11 NOVAMBRA 2019 – 24 NOVAMBRA 2019

« Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana ». Marka 13 :33

Zavatra 3 no asaina ataontsika eo am-piandrasana izay hihavian’ny fotoana :

  1. Mitandrema

Tandremo isan’andro isan’andro ny anatra/ny hafatra.

Jereo izay tokony ampiana, jereo izay tokony esorina ao amin’ny fiainanao.

Jereo izay mbola tokony ho volena, jereo izay tsy tokony hisy ao amin’ny fanompoanao.

  1. Miambena

Mananà toe-tsaina, toe-panahy miambina.

Aza rendremana, aza matoritory ; fa aoka ianao ho tsy tafandry mandry.

Tsy tafandry mandry ny amin’ny ratsy tsy niaikenao, ka hiaiky mandrakariva.

  1. Ka mivavaha

Ao anatin’ny tontolo andro ianao, manaova vavaka : Fisaorana – Fibebahana – Fangatahana.

Dia hitombo amin’ny fiainam-bavaka ianao.

Ka hivavaka mandrakariva ka tsy hitsahatra.

 

Mitandrema – Miambenà – Ka mivavaha, dia tsy hanampoka anao ny fiverenan’ny Tompo.

Amena