ALAHADY 24 MEY 2020

Ao amin’ny Epistily nosoratan’ny Apostoly Paoly ho an’ny Galatiana ; Galatiana 5 ; ho singanintsika amin’izany perikopa izany ny and.16 sy ny and.18 : « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna ».

MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – METEZA TARIHIN’NY FANAHY. Izay ilay hafatra ho antsika Fiangonana androany ry havana. MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – METEZA TARIHIN’NY FANAHY.

Avy hatrany dia apetraka aty am-boalohany ny famitinana ny toriteny mba hazava tsara amintsika ry havana. Raha lazaina amin’ny teny hafa ny hoe :MANDEHANA ARAKA NY FANAHY, dia azo lazaina tahaka izao hoe : ANKATOAVY NY FANAHY MASINA. Ary ny hoe : ANKATOAVY NY FANAHY MASINA dia hoe ANKATOAVY NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Izay ny Fahamarinana 1 : MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – ANKATOAVY NY FANAHY – ANKATOAVY NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ilay « mandeha » moa izany dia hoe zavatra « actif » : mandehana. Ilay faharoa indray : meteza ho tarihin’ny Fanahy ; ilay hoe « tarihin’ny Fanahy » dia « passif ianao. Teo izany ianao « actif » : mandehana. Fa ilay tarihina : « passif » ianao. Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay hoe : METEZA TARIHIN’NY FANAHY : MATOKIA NY FANAHY.

Matoanteny anankiroa izany no mamintina ilay toriteny androany, hoe : ANKATOAVY NY FANAHY MASINA – MATOKIA NY FANAHY MASINA.
Hoy ny and.16 ary, ao no ahitana an’izany fahamarinana izany. Hoy ny Apostoly Paoly hoe : « Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo ». Io filàn’ny nofo io ry havana ; ny nofo sy ny filàny ; ny nofontsika sy ny faniriany. Ilay nofo aloa eto tsy dia tena hoe vatana loatra ; fa ilay nofo, dia ilay herin’ny ratsy, ilay herin’ny fahotana miasa ao amintsika. Ka izay nofo izay efa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana niaraka tamin’i Kristy izany e. Efa nohomboana io ; saingy izao : tsy mbola fongana io, tsy mbola éradiqué io asan’ny nofo, io filàn’ny nofo io, ato amiko sy ao aminao. Ary dia inona ny zavatra mitranga ry havana ? Rehefa manao ny hafitsony io asan’ny nofo io, fantatsika ihany hoe tsy mety izany ataontsika izany. Misy fotoana isika tena hoe te hiala, te hiala amin’izany asan’ny nofo izany ; notanisaina teo ny asan’ny nofo ry havana. Te hiala amin’izany isika satria tofoka, tofoka amin’ilay asan’ny nofo isika. Izay ny toetra tian’Andriamanitra ho hita eo amintsika, hoe tofoka marina amin’ny asan’ny nofo ; fa tsy hoe mahay tsianjery fotsiny ny Galatiana 5 : 19 hoe : fa izao ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana sy ny karazany. Tena hoe tofoka amin’ilay asan’ny nofo ry havana ô.

