30 SEPTAMBRA 2019 – 06 OKTOBRA 2019

Kely fitiavana satria … voavela tamin’ny heloka kely  (Lio 7.47)

Mety ianao ry havana io kely fitiavana io satria voavela tamin’ny heloka kely. Tsy midika izany hoe kely heloka ianao. Fa heloka kely IHANY no nentinao teo amin’ny Tompo ka nahazoanao famelana.

Angataho mandrakariva ny Fanahy Masina hiasa ao aminao hampiaiky heloka anao (Jao 16.8) , ny Tompo hamela ny helokao be ary ho be fitiavana ianao.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen !