05 Novambra 2018 – 11 Novambra 2018

Famaky

(Mat. 3.10)

Famaky efa mipetraka amin’ny fototry ny hazo sahady. Io ny sary asain’ny Fanahy saintsainintsika raha hiomana hihaona amin’ny Tompontsika isika.

Mbola tsy voakapa akory ny hazo. Fa ho tampoka ny famelezana. Ny tsy fandraisan’ny Jiosy an’i Jesoa ho Mesia no naneho ny tena toetry ny fanahiny ary nahamendrika azy ho kapaina.

Ny Romana no famaky  nampiasain’Andriamanitra raha navelany handrava ny firenena Jiosy izy tamin’ny taona 70.

Manana fifandraisana manokana (relation personnelle) amin’i Jesoa ve ianao ? Tompo ve Izy sa Tomponao manokana ? Mpamonjy ve Izy sa Mpamonjinao manokana ?  Izay ihany no hany fomba hialana amin’ny famaky.

Amen.

Ny Mpitandrina, Solofo RAMAHOLIMIHASO