Ilay voa tsara nafafy

" Ary ny voa sasany latsaka tamin'ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny ary nomban'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo" Lio 8:8a; Asa 11:21 - DIEM

Ny 01 Septambra 2016 no nanomboka napetraka sy naparitaka ny "Ilay Voa Tsara Nafafy" amin'ny endriny A3 sy A4 ary misy cadre toy ny hita ao amin'ny vavahadim-piangonana eto Isotry Fitiavana.

Vinan'ny Fiangonana ho fanampin'ny fandraisantsika FJKM ISOTRY FITIAVANA amin'ny fampielezana ny filazantsaran'i Jesoa Kristy no antony nananganana azy.

Toerana 5 no nisy azy io tany am-piandohana,fa efa mahatratra 28 kosa ankehitriny. 19 amin'ireo toerana ireo dia eto Antananarivo ary ny 9 kosa dia any ivelan'Antananarivo.

Raha naniraka antsika ny filohan'ny FJKM, ny Mpitandrina Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi nanao hoe: "VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKA", dia tsapa fa amin'ny alalan'izao tetik'asa izao ihany koa no ahafahantsika manatanteraka izany fanirahana izany.

Arak'izany dia isika Fiangonana iray manontolo no voakasik'izao tetik'asa izao.
Misy ny fandaniana ara-bola isam-bolana aterak'izao tetik'asa izao; koa mangataka tolo-tanana avy aminareo Fiangonana izahay mba hahafahantsika manohy ny asa sy mampitombo ny toerana hametrahana ny cadre.

Amin'ireto toerana ireto no andraisana ny tolo-tanana avy aminareo:
- Ao amin'ny sekreteran'ny Fiangonana ny Alatsinainy hatramin'ny Asabotsy
- Ao amin'ny Vaomieran'ny vola rehefa Alahady maraina.

Raha misy ny fanazavana fanampiny tianareo ho fantatra, na koa manana fanontaniana ianareo dia azonareo atao ny manatona na miantso anay:
Mme RAVELOARIMANANA Fara - 034 17 551 18
Mme RAMAHEFANJATOVO Mialy - 032 07 206 04
Mlle RAMANANORONIAINA Nivo - 034 89 968 93
Mlle RAKOTONARIVO Romy - 034 42 655 57

Ry havana, fomba iray hahafahanao mampiditra fanahin'olona any an-danitra ny famatsianao ara-bola izao tetik'asa izao. Hoy ny Tompo aminao: "Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra" Mar 16:15

Ekipan'ny " Ilay Voa Tsara Nafafy".

Ny hafatra androany dia azonao vakiana manaraka ity rohy ity.