"Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana". Estera 9:18
Tohiny
"Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo". 2 Korintiana 13:11
Tohiny
"Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo". Jaona 16:24
Tohiny
"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra." Romana 8:14
Tohiny
