahay rehetra » : na ilay meilleures 5mn teo amin’ny fiainanao aza ; « ary tahaky ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra » hoy ny citation an’i Isaia nataon’ity Pasitera ity. Ary io ilay hoe : lamba mihosin-drà io, mihosin-drà an’ilay rà am-behivavy tonga amin’ilay fadim-bolana ry havana.

Izay izany ilay Fahamarinana 1 hoe : TONGA JESOA HAMONJY ANTSIKA AMIN’NY FAHOTANTSIKA ; NEFA IZAO : FANTANY TSARA FA TSY HIAIKY NY FAHOTANTSIKA ISIKA RAHA TSY HOE IRAHINY KOA NY FANAHY MASINA HAMPIAIKY FAHOTANA ANTSIKA, ARY MBA HINOANTSIKA HOE TENA MILA MPAMONJY ISIKA RY HAVANA O. Izay ny Fahamarinana 1.

Ny Fahamarinana 2 dia hoe : « hampiaiky ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo ». Hampiaiky izao tontolo izao ny fahamarinana satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo.
Ny fahamarinana hampiaiken’ny Fanahy Masina momba an’i Jesoa ry havana, dia hoe : io Jesoa izay maty, nalevina, natsangana tamin’ny maty, nampiakarin’Andriamanitra any an-danitra 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia tsy lasa aiza Izy tsy akory, ary tsy aiza Izy tsy akory, fa eo an-kavanan’ny Ray. Izany ny fahamarinana. Ary faly ianao mahare tenin’ny fahamarinana e ; satria eran’izao tontolo izao, amin’izao fotoana izao, dia matetika itony hoe fakofakom-baovao itony ; tsy fantatrao intsony hoe marina ve izany. Fa ity, tena hoe fahamarinana, ary ny Fanahy Masina no miasa ao amin’izao tontolo izao hanatonany an’i Jesoa, ary antsika izay efa nandray Azy hoe : ny fahamarinana dia hoe : lasa nankany amin’ny Ray Jesoa ry havana. Izany ny fahamarinana. Ary Izy lasa any amin’ny Rainy, Jaona 16, dia niteny Izy ora vitsivitsy talohan’io, tao amin’ny Jaona 14 hoe : raha handeha Aho, hoy Izy, dia hamboatra fitoerana ho anareo. Izany no niakarany any : hamboatra fitoerana ho antsika. Ary rehefa izay, dia ho avy Aho dia haka anareo Aho, azy izay hitoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14 :3. « Izay hitoerako » : izany ny fahamarinana ry havana ô, izany ny fahamarinana. Ary raha miasa ao aminao ny Fanahy Masina, hampiaiky anao izany fahamarinana izany hoe Jesoa lasa any ary Izy any mamboatra fitoerana ho anareo : tsy matahotra fahafatesana ohatran’io intsony ianao e. Ny tahotry ny fahafatesana ? Satria ianao hoe matahotra ny voka-pitsaràna rehefa hoe ho faty ianao. Matahotra ianao tsy ho isan’izay handova an’izany hoe fitoerana efa omanin’i Jesoa izany. Izany no mahatonga anao hatahotra ohatran’io. Fa ny Fanahy Masina ry havana ô, ny Fanahy Masina te hampiaiky anao fahamarinana. Ary angataho Izy hoe : « Fanahy ô, hampiaikeo ary aho e , ny amin’izany fahamarinana izany fa juste nialoha lalana ahy vetivety Jesoa. Ary tena tiako hoe ny olona mamaky ny filazana manjo-ko rahatrizay dia tena hoe : iny indray dia tena nantsoin’ny Rainy hody any Aminy, fa tsy formule petahana fotsiny na mahazatra any amin’ny ferapara izany ».
Ny Fanahy mampiaiky fahamarinana fa hoe Jesoa lasa any amin’ny Ray. Mipetraka ihany ry havana ilay fanontaniana hoe : ahoana moa no ahafantarako amin’ny andavan’androm-piainako fa hoe an-dalana ho any amin’ny Ray tokoa aho e ? Misy karazana singa ve na famantarana ve ahafantarako an’izany une fois izaho hoe hampiaiken’ny Fanahy Masina fahamarinana? Misy anankiray ry havana tena azo hifampatsahivana eto. Ahoana moa izany ? Iarahantsika mahalala fa ilay sary famantarana, na ilay logo, na ilay signe de ralliement-ny kristiana hatrany am-boalohany ny ahafantarana azy dia « trondro ». Dia rehefa mandinika ianao ny fomban’ny trondro ; raha mbola velona ny trondro, ilay trondron-dranomamy ireny ; dia tsy misy trondro manara-dria-drano, fa ny trondro, raha mbola velona izy, ny trondro dia mandeha à contre-courant. Ny trondro mandeha à contre-courant. Ary ampahatsiahivin’ny Fanahy antsika, izany ry havana androany, izany fahamarinana fototra izany. Sao dia manara-dria-dranon’izao tontolo izao ianao ? Mety nanao ianao satria tsy fantatrao. Fa mety manao koa ianao e, satria heverinao hoe izany no kristiana moderne ;tsy haiko izay ilazana azy ; manaraka ny fomba fisainan’izao tontolo izao, manaraka ny fomban’izao tontolo izao, manaraka ny fiakanjon’izao tontolo izao. Ilay akanjo tena manaraka anona ireny moa izao, tena mahavariana mihitsy, ilay manaraka vatana. Izao tontolo izao no tia mampiseho vatana e, izao tontolo izao no tia maampiseho bika e. Dia jerenao tokoa, tena hoe misy vehivavy tsara bika ; fa izay ilay fomban’izao tontolo izao. Dia eo koa moa ny tovolahy moa izany mampidera bika ; ary variana aho fa miha-lamoady miha-lamaody amin’ny tovolahy ity hoe culturisme ity. Izay ilay fomban’izao tontolo izao. Tsisy miteny hoe ratsy izany, fa mahasoa amin’ny zavatra kely izany. Mahasoa amin’ny zavatra kely izany. Ka tsy maninona ianao raha manao culturisme adiny iray na adiny roa isan-kerinandro, fa multiplié-o fois 2, fois 3 ny famakianao Baiboly ry havana, ry tanora namana. Fa raha tsy izany ianao dia ohatrany hoe tsy mandeha à contre-courant ry havana ô. Efa lazaina eto impiry impiry ny amin’ny hira sy ny mozika. Herinandro vitsivitsy izay talohan’ny confinement, niresaka tamina ray aman-dreny ara-panahy be izay, tena zoky ara-panahy, ary eo amin’ny christianisme eto Tana, eto Mada izy reconnu izy hoe zoky ara-panahy. Dia miresaka hira sy mozika eo ; miresaka chorale anankiray izy ; izany no anisan’ny chorale malaza indrindra eto Mada ; dia hoy izy tamiko : « Solofo an, milaza aminao aho fa tsizy io ». Tsizy ahoana hoy aho ? « Tsy ny Fanahy Masina no miasa ao amin’ilay chorale ».

