28 OKTOBRA 2019 – 03 NOVAMBRA 2019

« Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra ». Hebreo 10 :36

MANAO AHOANA NY STYLE DE VIE – NAO ?

Ny style de vie dia voafaritry ny tanjona apetraka ao amin’ny fiainana.

Raha mametraka ho tanjona ny hahazoana izay lazain’ny teny fikasana ianao, dia izay hahazoanao mandova ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay any an-danitra, dia hita amin’ny style de vie-nao izany.

Ary ny tenin’Andriamanitra, ny sitrapon’Andriamanitra no mamaritra ny fomba fiainanao.

Rehefa tazanina ny style de vie-n’ny olona iray, dia fantatra hoe inona ny tanjony eo amin’ny fiainany, fantatra hoe inona no mamaritra an’izany fomba fiainany izany.

Ianao ary : MANAO AHOANA NY STYLE DE VIE – NAO ?

Amena