RESAKA VILANY SY HENA

« Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary hianareo tsy ho hena ato anatiny ». Ezekiela 11 :11a

RESAKA VILANY SY HENA

Ilay vilany, amin’ny teny frantsay hoe : « marmite » ; dia rehefa mijery ny heviteny dia hoe ilay « marmite » manambara zavatra milaza « sécurité ». Ireo lehilahy jodeana 25 lahy eto izay mpanapaka tao Joda, tompom-pahefana, manan-karena, ary nieritreritra ho tsy mana-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, dia milaza hoe : « izahay mihitsy no hena ato anatin’ity vilany ity ». Ny hena dia hoe zavatra tsara izany, ary tehirizina, arovana ao anatin’izany vilany izany. Arovana amin’inona ? Arovana amin’ny afitsoky ny fahavalo izay manafika. Raha manafika ny fahavalo, izy hena anaty vilany.

Tsia, hoy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Ezekiela, « tsy ianareo ilay hena anaty vilany, tsy ianareo no « en sécurité », fa ilay olona marina izay novonoinareo ; ireo no hoe ao anaty vilany, ary en sécurité satria ahy mandrakariva ; fa ny aminareo, tsy anaty vilany ianareo, tsy hena anaty vilany ianareo, fa au contraire, ho alako avy ao ianareo dia alefako any an-tsisiny, avelako ho rombain’ny fahavalo ianareo ».

Izao no fampieritreretana ry havana : Tandremo ianao, tahaka an’ireto lehilahy jodeana ireto, hoe, satria ambony, manan-daza, manambola, mahalala ny fombafomba fivavahana dia mieritreritra hoe «  en sécurité » ianao. Izany sécurité anao rehetra izany, sécurité humaine, sécurité matérielle ; fa ho alan’Andriamanitra eo ianao, dia ho atsipiny ary an-tanin’ny fahavalo. Fa izao ry havana : ianao mieritreritra hoe en sécurité ianao, nefa hoy ny and.10 hoe fantatr’Andriamanitra ny fisainanao rehetra. Dia izay : Andriamanitra maniraka mpaminany miteny amintsika hoe « fantatro anie ny ao anatinao e ary diso hevitra ianao mieritreritra hoe hena anaty vilany » ka « en sécurité » ianao.

Amena