04 NOVAMBRA 2019 – 10 NOVAMBRA 2019

Ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika. (Efe 1.19)

Hery lehibe sy mihoa-pampana

 Izany no filazan’ny Soratra Masina ny herin’Andriamanitra :

Hery lehibe  sy mihoa-pampana,

Ny fiasany tsy hay tohaina,

Ny fiasany mahery vaika.

Hery tsy manam-paharoa  izany !

Fa izao no vaovao mahafaly :

« ANASOAVANY » anao izany hery izany.

Koa mianara mivavaka :

« Ray malala ô, asoavy amin’ny herinao aho,

Araka ny teninao,

Amin’ny anaran’i Jesoa, Amen ! »