Fa izay, izay ilay fampitandremana antsika hoe une fois ilay Fanahy Masina ry havana nampiaiky antsika fahamarinana, ka isika koa an-dalana, manontania tena ianao isan’andro isan’andro hoe : sao dia manara-dria-dranon’izao tontolo izao aho ? Ary dia hoe hitalahoy Jesoa, hitalahoy Jesoa hoe : « ampio aho handinin-tena, ampio aho mba handeha à contre-courant ».

Ny Fahamarinana 3 farany amin’izao andro fiakarana izao ry havana, dia hoe : « Ny Fanahy Masina hampiaiky izao tontolo izao, hoy ny and.11, ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara ». Izany ny tena hoe vaovao manan-danja, vaovao lehibe, ary vaovao mahafaly ; satria hoe satana, na ny devoly izay andrianan’izao tontolo izao, izay « prince de ce monde », dia efa voatsara. Taiza no nitsarana azy ? Teo amin’io hazo fijaliana io. Oviana no nitsarana azy ? Teo amin’ny hazo fijaliana teo. Ary izy ry havana dia tena nibitaka mihitsy tamin’io hoe Jesoa nohomboana ka maty hoe : « azo ny fandresena ». Fa avy eo Jesoa nitsangana tamin’ny maty ary hoe ny Fanahy irahina ao amintsika ; ao amin’izao tontolo izao aloa ; fa aty amintsika mpino. Ny sasany tsy mino an’izany fisian’ny devoly izany, ny sasany mbola matahotra fadiranovana ny afitsoky ny devoly izany : efa voatsara io. Efa voatsara ny andrianan’izao tontolo izao, « le prince de ce monde ». Ary miezaka mampihatra an’izany eo amin’ny fiainantsika ry havana ; ilay perikopa tamin’ny Alahady, ilay Matio 4, dia hoe : ny devoly naka fanahy an’i Jesoa, dia niteny izy ao amin’ny Matio 4 :8 hoe : « Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe : izao rehetra izao dia homeko Anao raha hiankohoka eto anatrehako ianao ». Fantatr’i Jesoa fa tsy mandainga ny devoly rehefa miteny izy hoe : « ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao dia azoko omena ». Ary Jaona 16, ny Apostoly Jaona efa nanoratra ihany koa ilay teny fata-daza any amin’ny 1 Jaona 5 :19 hoe : « Fantatsika fa izao tontolo izao kosa dia mipetraka ao amin’ilay ratsy avokoa ». Izany ny misy antsika. Fa izao ; ny vaovao mahafaly : ny andrianan’izao tontolo izao, ilay ratsy, dia efa voatsara. Efa voatsara, ary efa scellé izay ho avenir-ny éternel any amin’ny farihy mirehitra afo. Fa izao ny problema ry havana : fantany fa fohy ny fotoana dia mbola mandrovi-tsihy izy, manararaotra mandrovi-tsihy izy amin’izao fotoana izao. Mieritreritra ilay perikopa tamin’ny Alahady, ilay Matio, ilay fanjakana rehetra ao ambanin’ny voninahiny, eo am-pelatanan’i satana ; izao tontolo izao dia eo ambany fahefan’ilay ratsy. Mila miomana ihany isika ry havana amin’ity resaka hoe cohérent satana an ; eo am-pananganana izany antsoina hoe « gouvernement mondial » izany izy. Tena logique avy ato amin’ny Soratra Masina izany zavatra izany ry havana. Tsy angano angano izany, fa tena réalité iainantsika izany hoe hanangana « gouvernement mondial » izany izy. Ary miaraka amin’ny « gouvernement mondial » : hanangana « religion mondiale » izy. Ary religion hanapotehina tsy hisy intsony izany christianisme izany, raha ny programan’i satana ry havana ô. Izay ange no tena ao ambadik’ilay « mondialisation » e. Satana izao hoe andrianan’izao tontolo izao mampiseho fa azy izao tontolo izao. Ary ao anatin’izany hoe afitsok’i satana andrianan’izao tontolo izao izany, na dia efa voatsara sy resy aza izy, dia mbola tena hoe miezaka mametraka ilay tenin’ny Apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy hoe : « tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibi-dia, na ny isan’ny anarany », ilay « marque de la bête ». Nareo mahafantatra ohatr’ahy, fa ilay « marque de la bête » hita amin’ireny code barre ireny. Ary efa mandeha izao ilay paiement sans contact satria hoe code barre samy code barre. Ary tena mampihori-koditra mihitsy, hitanao any amin’ny documentaire izany, documentaires betsaka amin’ny youtube, hoe misy olona faly, asa na tsy tonga saina izy, na voakarama : efa mampiditra puce aty anatin’ny sous-cutané aty, dia mandeha izy dia efa tsy misy zavatra aseho, ahazoan’ny devoly andrianan’izao tontolo izao mi-controlé azy ry havana ô. Izany ny réalité izany, avy ato amin’ny Soratra Masina. Ary ny zavatra hanamarika an’io « religion mondiale » io, dia tena hoe potehina ny tenin’Andriamanitra, potehina ny tenin’Andriamanitra. Ary ny zavatra tena miharihary amin’izao fotoana izao dia ny fanapotehina ny tenin’Andriamanitra mikasika ny fampianarana momba ny lehilahy sy ny vehivavy, sy ny fanambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ary izao tontolo izao tsy hanaiky lembenana mihitsy ka. Tsy maintsy apetrany io religion mondiale io. Any Etats-Unis amin’izao fotoana izao ry havana, misy polémique azo atao hoe mangotraka ihany, satria misy mpanompon’Andriamanitra tena ao amin’ny Tompo dia miteny hoe : jereo ihany an, fa io Covid-19 io an, sao dia noho ilay homosexualité mianaka ohatran’io an, izay tena hoe fahavetavetana eo imason’Andriamanitra. Tena hoe niteraka levée de bouclier sy fanoherana sy ezaka fanapotehina ireo mpanompon’Andriamanitra mba sahy nametraka izay fanontaniana izay.

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ô, ny amin’izany fampahafantarana izany hoe misy andrianan’izao tontolo izao miroso amin’izany « gouvernement mondial » izany miarkaa amin’ny forongony. Fa efa voatsara izy e. Ary Jesoa dia miteny, ny Soratra Masina dia miteny ao amin’ny 1 Jaona 4 hoe : « Izay ao aminareo dia lehibe noho izay eo amin’izao tontolo izao ». Ilay Andriamanitra monina ato amintsika lehibe lavitra noho ilay ao amin’izao tontolo izao, noho ilay satana ao amin’izao tontolo izao.

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ny amin’ny fampitandremana. Fa ny anjarantsika dia tena hoe : voalohany : mifaka tsara amin’ny tenin’Andriamanitra. Izay. Ny zavatra tokony ataontsika koa, ary tena urgent, dia hoe : mitady namana, zoky ara-panahy afaka hanoro hevitra mandrakariva, afaka hifampizarana, afaka hampionina, afaka hampahery e. Ary amin’izao andron’ny fiakarana izao ry havana, ankalazantsika ny maha-Mpanjaka an’i Jesoa, raha tena hoe te hanamarina isika fa nanjaka tokoa Izy ary efa nandresy ny asan’ny devoly, dia isika manaiky tarihin’ny Fanahy Masina, isika hanaiky tarihin’ny Fanahy Masina.
Raha ny fiatombohan’ny Jaona 16 perikopantsika androany, dia efa nampilaza Jesoa dieny any amin’ny and 1 sy 2 any, hoe : lasa Aho, hoy Izy, dia ho avy ny andro, handroaka anareo ao amin’ny synagoga izy. Ilay mandroaka = manenjika ; ilay manenjika = mamono. Ary ho heveriny fa famonoana anareo, dia hoe fanaovana fanompoam-pivavahana marina. Efa niteny an’izany Jesoa ry havana ô. Dia fantany tsara hoe efa haniraka ny Fanahy Masina Izy ho mpampionona sy mpampahery antsika.
Dia aoka izao andro fiakarana 2020 izao ho fahatsiarovana manokana ao aminao hoe nanapahanao hevitra fa tena hoe hanaiky tarihin’ny Fanahy Masina amin’izay ianao e.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena

ALAHADY 17 MEY 2020

1 Jaona 4 :14-15 : « Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra ».

Zavatra tena hoe manaitra ry havana , ary tena hoe misongadina ato amin’ity 1 Jaona 4 ity, perikopa androany, dia miverina eo matetika ny hoe : Andriamanitra mitoetra ato amintsika. In-4 no miverina izany amin’ny andinin-tsoratra masina dimy. Andriamanitra mitoetra, na monina ao amintsika. Ka ny fanontaniana ry havana ampandinihin’ny Tompo tena antsika amin’izao maraina izao, dia hoe : MBA TIANAO VE IZANY HOE ANDRIAMANITRA MONINA AO AMINAO IZANY ? Satria izany no sitrapony.TIANAO VE IZANY HOE ANDRIAMANITRA HONINA AO AMINAO IZANY ?

Tsy misy olona ry havana haniry zavatra tsy fantany. Katekisma mazava be izany, fa mety tsy miteny aminao izany, izany hoe Andriamanitra monina ao aminao izany.

Nisy mpanompon’Andriamanitra iray nitoriteny momba ity 1 Jaona 4 ity, dia nampieritreritra ilay sary nampiasainy. Izy moa mipetraka any Pays-bas, dia tany Pays-bas tany, raha ny tulipe no voninkazo mahazatra an’izany hoe Pays-bas izany, ahafantarana an’izany hoe Pays-bas izany, indray maka hoy izy, nisy rosier tany, tany Pays-bas izany ; dia rehefa namokatra ilay izy ka namony, tena hoe nampitolagaga ny maro, satria nisy 6.000 boutons-na fleur de rose tao amin’ny fototr’ilay rosier anankiray. 6.000 roses niara-namony. Azo sary an-tsaina ry havana ny hatsaran’izany rosier izany. Dia teo moa no nitolagaga, teo no nialona. Dia tao amin’ilay exposition izany nampisehoana ny sarin’io rosier io, dia hoe, nisy manam-pahaizana momba ny fambolena, dia hoy izy : « io izany izao raha hakantsika dia atao grefy amina rosier tsotra fantatsika, dia mifindra any ilay toetrany io. Toy ny lasa maniry ao, na monina ao io rosier exceptionnel io ». Dia hoy ilay mpitoriteny : tena ohatran’izay mihitsy hoy izy, Andriamanitra ilay milaza hoe te honina ao amin’ny mpino. Tian’Andriamanitra mihitsy hoe ny fiainany, ny hatsarany, ny fitiavany, ny fahamasinany, hoe hamponeniny ary hampitondrany vokatra ao amin’ilay mpino. Ary rehefa mijery an’ireny mpamboly voninkazo ireny ry havana, dia hoe mba hahavanona an’ilay voninkazo, dia isan’andro isan’andro izy mi-tailler an’ilay voninkazo, mi-tailler an’ilay rose, dia mi-tailler manongotra koa izay hoe zavatra malazolazo, mba hoe ilay tsiron’aina izany tena hoe hampiasa ny heriny any amin’izay alehany izany ry havana. Dia ohatran’izay koa, Andriamanitra ao aminao, Izy ihany no mandrantsana izay tokony ho rantsanana ao aminao ry havana. Izay izany ilay fampieritreretana, hoe : MBA TE HO EXCEPTIONNEL, TE HO KRISTIANA EXCEPTIONNEL EO ANIVON’NY KRISTIANA AN-TAPITR’ISA VE IANAO RY HAVANA KA HITONDRA VOA, NY VOAN’NY FANAHY MASINA OHATRAN’IZANY AO AMIN’NY FIAINANAO ? SA DIA SANATRIA HO AFA-PO AMIN’IZAO TOE-PANAHINAO IZAO IANAO ? TSY IZANY NY PROGRAMAN’ANDRIAMANITRA AMINAO RY HAVANA Ô.

Andao ary jerentsika rehefa vita izay fampieritreretana izay hoe : manao ahoana ny toe-pon’ny olona izay mety honenan’Andriamanitra Izy ? Hoe, jeren’Andriamanitra izy dia hoe : « oay, Izaho honina ato ». Manao ahoana ny toe-po, toe-tsaina, toa-panahin’izany olona izany ?

Ny toe-panahy sy toe-pon’izany olona izany dia ambaran’ny and. 14 hoe : « Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao ». Ny toe-pon’ny olona hoe maniry honenan’Andriamanitra, dia hoe : mahafantatra fa Andriamanitra io dia ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Mahafantatra fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Izay aloa ny fiantombohany ny havana ô. Olona mahafantatra izany fa ity tany, izao tontolo izao misy antsika ity, dia tena mila Mpamonjy. Mila Mpamonjy. Dia mahafantatra hoe : Andriamanitra Ray dia naniraka ny Zanany hamonjy izao tontolo izao. Fa maninona ry havana izao tontolo izao no mila Mpamonjy ? Jesoa tena namaly sy nampianatra tsara, nampianatra mazava momba an’izany, ary hoe antony 3 no ho jerentsika tamin’ny fampianaran’i Jesoa, hoe mahatonga Azy hilaza hoe tena mila Mpamonjy izao tontolo izao :

  • Voalohany indrindra, hoe : izao tontolo izao dia marary. Matio 9 :12, hoy Jesoa hoe: « Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ». Marary izao tontolo izao. Marary ny finoana : tsy finoana velona fa karazana superstition. Eny e, kristiana izany resahina izany an, izany hoe kristiana efa noheverina hoe efa niova fo. Marary ny fanantenana ry havana : maro ny olona, rehefa jerenao, sady tsy manana ho avy, tsy manana futur, no velona tahaka ny tsy manana futur satria marary ilay fanantenana. Marary ny fitiavana : lasa fitiavana miaro fihatsaram-belatsihy ; marary ny fitiavana ka tena hoe zavatra lavin’ny olona izany hoe fitiavana voalohany ho an’i Jesoa izany. Izay izany ilay tenenin’i Jesoa hoe mila Mpamonjy izao tontolo izao satria marary.
  • Mila Mpamonjy izao tontolo izao satria izao tontolo izao dia voaozona. Ny Galatiana 3 :13 dia milaza mazava : « Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy ; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo ». Tsy maintsy nahantona teo amin’ny hazo Izy, ahazoany mitondra izany ozona nokatry ny tsy fankatoavana lalàna izany. Ny lalàna mifehy izao tontolo izao : lalàna ekônômika, lalàn’ny varotra, lalàna politika, lalàna momba ny fiaraha-monina sy ny karazany izany hoe lalàn’Andriamanitra izany. Tsy manan-danja izany, hany ka tratran’ny ozona izao tontolo izao. Hoy ny Deoteronomia 28 hoe : « Hozonina ny ateraky ny kibonao ». Ny ateraky ny kibonao an. « Hozonina ny vokatry ny taninao, hozonina ny ateraky ny ombinao, ny ateraky ny ondry aman’osinao ». Miantraika any amin’ilay asa aman-draharaha sy ilay asa fivelomana. « Hozonina ianao raha miditra, hozonina ianao raha mivoaka ? Hampandehanin’i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’izay rehetra ataon’ny tananao ». Hampitoerin’i Jehovah anaty horohoro sy fampitahorana. Anisan’ny fanafody be mpividy indrindra ary be mpampiasa indrindra any Frantsa ry havana dia ireny hoe « tranquillisants » isa-karazany ireny, satria ao anaty horohoro sy stress ilay vazaha ; ilay vazaha mba lazaina hoe zanaka vavy matoan’ny Fiangonana, La Frantsa ; nefa izao hosohosena izany Fiangonana izany. « Hampiraiketin’i Jehovah aminao ny areti-mandringana ». Izay ilay hoe : izao tontolo izao anatin’ny ozona, mila Mpamonjy. Izay. Ary ny olona maniry an’Andriamanitra Ray hoe honina ao aminy, dia mahafantatra hoe : Izy naniraka ny Zanaka satria izao tontolo izao dia mila Mpamonjy. Izay ilay izy.
  • Ary fahatelo lazain’i Jesoa dia hoe: izao tontolo izao dia very. Izao tontolo izao dia very, Lioka 19 :10 hoe : « Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very ». Izany no hilan’izao tontolo izao Mpamonjy. Ary very mankaiza moa izany ? Very any amin’ny fahaverezana mandrakizay any amin’ny helo, ny any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izao tontolo izao very ; fa tsy manaiky izy hoe very, tsy manaiky izy hoe very. Anisan’ny hira tena tiako ry havana tamin’ny fahatanorako ilay hiran’i John Lennon hoe : « Imagine ». Fa mahavariana, taty aoriana rehefa dinihinao tsara ilay tononkira, hoy izy hoe : « Imaginé-o kely ange hoe tsy misy lanitra, imaginé-o hoe ao ambony ao tsy misy lanitra, imaginé-o hoe tst misy helo ao ambanintsika ao ». Izany ilay izy, izany ilay hira. « Imaginé-o hoe tsy misy religion izany ety ambonin’ny tany fa hoe miaina amin’ny fiadanana daholo fotsiny isika rehetra rehetra ? Ataonao hoe mpanofy aho, hoy izy, angamba » ; fa tena hoe nofy avy amin’ny devoly izany ry havana ô. « Ary antenaiko hoy izy, fa indray andro ianao hanatevin-daharana miaraka aminay, ary ho iray ihany isika olombelona rehetra eto amin’ity tany ity, eto amin’izao tontolo izao. Dia hoe aleo isika hiaina ny androany tsy mieritreritra ny rapitso, tsy mieritreritra ny mandrakizay ». Izay ilay esprit an’ilay hira sy ny tonin’ilay hira. Izany ilay izao tontolo izao very, ary tsy tonga saina hoe very, ary mihaino tonton-kira avy amin’ny devoly ohatran’izany ry havana ô.

Izay ilay izao tontolo izao mila Mpamonjy.

Ary ny ambaran’ny Hebreo 7 :25 dia hoe : « koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy » ; amin’ny alalan’i Jesoa. Izay manatona an’io Andriamanitra Ray io, amin’ny alalan’i Jesoa, dia vonjeny tokoa. Amin’ny teny frantsay Segond, hoe : « Il sauve parfaitement ». Ary io anarana io ihany no afaka mamonjy parfaitement ry havana ô, io ihany. Fa rehefa famonjena tadiavina any amin’ny anarana hafa, dia izay ilay nolazaintsika tary hoe finoanoam-poana.

