09 DESAMBRA 2019 – 22 DESAMBRA 2019

« Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao… Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany ». Lioka 11 :27b-28.

Ray sy reny modely ara-panahy

Ry havana ô, matoa ny zanatsika mihaino sy mitandrina ny tenin’Andriamanitra, dia satria isika ray aman-dreny no modely amin’izany fihainoana sy fitandremana ny tenin’Andriamanitra izany.
Izany no tsapan’ity vehivavy ity ka tena nahagaga azy : matoa Jesoa vanona ohatran’io, dia satria ny reniny no nampita Azy ny tenin’Andriamanitra.
Fa vitsy ny ray aman-dreny sady ray sy reny niteraka ara-nofo, no ray sy reny ara-panahy.
AOKA IANAO HO RAY, AOKA IANAO HO RENY ARA-PANAHY HO AN’NY ZANAKAO.
Ny Tompo no hiasa ao anatintsika, mba ho tahaka an’i Maria isika :  ho reny, ho ray ara-panahy amin’ireo zanatsika, ka ho modely amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny teny ; ary dia hanana taranaka vanona isika, hanana taranaka hahagaga ny maro isika.
Amena.