ALAKAMISY 21 MEY 2020

Ny teny ry havana, izay nomen’ny Tompo antsika amin’izao andro fiakarana izao dia ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona 16. Mety ho gaga ihany isika hoe sao dia tokony toriteny amin’ny pentekosta itony Jaona 16 itony satria tena hoe fanazavana momba ny Fanahy Masina. Fa rehefa dinihinao, tena logique be ilay izy ry havana, satria ny zavatra voalohany nataon’i Jesoa raha vao tafakatra any an-danitra Izy, ny zavatra voalohany dia voalohany nataony, dia naniraka ny Fanahy Masina araka ny teny fampanantenana nataony tamin’ny mpianatra ry havana ô. Ny Jaona 16 :8-11 no hakantsika hafatra. Ary misaotra ny Tompo moa fa araka ny fanazavana ataon’ny mpitoriteny matetika, hoe : mora kokoa ny mandinika ny asan’ny Fanahy Masina alohan’ny ahatongavany ; fa rehefa tonga Izy, dia be dia be ny zavatra ataony dia tsy fantatra intsony. Fa eto, mazava be ny asan’ny Fanahy Masina nanirahan’i Jesoa Azy, niaraka tamin’ny Ray, dia hoe : hampiaiky. Ny Fanahy Masina dia nirahina hampiaiky. Nirahina avy any an-danitra hampiaiky : hampiaiky ahy. Ilay hafatra ho antsika izany ry havana, dia hoe : MBA METEZA AMIN’IZAY HIAIKY.

Ny Fahamarinana 1 hita eo amin’ny and.8 sy 9 dia hoe : « Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana ». Izay aloa ny asan’ny Fanahy Masina voalohany : hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana.
Izao tontolo izao ry havana ; izao tontolo izao no resahina eto, dia tsy hiaiky fahotana izany mihitsy raha tsy ny Fanahy Masina no miasa ao aminy. Hitanao izany amin’ny traikefa amin’ny maha-mpitoriteny, na mpampianatra. N’inon’inona fahaizanao mandahatra eo, n’inon’inona fahalalanao eo, ohatrany hoe kipantsona maneno ianao eo anatrehan’izao tontolo izao raha tsy eo ny Fanahy Masina ry havana. N’inon’inona fahaizanao mandahatra, ary n’inon’inona hoe mba fahaizanao kely Soratra Masina, rehefa tsy ny Fanahy Masina no miasa amin’ilay olona eo amin’izao tontolo izao, tsy ahoany inona izany teny izany. Sahirana ianao mba maka ohatra, maka tantara kely, mampieritreritra, mampihomehy, mampitsiky, na mampitomany, mahaontsa ; henony tsara e ; fa izao : raha tsy miasa ny Fanahy Masina, ny toe-pon’ilay olona sy ny toe-panahiny tahaka an’ilay toe-pony talohan’ny nanombohan’ilay toriteny vao vita ny Amena amin’ilay toriteny ry havana ô. Izay no maha-zava-dehibe ny asan’ny Fanahy Masina ry havana ô.
Rehefa mandinika ianao hoe inona ary no mahatonga an’izany, azo azavaina ihany, rehefa trandrahana, hoe ilay kolon-tsaina ao amin’ilay tontolo iainantsika no mahatonga an’izany. Inona no dikan’izany ? Hoe : ilay kolon-tsaina amin’izao fotoana izao dia kolon-tsaina mahatonga ny olona tsy handray andraikitra. Ny dikan’ny hoe tsy mandray andraikitra : rehefa nanao ny tsy mety, dia malaky mi s’excuser na mifona. Jereo ny ankizy kely any an-trano any, rehefa tratra manao zavatra ; tena vitsy no hoe : « mifona aho dada, mifona aho neny » an. Fa manamari-tena. Izay ilay culture. Ka raha tsy ny Fanahy Masina ry havana no mampiaiky an’ilay olona hoe : « E, ianao ange ka ohatran’izao e » ; fa tsy mampiaiky an’izay fotsiny, fa mampiaiky koa hoe : « ianao ange ka tokony hiala amin’izany e, ary ianao ange ka tokony hitodika any amin’Andriamanitra ». Asan’ny Fanahy Masina izany ry havana ô.
Fa rehefa jerenao ihany, ankoatra an’izay hoe kolon-tsaina iainantsika sy hilonantsika izay, dia matetika koa ilay olona hoe manohatra ; mi-comparer ny tenany amin’olon-kafa. Dia miteny izy hoe : « bof, eny e, izaho aloa ohatran’izao e, fa rehefa mijery an’i ra-anona aho : tena pire lavitra an, pire lavitra ». Marina angamba ilay teninao ; fa ny mahadiso anao : diso ilay comparaison ataonao. Tsy tokony hi-se comparer amin’ny hafa ianao ; ilay norme, ilay fenitra hi-se comparer-vanao dia tokony hoe ny normes an’Andriamanitra, standards an’Andriamanitra. Ary eo ianao, raha tena hoe mazava saina, dia tonga saina ianao hoe : « oay, tena izaho tokoa ilay mpanota mila famonjena ka nanirahan’ny Ray ny Zanany tety an-tany. Eo izany izay ilay fahazaran-dratsy manao comparaison amin’ny samy olona izay. Izany.
Ary ny fahatelo farany ry havana dia izao : tsy mahita tsotra izao izay maharatsy toetra antsika isika. Tena nampieritreritra ahy ity toriteny natao-na Pasitera anankiray ity. Mitoriteny ohatran’izao izy dia mahita an’ilay olona mafy hatoka, manamari-tena, dia hoy izy : « izao ry havana : saino kely hoe, ary eritrereto tsara izay hoe 5 minitra tao amin’ny fiainanao ka heverinao hoe 5 minitra tena madio, tena marina, tena tsisy pentina ; eritrereto kely hoe oviana izay 5 minitra izay, ary nanao ahoana izay 5 minitra izay ». Dia nalefan’ilay Pasitera tahaka izay ilay fampieritreretana ry havana, dia hoy izy hoe : « izaho tsy anontany anareo : ny anao nanao ahoana, na ny anao nanao ahoana ; Fa hoy Isaia mpaminany aminareo : « Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra ». « Samy efa tahaka ny olona maloto izahay rehetra » : na ilay meilleures 5mn teo amin’ny fiainanao aza ; « ary tahaky ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra » hoy ny citation an’i Isaia nataon’ity Pasitera ity. Ary io ilay hoe : lamba mihosin-drà io, mihosin-drà an’ilay rà am-behivavy tonga amin’ilay fadim-bolana ry havana.

Izay izany ilay Fahamarinana 1 hoe : TONGA JESOA HAMONJY ANTSIKA AMIN’NY FAHOTANTSIKA ; NEFA IZAO : FANTANY TSARA FA TSY HIAIKY NY FAHOTANTSIKA ISIKA RAHA TSY HOE IRAHINY KOA NY FANAHY MASINA HAMPIAIKY FAHOTANA ANTSIKA, ARY MBA HINOANTSIKA HOE TENA MILA MPAMONJY ISIKA RY HAVANA O. Izay ny Fahamarinana 1.

Ny Fahamarinana 2 dia hoe : « hampiaiky ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo ». Hampiaiky izao tontolo izao ny fahamarinana satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo.
Ny fahamarinana hampiaiken’ny Fanahy Masina momba an’i Jesoa ry havana, dia hoe : io Jesoa izay maty, nalevina, natsangana tamin’ny maty, nampiakarin’Andriamanitra any an-danitra 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia tsy lasa aiza Izy tsy akory, ary tsy aiza Izy tsy akory, fa eo an-kavanan’ny Ray. Izany ny fahamarinana. Ary faly ianao mahare tenin’ny fahamarinana e ; satria eran’izao tontolo izao, amin’izao fotoana izao, dia matetika itony hoe fakofakom-baovao itony ; tsy fantatrao intsony hoe marina ve izany. Fa ity, tena hoe fahamarinana, ary ny Fanahy Masina no miasa ao amin’izao tontolo izao hanatonany an’i Jesoa, ary antsika izay efa nandray Azy hoe : ny fahamarinana dia hoe : lasa nankany amin’ny Ray Jesoa ry havana. Izany ny fahamarinana. Ary Izy lasa any amin’ny Rainy, Jaona 16, dia niteny Izy ora vitsivitsy talohan’io, tao amin’ny Jaona 14 hoe : raha handeha Aho, hoy Izy, dia hamboatra fitoerana ho anareo. Izany no niakarany any : hamboatra fitoerana ho antsika. Ary rehefa izay, dia ho avy Aho dia haka anareo Aho, azy izay hitoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14 :3. « Izay hitoerako » : izany ny fahamarinana ry havana ô, izany ny fahamarinana. Ary raha miasa ao aminao ny Fanahy Masina, hampiaiky anao izany fahamarinana izany hoe Jesoa lasa any ary Izy any mamboatra fitoerana ho anareo : tsy matahotra fahafatesana ohatran’io intsony ianao e. Ny tahotry ny fahafatesana ? Satria ianao hoe matahotra ny voka-pitsaràna rehefa hoe ho faty ianao. Matahotra ianao tsy ho isan’izay handova an’izany hoe fitoerana efa omanin’i Jesoa izany. Izany no mahatonga anao hatahotra ohatran’io. Fa ny Fanahy Masina ry havana ô, ny Fanahy Masina te hampiaiky anao fahamarinana. Ary angataho Izy hoe : « Fanahy ô, hampiaikeo ary aho e , ny amin’izany fahamarinana izany fa juste nialoha lalana ahy vetivety Jesoa. Ary tena tiako hoe ny olona mamaky ny filazana manjo-ko rahatrizay dia tena hoe : iny indray dia tena nantsoin’ny Rainy hody any Aminy, fa tsy formule petahana fotsiny na mahazatra any amin’ny ferapara izany ».
Ny Fanahy mampiaiky fahamarinana fa hoe Jesoa lasa any amin’ny Ray. Mipetraka ihany ry havana ilay fanontaniana hoe : ahoana moa no ahafantarako amin’ny andavan’androm-piainako fa hoe an-dalana ho any amin’ny Ray tokoa aho e ? Misy karazana singa ve na famantarana ve ahafantarako an’izany une fois izaho hoe hampiaiken’ny Fanahy Masina fahamarinana? Misy anankiray ry havana tena azo hifampatsahivana eto. Ahoana moa izany ? Iarahantsika mahalala fa ilay sary famantarana, na ilay logo, na ilay signe de ralliement-ny kristiana hatrany am-boalohany ny ahafantarana azy dia « trondro ». Dia rehefa mandinika ianao ny fomban’ny trondro ; raha mbola velona ny trondro, ilay trondron-dranomamy ireny ; dia tsy misy trondro manara-dria-drano, fa ny trondro, raha mbola velona izy, ny trondro dia mandeha à contre-courant. Ny trondro mandeha à contre-courant. Ary ampahatsiahivin’ny Fanahy antsika, izany ry havana androany, izany fahamarinana fototra izany. Sao dia manara-dria-dranon’izao tontolo izao ianao ? Mety nanao ianao satria tsy fantatrao. Fa mety manao koa ianao e, satria heverinao hoe izany no kristiana moderne ;tsy haiko izay ilazana azy ; manaraka ny fomba fisainan’izao tontolo izao, manaraka ny fomban’izao tontolo izao, manaraka ny fiakanjon’izao tontolo izao. Ilay akanjo tena manaraka anona ireny moa izao, tena mahavariana mihitsy, ilay manaraka vatana. Izao tontolo izao no tia mampiseho vatana e, izao tontolo izao no tia maampiseho bika e. Dia jerenao tokoa, tena hoe misy vehivavy tsara bika ; fa izay ilay fomban’izao tontolo izao. Dia eo koa moa ny tovolahy moa izany mampidera bika ; ary variana aho fa miha-lamoady miha-lamaody amin’ny tovolahy ity hoe culturisme ity. Izay ilay fomban’izao tontolo izao. Tsisy miteny hoe ratsy izany, fa mahasoa amin’ny zavatra kely izany. Mahasoa amin’ny zavatra kely izany. Ka tsy maninona ianao raha manao culturisme adiny iray na adiny roa isan-kerinandro, fa multiplié-o fois 2, fois 3 ny famakianao Baiboly ry havana, ry tanora namana. Fa raha tsy izany ianao dia ohatrany hoe tsy mandeha à contre-courant ry havana ô. Efa lazaina eto impiry impiry ny amin’ny hira sy ny mozika. Herinandro vitsivitsy izay talohan’ny confinement, niresaka tamina ray aman-dreny ara-panahy be izay, tena zoky ara-panahy, ary eo amin’ny christianisme eto Tana, eto Mada izy reconnu izy hoe zoky ara-panahy. Dia miresaka hira sy mozika eo ; miresaka chorale anankiray izy ; izany no anisan’ny chorale malaza indrindra eto Mada ; dia hoy izy tamiko : « Solofo an, milaza aminao aho fa tsizy io ». Tsizy ahoana hoy aho ? « Tsy ny Fanahy Masina no miasa ao amin’ilay chorale ».

Fa izay, izay ilay fampitandremana antsika hoe une fois ilay Fanahy Masina ry havana nampiaiky antsika fahamarinana, ka isika koa an-dalana, manontania tena ianao isan’andro isan’andro hoe : sao dia manara-dria-dranon’izao tontolo izao aho ? Ary dia hoe hitalahoy Jesoa, hitalahoy Jesoa hoe : « ampio aho handinin-tena, ampio aho mba handeha à contre-courant ».

Ny Fahamarinana 3 farany amin’izao andro fiakarana izao ry havana, dia hoe : « Ny Fanahy Masina hampiaiky izao tontolo izao, hoy ny and.11, ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara ». Izany ny tena hoe vaovao manan-danja, vaovao lehibe, ary vaovao mahafaly ; satria hoe satana, na ny devoly izay andrianan’izao tontolo izao, izay « prince de ce monde », dia efa voatsara. Taiza no nitsarana azy ? Teo amin’io hazo fijaliana io. Oviana no nitsarana azy ? Teo amin’ny hazo fijaliana teo. Ary izy ry havana dia tena nibitaka mihitsy tamin’io hoe Jesoa nohomboana ka maty hoe : « azo ny fandresena ». Fa avy eo Jesoa nitsangana tamin’ny maty ary hoe ny Fanahy irahina ao amintsika ; ao amin’izao tontolo izao aloa ; fa aty amintsika mpino. Ny sasany tsy mino an’izany fisian’ny devoly izany, ny sasany mbola matahotra fadiranovana ny afitsoky ny devoly izany : efa voatsara io. Efa voatsara ny andrianan’izao tontolo izao, « le prince de ce monde ». Ary miezaka mampihatra an’izany eo amin’ny fiainantsika ry havana ; ilay perikopa tamin’ny Alahady, ilay Matio 4, dia hoe : ny devoly naka fanahy an’i Jesoa, dia niteny izy ao amin’ny Matio 4 :8 hoe : « Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe : izao rehetra izao dia homeko Anao raha hiankohoka eto anatrehako ianao ». Fantatr’i Jesoa fa tsy mandainga ny devoly rehefa miteny izy hoe : « ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao dia azoko omena ». Ary Jaona 16, ny Apostoly Jaona efa nanoratra ihany koa ilay teny fata-daza any amin’ny 1 Jaona 5 :19 hoe : « Fantatsika fa izao tontolo izao kosa dia mipetraka ao amin’ilay ratsy avokoa ». Izany ny misy antsika. Fa izao ; ny vaovao mahafaly : ny andrianan’izao tontolo izao, ilay ratsy, dia efa voatsara. Efa voatsara, ary efa scellé izay ho avenir-ny éternel any amin’ny farihy mirehitra afo. Fa izao ny problema ry havana : fantany fa fohy ny fotoana dia mbola mandrovi-tsihy izy, manararaotra mandrovi-tsihy izy amin’izao fotoana izao. Mieritreritra ilay perikopa tamin’ny Alahady, ilay Matio, ilay fanjakana rehetra ao ambanin’ny voninahiny, eo am-pelatanan’i satana ; izao tontolo izao dia eo ambany fahefan’ilay ratsy. Mila miomana ihany isika ry havana amin’ity resaka hoe cohérent satana an ; eo am-pananganana izany antsoina hoe « gouvernement mondial » izany izy. Tena logique avy ato amin’ny Soratra Masina izany zavatra izany ry havana. Tsy angano angano izany, fa tena réalité iainantsika izany hoe hanangana « gouvernement mondial » izany izy. Ary miaraka amin’ny « gouvernement mondial » : hanangana « religion mondiale » izy. Ary religion hanapotehina tsy hisy intsony izany christianisme izany, raha ny programan’i satana ry havana ô. Izay ange no tena ao ambadik’ilay « mondialisation » e. Satana izao hoe andrianan’izao tontolo izao mampiseho fa azy izao tontolo izao. Ary ao anatin’izany hoe afitsok’i satana andrianan’izao tontolo izao izany, na dia efa voatsara sy resy aza izy, dia mbola tena hoe miezaka mametraka ilay tenin’ny Apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy hoe : « tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibi-dia, na ny isan’ny anarany », ilay « marque de la bête ». Nareo mahafantatra ohatr’ahy, fa ilay « marque de la bête » hita amin’ireny code barre ireny. Ary efa mandeha izao ilay paiement sans contact satria hoe code barre samy code barre. Ary tena mampihori-koditra mihitsy, hitanao any amin’ny documentaire izany, documentaires betsaka amin’ny youtube, hoe misy olona faly, asa na tsy tonga saina izy, na voakarama : efa mampiditra puce aty anatin’ny sous-cutané aty, dia mandeha izy dia efa tsy misy zavatra aseho, ahazoan’ny devoly andrianan’izao tontolo izao mi-controlé azy ry havana ô. Izany ny réalité izany, avy ato amin’ny Soratra Masina. Ary ny zavatra hanamarika an’io « religion mondiale » io, dia tena hoe potehina ny tenin’Andriamanitra, potehina ny tenin’Andriamanitra. Ary ny zavatra tena miharihary amin’izao fotoana izao dia ny fanapotehina ny tenin’Andriamanitra mikasika ny fampianarana momba ny lehilahy sy ny vehivavy, sy ny fanambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ary izao tontolo izao tsy hanaiky lembenana mihitsy ka. Tsy maintsy apetrany io religion mondiale io. Any Etats-Unis amin’izao fotoana izao ry havana, misy polémique azo atao hoe mangotraka ihany, satria misy mpanompon’Andriamanitra tena ao amin’ny Tompo dia miteny hoe : jereo ihany an, fa io Covid-19 io an, sao dia noho ilay homosexualité mianaka ohatran’io an, izay tena hoe fahavetavetana eo imason’Andriamanitra. Tena hoe niteraka levée de bouclier sy fanoherana sy ezaka fanapotehina ireo mpanompon’Andriamanitra mba sahy nametraka izay fanontaniana izay.

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ô, ny amin’izany fampahafantarana izany hoe misy andrianan’izao tontolo izao miroso amin’izany « gouvernement mondial » izany miarkaa amin’ny forongony. Fa efa voatsara izy e. Ary Jesoa dia miteny, ny Soratra Masina dia miteny ao amin’ny 1 Jaona 4 hoe : « Izay ao aminareo dia lehibe noho izay eo amin’izao tontolo izao ». Ilay Andriamanitra monina ato amintsika lehibe lavitra noho ilay ao amin’izao tontolo izao, noho ilay satana ao amin’izao tontolo izao.

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana ny amin’ny fampitandremana. Fa ny anjarantsika dia tena hoe : voalohany : mifaka tsara amin’ny tenin’Andriamanitra. Izay. Ny zavatra tokony ataontsika koa, ary tena urgent, dia hoe : mitady namana, zoky ara-panahy afaka hanoro hevitra mandrakariva, afaka hifampizarana, afaka hampionina, afaka hampahery e. Ary amin’izao andron’ny fiakarana izao ry havana, ankalazantsika ny maha-Mpanjaka an’i Jesoa, raha tena hoe te hanamarina isika fa nanjaka tokoa Izy ary efa nandresy ny asan’ny devoly, dia isika manaiky tarihin’ny Fanahy Masina, isika hanaiky tarihin’ny Fanahy Masina.
Raha ny fiatombohan’ny Jaona 16 perikopantsika androany, dia efa nampilaza Jesoa dieny any amin’ny and 1 sy 2 any, hoe : lasa Aho, hoy Izy, dia ho avy ny andro, handroaka anareo ao amin’ny synagoga izy. Ilay mandroaka = manenjika ; ilay manenjika = mamono. Ary ho heveriny fa famonoana anareo, dia hoe fanaovana fanompoam-pivavahana marina. Efa niteny an’izany Jesoa ry havana ô. Dia fantany tsara hoe efa haniraka ny Fanahy Masina Izy ho mpampionona sy mpampahery antsika.
Dia aoka izao andro fiakarana 2020 izao ho fahatsiarovana manokana ao aminao hoe nanapahanao hevitra fa tena hoe hanaiky tarihin’ny Fanahy Masina amin’izay ianao e.
Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena