« Fa izay teny homena anareo amin'izany ora izany no holazainareo ». Marka 13 :11b

Ny teny omena, iray izay, no lazaina. Mandray dia mizara, milaza.
Azo oharina amin’ireny hoe oreillette izay ataon’ny mpihira sasany rehefa mahazo taona izy, la oreillette ataon’ny journaliste sasany, hitantsika amin’ny télé izany : misy olona milaza aminy na mampatsiahy azy izay tokony ho lazainy.
Io oreillette io ry havana dia azo oharina amin’ny Fanahy ao amin’ny olona tsirairay. Dia ny Fanahy Masina no miteny amin’io oreillette io, dia miteny isika : oreillette-ny Fanahy, oreillette-ny esprit izany.

Dia misy cas 3 ry havana tsy handrenesan’ny olona iray, na tsy andehanan’io oreillette io :
1. Maty ilay oreillette : matoa maty ilay oreillette-ny Fanahiko, dia ilay Fanahy ato anatiko mihitsy no maty. Ilay maty, « éteint » izy ao amin’ny Soratra Masina.
2. Tsy mandeha ilay oreillette satria tsy miteny ny Fanahy : tsy miteny ny Fanahy satria izaho tsy vonona ny hihaino, tsy mieritreritra ny hihaino, tsy mangataka hoe : « omeo teny aho Fanahy Masina ». Ary be dia be ny kristiana ohatran’izany : mientsonentsona eo izy miteny, fa tsy ny Fanahy no miteny.
3. Ohatran’ny amin’ny telephone-tsika, mandeha ilay oreillette fa mikentsokentsona, mikentsokentsona. Miketsokentsona inona ? Miketsoketson’ny fahotana ry havana.
Dia izay no vaovao mahafaly omen’ny Tompo antsika, hoe : manomboka izao ny Fanahy Masina dia vonona hanome teny holazaintsika amin’ny Fiangonana. Dia ho marina amintsika izany rehetra izany.
Amena.