ALAHADY 25 JOL 2021 – FIDIRANA 2

Ity moa izany dia toriteny manokana ho anareo Katekomena andiany : « Miverenà amin’ny fitiavanao voalohany ». Misy boky efa noresahantsika tao amin’ny Katekomena, boky malaza be ilay izy ; mino aho fa misy amintsika mahafantatra ilay boky, hoe : SI TU VEUX ALLER LOIN. Izay ilay titre amin’ny teny frantsay, azo adika tsara hoe : RAHA TE HO LASA LAVITRA IANAO. Ny atao hoe « lasa lavitra », dia tonga any an-danitra ry havana ô. Raha mijery antsika eto aho, afaka 80 taona isika mianakavy tsy misy eto intsony. Fa ho aiza isika afaka 80 taona ? Raha te ho tonga any an-danitra ianao…Si tu veux aller loin… Izay ilay hafatra ho antsika androany.

Ny Fahamarinana 1 dia izao ry havana : RAHA TE HO LASA LAVITRA IANAREO : AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA. Izay an. Tsotra be izany. AZA MAHAFOY NY FIANGONANA.

Isaia 6 :5 : « Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no efa hitan’ ny masoko ».

Ny olona fantatr’Andriamanitra ry havana fa tsy mahafoy ny fiarahana mivavaka, dia ataon’Andriamanitra tafahoana Aminy amin’iny Alahady maraina iny. Ary ny marika voalohany, hoy Isaia, satria ao amin’ny tempoly izy izao, dia ny fahatsiarovanao tena hoe mahantra satria maloto. Ary ilay lotonao ara-panahy miseho amin’ny fahalotoan’ny teny avoakan’ny vavanao. Io moa, Jesoa niteny ihany, hoe : izay avoakan’ny molotra ange, hoy Izy, avy ao amin’ny fo ihany e. Fa ilay fahalotoana ao am-po dia hoe : ny sain-dratsy, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga : izany no mahaloto ny fontsika ; dia miseho kely ihany iny amin’ilay teny atao. Fa izay no maha-zava-dehibe an’ilay hoe : tsy fahafoizana mivavaka, ilay fiaraha-mivavaka aty am-piangonana. Atoron’Andriamanitra anao izay mampaloto anao. Ary raha hiala eto ianao rehefa avy eo ry havana, ka faly fotsiny nanotrona an’ireto zandry zanantsika ireto an : maty antoka ianao, raha tsy natorony taminao hoe izao no mbola kira-trondro aminao ; raha tsy natorony mazava taminao hoe izao no mbola mampaloto anao.

Dia inona no ataon’Andriamanitra rehefa tafahoana amin’ilay olona tahaka izany Izy ? Rehefa tena kivy ilay olona, manao tahaka an’i Isaia hoe : « Lozako, lozako ! Maty aho ». Isika angamba, raha may ny tranontsika : « Loza, loza, maty aho, saika novonoin’olona aho ». Fa ny an’i Isaia ato ny fahotany, ny fahalotoany ara-panahy, izany ity hoe : « lozako, maty aho ». Dia inona no nataon’Andriamanitra amin’ny olona tahaka izany ry havana ? Dioviny, dioviny.

Ary izay no mahatsara ilay Fiangonana ry havana. Izay mihitsy no tena nature-n’ilay Fiangonana, tena karazana fanasan-damba, karazana blanchisserie : miditra ato ilay olona maloto ; mivoaka ato ilay olona madio akanjo, madio fo, madio molotra ry havana ô. Ary izany : ilay fidirana ato dia hoe mahatsiaro ny maha-mpanota anao, maloto ianao an – diovin’Andriamanitra – miteraka fifaliana, miteraka fifalian-dehibe, fifalian’ny olona voavonjy, ny fifalian’ny olona voavela heloka, ary miteraka fahavitrihana vaovao, miteraka faniriana vaovao ho an’Andriamanitra, nouvelle vitalité, nouveau désir ho an’Andriamanitra. Izany ry havana isan’Alahady no tsy tokony ahafoizana ny fiaraha-mivavaka : manana an’izay vitalité spirituelle vaovao izay ianao, manana an’izay nouveau désir izay ianao, manana an’izay fitiavana vaovao ho an’Andriamanitra izay ianao. Dia hoy ilay mpanompon’Andriamanitra anankiray izay, hoe : rehefa izany no ao am-ponao : toy ny avy nanoroka sy nifamihina tamin’i Jesoa ianao. Angamba isika hiteny hoe : « Ka Jesoa anie ry Pasitera any an-danitra e » ; bien sûr ; fa isika mifanoratra ihany amin’ny zanatsika, amin’ny vadintsika, amin’ny ray aman-drenintsika, amin’ny iray tampo amintsika dia mandefa an’itony émoji misy fo kely itony na misy molotra manoroka itony, nefa ilay olona any an’anona any. Ohatran’izay tsy misy hafa : ohatrany hoe avy namihina sy nanoroka an’i Jesoa ianao rehefa tonga amin’izay stade-ny litorjia izay ry havana ô.

Izay izany ny Fahamarinana 1, hoe : AZA MAHAFOY E, NY FIARAHA-MIVAVAKA. Fa rehefa tonga ao ianao dia atoron’Andriamanitra anao tsy misorona nefa amin’ny teny feno fitiavana hoe : izao no mbola mahaloto anao ary manadio anao Aho, ataoko fotsy mangatsakatsaka ianao ; dia mivoaka avy ato ianao feno fifaliana hoe : tena avy niangona ahy ry ireto an, nanana an’izany fihaonana tamin’ny Tompo, avy nifamihina tamin’ny Tompo, avy nanoroka ny Tompo aho.

Ny Fahamarinana 2 dia hitantsika ao amin’ny Matio 4 :19 : « Dia hoy Jesoa taminy : Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo ». RAHA TE HANDEHA LAVITRA IANAO : METEZA HO MPANARATO OLONA. Ilay voalohany hoe : RAHA TE HANDEHA LAVITRA IANAO : AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA.

RAHA TE HANDEHA LAVITRA IANAO : METEZA HO MPANARATO OLONA. Fantatsika tsara moa fa ireto mpianatra voalohany nantsoin’i Jesoa ireto dia mpanarato. Mpanarato ; tsy hoe mpanjono, fa manarato amin’ny filet, amin’ny harato. Izay ilay izy. Manarato. Dia hoy Jesoa hoe : Andeha ataoko mpanarato olona ho Ahy ianareo. Mpanarato olona hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Averiko indray, averiko indray : afaka 80 taona isika ry havana ô, tsy misy ho eto intsony. Fa ho aiza isika amin’izay ? Any amin’ny fanjakan’ny lanitra sa ho aiza ? Satria ny Soratra Masina dia mazava : anankiroa ihany ny possibilité rhaa vao miala eto amin’ity tany ity isika : na ny lanitra na ny helo. Antsoin’ny Tompo isika ; ianareo nantsoin’ny Tompo, ianareo katekomena ireo, hoe : hiray latabatra Aminy any an-danitra. Izay ilay izy. Dia apetrany aminareo izao antom-pisiana vaovao, hoe : METEZA HO MPANARATO OLONA. METEZA HO MPANARATO OLONA.

Mijery ny taonanareo aho an, maro aminareo izao no mbola mianatra. Ok. Ry havana ô : ataovy tsara io fianarana io, ataovy tsara io fianarana io. Tsy ampoizinareo mihitsy ny sacrifice ataon’ny ray aman-dreninareo mba hahatafita anareo. Vola mba tokona nanaovany an’izao sy izao sy izao, na nividianany izao sy izao sy izao ho azy : afoiny noho ny fitiavany anareo ary noho ny fitiavany hahatafita anareo. Izany ny olona te handeha lavitra koa izany. Manana privilège afaka mianatra dia mianatra tsara. Amin’ny maha-Pasitera ahy ry havana, maro ny Pasitera ohatran’izany, izany olona milahatra izany indraindray : « Pasitera an, vonjeo re fa ny zanako tsy afaka miatrika examen, efa 2 volana izay, 3 volana tsy voaloa ny écolage, tsy manaiky intsony ny any am-pianarana ». Ianareo manana privilège afaka mianatra : mianara tsara.

Ho anareo izay efa miasa : ataovy tsy afaka ao an-tsainareo ny tenin’ny Apostoly Paoly any amin’ny Kolosiana 3 hoe : ataovy toy ny ho an’Andriamanitra, fa tsy toy ny ho an’ny olombelona. Io no mampalahelo, malahelo aho milaza an’ity an : tena fahavoazantsika malagasy ity hoe manao zavatra peta-toko, manao zavatra zara fa vita. Tsy mety izany e. Tsy izany ny olona manao tanjona eo amin’ny fiainany hoe te handeha lavitra ; hatramin’izany ataony hoe : ity asa ity, na misy sefo eo anoloako eo na tsy misy sefo eo anoloako eo an : ataoko toy ny ho an’Andriamanitra, ataoko hoe ankalazana an’Andriamanitra. Rehefa mijery anareo ny collègue-nareo, dia aoka izy hiteny hoe : « raha samy comptable eo, rhaa samy izao sy izao eo : hitanareo fa hafa mihitsy i anona ».  Hafa i anona satria nametraka ho tanjona hoe andeha labitra ao amin’ny fiainany.

  • Ataovy tsara ny fianarana
  • Ataovy tsara ny asa
  • Fa meteza manomboka anio 25 Juillet 2021 ho mpanarato ho an’i Jesoa ry havana.

Teo ianareo, tamin’ny herinandro, maro no variana tato am-piangonana, insy tovolahy nandroso teto, ilay notantanana iny, dia ankizy vavy tato am-piangonana no nitantana azy ; dia avy eo moa gaga, gaga, dia nanontany ny olona hoe : « Pasitera an, fa ahoana ireny ? Iza iny ? » Dia hoy ilay mamany : tsy tovolahy mpivavaka ato ilay tovolahy noraisina tamin’ny herinandro iny, fa ankizy mpiara-mianatra aminy, asa na 3è na 4è année ao amin’ny Esca, tsy haiko, tsy tadidiko tsara intsony izy teo; dia hoe notaominy ho ao amin’i Jesoa, dia iny nanaiky nanao katekomena iny. Dia iny, tonga hatramn’ny farany, notantanany teto, nijoroany vavolombelona hoe « izaho nanarato an’ity olona ity ho an’i Jesoa ». Ry havana ô, rehefa miteny isika hoe : imasoy ny asa, imasoy ny fianarana : zavatra mandalo daholo ny vokatry ny asa ; fa ny olona hoe ratoinareo ho an’i Jesoa, izany no harena mandrakizay, rehefa miteny Jesoa hoe : « Miharia harena ho any an-danitra » : ny isan’ny fanahin’olona notaominao ho any an-danitra ry havana ô, izany ilay harena harianao any an-danitra ary tsy mety lasan’ny mpangalatra na lanin’ny kalalao. Ny harena rehetra, ny volamena sy ny volafotsy, izany no ety, arty mandeha ho amin’ny harafesenina.

Ary ny firariana ho anareo, ho anareo ireo, dia hoe : rahatrizay tonga any an-danitra ianareo, rahatrizay tonga any an-danitra ianareo dia hoe maro no hanakana anareo any an-dnaitra any dia hiteny hoe : « asa raha tadidinao aho, fa izaho ange e, izaho ilay nosakananao teny an-dalana, izaho ilay nitorianao filazantsara, izaho ilay tany am-pianarana nijoroanao vavolombelona ; izay no nikasihin’ny Tompo ahy ary izao tafahoana mandrakizay aty an-danitra izao isika ». METEZA HO MPANARATON’I JESOA.

RAHA TE HANDEHA LAVITRA IANAO ;

  1. AZA MAHAFOY NY FIARAHANTSIKA MIVAVAKA
  2. METEZA HO MPANARATON’I JESOA

Ny Fahamarinana 3 farany ry havana : RAHA TE HANDEHA LAVITRA IANAO : METEZA ATORO

Sarotra io hoe manaiky atoro io. Sarotra io, sarotra io. Fa izay ilay izy : RAHA TE HANDEHA LAVITRA IANAO : METEZA ATORO.

Andao ange jerentsika ny Asan’ny Apostoly 9 :6 e. Efa nolazaina tamin’ny 5mn teo izany hoe nifanena tamin’i Jesoa teny an-dalana ho any Damaskosy i Saoly, dia rehefa nanambara ny tenany ho Jesoa i Jesoa, eo amin’ny Asan’ny Apostoly 9 :5, dia hoy izy eo amin’ny and.6 hoe: « fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao ». Holazaina aminao izay mety hataonao.

Ry havana, rehefa misy zazakely teraka, mivoaka avy ao an-kibon-dreniny : tsy avy hatrany izy dia mahavita tena e. Omen’Andriamanitra ankohonana izy, omen’Andriamanitra cocon familial izy hitaiza azy, hamelona azy, hanabe azy. Ohatran’izany tsy misy hafa koa amin’ny lafiny ara-panahy. Azo lazaina izany ianareo katekomena ireo, hoe : efa samy naterkaa indray. Fa mila mitombo ianareo, ary izany no notenenin’i Jesoa tamin’i Paoly Apostoly. Paoly, avant d’être le plus grand Apôtre de la Bible, mbola nanetry tena izy hoe : ianao, holazaina aminao izay mety hataonao. Meteza mianatra e – Meteza atoro ry havana ô. METEZA ATORO. Io, tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny io ; fa meteza atoro. Fa rehefa tsy mety mianatra ianao e, rehefa tsy mety atoro ianao, je te garantis : tu n’iras pas loin. Na mety diso lalana ianao. Miezaka ihany ianao, fa mety diso lalana ianao. Ary ny dikan’ny hoe mety atoro dia :