Izay izany ilay Fahamarinana 1, hoe : HO AN’NY OLONA IZAY HOE MBA MANIRY NY RAY HONINA AO AMINY, DIA HOE : FANTARO TSARA ALOA FA NY RAY DIA NANIRAKA NY ZANAKA HAMONJY AN’IZAO TONTOL IZAO. Fa rehefa tsy fantatrao izany, na rehefa tsy raharahanao izany : tsy ho avy ao ny Ray.

Ny Fahamarinana 2 dia izao ry havana : ANGATAHO AMIN’NY RAY HOE : ANDRIAMANITRA O, RAY O, MONENA AO AMIKO IANAO

Andriamanitra tsy ho avy honina ao amina mpino anankiray izay tsy mahafantatra ny hasarobidin’izany. Izay no nanombohan azy tamin’ilay sary voalohany iny ry havana. Ary Andriamanitra tsy ho avy honina ao amina mpino anankiray izay tsy mangataka an’izany ry havana ô.

Tenenina hoe ato amin’ilay perikopa, in-efatra no misy filazana momba ny hoe : Andriamanitra monina ao amin’ny mpino. Ary isaky ny filazana, dia misy an’ilay condition. Ny ataontsika anio, tsy hijery an’ireo conditions efatra isika ry havana ô, tsy hijery an’izany isika. Fa ianao aloa, izay ilay fahamarinana faharoa eto, hoe : mitalaho an’Andriamanitra hoe : « omeo ahy ny fo tena maniry marina ny fonenanao ato amiko ». Izany, izany aloa angatahina. Fa raha hamoafy an’ireo conditions efatra ireo isika ry havana, nefa ny fonao tsy vonona amin’izany akory, dia tonga amin’ilay fitenenana hoe : ohatrany rano alatsaka eo ambonin’ny lamosin’ny kanakana ilay hoe : « voalohany izao… faharoa izao… fahatelo izao… faha-efatra izao ». Fa angataho izany fo izany.

Ary rehefa mijery aho amin’ny fihiranantsika FFPM ry havana, misy tononkira anankiray tena mahafehy an’izao fahamarinana faharoa izao, ny fihirana FFPM, ilay 447 ; singaniko manokana ny and.2 hoe :

‘Zao no tena faniriako :

Ny ho velona aminao,

Ka hitoeranao ny foko,

Fa tsy holalovanao ;

Eny, Tompo ô, monena,

Mba monena ao tokoa ;

‘Zay no tena famonjena,

‘Zay no mahafatra-po

Ny faniriako ? Hitoeranao ny foko fa tsy holalovanao. Efa nolalovanao ny foko tamin’izaho natao batisa, efa nolalovanao ny foko tamin’izaho noraisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, efa nolalovanao ny foko tamin’izaho notokanana ho diakona ; fa tsy tiako hoe holalovanao ohatran’izany intsony aho ; efa mba nolalovanao aho rehefa mba mamaky teny sérieusement ireny indraindray; fa ny tena tiako hoy ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ity mpamoron-kira ity, dia hoe: ny hitoeranao ny foko fa tsy holalovanao. Fa rehefa izany r y havana ny vavakao isan’andro isan’andro, dia ny Tompo no hanoro anao, hoe : « Anaka, izao ary atao dia ho avy honina ao aminao Aho ».

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.               

 

ALAHADY 10 MEY 2020

Ao amin’ny Lioka 12 :10 ry havana, Lioka 12 :10, amin’ny anaran’i Jesoa : « Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka ».

Ilay miteny ratsy, hoe : manao « blasphème » ny Fanahy Masina.

Rehefa nandinika ny texte-ny perikopa 3 ry havana, ka nahita an’ity filazantsara momba ny fitenenana ratsy ny Fanahy Masina ity, dia tena mazava hoe : ity no antson’ny Fanahy, anirahan’ny Fanahy hoe zava-dehibe ho antsika Fiangonana ry havana ô ny mandinika indray izany hoe fitenenana ratsy ny Fanahy Masina izany, fa izany no hany ota tsy ahazoana famelana ry havana ô. Izay teny fanoherana an’i Jesoa, fanoherana ny zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka. Fa izay miteny ratsy ny Fanahy hoy Jesoa, tsy mba hahazo famelana.

Indraindray isika ry havana rehefa miresaka amin’olona, misy olona fantatsika tsara, dia manova fihetsika izy, manova fanao izy, tsy araka ilay fanaony ahafantarantsika azy, dia latsa-bava isika miteny aminy : « fa misy inona e, nilatsahan’ny Fanahy Masina angaha ? ». Izany fiteny izany ry havana, rehefa dinihina, dia toa teny maneso, teny manivaiva. Ary raha ny marina, matetika ilay olona miteny an’izany hoe : « fa naninona, angaha nilatsahan’ny Fanahy Masina ? », izany olona izany matetika tsy mino akory izany hoe asan’ny Fanahy Masina izany. Dia aleo ary aloa ajanona ny kivalavala ohatran’izany ry havana ô. Aleo ajanona amin’izay ny kivalavala ohatran’izany. Fa tahaka ny ahoana ary izany lazain’i Jesoa eto hoe : miteny ratsy ny Fanahy Masina izany ? Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay izy, teny tsotra avy hatrany dia miteny amintsika, dia hoe : AZA MANDÀ NY FANAHY MASINA. AZA MANDÀ NY FANAHY MASINA FA HAHAVERY ANAO IZANY E. Ny devoly manko ry havana no manana io toetra hoe mandà ny Fanahy Masina io. Ary ny devoly mandà ny Fanahy Masina, dia mitaona izay babony ihany koa ho amin’ny fandavana ny Fanahy Masina sy ny fiainana feno fahotana. Satria ny Fanahy Masina, ny asany voalohany dia ny mampiaiky heloka. Ary nampieritreritra ry havana ny teny-na ray aman-dreny be izay, mpitoriteny nanao hoe : ity fandavana ny Fanahy Masina ity, ity fitenenana ratsy ny Fanahy Masina ity, dia azo lazaina tsotra izao hoe fahotan’i Satana, fahotan’i Satana. Koa ny hafatra androany ry havana ô, ny hafatra androany dia azo fehezina tahak’izao, hoe : TANDREMO SAO LATSAKA AO AMIN’NY FAHOTAN’I SATANA. TANDREMO SAO LATSAKA AO AMIN’NY FAHOTAN’I SATANA.

