19 NOVAMBRA 2018 – 25 NOVAMBRA 2018

Fanompoam-panahy

(Nom 8.11)

Raha te-hanompo an'Andriamanitra ianao, aza mihazakazaka hanatanteraka ny "asa" fanompoana. Mialohan'izay : tanteraho aloha ny "fanompoam-panahy".

Ny Levita dia nasain'Andriamanitra naterin'i Arona ho fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny Zanak'Israely.

Isika kosa dia asain'ny Tompo manolotra ny tenantsika ho "fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany." (Rom 12.1)

Ny biby natao fanatitra dia rasarasaina. Vonona ve ianao hanolotra ny fonao, ny sainao, ny tenanao ho rasarasain'Andriamanitra hatao fanatitra ho Azy?

Raha izay manko dia ho tanteraka aminao ny fanompoam-panahy ka ho marina aminao fa tsy tonon-kira mahafinaritra fotsiny ny hoe :

Ny fonao sy ny fon' i Jesoa

hira-mitepo ho tena iray;

ny sainao sy ny sain'i Jesoa

hiray safidy mandrakizay.

AMEN.

Ny Mpitandrina, Solofo RAMAHOLIMIHASO