29 Oktobra 2018 – 04 Novambra 2018

Misikina

(Lio 12.35)

Iza ? Ny mpino no asaina MISIKINA.

Nahoana ? Mariky ny FIANDRASANY ny fihavian’i Jesoa.

Amin’ny fomba ahoana ? Malabary lava no niakanjoan’ny Jiosy, ka rehefa MIASA mafy izy na MIHAZAKAZAKA dia nakariny avoavo kokoa izany, dia nofatorany tamin’ny fehin-kibo.

Koa miasà mafy isanandro isanora ho an’ny Tompo.

Ary mihazakazaha hamoha varavarana raha vao mandondona  Izy haka anao.

Dia tsy hanampoka anao ny fihaviany.

Amen.

Ny Mpitandrina, Solofo RAMAHOLIMIHASO