ALAHADY 17 MEY 2020

1 Jaona 4 :14-15 : « Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra ».

Zavatra tena hoe manaitra ry havana , ary tena hoe misongadina ato amin’ity 1 Jaona 4 ity, perikopa androany, dia miverina eo matetika ny hoe : Andriamanitra mitoetra ato amintsika. In-4 no miverina izany amin’ny andinin-tsoratra masina dimy. Andriamanitra mitoetra, na monina ao amintsika. Ka ny fanontaniana ry havana ampandinihin’ny Tompo tena antsika amin’izao maraina izao, dia hoe : MBA TIANAO VE IZANY HOE ANDRIAMANITRA MONINA AO AMINAO IZANY ? Satria izany no sitrapony.TIANAO VE IZANY HOE ANDRIAMANITRA HONINA AO AMINAO IZANY ?

Tsy misy olona ry havana haniry zavatra tsy fantany. Katekisma mazava be izany, fa mety tsy miteny aminao izany, izany hoe Andriamanitra monina ao aminao izany.

Nisy mpanompon’Andriamanitra iray nitoriteny momba ity 1 Jaona 4 ity, dia nampieritreritra ilay sary nampiasainy. Izy moa mipetraka any Pays-bas, dia tany Pays-bas tany, raha ny tulipe no voninkazo mahazatra an’izany hoe Pays-bas izany, ahafantarana an’izany hoe Pays-bas izany, indray maka hoy izy, nisy rosier tany, tany Pays-bas izany ; dia rehefa namokatra ilay izy ka namony, tena hoe nampitolagaga ny maro, satria nisy 6.000 boutons-na fleur de rose tao amin’ny fototr’ilay rosier anankiray. 6.000 roses niara-namony. Azo sary an-tsaina ry havana ny hatsaran’izany rosier izany. Dia teo moa no nitolagaga, teo no nialona. Dia tao amin’ilay exposition izany nampisehoana ny sarin’io rosier io, dia hoe, nisy manam-pahaizana momba ny fambolena, dia hoy izy : « io izany izao raha hakantsika dia atao grefy amina rosier tsotra fantatsika, dia mifindra any ilay toetrany io. Toy ny lasa maniry ao, na monina ao io rosier exceptionnel io ». Dia hoy ilay mpitoriteny : tena ohatran’izay mihitsy hoy izy, Andriamanitra ilay milaza hoe te honina ao amin’ny mpino. Tian’Andriamanitra mihitsy hoe ny fiainany, ny hatsarany, ny fitiavany, ny fahamasinany, hoe hamponeniny ary hampitondrany vokatra ao amin’ilay mpino. Ary rehefa mijery an’ireny mpamboly voninkazo ireny ry havana, dia hoe mba hahavanona an’ilay voninkazo, dia isan’andro isan’andro izy mi-tailler an’ilay voninkazo, mi-tailler an’ilay rose, dia mi-tailler manongotra koa izay hoe zavatra malazolazo, mba hoe ilay tsiron’aina izany tena hoe hampiasa ny heriny any amin’izay alehany izany ry havana. Dia ohatran’izay koa, Andriamanitra ao aminao, Izy ihany no mandrantsana izay tokony ho rantsanana ao aminao ry havana. Izay izany ilay fampieritreretana, hoe : MBA TE HO EXCEPTIONNEL, TE HO KRISTIANA EXCEPTIONNEL EO ANIVON’NY KRISTIANA AN-TAPITR’ISA VE IANAO RY HAVANA KA HITONDRA VOA, NY VOAN’NY FANAHY MASINA OHATRAN’IZANY AO AMIN’NY FIAINANAO ? SA DIA SANATRIA HO AFA-PO AMIN’IZAO TOE-PANAHINAO IZAO IANAO ? TSY IZANY NY PROGRAMAN’ANDRIAMANITRA AMINAO RY HAVANA Ô.

Andao ary jerentsika rehefa vita izay fampieritreretana izay hoe : manao ahoana ny toe-pon’ny olona izay mety honenan’Andriamanitra Izy ? Hoe, jeren’Andriamanitra izy dia hoe : « oay, Izaho honina ato ». Manao ahoana ny toe-po, toe-tsaina, toa-panahin’izany olona izany ?

Ny toe-panahy sy toe-pon’izany olona izany dia ambaran’ny and. 14 hoe : « Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao ». Ny toe-pon’ny olona hoe maniry honenan’Andriamanitra, dia hoe : mahafantatra fa Andriamanitra io dia ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Mahafantatra fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Izay aloa ny fiantombohany ny havana ô. Olona mahafantatra izany fa ity tany, izao tontolo izao misy antsika ity, dia tena mila Mpamonjy. Mila Mpamonjy. Dia mahafantatra hoe : Andriamanitra Ray dia naniraka ny Zanany hamonjy izao tontolo izao. Fa maninona ry havana izao tontolo izao no mila Mpamonjy ? Jesoa tena namaly sy nampianatra tsara, nampianatra mazava momba an’izany, ary hoe antony 3 no ho jerentsika tamin’ny fampianaran’i Jesoa, hoe mahatonga Azy hilaza hoe tena mila Mpamonjy izao tontolo izao :

  • Voalohany indrindra, hoe : izao tontolo izao dia marary. Matio 9 :12, hoy Jesoa hoe: « Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ». Marary izao tontolo izao. Marary ny finoana : tsy finoana velona fa karazana superstition. Eny e, kristiana izany resahina izany an, izany hoe kristiana efa noheverina hoe efa niova fo. Marary ny fanantenana ry havana : maro ny olona, rehefa jerenao, sady tsy manana ho avy, tsy manana futur, no velona tahaka ny tsy manana futur satria marary ilay fanantenana. Marary ny fitiavana : lasa fitiavana miaro fihatsaram-belatsihy ; marary ny fitiavana ka tena hoe zavatra lavin’ny olona izany hoe fitiavana voalohany ho an’i Jesoa izany. Izay izany ilay tenenin’i Jesoa hoe mila Mpamonjy izao tontolo izao satria marary.
  • Mila Mpamonjy izao tontolo izao satria izao tontolo izao dia voaozona. Ny Galatiana 3 :13 dia milaza mazava : « Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy ; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo ». Tsy maintsy nahantona teo amin’ny hazo Izy, ahazoany mitondra izany ozona nokatry ny tsy fankatoavana lalàna izany. Ny lalàna mifehy izao tontolo izao : lalàna ekônômika, lalàn’ny varotra, lalàna politika, lalàna momba ny fiaraha-monina sy ny karazany izany hoe lalàn’Andriamanitra izany. Tsy manan-danja izany, hany ka tratran’ny ozona izao tontolo izao. Hoy ny Deoteronomia 28 hoe : « Hozonina ny ateraky ny kibonao ». Ny ateraky ny kibonao an. « Hozonina ny vokatry ny taninao, hozonina ny ateraky ny ombinao, ny ateraky ny ondry aman’osinao ». Miantraika any amin’ilay asa aman-draharaha sy ilay asa fivelomana. « Hozonina ianao raha miditra, hozonina ianao raha mivoaka ? Hampandehanin’i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’izay rehetra ataon’ny tananao ». Hampitoerin’i Jehovah anaty horohoro sy fampitahorana. Anisan’ny fanafody be mpividy indrindra ary be mpampiasa indrindra any Frantsa ry havana dia ireny hoe « tranquillisants » isa-karazany ireny, satria ao anaty horohoro sy stress ilay vazaha ; ilay vazaha mba lazaina hoe zanaka vavy matoan’ny Fiangonana, La Frantsa ; nefa izao hosohosena izany Fiangonana izany. « Hampiraiketin’i Jehovah aminao ny areti-mandringana ». Izay ilay hoe : izao tontolo izao anatin’ny ozona, mila Mpamonjy. Izay. Ary ny olona maniry an’Andriamanitra Ray hoe honina ao aminy, dia mahafantatra hoe : Izy naniraka ny Zanaka satria izao tontolo izao dia mila Mpamonjy. Izay ilay izy.
  • Ary fahatelo lazain’i Jesoa dia hoe: izao tontolo izao dia very. Izao tontolo izao dia very, Lioka 19 :10 hoe : « Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very ». Izany no hilan’izao tontolo izao Mpamonjy. Ary very mankaiza moa izany ? Very any amin’ny fahaverezana mandrakizay any amin’ny helo, ny any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izao tontolo izao very ; fa tsy manaiky izy hoe very, tsy manaiky izy hoe very. Anisan’ny hira tena tiako ry havana tamin’ny fahatanorako ilay hiran’i John Lennon hoe : « Imagine ». Fa mahavariana, taty aoriana rehefa dinihinao tsara ilay tononkira, hoy izy hoe : « Imaginé-o kely ange hoe tsy misy lanitra, imaginé-o hoe ao ambony ao tsy misy lanitra, imaginé-o hoe tst misy helo ao ambanintsika ao ». Izany ilay izy, izany ilay hira. « Imaginé-o hoe tsy misy religion izany ety ambonin’ny tany fa hoe miaina amin’ny fiadanana daholo fotsiny isika rehetra rehetra ? Ataonao hoe mpanofy aho, hoy izy, angamba » ; fa tena hoe nofy avy amin’ny devoly izany ry havana ô. « Ary antenaiko hoy izy, fa indray andro ianao hanatevin-daharana miaraka aminay, ary ho iray ihany isika olombelona rehetra eto amin’ity tany ity, eto amin’izao tontolo izao. Dia hoe aleo isika hiaina ny androany tsy mieritreritra ny rapitso, tsy mieritreritra ny mandrakizay ». Izay ilay esprit an’ilay hira sy ny tonin’ilay hira. Izany ilay izao tontolo izao very, ary tsy tonga saina hoe very, ary mihaino tonton-kira avy amin’ny devoly ohatran’izany ry havana ô.

Izay ilay izao tontolo izao mila Mpamonjy.

Ary ny ambaran’ny Hebreo 7 :25 dia hoe : « koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy » ; amin’ny alalan’i Jesoa. Izay manatona an’io Andriamanitra Ray io, amin’ny alalan’i Jesoa, dia vonjeny tokoa. Amin’ny teny frantsay Segond, hoe : « Il sauve parfaitement ». Ary io anarana io ihany no afaka mamonjy parfaitement ry havana ô, io ihany. Fa rehefa famonjena tadiavina any amin’ny anarana hafa, dia izay ilay nolazaintsika tary hoe finoanoam-poana.

Izay izany ilay Fahamarinana 1, hoe : HO AN’NY OLONA IZAY HOE MBA MANIRY NY RAY HONINA AO AMINY, DIA HOE : FANTARO TSARA ALOA FA NY RAY DIA NANIRAKA NY ZANAKA HAMONJY AN’IZAO TONTOL IZAO. Fa rehefa tsy fantatrao izany, na rehefa tsy raharahanao izany : tsy ho avy ao ny Ray.

Ny Fahamarinana 2 dia izao ry havana : ANGATAHO AMIN’NY RAY HOE : ANDRIAMANITRA O, RAY O, MONENA AO AMIKO IANAO

Andriamanitra tsy ho avy honina ao amina mpino anankiray izay tsy mahafantatra ny hasarobidin’izany. Izay no nanombohan azy tamin’ilay sary voalohany iny ry havana. Ary Andriamanitra tsy ho avy honina ao amina mpino anankiray izay tsy mangataka an’izany ry havana ô.

Tenenina hoe ato amin’ilay perikopa, in-efatra no misy filazana momba ny hoe : Andriamanitra monina ao amin’ny mpino. Ary isaky ny filazana, dia misy an’ilay condition. Ny ataontsika anio, tsy hijery an’ireo conditions efatra isika ry havana ô, tsy hijery an’izany isika. Fa ianao aloa, izay ilay fahamarinana faharoa eto, hoe : mitalaho an’Andriamanitra hoe : « omeo ahy ny fo tena maniry marina ny fonenanao ato amiko ». Izany, izany aloa angatahina. Fa raha hamoafy an’ireo conditions efatra ireo isika ry havana, nefa ny fonao tsy vonona amin’izany akory, dia tonga amin’ilay fitenenana hoe : ohatrany rano alatsaka eo ambonin’ny lamosin’ny kanakana ilay hoe : « voalohany izao… faharoa izao… fahatelo izao… faha-efatra izao ». Fa angataho izany fo izany.

Ary rehefa mijery aho amin’ny fihiranantsika FFPM ry havana, misy tononkira anankiray tena mahafehy an’izao fahamarinana faharoa izao, ny fihirana FFPM, ilay 447 ; singaniko manokana ny and.2 hoe :

‘Zao no tena faniriako :

Ny ho velona aminao,

Ka hitoeranao ny foko,

Fa tsy holalovanao ;

Eny, Tompo ô, monena,

Mba monena ao tokoa ;

‘Zay no tena famonjena,

‘Zay no mahafatra-po

Ny faniriako ? Hitoeranao ny foko fa tsy holalovanao. Efa nolalovanao ny foko tamin’izaho natao batisa, efa nolalovanao ny foko tamin’izaho noraisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, efa nolalovanao ny foko tamin’izaho notokanana ho diakona ; fa tsy tiako hoe holalovanao ohatran’izany intsony aho ; efa mba nolalovanao aho rehefa mba mamaky teny sérieusement ireny indraindray; fa ny tena tiako hoy ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ity mpamoron-kira ity, dia hoe: ny hitoeranao ny foko fa tsy holalovanao. Fa rehefa izany r y havana ny vavakao isan’andro isan’andro, dia ny Tompo no hanoro anao, hoe : « Anaka, izao ary atao dia ho avy honina ao aminao Aho ».

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo, ary ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena.