"Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao". Isaia 49:26
Tohiny
"Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isaia 53 : 7 - 8)". Asan'ny Apostoly 8:33
Tohiny
"Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka". Lioka 13:24
Tohiny
"Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena". Apokalypsy 7:12
Tohiny



