02 Desambra 2019 – 08 Desambra 2019

« Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana…». 2 Tesaloniana 3 :16a

Tompon’ny fiadanana.

Manambara ny tenany Andriamanitra, ho « Tompon’ny fiadanana ».

Raha Tompon’ny fiadanana Izy aminao, dia angataho fiadanana ho anao.
Azy ny fiadanana. Ary Azy irery izany.

Raha hangataka na hitady any amin’ny hafa ianao, tsy hahazo fiadanana.

Ka angataho amin’ny alalan’ny vavaka izany fiadanana izany, dia kendreo ny mba hahazo valim-bavaka.

Izao anefa : tsy hahazo valim-bavaka ianao raha tsy « mamirapiratra aminao » ny tavan’Andriamanitra.

Raha misy zavatra mampalahelo Azy eo amin’ny fiainanao, dia tsy hanome anao fiadanana Izy.

Amena