Ny Fahamarinana 1 dia izao : NY OLONA TSY MAHALALA TSARA NY FANAHY MASINA NO METY HO TRATRAN’IZANY HOE FITENENEN-DRATSY NY FANAHY MASINA IZANY.

Ary tena vitsy ry havana isika kristiana no mahalala ny Fanahy Masina. Andeha jerena kely ny zavatra nitranga rehefa tonga tety an-tany Jesoa. Filipiana 2 dia milaza hoe : nanana ny endrik’Andriamanitra Izy ; fa nony tonga tety an-tany Izy, dia tena hoe nataony nana-pitoviana amin’ny olombelona. Izy nanana fitoviana tamin’Andriamanitra, fa tonga nana-pitoviana tamin’ny olombelona. Inona no dikan’izany ? Takona ilay maha-Andriamanitra Azy. Tena Andriamanitra Izy, tena olona Izy, fa takona ho amintsika olombelona ny maha-Andriamanitra Azy. Ary nampianatra ihany ange nefa Izy e, hoe : ny Ray ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray. Fa tsy hitan’ny olona izany. Ary nampianatra ihany Jesoa hoe : Ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa ; ny asa rehetra nataon’i Jesoa ireny. Ary ahazoan’i Jesoa manatanteraka an’izany asany izany, dia nomen’ny Ray hery Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary matetika isika ry havana no mamaky, ohatra ao amin’ny Lioka 4 :1 : « Ary Jesoa feno ny Fanahy Masina ». Jesoa feno ny Fanahy Masina.

Inona moa no tian’i Jesoa lazaina eto ry havana rehefa miteny Izy hoe : « Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka » ? Ohatrany miteny Jesoa hoe : « azoko ihany raha tsy takatrareo ny fampianarako, ka mandray azy ho ny fahamarinana ianareo ; azoko ihany izany e. Azoko ihany raha ny fanoharana, ny parabole izay nampiasaiko mety tsy ho takatrareo ». Azoko ihany hoy Jesoa. « Azoko tsara koa fa mesia hafa karazana, mesia politika no nandrasanareo jiosy ; azoko e ». Azoko izany hoy Jesoa. Ary tsaroantsika fa na ny mpiray tampo tamin’i Jesoa ary tany am-boalohany, tsy nino an’i Jesoa. Izany izany no toa lazain’i Jesoa eto. « Fa izao kosa e, izao kosa e : Izaho ange tsy nitory fotsiny e, fa ny fahagagana, ny famantarana rehetra nataoko dia mbola fanambarana ny Ray sy fanambarana ny tenako ». Izay. Manambara Jesoa hoe : « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao » ao amin’ny Jaona 8. Dia manao fahagagana Izy, manasitrana ao amin’ny Jaona 9, ilay lehilahy teraka jamba. Mampianatra Aho hoy Izy, dia manaporofo. Manambara Jesoa : « Izaho no fananganana ny maty sy fiainana », Jaona 11 ; avy hatrany Izy dia lasa mamoaka an’i Lazarosy avy eo am-pasana. Izany, izany anie Izaho, hoy Jesoa e. Ary toy miteny Jesoa hoe : « mety tsy azonareo ny fampianarako ; fa ilay fahagagana nataoko ange e, dia tena hoe porofo azo tsapain-tanana e, porofo tsy azo lavina e. Fa ianareo mihitsy no tsy te hahalala, ianareo mihitsy no tsy te hahalala. Ary fantatrareo moa, fa ireny fahagagana ataoko ireny, dia fahagagana ataon’ny Raiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ; ataon’ny Raiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ». Jaona 11 :42 teo, hoe hamoaka an’i Lazarosy avy ao am-pasana Jesoa, dia nivavaka Izy hoe : « Raha Izaho ange dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao e ». Ireny fahagagana ireny : valim-bavaka nataon’i Jesoa tamin’ny Ray ahazoany hery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina anaovany an’ilay fahagagana. Asa.10 :38 dia hoe : Jesoa, « Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa». Izany no ampahafantaran’ny Soratra Masina antsika ry havana ô, hoe : ny fahagagana dia fahagagana ataon’ny Fanahy Masina ; porofo hita maso ; fa mbola tsy taitra ihany, mbola tsy taitra ihany ianareo. Izay ilay hoe « tsy mahalala ny Fanahy Masina ». Sady tsy taitra ianareo hoy Jesoa, no mora manadino. Asain’ny Tompo isika Fiangonana amin’izao fotoana izao ry havana ô, asain’ny Tompo isika hisaina mandrakariva ny fahagagana nataony, mba hoe hahazoantsika mifankazatra amin’ny Fanahy Masina e. Asainy misaina mandrakariva ny fahagagany isika, fa isika mora manadino, mora manadino e. Ohatran’ny mpianatra ao amin’ny Matio 16 :9 : « ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo ? », and.10 : « na ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, ka firy sobika moa no nangoninareo ? ». « Adinonareo ve izany e, ry Fiangonana ô ? ». Saino mandrakariva izany dia hitombo fahalalana ny Fanahy Masina ianao, hifankazatra amin’ny Fanahy Masina ianao. Ary toy ny miteny Jesoa hoe : « ka raha adinonareo ny fahagagana asehoko anareo, ahoana indray no fomba handreseko lahatra anareo amin’ny maha-izy Ahy e ? ».

Ry havana ô, ry havana ô, tsy ny jentilisa no hatahorana hiteny ratsy ny Fanahy Masina, fa izaho sy ianao mitonon-tena ho kristiana no mety ho tafalatsaka amin’izany fahotan’i Satana izany, raha tsy mahalala marina ny Fanahy Masina.    

Ny Fahamarinana 2 dia izao ; efa voalaza hoe ny ota amin’ny Fanahy Masina, dia fandavana tanteraka ny asan’ny Fanahy Masina. NY OTA AMIN’NY FANAHY MASINA DIA FANDAVANA TANTERAKA NY FANAHY MASINA, KA MANJARY TSY MAHAY, NA AFAKA HINO SY HIBEBAKA ILAY MPINO.

Ka manjary tsy mahay, na afaka hino sy hibebaka ilay mpino tratry ny fandavana ny Fanahy Masina. Manjary tsy hahay na afaka hino sy hibebaka intsony ilay mpino.

Tsy misy olona ry havana, ka hoe : tsy tapitapitr’izay, dia mandà tanteraka ny Fanahy, na ny asan’ny Fanahy. Tsy misy olona hoe mifoha maraina izy, mitsangana avy ao am-pandriana izy dia mandeha izy, dia hoe lasa mandà ny Fanahy, non. Tsy izay ilay fandehany. Zavatra miandalana io fandavana ny Fanahy Masina io. Zavatra miandalana izany fandavana Azy izany. Andeha ange isika haka ny ohatr’i Farao. Farao dia efa notenenin’i Mosesy sy Arona ao amin’ny Eksodosy 5 :1 : « Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’i Farao ka niteny taminy hoe :Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an’efitra ». Alefaso ny oloko. Nanamafy fo Farao teo anatrehan’izany hafatra izany ry havana. Ary vao maika nampitomboina ilay fampanompoana ny zanak’Isiraely. Dia inona ny zavatra nitranga ? Mbola niverina tao amin’i Farao ihany Mosesy sy Arona ; fa izao : hitantsika ao amin’ny Eksodosy 5 sy ny manaraka ; mbola nanamafy fo ihany Farao. Izy izany an, eo anatrehan’ny hafatra : nanamafy fo. Inona ny zava-doza nitranga tao amin’ny Eksodosy 7 :3 ? Hoy Jehovah hoe : « Ary Izaho hanamafy ny fon’i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ny tany Egypta ». Izaho Jehovah hanamafy ny fon’i Farao. Izany hoe Farao izay lazaina fa nanamafy fo hatrany ; ny niafarany : Jehovah mihitsy no nanamafy ny fony. Jehovah mihitsy no nanamafy ny fony. Ry havana ô, ohatra manazava tsara ity toetran’i Farao ity : tsy mitsahatra ny mitaona antsika ny Fanahy Masina e ; fa isika no tsy mihaino, fa isika no manamafy fo ry havana ô. Fa ny Fanahy tsy mitsahatra ny mitaona :

  • Eo am-pihainoana toriteny isika : miteny ny Fanahy e : « ianao anie izany resahina izany e » ; fa tsy raharahanao.
  • Sendra mamaky Voa tsara nafafy na Mana isan’andro isika, dia mitaona antsika ny Fanahy : « ndana ianao mifona. Ndana ianao mifona amin’ny vadinao, ndana ianao mifona amin’ny zanakao, ndana ianao mifona amin’ny ray tampo aminao » ; fa tsy mihetsika ianao e.
  • Mijery zavatra hafahafa ianao amin’ny télé, na sendra misy programa hafahafa tampoka amin’ny télé ; dia fantatrao tsara fa hafahafa io, lasa mitsangana ihany ianao maka télécommande hanova programa ; fa tsy maha-ova programa ianao, tsy manaiky tarihin’ny Fanahy ianao.
  • Tonga ny karamanao amin’ny faran’ny volana : manisa vola ianao ; miteny aminao ny Fanahy hoe : « Eh, ny ampahafolon’io vola io anie e ka tsy anao e, tsy azonao kitihina e, tsy azonao ampiasaina e, hanaovana izay fahafinaretanao e ». Eee, mbola tsy mandoa fahafolon-karena ihany ianao. Etc…
  • Mitarika anao ny Fanahy Masina hamonjy fivoriam-bavaka, hamonjy étude biblique ; fa Satana izay te handroboka anao amin’ny fahotana, mamboly sampona tampoka. « Pasitera an, mahavariana mihitsy fa efa saika ho avy mihitsy aho fa izao, izao, izao… ». Izay ilay izy.

Raha ny marina ry havana, amin’izany rehetra izany, tsy manaiky fitarihin’ny Fanahy ianao satria voatohitohina ny momba anao, voatohitohina ny hevitrao, voatohitohina ny conception-nao momba ny finoana, voatohitohina ny volanao. Izany no mahatonga anao ohatran’izany. Ary ny maha-zava-doza an’izany ho anao : lalana izany ho amin’ny fandavana tanteraka ny Fanahy Masina, lalana mankany amin’ny fandavana tanteraka ny Fanahy Masina izany izoranao izany. Ary azo antoka io lalana io fa mitondra anao any amin’ny fahotan’i Satana ry havana ô. Satria nahoana hoy ianao ? Ianao izay zatra mandà ny Fanahy Masina ry havana, mazava ho azy, araka ny efa voalaza teo, hoe : tsy mba manenina na malahelo amin’ny zavatra ataonao. Ianao izay zatra mandà ny fitarihin’ny Fanahy Masina ry havana, dia tsy mahay manaiky na mahalala intsony akory ny atao hoe marina sy diso, ny marina sy ny lainga. Tsy hainao intsony ny manavaka an’izany e. Ary ianao efa zatra mandà ny fitarihin’ny Fanahy Masina, tsy tonga saina mihitsy ianao, ianao izay mizotra amin’izany lalana izany, ny amin’izay hoe efa nanalaviranao an’Andriamanitra. Tsy tonga saina amin’izany ianao e. Ary rehefa izany, rehefa izany : tahaka an’i Farao, izay tany am-boalohany aloa nanamafy fo, na dia nahita ny asan’Andriamanitra aza, na dia nandre ny fampitandreman’Andriamanitra aza ; rehefa izany ianao, hidin’Andriamanitra amin’izany tsy fanekena izany ianao e. Hidin’Andriamanitra amin’izany tsy fanekena izany ianao ry havana. Izany ny fampitandremana omen’ny Tompo antsika. Tiany isika mba tsy hisy ho latsaka amin’izany fahotan’i Satana izany ka lasa any amin’ny fahaverezana. Hidin’Andriamanitra hoe ? Hidin’Andriamanitra ry havana ô. Ary rehefa hidin’Andriamanitra ao ianao, dia tsy maintsy ho jamba tanteraka ; tsy maintsy ho jamba tanteraka.

Ny olona tratry izao toe-po miteny ratsy ny Fanahy, mandà ny asan’Andriamanitra izao ry havana, dia mampahatsiahy an’ity valan’aretina hoe corona ity. Efa tena fantatsika tsara izao, fa hoe anisan’ny symptôme-ny corona ilay hoe « perte de goût » amin’ny sakafo. Dia malain-komana, kamo hisakafo. Fantatsika rehetra izany. Fa tena izany mihitsy ange e ny mahazo ny olona izay hoe mandà sy miteny ratsy ny Fanahy Masina e. Tsy tia hanina intsony izy ; tsy tia hanina intsony izy, dia ilay tenin’Andriamanitra hainy tsianjery ao amin’ny Matio 4 :4 hoe : « Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ». Eny e, hitany ilay Baiboly, manana Baiboly tsara tarehy izy, fa ohatrany olona tratran’ny corona ara-panahy ry havana. Dia hoe tsy tia hanina intsony izy, satria fatra-pandà ny Fanahy Masina, na dia fantany tsara aza hoe izany no mahavelona. Io teny izay tsy hananany goût io, tsy hahitany tsirony sy tsy mahasarika azy io, tokony hisakafoanany. Ary dia tonga amin’ilay fitenenana hoe :ny vokatr’izany, dia maty fanahy mbola velona izy. Ary henoy tsara ny tohiny ry havana. Anatin’izao situation hanalavirany an’Andriamanitra izao, ka hanidin’Andriamanitra azy ao amin’izany hoe fanamafisam-po izany, dia hiha-maizina hatrany ny sainy ; ka normal. Satria maninona ? Ny Fanahy Masina anie no manome fahazavan-tsaina e. Hiha-maizina hatrany ny sainy dia tsy hahay hanavaka intsony izy ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny lainga, ary normal be raha manao ohatran’ireto fariseo ireto : afangarony Andriamanitra sy ny devoly. Normal be izany ry havana ô. Izay ilay olona latsaka amin’ny fahotan’i Satana. Ary ampitandremana isika amin’izao andro anio izao : tsy misy olona hoe poy toy izay dia latsaka amin’izany hoe fandavana, fitenenan-dratsy ny Fanahy izany ; fa zavatra miandalana izany.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : Ka ahoana ary e, ahoana ary no atao ? Ny valiny : NDAO HIFAMPIVAVAKA – NDAO ISIKA FIANGONANA HIFAMPIVAVAKA, ARY ATOMBOY AO AMIN’NY ANKOHONANA IZANY.

Aoka ny ankohonana hifampivavaka ry havana ô. Ary ianao manapa-kevitra hoe hifampivavaka izany, ao amin’ny Fiangonana, ao amin’ny ankohonana ; fa raha tsy manao izany ianao ao amin’ny ankohonana, tsy hisy hino anao hoe mivavaka any am-piangonana izany ianao ; dia fantatra mihitsy hoe ny Fanahy Masina no mitarika anao ho amin’izany e. Izay ilay fahamarinana 3 : Ndao hifampivavaka, ndao hifampivavaka ry havana ô. Inona ilay antom-bavaka ? Ary mahagaga fa ity antom-bavaka ity dia tononintsika Fiangonana isan’Alahady. Ny antom-bavaka dia hoe : « Ray ô, manafaha anay amin’ny ratsy » , manafaha anay amin’ny ratsy. Mifampivavaka isika mba tsy hisy ho latsaka anatin’izany hoe fahotan’i Satana izany ry havana ô. Fa izay olona latsaka ao, araka ny tenin’i Jesoa, tsy tafala ao izy e, ary tsy tonga saina akory izy hoe tokony hiala ao. Mifampivavaka isika mba tsy ho latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana. Zava-doza izany. Efa hitantsika ny tantaran’i Farao. Tantara akaiky kokoa, satria ao amin’ny Testamenta vaovao : Jodasy ; Jodasy latsaka tao amin’izany fahotan’i Satana izany. Ny fiafaran’i Farao latsaka tao anaty fahotan’i Satana : fahafatesana sy fandringanana ialohavana faharesena. Ny niafaran’i Jodasy : fahafatesana, famonoana tena. Izay ilay olona latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana.

Ndao isika hifampivavaka mba hoe tsy hisy ho latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana izany. Ary andeha isika hivavaka ho an’izay olona hoe fantatsika miharihary fa tafalatsaka ao anatin’izany fahotan’i Satana izany, mba ho afahan’Andriamanitra izy. Hoy Petera hoe : « Iza moa no hahasakana an’Andriamanitra e ? Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana ». Io olona latsaka ao amin’ny fahotan’i Satana io, tsy manana eritreritra ny hibebaka izany, araka ny voalaza teo ; fa isika mahita azy ; isika tarihin’ny Fanahy Masina no hiteny amin’Andriamanitra hoe : « Ray ô, Ray ô, afaho amin’io fahotan’i Satana io izy ». Ary araka ny tenin’i Petera hoe : « Iza moa no hahasakana an’Andriamanitra » ? Asan’ny Apostoly 11.

Izay ny zavatra voalohany, hoe : concrètement : ndao hifampivavaka. Ary faharoa ry havana ô : satria efa nampitandremana isika, satria efa nampitandremina mazava isika : aoka ny tsirairay tsy hanamaivana intsony izay fampitandremana ataon’ny Fanahy Masina. Aoka ny tsirairay tsy hanamaivana intsony ny fampitandremana ataon’ny Fanahy Masina. Raha ny tantaran’i Farao no jerena, zavatra mety mpahazo antsika ange no mitranga e : efa notenenina hoe Mosesy sy Arona. Mosesy sy Arona tamin’io fotoana io anisan’ny andevon’i Farao tany Egypta. Dia indraindray an, olona heverintsika hoe andevo, indraindray an, olona heverintsika hoe ambany, ka dia hoe tsy rototra isika eo anatrehan’ilay fampitandremana. Andeha isika ry havana ô, tsy hanamaivana ny fampitandreman’ny Fanahy Masina. Aoka izay ity fitenenana hoe : raha ra-anona indray aloa no mitory filazantsara amiko na mampibebaka ahy, dia ce n’est pas la peine e. Izay ilay izy. Ary raha ny tantaran’i Farao ihany : izay ilay hoe aoka isika ho mailo, tsy hanamaivana ny fampitandreman’ny Fanahy Masina, sy amin’izay olona ampiasainy. Mosesy sy Arona ange e, azo lazaina hoe fahavalon’i Farao e ; indraindray ilay fahavalonao, zava-misy izany, no ampiasain’Andriamanitra, no fitaovana irahin’ny Fanahy Masina hampibebaka anao.

Misaotra ny Tompo isika ry havana ô, misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fampitandremana e. Enga anie, enga anie isika ireto, tsy hisy ho tratra miteny ratsy ny Fanahy. Ary ny Tompo hiaro antsika tsy ho tafalatsaka amin’izany fahotan’i Satana izany.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amena