  • Manaiky aho hoe mbola mila ampianarina
  • Izay ampianarina ahy dia manaiky aho hoe ankatoaviko ; fa tsy hoe miditra amin’ny sofina ilany dia mivoaka amin’ny sofina ilany ry havana ô. Mila ankatoavina. Mila ankatoavina. Ary misy olona ry havana, izay hoe mamaky Baiboly, na maheno tenin’Andriamanitra, tena ohatrany hoe tsy mihontsina mihitsy izy ; tsy misy émotion, tsy misy sentiment ; ohatrany tsy miteny aminy mihitsy ilay tenin’Andriamanitra. Fantatrao fa maninona ianao no tratran’izany indraindray ? Tratran’izany ianao indraindray, rehefa hitan’Andriamanitra io fonao io fa tsy misento amin’ilay teny, fa eo fotsiny ianao. Hoe « andao isika hamaky ny Isaia 6 dia sokafanao ny Baibolinao » : tsy miteny aminao Andriamanitra. Satria ianao tsy vonona hihaino Azy. Et encore moins ianao tsy vonona ny hankatoa Azy. Dia miala maina ianao ry havana ô. Mampalahelo ianao. Fa miala maina ianao. Izay ilay izy.

Fa manànà an’izany toe-tsaina hoe : « hay ity izaho mila mianatra, izaho mila mankatoa izay ampianarina ahy, mila manana fiainana obéissance aho ». Ary rehefa tonga ilay obéissance ry havana, rehefa tonga ilay obéissance, ary rehefa amin’izay ihany, izay vao miditra an-tsehatra ny Fanahy Masina. Izay ilay izy. Miditra an-tsehatra ny Fanahy Masina, mamaly vavaka ny Fanahy Masina. Andriamanitra tsy mamaly vavaka amin’ny olona désobéissant e. Tsy mamaly vavaka amin’ny olona désobéissant Andriamanitra ry havana. Fa rehefa hitany hoe ianao feno obéissance, manana fo feno obéissance, na dia mbola zaza mbola badabada ianao, tsy tapi-pahaizana ianao, fa manana fo feno obéissance ianao : valiany ny vavakao, ampiany ianao amin’ny fahalemenao, ampiany ianao hiatrika an’izany fahalemena izany, ampiany ianao hahatanteraka ny toetra, hanana ny toetra izay tokony hanananao, na fitondran-tena izay tokony hanananao eo imasony, hanana fitondran-tena sy fihetsika sy fomba izay mba hirinao ao anatinao : « ah, izaho mbamaniry ohatran’i Ra-anona iny raha samy kristiana ihany ». Rehefa obéissant ianao ka mivavaka hangataka fanampiana, famonjena, dia miditra an-tsehatra amin’izay ny Fanahy Masina satria hitany amin’izay ianao : « izaho tena mila mianatra, mila toroina, mila tezaina ary manaiky izy teneninao eo Tompo, ô. Manaiky aho, n’inon’inona teneninao ahy eo ». Ary dia manjary fiainana feno fifaliana ny fiainanao, satria hitanao tena hoe mahafinaritra, tena faran’izay mahafinaritra tokoa kay izany hoe miaraka amin’i Jesoa izany. Ary maty antoka ireo hafa izay hoe manana anarana kristiana fotsiny, manana étiquette-na kristiana fotsiny, nefa tsy manana an’izay ilay fifandraisana amin’i Jesoa izay.

Izay no irariana ho anareo katekomena, ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao, hoe : Enga anie ka samy ho lasa lavitra avokoa isika mianakavy, samy ho tonga any an-danitra, izay tena tanjona. Ianareo, araka ny efa nampianarina anareo ombieny ombieny, hoe : tsy eo amin’ny ligne d’arrivée ianareo izao an ; eo amin’ny ligne de départ ianareo izao. Ny ligne d’arrivée ary an-danitra ary. Dia ilay hafatra ho antsika izany, hoe :

  • Aza mahafoy ny fiarahantsika mivavaka
  • Meteza ho mpanarato olona
  • Meteza ampianarina

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra, ary ho aminareo mandrakariva ny fahasoavan’ny Tompo. Amen.