Misy ilay evanjelista sinoa, efa fitantarantsika eto ihany moa, Watchman Nee. Tamin’ny tao 1900 sy ny manaraka izy no nitory ny filazantsara tany Chine tany. Anisan’ny andrarezina amin’ny fitoriana filazantsara tany Chine izany. 30 taona izy nitory filazantsara tany Chine ; anisan’ny mpamaky lay tany izy. Avy eo nony tonga ny régime communiste, dia nigadra izy, condamné 20 ans any amin’ny camp de travail. 1972 izy no maty tany amin’ny camp de travail tany. Dia nisy mpianatr’i Watchman Nee tany amin’ny Fiangonana nisy azy, dia nahita ny herin’ny Fanahy Masina tao amin’i Watchman Nee ilay mpianany io, dia nanontany azy hoe : « mpampianatra ô, Pasitera ô, inona kay ny secret-ny herinao io, ny herin’ny Fanahy Masina ao aminao io ? ». Tsy namaly Watchman Nee ry havana ; fa inona no nataony ? Any Chine moa, dia nisy moron-drano izay tao, dia nisy rano izay tao ; dia nentin’i Watchman Nee tao anaty rano ilay mpianany, dia nony tonga tao anaty rano, noraisiny tamin’ny vozony ohatran’izao ilay mpianany dia narobony tao anaty rano ; ary narobony tao anaty rano ny lohan’ilay mpianatra. Izany hoe tsy avy miaina izany ilay mpianatra. Dia tsy azon’ilay mpianatra loatra ilay izy fa dia tsy nampaninona ilay mpianatra loatra aloa. Notazomin’i Watchman Nee tao ihany. Azontsika an-tsaina fa nanomboka sempotra ilay mpianatra, nanomboka nibitabitaka ilay mpianatra, nanomboka nitsipatsipaka ilay mpianatra, gejain’i Watchman Nee tao anaty rano tao ihany. Fa rehefa nitsipatsipaka faran’izay tratry ny ainy izy satria sempotra, dia tsy tanan’i Watchman Nee intsony. Dia hoy ilay mpianatra tamin’i Watchman Nee: « Fa inona ity ataonao ahy Pasitera an ? ». Dia hoy Watchman Nee tamin’ilay mpianany io, hoe : « ny secret-ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona anankiray sy ny fandehanana amin’izany dia ianao hoe tofoka ohatran’io, tofoka amin’ny asan’ny nofo sy amin’ny filàn’ny nofo ; tena tofoka. Ary rehefa tonga amin’izay toerana izay ianao, manana izay toe-po izay ianao dia voambara aminao izany hoe secret-ny fandehanana amin’ny Fanahy Masina izany ».

Haintsika tsianjery hoy aho ny Galatiana 5 :17. Fa tofoka amin’izany ve isika ry havana ? Fa rehefa tonga amin’izay situation izay isika, dia mora foana amintsika izany hoe mandeha araka ny Fanahy izany. Satria izany hoe « handeha araka ny Fanahy » izany, tsy hoe mandehandeha foana izany, fa ilay Fanahy izany ohatrany hoe tsipika tsy maintsy arahina ary ho diavina ; tsipika tsy maintsy ho diavina. Hoe ianao izay eto hoe « mandeha » : « actif » ianao izany ry havana ô. Izay ilay izy. Ary ilay tsipika diavina iny, dia ilay tenin’Andriamanitra izay ampatsiahivin’ny Fanahy Masina aminao amin’ny fotoana handinihinao tena hoe : inona indray ny sitrapon’ny Tompo, aiza indray ny fandehanana araka ny Fanahy amin’izao situation izao ?
Hitantsika ohatra ao an-trano ry havana, hoe : misy tanora izao, irahin’ny ray aman-dreniny, irahiny manao raharaha, dia efa henontsika ilay fomba fiteny hoe : « vetivety ange aloa neny an, aoka kely aloa dada an » ; fa izy eo mbola mamita jeu vetivety, mbola mijery film vetivety. Dia tsy mety mandeha : « aoka aloa kely vetivety ». Tsy mety mandeha satria sakanan’ilay fahafinaretana, na sakanan’ilay fahalainana. Tsy mety mandeha, tsy mety mandeha. Fa ilay hoe « mandeha araka ny Fanahy » ry havana dia hoe misy teny eo ampatsiahivin’ny Fanahy Masina : tiavo iny, tandremo iny.
Ohatra izao koa, maka ohatra rehefa Alahady maraina. Ohatra efa fanao ity, na malaza aza ity ohatra ity, mbola maro amintsika no mila maheno an’izao ry havana. Ny Fanahy Masina dia mitarika anao ry havana ô, antsika rehetra : izany Alahady maraina izany dia natokana ho an’Andriamanitra aty an-tranony. Ka rehefa hoe hankatoa ianao, hanaiky ny tari-dalana avy amin’ny Fanahy Masina ianao : ny hariva ianao ry havana ô, dia efa manomana ny akanjo anaovana ny ampitso, efa mipasoka ny akanjo anaovana ny ampitso, efa mahandro ny sakafo hohanina ny ampitso atoandro, manomana izay ho rakitra, ary mazava ho azy miomana matory mialoha mba tsy ho sarotra ny fifohazana ny ampitso maraina. Izany ilay olona mandeha ry havana ô, izany ilay olona mandeha araka ny Fanahy Masina. Fantany hoe izao no sitrapon’ny tenin’Andriamanitra, izao no sitrapon’Andriamanitra, dia hoe : miomana ho amin’izany. Petera miteny hoe : « manana saina misikina ». Fa raha hoe mandeha fotsiny, hoe ; « eny e, tokony handeha aloa izaho e », non non non. Fa manana saina misikina. Mankatoa sy manana saina misikina. Izay ry havana ô, izay ilay « mandeha, mandeha araka ny Fanahy ». Mankatoa, dia manana saina misikina. Ary izay no mahatonga ny 1 Petera 1 :13 hoe : « Sikino ny sainareo ». Sikino ny sainareo hanao ny sitrapon’Andriamanitra ry havana ô. Ary izay ihany, izay fandehanana araka ny Fanahy izay, izay fankatoavana ny Fanahy izay, izay fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izay, izay ihany no tsy ahatanterahantsika izany hoe filàn’ny nofo izany. Mankatoa sy misikina. Fa izao ny farany : mila vavaka izany ry havana ô. Mila vavaka. Tsy ampy ilay hoe mankatoa, tsy ampy ilay hoe misikina ny saina. Fa hoe mila vavaka. Ary misy tonom-bavaka ry havana nalaina avy ao amin’ny Fihirana FFPM, ao amin’ny laharan-kira faha-174. Hoy ny and.1 , miresaka Fanahy Masina hoe : « Vonoy ny otanay, diovinao izahay, ka ny fanahinay onenonao ». Dia hoy koa ilay Fihirana FFPM 550 : 3 : « Ny afonao no ampandreseo ny afon’ny nofoko e ; ny sitrakao anie hekeko ho tena sitrako ». Izany ry havana no aoka ho tonom-bavaka fanaontsika, hoe : « ny afonao Fanahy Masina ô, ampandreseo ny afon’ny filàn’ny nofoko mahazatra ahy ireo ; ary aoka ilay sitraponao izay ambaranao isan’Alahady, ambaranao isan’andro, aoka hoe ekeko marina noho ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ho tena sitrako izany ».

Izay ny Fahamarinana 1 izany, hoe : MANDEHA ARAKA NY FANAHY MASINA, MANKATOA NY FANAHY MASINA, MISIKINA NY SAINA ARY MIVAVAKA.

Ny Fahamarinana 2 ry havana dia hitantsika eo amin’ny and.18 : « Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna ».
Zava-doza anankiroa izany no ialana eto : tery amin’ny voalohany hoe : tsy mahatanteraka ny filàn’ny nofo. Eto indray, hoe : tsy mba ambanin’ny lalàna.
Mazava ho azy ry havana, fa ny olona rehetra, ny olombelona izany, na ny mino, na ny tsy mino, izay mikasa hanao ny tsara, dia lasa mametraka ny tenany eo ambany lalàna, eo ambany lalàna morale, dia ilay lalàna milaza hoe : aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mamono olona. Ambany lalàna satria mavesatra ilay lalàna, manempotra ilay lalàna ; ary noho izany dia matetika, tsy tanteraka ilay lalàna. Samy miaina izany isika ry havana ô. Ary na vita aza, na tanterakao aza ilay lalàna, dia mety tsy haharitra amin’izany ianao satria misy fetrany ihany ilay ezaka. « Raha izaho dia zakako izao, fa raha izany kosa dia tsy vitako e ». Misy fetrany ara-potoana ihany koa ilay ezaka ataonao. Ohatra izao : mety tamin’ny 2019 ianao izany tena hoe tsy mba hita teo amin’ny fiainanao mihitsy izany kolikoly izany ; tamin’ny 2019 na ny tany aloa ; fa izao 2020 izao, tena hoe ianao no tompon’ny kolikoly. Izay ilay olona ry havana ô : miezaka hanao zavatra tsara dia mametraka ny tenany eo ambany lalàna, manao asan’ny lalàna. Fa nahoana no hoe mametraka ny tenany eo ambany lalàna ? Maninona no atao hoe manao asan’ny lalàna ? Manao asan’ny lalàna satria mieritreritra hahavita zavatra tsara amin’ny herin’ny tenany, amin’ny herin’ny fahendreny ; asan’ny lalàna, satria ilay olona manao azy, mieritreritra hoe hahatratra an’izany tsy mila fanampian’ny Fanahy Masina, tsy mila fanampian’i Jesoa ry havana ô. Ary izany no lazain’ny Soratra Masina, hoe : ilay asan’ny lalàna tahaka izany dia hoe asa maty ; asa maty. Manana endrika ivelany ho tsara, nefa asa maty. Ary satria asa maty : tsy mitondra fiainana ; tsy mitondra fiainana satria vao maika aza mitondra ozona. Satria ry havana, ianao ilay tsy maharitra amin’ny fanarahana an’io lalàna izay tianao arahina io, izany tsy fankatoavanao lalàna izany dia miteraka ozona ry havana ô. Ary izany no maha-zava-dehibe, no maha tena hoe vaovao mahafaly an’ity tenin’i Paoly ity hoe : raha tarihin’ny Fanahy isika ; izay ilay hoe passif ; raha tarihin’ny Fanahy isika dia tsy mba ambanin’ny lalàna. Tsy mba ambanin’ny lalàna. Ary izay no mahatonga an’ilay fahamarinana 2 teo hoe MATOKIA BEBE KOKOA NY FANAHY MASINA. Tsy hoe, eo anatrehan’izany dia miezaha mafimafy kokoa, andramo mafimafy kokoa ohatra ny tsy hanao kolikoly : non. Fa hoe : MATOKIA BEBE KOKOA NY FANAHY MASINA. MATOKIA BEBE KOKOA NY FITARIHIN’NY FANAHY MASINA.
Tsy mitovy ry havana ny hoe : « miezaha bebe kokoa » sy ny hoe : « matokia bebe kokoa ». Matoky aho, matoky ny fitarihin’ny Fanahy Masina. Maka ohatra izao, hoe : raha handeha hi-visité valan-java-boary ianao izao, tena normal be ianao maka guide touristique. Fa izao : tsy adalana be ve ny anao, miditra ao amin’ny valan-java-boary ianao, io ilay guide, dia tsy manaraka ilay guide ianao. Dia tenenin’ilay guide hoe : « an an an, avy eto isika, dia mankatsy dia mankatsy » ; « an an an, za hanao an’izao ». Ohatran’izany ry havana, ohatran’izany ny olona amin’ny fifandraisany amin’ny Fanahy Masina. Tsy mety tarihina. Tsy manaiky ny fitaomana e. Tsy manaiky ny fitaomana. Fa izay ilay hafatra ho antsika : ianao hitenenan’ny Apostoly Paoly hoe tarihin’ny Fanahy Masina : matokia Azy. Matokia Azy. Matokia Azy. Matokia ny fitaomany.

Fa maninona aho no hahatoky Azy ry havana ? Satria io Fanahy Masina io manana hery. Ary isika Isotry Fitiavana mahay tsara ilay Efesiana 1 :19. Ilay hoe herin’ny Fanahy Masina io dia hoe hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika. Hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika araka ny fiasany tsy hay tohaina sady mahery vaika. Izany io hery napetrak’Andriamanitra ao anatintsika io ry havana ô, ka hitaomany antsika. Efa fantatsika tsara hoe nasehon’Andriamanitra hoy Paoly io hery io raha nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty Andriamanitra. Iray izay ; ary faharoa : raha nampiakatra Azy any an-danitra eo an-kavanany. Izany ilay démonstration de puissance. Izany hery izany no napetrak’Andriamanitra ato amintsika ry havana ô hanasoavana antsika, hitarika antsika. Ary mila izany hery lehibe sy tsy hay tohaina izany, mila izany hery lehibe sy mihoa-pampana izany ahazoana mandresy ilay asan’ny nofo, ahazoana mitarika ahy sy mitarika anao. Tsy vitanao irery izany e. Tsy vitanao irery izany ry havana ô. Fa izay no ataontsika, hoe : MATOKIA NY FANAHY MASINA, MATOKIA NY HERINY.

Indray maka tany Etats-Unis tany ry havana, nisy fikambanana Pasitera ni-organiser conférence ao anaty-na croisade évangélique. Dia eo ilay groupe-na Pasitera, manomana ilay conférence ; dia hoe iza ary no antsointsika e, hoe ho principal orateur ? Dia nanomboka nifanakalo teo. Dia hoe vetivety dia niray hevitra sy niray saina ny Pasitera rehetra teo hoe DL Moody (anarana fantatsika koa izany) no hoe andao antsoina ho mpandaha-teny amin’io conférence io. Dia nisy fahanginana kely tao amin’ilay efitrano fivoriana. Dia nisy mpianatra teolojia izay, izay no tanora idrindra tao, dia hoy izy, nananga-tanana ilay mpianatra : « gaga aho hoy izy, aminareo zoky ray aman-dreny ireto. Fa rehefa mihaino anareo nifanakalo hevitra teo, dia ohatrany miteny ianareo hoe : DL Moody no manana monopole du Saint Esprit, ary tsisy afa-tsy izy no manana monopole di Saint Esprit ». Dia narahina fahanginana izay tenin’ilay tovolahy izay. Dia hoy ilay Pasitera président de séance : « Tsia ry zandry, hoy izy, tsia. Tsy manana monopole du Saint Esprit DL Moody, fa ny Saint Esprit, ny Fanahy Masina, no manana monopole amin’i DL Moody. Ny Fanahy Masina no manana monopole amin’i DL Moody ». Takatrao ve ry havana ilay kisarisary ? Tena hoe nanoka-tena tsisy fangarony ho an’ny Fanahy Masina, tsisy fangarony ho an’ny Fanahy Masina DL Moody ry havana ô. Ary ilay Pasitera président de séance tena hoe : ny Fanahy Masina manana monopole amin’i DL Moody.

Matokia ry havana ny Fanahy Masina izay mba te hanana monopole aminao. Matokia Azy e. Mampahatsiahy anao fa Jesoa Kristy izay mipetraka ankehitriny eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra any an-danitra no monina ato am-poko sy ao am-ponao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary ilay herin’ny Fanahy Masina, ilay hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa efa miasa amin’izao fotoana hihainoanao an’ity toriteny ity : miasa Izy ao ; miasa Izy ao ; miasa Izy ao. Ary afaka mi-encourager an’i Jesoa ianao, afaka mampitombo an’izany asany izany ianao, manafaingana an’izany asany izany ianao amin’ny asa vitsivitsy samihafa :
- Amin’ny fiaikena tsy mitsahatra ny otanao
- Amin’ny fivavahana mandrakariva ka tsy reraka
- Amin’ny famakiana sy ny fisainana, ny méditation-ny tenin’Andriamanitra
- Amin’ny fifankazarana amin’i Jesoa ka tena hoe meilleur ami-nao, tena sakaizanao
Izany ny olona te hitombo amin’ny fatokiana ny Fanahy Masina ô. Ary ho hitanao fa rehefa izany no ataonao, dia ilay fahazaran-dratsinao, izay tena hoe mahakivy anao e ; tenenin’ny olona ange ianao hoe « ianao mbola ohatran’izao », tenenin’ny vadinao ianao : « ianao mbola ohatran’izao » ; manamari-tena ianao e : « tsy anao izany e, ahy sy Andriamanitra izany e » ; fa fantatrao ao anatinao ao fa tena hoe manimba anao izany ary tianao ialana izany. Fa rehefa hoe mifankatra amin’ny Fanahy Masina tahaka izany ianao : matoky Azy ianao : afaka ho azy ireo fahazaran-dratsy ireo.

Nahafinaritra ry havana, ohatra nalaina mpitoriteny anankiray hoe any Etats-Unis any, any Europe any koa raha tsy diso aho, fa any Etats-Unis, misy hazo ngeza be izay antsoina hoe « chêne ». Sady ngeza be ilay hazo no mandravona be. Dia rehefa tonga ny fararano ka manakaiky ny ririnina, dia mazava ho azy hoe miha-malazo miha-malazo ilay ravina. Fa izao hoy ilay mpandinika : miha-malazo ny ravina, fa rehefa tonga ny ririnina sy ny neige : misy ravina malazo tsy mihintsana hoy izy fa eo ihany. Fa rehefa tonga ny loha-taona, ka hoe manomboka mitsimoka ilay solofo kely, dia ilay fitsimohan’ilay solofo kely iny, no toa ohatrany hoe mampihintsana ilay ravina efa malazo, efa maty ary. Ohatran’izay tsisy hafa ry havana ô, ohatran’izay tsisy hafa ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika. Mety kivy ianao araka ny nolazaina teo ; mety kivy ianao ny amin’ny toetra ratsinao izay fantatrao tsara. Fa rehefa hoe kolokoloina ao aminao ny asan’ny Fanahy Masina, ataonao izay mahatamana an’i Jesoa satria diovinao ny fonao sy ny fanahinao, dia tsy maintsy mitondra vokatra Izy e. Misy zavatra kely ao mitsimoka , dia iny zavatra kely mitsimoka iny no mandroaka sy mampihintsana ilay ravina ratsy, ilay fahazaran-dratsy rehetra. Ary inona ilay zavatra mitsimoka kely iny ? Noho ny asan’ny Fanahy Masina, noho ny asany lehibe sy mihoa-pampana tokoa :inona ilay zaavtra kely mitsimoka ? Misy fotoana ianao fantatra hoe kizitina sy mpankahala, misy fotoana ianao hoe mampiseho fihetsiky ny fitiavana tampoka amin’ny vadinao, amin’ny zanakao, amin’ny rafozanao. Izay ilay asa, ilay mitsimoka ry havana ô. Ianao mpanao fausse facture sy ny karazany io, indray andro ianao, tsy ahoana tsy ahoana eo : « ohatrany tsy mety ihany izany ataoko izany an ». Tsy manao fausse facture ianao, tsy nanodina volam-panjakana ianao tamin’iny fotoana iny. Ianao izay mpihatsaravelatsihy ; indray andro tena tsaroanao tsara hoe « tena fidèle, tena tahaka ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky aho ». Izany zavatra madinika kely izany ry havana ô ; izay ilay solofo kely mitsimoka ao aminao ary hanapaka sy handroaka izay fahazaran-dratsy mbola miraikitra ao aminao. Ary fantaro fa solofo kely mitsimoka ao aminao izany ?
Faranana ry havana ô, faranana izao teny izao. Matoa ange ohatran’izao ny Fiangonana e, dia izahay Pasitera no tsy mitory teny tsara e. Satria ny toriteninay dia mitovy amin’ny toritenin’ny philosophe sy ny mpanao morale : velesina amin’ny kanotan’ny morale ny Fiangonana : « aza manao an’izao, manaova an’izao » ; fa tsy mampianatra izahay momba ny asan’ny Fanahy Masina ; tsy mampianatra izahay momba ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amin’ny tsirairay, mampitombo azy amin’ny fanahafana an’i Kristy. Izay no tena adidinay ry havana ô, andraikitra izany. Fa izao : afarana isika Fiangonana manomboka anio e ; afarana isika Fiangonana manomboka anio : MANDEHANA ARAKA NY FANAHY – ANKATOAVY NY FANAHY – ANKATOAVY NY TENIN’ANDRIAMANITRA – SIKINO NY SAINA ARY MIVAVAHA. Ary faharoa, hoe : MATOKIA, MATOKIA ILAY HERY LEHIBE SY MIHOA-PAMPANA TOKOA IZAY HOE APETRAK’ANDRIAMANITRA AO AMINTSIKA AMIN’NY ALALAN’NY FANAHY MASINA HANASOAVANA ANTSIKA. Ary enga anie ka hoe izaho sy ianao ho hitan’ny namantsika, manomboka ao amin’ny ankohonana, ireo mpiara-manompo ; mba ho hitany koa isika hoe hananan’ny Fanahy Masina monopole ry havana ô. Ary tsy hoe hananan’ny Fanahy Masina monopole fotsiny, fa hananany monopole exclusif. Izany no firariana ho antsika Fiangonana. Aza kivy. Mi-persévère-va. Mahareta amin’izany. Mahareta amin’izany fandehanana izany. Mahareta amin’izany hoe fetezana tarihin’ny Fanahy Masina izany. Tsy misy zaza vao teraka izany, vao mivoaka avy ao an-kibon-dreniny dia afaka nandeha. Processus miandalana izany. Fa azo antoka ry havana ô, fa ny Fanahy Masina hitondra vokatra, hitondra vokatra be dia be ao aminao rhaa avelanao hitondra an’izany vokatra izany Izy. Ary azo antoka ihany koa fa hampitombo hatrany hatrany an’izany vokatra izany Izy ao amin’ny fiainana mandra-pialanao ety. Ary Izy hitarika anao sy hitantana anao eny an-dalana ambara-pahatratraranao ny lanitra.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo ary ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amena