Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 05 APR 2020

Ao amin’ny filazantsara araka ny Marka 11 no hakantsika ny hafatra amin’izao alahadin’ny sampan-drofia izao ry havana.

Ny fahamarinana 1 dia hoe : FANTATRAO VE FA TOMPO I JESOA ?
Hoy ny and.2-3 amin’ny Marka 11 : « ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento ety. Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy ». Misy raharaha analan'ny Tompo azy. Manamba ny tenany ho Tompo i Jesoa ry havana.
Misy mpianatra anankiroa eto irahina. Tsy fantatra ny anaran’ny mpianatra. Ary tsy ny anaran’ny mpianatra no zava-dehibe ; fa lazaina izy hoe mpianatra, ilay amin’ny teny frantsay hoe « disciple ». Izany « disciple » izany dia averina indray, fa hoe : olona manaraka discipline, dia ny discipline- i Jesoa ry havana. Dia irahina izy roalahy hoe : « Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento ety ». Ity Jesoa mibaiko ny mpianatra ity ry havana dia mahalala ny zavatra rehetra. Ary manoro an’ireto mpianatra irahiny ireto ny zavatra rehetra. Ary amin’ny fahefana maha-Tompo Azy ry havana dia baikony ireto mpianatra ireto hanefa izay kasainy. Maneho ny maha-Tompo Azy Izy. Ary izany zavatra kasain’ny Tompo izany ry havana, dia hoe zavatra efa voatendry ary voatendry ho tanterahina araka ny ambaran’ny Soratra Masina. Eto moa ny Soratra Masina manambara dia hoe, Zakaria 9 :9. Zakaria izany, 500 taona talohan’i Jesoa no manambara izao resaka zana-boriky izao ry havana ô. Fa Jesoa efa mahafantatra an’izany. Dia teneniny ilay mpianatra hoe : mandehana ianareo, mankanesa ery amin’ny vohitra ery ; ary miaraka amin’izay, vao tafiditra ao nareo an, dia hahita zana-boriky mifatotra. Izany hoe vao tafiditra ao izy an, dia hahita zana-boriky eo amoron-dalana eo, tsy miditra any an’elanelan-trano an, fa tonga dia hoe hitany ilay izy dia vahao. Toe-tsain’ny mpianatra, toe-tsain’ireto disciple ireto ry havana dia avy hatrany dia hoe nankatoa tsy misy fisalasalana. Tsy be fanontaniana hoe : « dia ahoana, ahoana tsara moa ny endrik’izany zana-boriky izany ? Manahoana ilay trano ? Ary hafiriana ny dia an-tongotra mankany ? Efa tena nifandamina tsara tamin’ny tompon’ilay zana-boriky ve ianao Jesoa an ? ». Tonga dia nankatoa ny mpianatra. Tonga dia nankatoa ny mpianatra ry havana ô.
Ary tsy hoe mahafantatra ny zavatra rehetra fotsiny ny Tompo, fa mamatsy ny mpianatra, manome ny mpianatra izay teny ilainy eo am-panatanterahana izany iraka izany. Fantany izay miseho ; hoy ny and.3 hoe : « Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? (hoe rehefa mamaha an’ilay zana-boriky izy izany) dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina ety indray miaraka amin'izay izy ». Fantatr’i Jesoa sahady izay hiseho any amin’io vohitra io ry havana ary omeny ny mpianatra ny valin-teny tsy hampisy olana : « lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy ».
Hoy isika ry havana hoe manambara ny tenany ho Tompo i Jesoa raha maniraka ny mpianany. Ary ity iraka ity dia azo lazaina tsotra izao, hoe : iraky ny finoana. Ary izay iraka rehetra ampanaovin’ny Tompo antsika ry havana ô, dia manana an’izay endrika hoe iraky ny finoana izay. Dia izany fahefany amin’ny maha-Tompo izany, no asehony eto ry havana. Ahoana no anehoany azy ? Asehony ny fahefany amin’ny maha-Tompo Azy ka tsy miera Izy e. Asehony ny fahefany amin’ny maha-Tompo Azy ka maka tsotra izao Izy. Izany no hitantsika eto ry havana ô. Ary mbola asehony ihany ny fahefany amin’ilay teny farany, manao hoe : an an an, alaiko io an, alaivo ho ahy io an, ary rehefa vita izay hilako azy dia averiko aminao indray. Izay ilay fahefan’ny Tompo ry havana ô.
Mitodika aminao ny Tompo amin’izao maraina izao, ary dia tahaka ny mpianatra roalahy izay hitantsika eto, voalohany indrindra : MANEHOA FANKATOAVANA. Enga anie izay Alahadin’ny sampan-drofia 2020 izao ho tadidinao hoe alahadin’ny sampan-drofia itomboanao amin’izany hoe fankatoavan’ny disciple izany ry havana. Fa izany no takian’ny Tompo aminao amin’izao andro farany izao. Fa izao koa e, tahaka ny tompon’ity zana-boriky ity : MITOMBOA AMIN’NY FAHAFOIZANA HO AN’I JESOA. Tsy misy filazana eto ny amin’ny hoe finoan’ny tompon’ilay zana-boriky. Fa dia nahafoy ho an’i Jesoa izy, nahafoy ho an’i Jesoa izy. Ary Jesoa maneho ny maha-Tompo Azy dia milaza tsotra Izy hoe : Tompon’ny mpino sy ny zavatra rehetra ananan’ny mpino, Tompon’ny zavatra rehetra, ary manana fahefana amin’ny zavatra rehetra tsotra izao Izy ry havana ô. Ny amin’ity lehilahy tsy fantatr’anarana ity, dia hoe : zana-boriky izay mbola tsy notaingenan’olona. Ny dikan’ny hoe mbola tsy notaigenan’ny olona dia hoe :natokana ho an’Andriamanitra, natokana ho ampiasaina ho an’Andriamanitra. Ary rehefa miteny isika ry havana ô, mitomboa amin’ny fahafoizana ho an’Andriamanitra ; mba hoe MIANARANA MANOKANA FANANANA, MIANARA MANOKANA FITAOVANA ATOKANA HO AN’ANDRIAMANITRA. Ohatrany hoe : manana sono aho, dia hoe atolako ho an’Andriamanitra io ; tsy ampiasaiko afa-tsy ho an’ny asan’Andriamanitra. Manana tômôbile aho, manana sprinter aho, manana camion aho ; dia hoe atokako ho amin’ny asan’Andriamanitra fa tsy hoe amin’ny fotoana sasany anaovako asan’Andriamanitra, amin’ny fotoana sasany anaovako contrat Star itaterako labiera sy ny karazany. Mianara manokana ry havana ô, fitaovana, fananana ho an’Andriamanitra. Ary tsy fananana ihany ry havana ô, no takian’Andriamanitra ; fa izay momba anao, momba ny fiainanao. Atokany ho azy mba handraisanao anjara amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Andriamanitra ry havana, Andriamanitra rehefa miasa, dia tsy manao kitoatoa Izy, tsy manao kisendrasendra Izy. Fa tena hoe manomana fandaminana tena hoe maty paika. Ary dia hoe ao anatin’izany fandaharana, fandaminana izany, manana anjara asa rehetra rehetra. Tsaroana izao hoe Simona kireniana, niverina avy any an-tsaha izy, dia nantsoina hitondra ny hazo fijalian’ny Tompo. Tsaroana Josefa avy any Arimatia, notendrena izy handevina an’i Jesoa. Fantaro mazava ry havana ô, fantaro mazava fa miandry anao ny Tompo ary misy asa izay nankininy aminao manokana ho fampandrosoana ny fanjakany. Fa dia aza mampiandry Azy intsony e, aza mampifila azy intsony.
Izay ny fahamarinana 1, hoe : FANTATRAO VE FA TOMPO I JESOA ?

Ny fahamarinana 2 dia izao : FANTATRAO VE FA MESIA I JESOA ?
Eto amin’ity perikopantsika ity ry havana, manomboka eto amin’ity toko 11 dia hita fa tsy nanafina ny maha-Mesia Azy intsony Jesoa. Ary nisafidy Izy ny hiditra amin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema, ary dia noraisin’ny vahoaka tsara Izy. Hoy ny and. 8 : « Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dàlana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha ». Ny vahoaka ry havana mamelatra ny lambany, izany hoe ny akanjony, dia hoe mariky ny fanajana mpanjaka izany teo amin’ny tatsinanana. Ny sasany indray, dia hoe rantsan-kazo no napetrany tamin’ny tanany. Ireo rantsan-kazo ireo ry havana dia rantsan-kazo nalaina tany an-tsaha. Atao inona ireo ? Raha ny marina, nalaina tany an-tsaha ireo hanamboatra trano ho an’ireo olona ireo tao Jerosalema. Izany ireo rantsan-kazo ireo. Dia hoe ny sasany nametraka rantsan-kazo, fa tsy mba ny akanjony no nataony tamin’ny tany ; fa rehefa hoe nahita an’i Jesoa ireto olona ireto, dia adinony ny zavatra hoe nakany ireo rantsan-kazo, hoe atao trano fialofana ipetrahana ao Jerosalema, satria hoe tsy omby ny trano amin’ny andro lehibe tahak’izao. Dia rehefa nahita an’i Jesoa izy, tena hoe nafana ny fony ry havana dia adinony ny nilana an’ilay rantsan-kazo, fa dia hoe napetrany tamin’ny tany ho fanajana an’i Jesoa ry havana ô. Izany no nandraisan’ny vahoaka an’i Jesoa raha niakatra tany Jerosalema Izy. Ny sasany izany akanjo, ny sasany rantsan-kazo no napetrany tamin’ny tany ry havana ô. Ary ireto vahoaka ireto, dia ireo ihany koa, raha nandalo Jesoa, no niantso, araka ny lazain’ny and.9b sy 10 hoe : « Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra ». Ao am-bavan’ireto vahoaka ireto ry havana hoe : « Hosana » ; dia adika hoe : « Arahaba tongasoa ». Rehefa miteny ny vahoaka hoe : « Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! », dia toy ny miarahaba irak’Andriamanitra izy, toy ny miarahaba solontenan’Andriamanitra ireto vahoaka ireto. Ary in-droa mihitsy izy no miteny hoe : « Hosana » ry havana. Ary azo antoka fa tena hoe miara-mientana amin’izany fiarahabana feno fifaliana izany ireto vahoaka ireto. Ary tena hoe amin’ny fony manontolo izy no miarahaba an’i Jesoa ry havana. Fa izao koa : raha hoe « arahaba tongasoa » no hevitry ny « Hosana », ao am-bavan’ireto vahoaka ireto ; ny hevitry ny atao hoe « Hosana » voalohany, dia teny hebreo izy io ; ny hevitry ny teny hoe « Hosana » voalohany dia hoe « Vonjeo izao e, vonjeo izao e, vonjeo re ». Izany hoe tsy fiarahabana ilay izy amin’izay, fa manana endrika vavaka. Ary ny mpandinika dia milaza hoe vavaka atao amin’ny Mesia izany hoe « Hosana » izany. Ary jereo tsara ry havana ny tenin’ny vahoaka eo amin’ny and.10 : « Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! ». Mahita an’i Jesoa izy dia mahatsiaro an’i Davida ry havana ô. Mahita an’i Jesoa izy dia mahatsiaro an’i Davida. Mieritreritra izy hoe ity Jesoa mitaingina zana-boriky miakatra ato Jerosalema ity dia taranak’i Davida. Iza moa ilay Davida ? Davida ilay nandresy an’i Goliata. Iza moa Davida ? Davida ilay nanjaka nandritra ny 40 taona ry havana ô, ary nampianatra ny firenena nandritra ny 40 taona. Ary Jesoa mitaingina zana-boriky io, mahafaly an’ireto vahoaka, araka izay nitantarany azy ireto ry havana, dia hoe hantenain’ireto vahoaka ireto fa hamerina indray izany hoe fanjakan’i Davida izany, hitondra fifaliana, hitondra fiadanana ho an’ny firenena. Izany no tena mahafaly an’ireto vahoaka ireto. Saingy izao ry havana, saingy izao : tena faly izy nefa diso hevitra. Tena sincères ireto vahoaka ireto nefa dans l’erreur. Diso hevitra tanteraka izy ry havana ny amin’i Jesoa, ny amin’ny ahatongavan’i Jesoa, ary arakarak’ilay nahitan’ny vahoaka, nahatsapan’ny vahoaka fa diso hevitra izy ny amin’ny maha-Mesia an’i Jesoa ka nandiso fanantenana azy izany fahadisoan-kevitra izany, dia niha-nangatsiaka ry havana ny fitiavan’ny vahoaka an’i Jesoa, niha-nangatsiaka ny fanajany Azy, ary tena hoe nivadika ho fankahalana an’i Jesoa mihitsy aza izany hoe fitiavana niha-nangatsiaka izany. Ary izany anie no nahatonga an’ireto vahoaka e, izay nolazaintsika teo hoe niara-nientana, nioraka tamin’ny fifaliana hoe : « Hosana », andro vitsivitsy taorian’ity Alahadin’ny sampan-drofia ity, tena hoe niray feo niteny hoe : « Homboy, homboy eo amin’ny hazo fijaliana ». Fahadisoam-panantenana vokatry ny fahadisoan-kevitra. Ity and.11 ity ry havana dia mampitandrina antsika Fiangonana mba tsy ho diso hevitra isika ka ho diso fanantenana tahaka ireto vahoaka tao Jerosalema ireto. Izao manko : rehefa jerena ilay perikopa eo amin’ny and.11 dia hoe : « Jesoa niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly ». Misaotra ny Tompo ny amin’ny ahazoantsika mianakavy mandinika tsara hoe : « Jesoa niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly ». Mariho tsara ry havana fa raha ity and.11 ity izany : vao tafiditra tao Jerosalema i Jesoa dia nivantana tao amin’ny tempoly. Ny filazantsara ny Matio eto dia mitantara an’ireo ankizikely izay hoe nihira nankalaza an’i Jesoa ; fa Marka tsy mitantara an’izany. Ny maha-maika an’i Marka dia ny fitantarana hoe tena namonjy direct ny tempoly Jeso raha vao niakatra tao Jerosalema. Ry havana ô, ry havana ô, izany fidiran’i Jesoa ao amin’ny kianjan’ny tempoly izany dia fanambarana sahady, ary fanambarana mazava hoe Izy tonga ao Jerosalema, dia tonga hoe fanatitra ho an’izao tontolo izao. Izay ilay Mesia ankalazaina eto. Izay ilay Mesia Mpanafaka : tonga ho fanatitra ho an’izao tontolo izao. Ary fantatr’i Jesoa tsara, Izy tonga ao amin’ny tempoly io, fa hoe ilay andro vitsy hanaraka an’ity Alahadin’ny sampan-drofia ity, ilay andro iainany ao amin’ny tempoly ao, no hitondra Azy ho any amin’ny hazo fijaliana. Fa araka ny efa nolazaintsika tany am-piandohana ry havana ô : Mpanjakan’ny mpanjaka Izy, Tompon’ny tompo Izy, mahalala ny zavatra rehetra Izy ary tonga hanatanteraka amin’ny nahim-pony ny zavatra rehetra araka izay ambaran’ny Soratra Masina. Ireto vahoaka ireto, na ireto mpitondra fivavahana jiosy izay mifehy azy dia jamba ara-panahy, ka tsy nahatakatra an’izany.
Izao no fampieritreretana antsika ry havana : ao amin’ny faminanian’ny mpaminany Zakaria, Zakaria 9 :9 dia milaza Zakaria hoe : « Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao…Malemy fanahy sady mitaingina boriky,dia zana-boriky tanora ». Tsindrin’i Zakaria fa malemy fanahy Jesoa ry havana ô. Malemy fanahy. Malemy fanahy Izy ka nanaiky atao fanatitra ho famonjena ny ratsy fanahy. Izay ilay fahalemem-panahiny. Ary izany ny dikan’ny ankanesana ao amin’ny tempoly ry havana ô ; manambara Izy fa manaiky atao fanatitra, dia Izy ilay Zanak’ondry tonga hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao e. Azony atao ange e, amin’ny maha-Mpanjaka ny mpanjaka Azy, manana ny fahefana rehetra sy ny hery rehetra e, ny landripaka ny ratsy fanahy e, ny mandevona azy amin’ny indray mipihi-maso e ; azony atao izany ; fa malemy fanahy Izy dia miteny amin’ny ratsy fanahy, miteny amiko sy miteny aminao : « Tsy sitrako ny ahafatesan’ny ratsy fanahy ». Ry havana, malemy fanahy Izy e, mazava be izany. Kanefa tsy mandefitra amin’ny fahotana. Ary izany no anton’io hazo fijaliana io. Ary izany ilay fanjakana tiany aorina ety an-tany dia hoe fanjakana izay hoe manambatra ny olona izay nafahany tamin’ny fanandevozan’ny ota, nafahany tamin’ny fahazaran-dratsiny, ary nafahany avy ao ambany vahoan’i satana. Izany ny fanjakana tiany aorina ety an-tany. Ka izao ry havana : rehefa hoe mahatsiaro an’i Jesoa hoe Mesia ianao manomboka izay, dia isaory Izy fa hay ianao efa olona afaka, hay ianao efa olona afaka. Fa raha hafa noho izay ry havana ô ny fihevitrao an’i Jesoa, dia ho diso fanantenana an’i Jesoa ianao, dia manjary ohatran’ireo vahoaka tao Jerosalema : ankahala an’i Jesoa ianao.

Izao no fahamarinana 3 farany : EFA VATO FEHIZORON’NY FIAINANAO VE JESOA ?
Ny zavatra mitranga eto amin’ity perikopa ity ry havana, ankoatry ny fanatanterahana ny Zakaria 9 :9, dia fanatanterahana ihany koa ny Salamo 118 izay testamenta perikopantsika androany, dia ny Salamo 118 :22 izay manao hoe : « Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano no efa tonga fehizoro Indrindra ». Mazava ho azy fa Jesoa ry havana io vato fehizoro io. Ary raha esorina izany vato fehizoro izany, dia mirodana ny trano. Eto ry havana, dia mitodika manokana aminao raim-pianakaviana. Satria rehefa zohina ny fanahin’ny Paska, dinihina hatrany amin’ny Eksodosy 12 any, ny hafatry ny Paska dia ho an’ny raim-pianakaviana aloa. Ary rehefa tsy ao ny raim-pianakaviana, raha tsy eo intsony ny raim-pianakaviana, dia ho an’ny renim-pianakaviana ry havana ô.
Ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminao raim-pianakaviana, dia hoe : EFA VATO FEHIZORON’NY FIAINANAO VE JESOA ? ARY HITAN’NY ANKOHONANAO VE IZANY ? Sa ianao ilay olona midera an’Andriamanitra any am-piangonana rehefa Alahady, fa manombo an’i Jesoa amin’ny fiainanao andavan’andro ? Hafatra ho antsika lehilahy manokana izany ry havana ô. Matetika ry havana, rehefa maty ny raim-pianakaviana, dia misy fitenenana tahaka izao re amin’ny famangiana, hoe : « lavo ny andrarezina », na tsy malaza, na tsy ambony aza ilay raim-pianakaviana maty. Re ihany koa nny hoe : « folaka andro niankinana » rehefa maty ny raim-pianakaviana. Satria amin’ny fotoana ahalasanao raim-pianakaviana, dia tena hoe banga, banga ny fiainan’ny vadinao, banga ny fiainan’ny zanakao. Tena banga. Ilay fampieritreretana anao ry havana dia izao : sao dia banga tahaka izany koa ny fiainanao rehefa tena zohina satria tsy ataonao ho vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ? Ary raha ny marina : takona izany banga izany ; takon’ny inona ? Takon’ny fomba fivavahana izay hainao tsianjery, takon’ny fombam-pivavahana izay mahazatra anao izany hoe fahafoanan’ny fiainanao ara-panahy izany. Ry havana ô, ry rahalahy malala, ianao ange e, isika ange no tokony ho modely e, ho an’ny ankohonantsika e, araka ilay fahamarinana 1 teo e, amin’izany hoe fankatoavana an’i Jesoa tsy misy fepetra izany e, amin’izany hoe fahafoizana ho Azy izany e, amin’izany hoe fanoloran-tena ho Azy izany amin’ny asa fanompoana e, izay ankinina amintsika e, ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Ry havana, ny asan’Andriamanitra ange, na hanao anao na tsy hanao, ho vita foana ny asan’Andriamanitra. Fa ianao tsy manao io, eo ianao, eo ianao no raisina. Ry rahalahy : modely ho an’ny ankohonanao ve ianao ka afaka miteny ny ankohonanao hoe : « dadanay io taloha ohatran’izao e ; fa izao izy efa tena hoe olom-baovao ».
Vato fehizoron’ny fiainanao ve Jesoa ka tena hoe tsy fahazavan’izao tontolo izao ihany ianao any ivelany, fa fahazavan’ny ankohonanao e ? Ary ianao no mpitaona ny ankohonanao ao amin’i Jesoa, mba ho Tompony i Jesoa, mba ho Mesia-ny i Jesoa.
Tena hoe vato fehizoronao ve Jesoa ry havana, ka tsy hoe rehefa Alahady, midera Azy ianao, fa rehefa andavan’andro, manao tsinontsinona Azy. Tsy hoe rehefa any ivelany ianao dia manao ny fomban’ny mpanompon’Andriamanitra, fa rehefa ao an-trano dia jentilisa fiainana, jentilisa fisainana.
Ry havana ô, Jesoa Kristy izay napetrakao ho vato fehizoron’ny fiainanao no hampitombo anao amin’ny fanahafana Azy e. Izy hampitombo anao ho amin’ny fanahafana Azy. Ary ny anton’izao hafatra izao, ampahafantariko anao, tsy hoe karazana morale hifehy ny fiainanao ety an-tany fotsiny, fa fanalahidin’ny lanitra izao. Ary enga anie, fa satria nataonao vato fehizoron’ny fiainana Jesoa, dia handre Azy ianao indray andro any hiteny aminao hoe : « Mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anao hatrizay nanorenana izao tontolo izao ».
Amena.

ALAHADY 29 MAR 2020

« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesoa nitory ny filazantsaran'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara ». Marka 1 :14-15

MIBEBAHA IANAREO KA MINOA NY FILAZANTSARA. Izany no hafatra androany ry havana ô. Eo anatrehan’io corona virus io, maro amintsika no manontany, manontany tena, mifanontany : inona ary no tokony atao ? Dia miteny mazava, miteny mahitsy ny Tompo hoe : MIBEBAHA IANAREO KA MINOA NY FILAZANTSARA.
Tsy manamaivana an’izay hoe fandaminana ataon’ny mpitondra fanjakana, tsy manamaivana ny geste barrière fitandremana sy ny karazany ; efa hainareo tsara ny momba an’izany. Fa ny Tompo no miteny androany, amin’izao ora izao hoe : MIBEBAHA IANAREO KA MINOA NY FILAZANTSARA. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany ry havana dia hoe : eo anatrehan’izao corona izao, inona no tokony atao ? MIALÀ AMIN’NY RATSY FANAONAO ARY AVELAO JESOA HANJAKA TANTERAKA AO AMIN’NY FONAO. MIALÀ AMIN’NY RATSY FANAONAO ARY AVELAO JESOA HANJAKA TANTERAKA AMIN’IZAY AO AMIN’NY FONAO.

Misy fanamarinana tahak’izao ry havana ety am-panombohana. Ilay hafatra hoe « mibebaha », tsy vaovao amintsika izany. Fa saingy izao : misy olona mahafantatra tsara ny hafatra momba ny fibebahana nefa tsy mahay mibebaka tsara. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe tsy hainy izany atao hoe mibebaka izany. Diso hevitra izy ry havana, tahaka ny maro satria tsy ny fibebahana no mamonjy ahy aloa, tsy ny fankatoavako an’Andriamanitra no mahatonga ahy ho « en règle » amin’Andriamanitra aloa. Fa ahoana ary ? Ny zavatra nataon’Andriamanitra tao amin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana voalohany ; ny finoako fa ho ahy, noho ny fahotako no tsy maintsy niakaran’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana faharoa : izany no mamonjy ahy, izany no manavotra ahy, izany no manamarina ahy. Ka Andriamanitra ry havana, izay nanapa-kevitra hamonjy ahy, nanome an’i Jesoa Kristy mba tsy ho very izaho, mba tsy ho very izaho haneho Azy, no nanome ihany koa ny Fanahy Masina, ny Fanahy Masina, mba hananako izany finoana izany. Izy manko no tompon’ny finoana. Izy no manome ny finoana. Manome ny Fanahy Masina Izy mba hanananao izany finoana izany, manome ny Fanahy Masina Izy mba hanananao koa fibebahana ry havana ô. Izany hoe, averina tsara : tsy misy antony ny finoana, tsy misy antony ny fibebahana, tsy misy antony ny fankatoavana raha tsy misy aloa ny hazo fijaliana. Ny hazo fijalian’i Kristy ry havana no anton’ny zavatra rehetra, ary mialoha ny zavatra rehetra avy amin’ny olombelona. Izany hoe : ny finoako izany dia hoe fanehoako fa Andriamanitra dia naniraka an’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ho ahy, ka voavonjy aho. Ny fibebahako ? Ny fibebahako dia famantarana fa azoko tsara fa izaho nosoloin’i Jesoa heloka teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fankatoavako ? Ny fankatoavalo dia fanehoako fa ny hazo fijaliana no nanamarinana ahy, ni-justifié-na ahy, ka efa en règle amin’Andriamanitra aho noho io hazo fijaliana io ry havana ô.
Nisy misionera tena nanana ny maha-izy azy tamin’ny taona 1810-1820 ; misionera amerikana izy io, misionera batista izy io, nandany 30 taona tamin’ny fiainany tany amin’ny tany izay Birmanie amin’izao fotoana izao. Izy no namaky ilay tany ; dia rehefa niverina tany Etats-Unis izy, nanao tatitra momba ny asany, namarana ny carrière-ny izany, dia nitoriteny izy . Inona no nasongadiny tao amin’ilay toriteny ? Ny nasongadiny tao amin’ilay toriteny dia hoe : Jesoa Kristy zanak’ondry hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Nahindrahindran’ilay misionera antsoina hoe Adoniram Judson, ny hoe : Jesoa Kristy nisomo heloka antsika teo amin’ny hazo fijaliana. Izay no nasongadiny ry havana ô. Dia nisy madama nanatona azy nony tapitra ny toriteny : « Pasitera an, somary nahadiso fanantenana ahy ny toriteninao. Eny e, tsara ilay izy, fa efa fandre, efa fandre. Nanantena zavatra hafa aho ». Dia hoy Judson tamin’ilay madama : « izaho tompoko tsy manana zavatra hafa ho toriana afa-tsy ny hazo fijalian’i Jesoa, ary Jesoa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana. Azoko natao ny nijoro vavolombelona aty nampiseho anareo sary-na toerana amin’ny carte, misy ny fasana hilevenan’ny vadiko any Birmanie any fa tsy nataoko izany. Ary eo akaikin’ny fasan’ny vadiko, dia ny fasana hilevenan’ny zanakay 4 izay natao zezika ho an’ny filazantsara. Tsy noteneniko izany. Azoko tantaraina koa ny isan’ny Fiangonana natsangako tany Birmanie tany, ny isan’ny olona notaomin’ny Tompo tany Birmanie tany. Tsy izany no zava-dehibe. Ny zava-dehibe dia io hazo fijaliana niakaran’i Jesoa io, hisolo heloka ahy, hisolo voina anao. Ary izany no votoatin’ny filazantsara. Ary satria misy an’io hazo fijaliana io, dia afaka manatanteraka ny baikon’i Jesoa manao hoe : MIBEBAHA IANAREO KA MINOA NY FILAZANTSARA ».

Andeha ary ry havana ampatsiahivintsika ireo dingana 5 amin’ny fibebahana. Zavatra efa fantatra moa, fa aleo averina satria ny Soratra Masina dia milaza ihany koa hoe : « Mahasoa antsika ny teny averina ». Misy dingana 5 amin’ny fibebahana ry havana :
1. Ny fiaikena heloka na « conviction de péché »
2. Ny fifonana na « conviction du/des péché(s) »
3. Ny fialana amin’ny ratsy na « abandon du mal »
4. Ny fanekena tanteraka an’Andriamanitra na « complète soumission à Dieu »
5. Ny faharetana amin’izany toe-po sy toe-panahin’ny fibebahana izany na « persévérance dans une attitude constante de repentance »

Andao ary jerentsika ny dingana voalohany amin’izany fibebahana izany, rehefa nazava ohatran’izay ny toeran’ny fibebahana ao amin’ny fiainam-pinoana sy ny famonjena.

1. Ny fiaikena heloka na « conviction de péché »
Maro ry havana ny olona tsy mety miaiky heloka, manamari-tena hoe izao sy izao sy izao sy ny karazany. Ary izany no nahatonga an’i Davida niteny hoe : « Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva ». Nialany, tsy azony ny ainy, nialany ny taolany, mitaraina mandrakariva izy, navesatra taminy andro aman’alina ny tanan’Andriamanitra, nalemy izy : Salamo 32 : 3-4. Fa Andriamanitra ry havana ao amin’ny Isaia 44 :22 dia mbola milaza ihany hoe : « Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho ».
Ny fahotana tsy ekena dia toy ny mampanjavona ry havana ny fiainantsika. Ny fahotana tsy ekena ry havana, dia toy ny manamaizina ny fiainantsika.
Fa izao ry havana, izao : ny Fanahy Masina mamonjy antsika e. Ary ianao manamari-tena io, tsy miaiky heloka io : mampalahelo ny Fanahy Masina ianao. Ary Izy malahelo io, ilay alahelony ampidininy ao amin’ny fonao, hiteraka halahelo noho ny fahotana. Ary izay ilay alahelo lazain’ny Apostoly Paoly any amin’ny 2Korintiana 7 hoe alahelo araka an’Andriamanitra izay miasa ho fibebahana. Izay ry havana ô : aza toerina ny Fanahy Masina mitarika anao ho amin’izany fiaikena heloka izany, fa hoe raha ianao, tsy hiaiky heloka izany ianao. Dia eto ve izao ry havana misy miteny hoe : « ka izaho aloa dia tsy hitako mihitsy izay heloka tokony hiaikeko e. Mandinika ny fiainako aho, tsy manota aho, tsy mijangajanga aho, tsy mamono olona aho, tsy manao kolikoly aho ». Ry havana ô, izay indrindra izany orgueil-anao izany, izany arrogance-nao izany izany fiheveranao tena ho zavatra izany, izany fisainanao hoe tsy mila an’Andriamanitra izany ao amin’ny fiainanao ; izany indrindra e, izany indrindra ry havana ô, no tokony hibebahanao. Na miteny aza ianao hoe en plus an’izany rehetra rehetra izany, ny fotoanako, ny volako, dia laniko amin’ny fanaovana soa ho amin’izay mila an’izany ; hoy Isaia aminao : tahaka ny lamba fihosin-drà izany fahamarinanao izany. Ilay mihosin-drà, dia hoe ràn’ny fadim-bolan’ny vehivavy. Mihosin-drà, Isaia 64 :5, izany fahamarinanao izany ka miteny aminao ny Tompo amin’izao hoe : miaike heloka, miaike heloka amin’izay. Ary baikon’ny Tompo izany.

Ny dingana faharoa amin’ny fibebahana ry havana dia hoe :
2. Ny fifonana na « confession du/des péchés »
Mifonà amin’Andriamanitra – Mifonà amin’ny olona nanotanao raha misy occasion. Fa na ahoana na ahoana, fara-fahakeliny : mifonà amin’Andriamanitra. Nahoana no hoe « mifonà amin’Andriamanitra » ?
Davida ry havana, tamin’ilay nifona izy tao amin’ilay Salamo malaza be, Salamo 51, dia miteny izy hoe : « Taminao dia taminao ihany no nanotako », taminao Andriamanitra ô. « Taminao dia taminao ihany no nanotako ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko».
Ilay zanaka adala ao amin’ny Lioka 15 ry havana, rehefa nody ny sainy ka tapa-kevitra izy hoe hody any an-tranon’ny rainy, dia miteny izy ao amin’ny Lioka 15 :18 hoe : « Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe:
Raiko o, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ». «Efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ».
Izany hoe ry havana : na fijangajangana, na famonoana olona, na fausse facture, na izay mety ho fisolokiana, fanodinana volam-panjakana, ny kolikoly kely, ny kolikoly be : ambara amintsika eto hoe : fahotana amin’Andriamanitra izany. Ary fahotana, ota atao eo anatrehan’Andriamanitra. Ary miteny aminao Izy amin’izao maraina izao, hoe : mifonà e, mifonà e.
Izay ny endrika faharoa, dingana faharoa amin’ny fibebahana.

Ny dingana fahatelo dia izao :
3. Ny fialana amin’ny ratsy na « abandon du mal »
Miteny aminao ny Tompo amin’izao maraina izao, hoe : mialà amin’ny ratsy fanaonao. Inona no tokony atao eo anatrehan’io corona io ? Mialà amin’ny ratsy fanaonao.
Ny olona miala amin’ny ratsy fanaony ry havana, izany no olona nibebaka marina. Ka rehefa mibebaka marina ianao, dia maharikoriko anao ny fahotana. Tsy hoe maharikoriko anao « en théorie », fa tena hoe maharikoriko anao « dans la pratique ». Raha maka ohatra isika izao, hoe : misy zaza, ankizy - milalao eo izy, dia may ny fatapera tampoka. Vao mahita an’ilay fatapera izy amin’ny manaraka rehefa milalao ao an-dakozia ao na ao an-tokontany an, tonga dia matahotra ary dia mandositra an’iny. Izay ilay hoe : rikoriko na matahotra an’ilay fatapera izy. Maka ohatra isika izao hoe : misy olona voaendaka izy, satria avy any am-piangonana namonjy fivoriana na fotoam-bavaka – dia voaendaka izy teny an-dalana hodiana. Matahotra izy, mihorohoro izy : « izaho Pasitera tsy vitako intsony ny hariva fa efa fanindroany aho izao no voaendaka ». Ohatran’izay ilay olona nibebaka marina : tena hoe matahotra ka te handositra ny fahotana. Ny fiovana teo amin’ny fiainany ? Taloha izy nihazakazaka manatratra fahotana ; izao izy, mihazakazaka mandositra fahotana ry havana ô. Ary rehefa tahaka izany ry havana, rehefa hoe tena ao am-pontsika noho ny asan’ny Fanahy Masina, noho ny fahatsiarovana an’ity hazo fijaliana natsangana ho antsika ity ; dia tena hoe sarotiny isika, ho saro-piaro, ohatra, amin’ity lelatsika ity isika hoe : an an an, aoka izay ity lainga ity ka ; aoka izay ity laingalainga ity ka. Tena hitandrina fatratra aho, ary mivavaka aho rehefa maraina : « amin’ity journée vaovao omenao ity Tompo, arovy, arovy fatratra aho mba tsy hiteny ratsy anao, mba tsy handika ny teninao ». Ary ny olona tena hoe te hiala amin’ny ratsy fanaony, rehefa mivavaka izy ny hariva, dia tena hoe feno fifonana momba izay heloka sy fahotana nataony indray tamin’io androny farany io. Eo anatrehan’ny corona ry havana ô, inona no tokony atao ? Mialà amin’ny ratsy fanaonao.
Hitantsika teo izany hoe : ny fiaikena heloka – ny fifonana – ny fialana amin’ny ratsy.

Ny dingana faha-efatra :
4. Ny fanekena tanteraka an’Andriamanitra na « complète soumission à Dieu »
Ekeo tanteraka Andriamanitra ry havana ô. Ankatoavy tanteraka Izy. Inona no tokony atao eo anatrehan’ny corona ? Ekeo tanteraka Andriamanitra, ankatoavy tanteraka Izy. Izany no azo andikana ny hoe : « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara ». Ny filazantsara dia milaza fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ka io teny ataon’io Marka 1 :15 io hoe : « mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara », dia fisarihan’i Jesoa ny saintsika, amin’izao fahamarinana manaraka izao, hoe : izao tontolo izao ; ny lanitra sy ny tany moa izany no antsoina hoe izao tontolo izao ; dia Andriamanitra no nahary azy araka ny làlàna mifehy izany fanjakan’Andriamanitra izany. Averiko indray hoe : ny tian’ny Tompo isarihina ny saintsika dia izao fahamarinana manaraka izao, hoe : izao voary manontolo izao dia fehezin’Andriamanitra ary fehezin’ny làlàna izay napetrak’Andriamanitra. Ary rehefa manaraka an’izany làlàna napetrak’Andriamanitra izay isika, mankatoa tanteraka, dia : loharanom-pitahiana izany fankatoavana izany. Ary fantatsika tsara ny Deoteronomia 28, hoe manatratra antsika ny vintana. Fantatsika tsara ry havana fa rehefa tsy manaraka ilay làlàna fizika isika ohatra, dia miteraka ratra, fahasimbana, na fahavoazana izany. Ary io tsy miankina amin’ny hoe mino an’Andriamanitra na tsy mino an’Andriamanitra. Na mino an’Andriamanitra ianao, na rebelle ianao, na athé ianao, misy foana ny làlàna napetrak’Andriamanitra dia « la loi de la gravité ». Raha avy ery ambony tafon-trano ery ianao, na ery amin’ny tilikambo ery ianao no mitsambikina : maty ianao, na rebelle ianao, na athé ianao, na mino ianao. Izay ilay lazaintsika hoe ampatsiahivin’i Jesoa antsika ny làlàna mifehy ny fanjakan’Andriamanitra fa mifehy izao tontolo izao izay misy antsika izao. Dia ohatran’izany koa ry havana ; izay ilay làlàna fizika. Fa ny làlàna morale mibaiko ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, mibaiko ny fifandraisantsika amin’ny samy olombelona, dia Andriamanitra koa no nametraka an’izany. Ohatra : napetrany hatrany am-boalohany ary nopotehin’ny devoly hatrany am-boalohany ny fampianarana sy ny làlàna mifehy ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy, hoe mifankatia anatin’ny fanambadiana ary dia hoe omen’Andriamanitra fara sy dimby ho fitahiana vokatr’izany fanambadiana izany. Rehefa hoe arahinao izay, dia mirindra tsara ary mampivelatra ny fiainan-tokantrano. Fa rehefa tsy arahinao izay lamina napetrak’Andriamanitra izay : simba ilay fifandraisan’ilay lehilahy sy ilay vehivavy ary miteraka fahasimbana, miteraka aretina sy fahasimban’ny vatana mihitsy koa aza izany. Izay no itenenan’i Jesoa hoe : «minoa ny filazantsara » : ankatoavy ilay Mpanjaka, ankatoavy izay làlàna rehetra napetrany fa hahasoa anao izany. Hoy ilay mpitoriteny anankiray izay hoe : ianao, hoy izy, afaka misafidy ny anorina ny fiainanao, ny tokantranonao, ny ankohonanao eo amin’ny vatolampy na eo amin’ny fasika. Fa raha misafidy ny fasika ianao : tsy afaka hisafidy ny vokatr’izany hoe fahamarinana eo amin’ny fasika izany. Ary tsarovy hoy izy, fa ianao, jamais ianao afaka hi-brisé izany làlàn’Andriamanitra izany. Jamais ianao afaka hi-brisé an’izany didy 10 izany ; fa ny làlàn’Andriamanitra, ny didiy 10 no hi-brisé anao.
Izay izany ilay dingana faha-efatra amin’ilay fibebahana, hoe : ankatoavy tanteraka ilay Mpanjaka amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany sy ny làlàna rehetra napetrany, na ny làlàna fizika izany, na ny làlàna morale.

Ny dingana faha-dimy farany ry havana dia ny hoe : manànà faharetana amin’izany toe-po, toe-panahin’ny fibebahana izany.
5. Ny faharetana amin’ny toe-po, toe-panahin’ny fibebahana na « persévérance dans une attitude constante de repentance ».
Faharetana amin’ny toe-po, toe-panahy tia fibebahana. Izany hoe maharitra amin’ny toe-po na toe-panahin’ny fibebahana izany dia azo lazaina amin’ny teny hafa hoe : meteza ho zanaky ny fibebahana.
Ny hoe zanaka moa ao amin’ny Baiboly ry havana dia milaza toetra, fomba fisainana, fomba fiaina, fomba fanao. Meteza ho zanaky ny fibebahana, araka ilay fahamarinana fahadimy teo, hoe maharitra amin’ny fibebahana.
Misy olona ry havana, inoana fa androany vao nahatakatra marina ny tena toeran’ny fibebahana ao amin’ny fiainam-pinoana sy amin’ny famonjena. Isaorana ny Tompo izany an.
Misy olona efa nahafantatra an’izany ary efa miaina an’izany. Fa isika rehetra dia asaina maharitra amin’izany fibebahana marina izany. Fa tsy hoe androany 29 Mars no mahare an’izany hafatra izany, dia tena mibebaka amin’ny fontsika manontolo.
Misy olona ry havana, efa nandalo an’izany hoe fibebahana marina izany. Ary tamin’ny fotoan’andro, voatsindrona tam-pony tamin’ny teny tahaka izao. Dia nibebaka, ary tena nafana, tena nangotraka, nirehitra ho an’i Jesoa. Nefa mifanena aminy ianao aty aoriana, dia hoe taitra, na renao amin’ny mpiara-miangona, amin’y mpiara-manompo hoe nihemotra anie Ra-anona, ary tena niha-nangatsiaka tsy mampino ange Ra-anona e. Tsy maha-vavaka intsony izy, tsy maha-sokatra Baiboly intsony izy, efa amam-bolana izy izay no tsita tokoa any am-piangonana dia miverina any amin’izao tontolo izao. Dia inona ny zavatra mitranga ? Any amin’izao tontolo izao izy. Dia indray andro, tairin’ny tenin’Andriamanitra indray. Dia miverina ao amin’Andriamanitra indray, miverina ao amin’ny Tompo. Kanefa nihemotra indray dia mangatsiaka. Inoako ry havana fa samy mahafantatra olona ohatran’izany isika, ary hantenaina, sanatria an’izany, tsy ianao izany. Fa maninona ary misy olona mihemotra tahak’izany nefa nisy fotoana izy tena hoe nibebaka marina ? Maninona, maninona ? Satria tsy nodioviny tanteraka ny fiainany. Tsy nodioviny mandrakariva ny fiainany. Araka ny Tononkiran’i Solomona 2 :15, hoe : navelany hisy amboahaolo kely, navelany hisy renard kely. Hoy ny Tononkiran’i Solomona 2 :15 : « Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika ». Ianao, ohatrany tsy tandritandrinao, tsy raharahianao ilay amboahaolo kely ao amin’ny fiainanao. Mamono izay mba voa amin’ilay voaloboka eo amin’ny fiainanao, ary farany, mamono an’ilay voaloboka mihitsy ry havana ô. Tandremo hoy ny Tompo ireo amboahaolo kely ireo fa ireo no toy ny hoe amboahaolo kely mihinana na mikiky ilay câble électrique eo amin’ny fiainantsika ; dia farany tapaka ny courant ; dia ataonal hoe : oay, délestage indray ity. Tsy délestage ry havana ô, fa toy ny interrupteur nopihina mihitsy, dia maty ilay jiro. Maty ilay jiron’ny fifandraisanao amin’ny Tomponao satria tsy nodiovinao tanteraka, tsy nodiovinao mandrakariva ny fiainanao, dia simban’ny amboahaolo izany fiainanao izany.
Mamarana isika ry havana. Taminy nanomboka ny asany tety an-tany Jesoa ry havana dia nandidy hoe : MIBEBAHA IANAREO KA MINOA NY FILAZANTSARA. Tena niteny milamina izy, niteny tamin’ny fahefana Izy. Fa izao ry havana : amin’ny alalan’ity corona ity izy dia mikiakiaka amintsika manao hoe : MIBEBAHA IANAO KA MINOA NY FILAZANTSARA. Mikiakiaka, midradradradra Jesoa amin’ny alalan’io corona io ry havana ô. Izany ny dikan’io corona io. Hafatra tsy tian’ny Fiangonana, hafatra tsy tian’ny mpitondra fivavahana maro koa izany hoe : mibebaha izany. Nefa izay ilay hafatra, izay no votoatin’ny filazantsara : miantso ho amin’ny fibebahana. Any Londres any ry havana, misy magazay malaza, malaza be ohatran’itony hoe Cora, Jumbo itony, hoe Marks & Spencer. Mivarotra akanjo izy, mivarotra zavatra be dia be. Malaza be satria tsara qualité, no amin’ny vidiny mirary. Dia be olona be. Dia nisy mpanompon’Andriamanitra nijoro vavolombelona, fa ny antso voarainy dia hoe mitory fibebahana eo ivelan’ny magazay i Marks & Spencer. Dia ahoana ny paoziny manao an’ilay fibebahana ? Dia hoe misy mpanao an’itony panneau publicitaire an sandwich itony, izany hoe : atsofony eo aloa dia mihantona ao aoriana ; izany hoe milatsaka eto anoloana, dia any aoriana izany. Dia eo aloa sy ao aoriana : « raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana ». Izay ilay izy ry havana : « raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana ». Dia inona ny zavatra notantarainy ? Ry zareo hoy izy tsy miteny, fa izay hoe manatona, dia omena tract anohizany an’ilay hafatra. Fa inona ny zavatra nitranga ? Tazaniko ilay olona avy ery alavitra ery, asa hamonjy parking, fa mandalo eo anoloako izy. Eo izy varimbariana eo mandeha amin’ilay direction misy an’ilay parking tômôbile, fa vao nahita an’ilay hafatra izy hoe : « raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana », dia hitanao fa miova ny fihetsiny, miova ny fijeriny, tsy sahy mijery an’ilay hoe : « mibebaha ». Fa inona no ataony ? Izay mitondra zanaka kely dia amboariny kely ny volon’ilay zanany, ialana amin’ilay panneau. Izay tsy manana zanaka, manana ilau caddie ngeza be, dia mampirina ny entana ao anaty caddie mandra-pandehany. Ny sasany mijery tampoka poster ery amin’ny vitrine ery, sns… Tsy zakan’ny olona ry havana ô, izany atao hoe mpanota izany izy. Tsy zakan’ny olona izany atao hoe : rehefa tsy mibebaka ianao dia ho any amin’ny helo ianao. Tsy misy te handray an’izany hoe hay ve izaho ity mety ho lasa any amin’ny helo. Azy izany, azy izany. Fa ny ahy sy ny anao, dia hoe : mibebaha, mibebaha ! Ny tompo miteny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17 :30, hoe : « Andriamanitra ankehitriny mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka ». TSY OPTION NY MIBEBAKA, FA DIDY. Ary Izy mandidy io, mikiakiaka araka ilay notenenintsika teo. Hoy ny and.31 hoe : satria Andriamanitra efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, dia hoe Jesoa Kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana, nalevina ary nitsangana tamin’ny maty, nakarin’Andriamanitra any an-danitra ary mipetraka eo an-kavanany ankehitriny. Io izany no lehilahy notendreny hoe hitsara izao tontolo izao amin’ny fotoan’androny. Ry havana : tsy tia anao ho very ny Tompo. Izay no nanirahany, nanaterany, izay ilay voambolana biblika, nanaterany io corona virus io. Ary noho izany, dia isaory Izy noho io corona io. Isaory Izy noho io confinement io, mba hanananao fotoana bebe kokoa ho Azy, iomananao ho amin’izay fiainanao any, na fiainana vokatry ny coronavirus izany, na fiainana any aoriana.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

ALAHADY 22 MAR 2020

« Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ». 2 Timoty 2 :22-26

Ity epistily faharoa toko faharoa, ny andininy faha 22 sy ny manaraka no hakantsika hafatra ry havana, azo ampitondraina ny lohateny hoe : HAFATRA HO AN’NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA. Ary ilay mpanompon’Andriamanitra eto, tsy mandreraka ny mamerina ry havana ô, fa hoe andevo, andevon’Andriamanitra ; HAFATRA HO AN’NY ANDEVON’ANDRIAMANITRA.

Misy fahamarinana anankitelo ry havana, izay ho sintomintsika avy amin’ny texte.

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : izany hoe andevon’Andriamanitra izany dia mihazakazaka. NY ANDEVON’ANDRIAMANITRA DIA MIHAZAKAZAKA.
Hoy Paoly eo amin’ny and.22 : « Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio ». Ny zavatra atoro ny andevon’Andriamanitra izany dia hoe : « mandosira ny filan'ny tanora fanahy ». Ilay antsoina hoe « tanora fanahy » dia araka izay lazain’izany teny izany dia hoe, ilay olona manompo, fa tsy manompo tahaka ny andevo izy, ohatra moa izany, dia manao asa-na diakona, asa-na mpiandraikitra sampana, karazana activités izy, fa tsy hoe service ataon’ny andevon’i Jesoa ry havana ô. Ary rehefa izany no ataon’ilay olona tanora fanahy, dia ataony amin’ny fomba taitaitra, tsy matotra, ny fiavonavonana hita matetika eo amin’ny toetrany, manana faniriana hisandratra, manana ambition izy hoe : « izaho indray aloa dia birao-na sampana aho amin’ity, fa ny ahy ny tena tanjoko, tsy maintsy président » sy ny tahak’izany, dia ovaovaina daholo ny zavatra rehetra. Izay aty am-piangonana ilay « filan’ny tanora fanahy ». Eo ihany ilay filan’ny nofo eo amin’ny tanora fanahy, fa hoe : izay no « filan’ny tanora fanahy ».

Dia hoe Paoly hoe : « mandosira ». Ilay teny azo adika hoe : « mandosira eo am-pihazakazahana ». Ohatran’ny mandositra loza. Mandosira ka mihazakazaha – Mandosira ny filan’ny tanora fanahy.

Dia hoy ihany Paoly eo amin’ny and.22 hoe : « ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio » : « ary mihazakazaha mitady fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio ». Amin’ny mpanompon’Andriamanitra, amin’ny andevon’i Jesoa tahaka anao izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio : mihazakazaha mitady fihavanana amin’izany olona izany ry havana ô. Izay ny fomban’ny andevon’Andriamanitra. Izany hoe : misafidy izy izay tena ho hinamanana any amin’ny fifandraisana manokana, olona tahaka azy, miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Ilay hoe « fo madio », dia azo adika amin’ny teny frantsay, hoe : fo tena hoe centré, fo centré amin’i Jesoa. Izany ilay « fo madio » ry havana ô.
Mihazakazaha mandositra ny filan’ny tanora fanahy – Mihazakazaha mitady izay madio fo ohatranao.
Dia rehefa miaraka aminy, mifandray aminy, dia hoe mitady fahamarinana, mifanampy, mifamporisika hitady fahamarinana. Ilay « fahamarinana » na hoe « justice » moa dia hoe : mifanampy hanana relation juste na correcte amin’Andriamanitra izany e. Mifanampy hanana relation juste na correcte amin’ny mpiara-manompo sy amin’ny mpiara-miangona izany e. Miezaha mitady an’izany fahamarinana izany hoy Paoly Apostoly.

Miezaha mitady finoana, hoe : mifamporisiha hanana fahatokiana tanteraka, hoe hita hoe i anona iny indray, tsy miankina amin’ny volany izany, tsy miankina amin’ny fahaizany, fa hita amin’ny fihetsiny fa tena hoe manakim-po tanteraka amin’Andriamanitra.

Miezaha mitady fitiavana. Ilay fitiavana dia hoe hita amin’ny fihetsiko fa hoe Andriamanitra tia ny olona rehetra ho vonjena. Miezaha mitady an’izany fitiavana izany.

Miezaha mitady fihavanana : manànà fifandraisana amin’ny namana, fifandraisana mirindra.
Epistily pastoraly mantsy ity hoe Timoty sy Titosy. Rehefa jerena ny fiainam-piangonana ry havana, dia hatraiza hatraiza : ekipa, clan amin’ny fifandraisana ao amin’ny fitandremana, any amin’ny faritany, ao amin’ny foibe. Fa hoe : miezaha e, mihazakazaha, tadiavo amin’ny fonao rehetra izany, amin’ny herinao rehetra izany, amin’ny sainao rehetra izany : fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo tahaka anao, amin’ny fo madio.

Izay izany ilay fahamarinana 1 ry havana, hoe : MANDOSIRA NY FILAN’NY TANORA FANAHY, MIHAZAKAZAHA ARY MIEZAHA, MIHAZAKAZAHA MITADY NY OLONA IZAY MIANTSO NY TOMPO AMIN’NY FO MADIO TAHAKA ANAO.

Ny fahamarinana 2 dia izao ry havana : NY ANDEVON’I JESOA DIA MAMPIANATRA AMIN’NY FAHALEMEM-PANAHY.
Ny fahamarinana 1 dia hoe mihazakazaka. Ny fahamarinana 2 dia hoe : mampianatra amin’ny fahalemem-panahy. Hoy ny and. 23-24 : « Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo ( io ilay hoe andevon’ny Tompo izany ) fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra ». Hoy Paoly hoe : « mahay mampianatra ». Dia hoy isika amin’izao fahamarinana 2 izao hoe : « mahay mampianatra », dia olona mahafehy ny zavatra ampianariny mazava ho azy, fa hoe : « mampianatra amin’ny fahalemem-panahy ». Mampianatra ny fototry ny finoana, mampianatra ny fondamentaux de la foi. Fa mahay mampianatra amin’ny fahalemem-panahy, mahalefitra hoy Paoly, na eo aza izay mety ho fandrangitana izany e. Fa na hoe mampianatra amin’ny fahalemem-panahy, dia mampianatra ihany koa hoe misy zavatra tsy azo iadiana hevitra, misy zavatra tsy azo andeferana, misy zavatra tsy négociable. Izay ilay izy. Fa ianao mampianatra, dia araka ny tenin’i Petera ao amin’ny 1 Petera 3 :15 hoe : mampianatra amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. Mampianatra amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. Io ry havana ilay adika amin’ny teny frantsay hoe : « Affable ». Hoe ianao mampianatra, aoka affable. Sady malemy fanahy, tsy mivatravatra, nefa koa hoe manaja ilay olona hitenenanao na mihaino anao. Ary tsy asan’olombelona izany, fa asan’ny Fanahy ry havana. Asan’ny Fanahy ao amin’ny andevon’i Jesoa. Ilay Fanahy izay mamokatra hoe : fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Azo adika mihitsy amin’ilay hoe « affable » izany. Tena faly ianao, mampianatra ianao amin’ny fitiavana mampianatra, fa mampianatra ianao amin’ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, amin’ny fahamoram-panahy, amin’ny fahalemem-panahy, amin’ny fahononam-po.

Izay ilay fahamarinana 2 ho an’ny andevon’i Jesoa ry havana, hoe : MAMPIANATRA AMIN’NY FAHALEMEM-PANAHY. Fa izao : miteny mazava ny Tompo, ny Soratra Masina hoe : « malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra » ; fa indraindray, miteraka fivakisan’ny Fiangonana izany. Tsaroantsika tamin’ny andron’i Lotera, ilay mpanitsy fivavahana, tena hoe ni-insiste izy tamin’izany hoe fanamarinana maimaim-poana amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Hamarinina maimaim-poana amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny olona, fa tsy amin’ny asan’ny làlàna, dia teraka ny fanitsiam-pivavahana, teraka ny fivakisan’ny Fiangonana, teraka ny Fiangonana protestanta ry havana.
Ianao mampianatra, mahalefitra ianao eo am-mpampianarana ; fa indraindray ilay fampianarana misy zavatra tsy azo négocié-na.

Any Etats-Unis ry havana amin’izao fotoana izao, ny Fiangonana protestanta dia efa manomboka mivaky roa. Ohatra izao ny église méthodiste, ny Fiangonana metôdista any Etats-Unis dia tena hoe mivaky roa izy : ao ny mankasitraka ny fanambadian’ny homosexuel, ao ny tsy mankasitraka
Dia hoe : aleo mizara, aleo mizara. Dia ohatran’izany koa ry havana ny église anglicane any Etats-Unis efa misakana. Tsy maninona izany, tsy maninona. Fa hoe : ianao mahay mampianatra, mampianatra amin’ny fahalemem-panahy, mahalefitra ; fa misy zavatra tsy azo andeferana.

Dia izay ilay fomba fampianaran’ny andevon’i Jesoa ry havana, hoe : mampianatra amin’ny fahalemem-panahy. Fa miteny ihany koa Paoly hoe : « mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony ».Ianao mampianatra izany : mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony ; « satria fantatrao fa mahatonga ady izany ».
Inona indray ary ilay hoe : fanontaniana adaladala tsy misy antony mahatonga ady ? Ampianaro tsara ry havana ô, ampianaro tsara, fa efa tany amin’ny Genesisy 14 :20 no napetraky ny Tompo sy nankasitrahany ny fanaovana fahafolon-karena. Izany hoe Genesisy 14, talohan’ny Eksodosy sy ny fanomezana ny làlàna dia efa hoe napetraka ny fahafolon-karena. Ary rehefa jerenao ry havana ny tenin’i Jesoa, tsisy ao, tsisy teny ao hoe fanilihana na fandavana izany fahafolon-karena izany. Ampianaro, fa mialà ny fanontaniana adaladala mikasika ny fahafolon-karena. Fa ny ao ambadik’izay fanontaniana adaladala izay raha ny marina fitiavam-bola sy fahihirana amin’ny fahafoizana.

Ampianaro ny momba ny fanasana tongotra, Jaona 13 :14-15: « Koa raha Izaho,
Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo (hoy Jesoa), ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo ». Ampianaro ry havana ô, ampianaro indray mandeha, indroa. Araka ny tenin’i Petera, ampianaro amin’ny fahalemem-panahy sy amin’ny fanajana.
Ampianaro fa tsy tian’ny Soratra Masina ny mikirakira faty maina, ny mamadika sy ny tahak’izany.
Ampianaro, fa rehefa tsy laitra anarina dia ialao.
Izay ilay lazain’i Paoly hoe : « mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony ».
Raha tsy diso aho efa notantaraina teto amintsika ilay hoe Fiiangonana anankiray tany Etats-Unis tany, Fiangonana protestanta tany Etats-Unis tany, tapaka teo amin’ny ambaratonga hoe hiroso amin’ny fanasana tongotra ao am-piangonana. Dia efa ady hevitra mafana moa izany. Dia nony nandeha tsikelikely ilay fanasana tongotra dia tonga ilay lazain’i Paoly hoe fanontaniana adaladala. Ny sasany miteny hoe rehefa manasa tongotra dia ny tongotra havia no anombohana azy. Ny sasany indray miteny hoe an an an, tongotra havanana no anombohana azy. Dia tena hoe tsy nisy farany ilay ady hevitra, nangotraka ilay ady hevitra, tonga tamin’ny fivakisan’ny Fiangonana ilay ady hevitra. Dia ny zavatra nitranga : samy Fiangonana izy dia hoe : « Fiangonana batista, manasa tongotra, tongotra havia » ary ny anankiray : « Fiangonana batista, manasa tongotra, tongotra havanana » ; manomboka amin’ny tongotra havia - manomboka amin’ny tongotra havanana. Izay ilay hoe lavo e, lavo ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Lavo ny fanontaniana adaladala. Ianao mampianara, dia hoe : lanio ny fotoananao, lanio ny herinao amin’ny fampianarana sy ny fanompoana ny Tompo tahaka ny andevo ry havana.

Ny Fahamarinana 3 farany dia hoe : Manafaka izay nataon’ny devoly sambo-belona ny mpanompon’Andriamanitra. MANAFAKA IZAY NATAON’NY DEVOLY SAMBO-BELONA NY ANDEVON’I JESOA.
Ny fahamarinana 1 hitantsika dia hoe : Ny andevon’i Jesoa dia mihazakazaka.
Ny fahamarinana 2 dia hoe : Ny andevon’i Jesoa dia mampianatra amin’ny fahalemem-panahy.
Ny Fahamarinana 3 dia hoe : NY ANDEVON’I JESOA DIA MANAFAKA IZAY NATAON’NY DEVOLY SAMBO-BELONA.
Hoy ny and.25 sy 26 : « mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ». Araka ny efa notsiahivina teo ry havana, ity hoe epistily ho an’ny Timoty ity dia hoe epistily pastoraly ampianaran’ny Apostoly Paoly an’i Timoty, nefa ho antsika rehetra, hoe : momba ny fiainam-piangonana sy ny fitantanana sy ny fitaizana ny Fiangonana. Dia eto ry havana misy fahamarinana izay tena hoe tsy omen’ny Fiangonana lanja, dia ny hoe : maro ao amin’ny Fiangonana ao no nataon’ny devoly sambo-belona hanao ny sitrapony. Maro ao amin’ny Fiangonana no ataon’ny devoly sambo-belona hanao ny sitrapony. Ao amin’ny Fiangonana, ao amin’ny sampana, any amin’ny fikambanana, ary ny tena mampalahelo ry havana, dia hoe mandinika ny programa-piangonana ianao, programa-na fitaizana sy ny karazany : eo ihany ny fampianarana ny Soratra Masina, tena ilaina izany, ary iza moa no hampianatra Soratra Masina ny Fiangonana sy ny sampana raha tsy ny Fiangonana no hampianatra azy ? Fa rehefa jerenao ankoatra an’izay, dia ny zavatra mibahana koa dia hoe activités ohatrany hoe fianarana mahandro, fianarana informatika, tsy misy maharatsy an’izany, sport sy ny karazany. Fa mba diniho kely ange ry havana e, firy ny Fiangonana, firy ny sampana miteny hoe ity misy tetik’asa amin’ny fitaizana ny sampana hamantarana hoe iza amin’ny mpikambana ato amintsika no hoe latsaka ao amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ?

Izay ry havana, izay ny fahamarinana 3 hoe : IZANY ANDEVON’I JESOA IZANY MANANA NY FIJERIN’I JESOA, MIARA-MIASA AMINY HANAFAKA IZAY NATAON’NY DEVOLY SAMBO-BELONA ry havana ô. Ary une fois ianao izany miteny hoe : maro ny olona nataon’ny devoly sambo-belona ato amin’ity Fiangonana ity, dia hoe rehefa mijery ilay Fiangonana ianao sy ny mpivavaka ao aminy, ny mpikambana ao amin’ny sampana sy any amin’ny fikambanana, dia hoe tokony ho tehirizinao ao an-tsaina mandrakariva ny itadiavana ny famonjena azy, ny itadiavana ny restauration-ny, ny itadiavana ny fanafahana azy, ny itadiavana ny fanasitranana azy ry havana ô. Izany no mission-ny Fiangonana. Tsy izay association sportive any ivelany, antoko politika-ny any akory no hitondra azy any, fa isika no mahafantatra hoe : hay, ampahafantarina antsika fa hoe maro ny olona latsaka ao anatin’ny fandriky ny devoly ry havana ô. Ilay tenenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4 :4 hoe : « nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao ». Io ange ry havana izao e, efa renao izany teny hoe andevon’i Jesoa izany ; fa ianao izay tsy mahazaka ilay teny hoe andevon’i Jesoa, ianao anie tsy manana choix e. Rehefa tsy andevon’i Jesoa ianao ry havana ô, dia andevon’i Satana, ilay andriamanitr’izao tontolo izao. Ka raha miala amin’i Satana ianao ka tsy ho ao amin’i Jesoa, ao amin’ny fanjakany, novidiany mba ho andevony, dia mbola ataon’i Satana sambo-belona ihany ianao ry havana ô. Fa izay : tena misy izany olona hoe latsaka ao amin’ny fandriky ny devoly izany.
Dia rehefa miteny isika hoe manafaka izay nataon’ny devoly sambo-belona ny andevon’i Jesoa, dia tonga amin’ilay tenin’i Zakaria hoe, ao amin’ny Zakaria 4 :6 : misy teny atao amin’ilay olona nataon’i devoly sambo-belona, dia hoe : teny tsy atao «amin-kery na amim-pahatanjahana », hoy Zakaria 4 :6, « fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro ». Paoly moa miteny eo amin’ny and.25 hoe : « mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy ». Zakaria miteny hoe : tsy «amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro ». Jehovah Tompon’ny maro, hoe : Tompon’ny fahefana rehetra, fa tsy amim-kery an amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahy. Ary io Fanahin’i Jehovah io ry havana, efa hitantsika tao amin’ny Galatiana 5 teo hoe fanahin’ny fahalemem-panahy, « esprit de douceur ». Teny ataon’ny andevon’i Jesoa izany.
« Fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina ». Ilay Fanahy, ilay Fanahy Masina izay Fanahin’ny fahalemem-panahy miasa ao amin’ilay andevon’i Jesoa no hampibebaka ry havana ô. Ny dikan’izany, hoe Andriamanitra no hanome fibebahana, Andriamanitra ampahafantatra azy tsara ny marina e. Matetika ny olona hoe nanome varavarana ho an’ny devoly eo amin’ny fiainany, dia satria hoe tsy mahalala tsara ny marina. Ilay hoe mahalala tsara ny marina dia hoe : « Epignosis » : la pleine connaissance de la vérité. Fahamarinana tapany no manokatra lalana ho an’ny devoly ry havana ô, ao amin’ny fiainantsika. Fa hoe Andriamanitra, amin’ny alalan’ny teny ataontsika amin’izany hoe fahalemem-panahy izany, no hany ampahafantatra azy tsara ny marina. Fa raha hoe manao teny anangananao ady aminy ianao, dia tonga amin’ilay fitenintsika hoe : raha miady aminy ianao, dia ohatrany hoe miady amin’ny adala. Fa hoe ny teny ataon’ny andevon’i Jesoa, dia hoe : teny atao amin’ny fahamoram-panahy. Ary tsarovy ry havana ny teny volamena ampianarin’ny bokin’ny Ohabolana, ao amin’ny Ohabolana 25 :15 : « Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana ». « Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Ny vava, na hoe ny lela malefaka mahatapa-taolana. N’inon’inona hostilité eo anoloanao, n’inon’inona résistance, n’inon’inona herisetra, na vava malefaka mahatapa-taolana. Izay no ataontsika tsianjery androany ry havana : Ohabolana 25, :15b : « Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Ianaro izany ary ampiaro isan’andro eo aminareo mpivady, amin’ny ankizy, amin’ny ray aman-dreny, amin’ny iray tampo dia ho gaga ianao hoe tena marina izany hoe : « ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Ary dia ianao manao vava malefaka amin’ilay mpanohitra anao, ilay mpanohitra ny teny, n’inon’inona fahasiahana ry havana ô, dia hanamarina an’izany hoe : « ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Dia Andriamanitra hitarika azy ho amin’ny fibebahana.
Faranana izao teny izao ry havana, faranana izao teny izao. Tena natao ho an’izay amintsika mahatsiaro fa mpanompon’Andriamanitra, andevon’Andriamanitra. Ny andevon’Andriamanitra no manompo ; ny olona mpino tsy andevo an, dia manao activité izy aty am-piangonana sy any amin’ny sampana. Tsy manompo izy fa manao activité, activité religieuse. Fa izay ilay teny atao amintsika mpanompon’Andriamanitra ry havana ô. Ary dia izao : ianaro ny teny, saino isan’andro ny teny, ianaro tsianjery ny teny, tandremo araka izay farany azonao atao izany teny izany. Amin’ny maha-andevo anao, tsy tompon’ny fotoananao ianao : mandania fotoana bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay amin’ny vavaka, mifandinika amin’ny Tomponao. Ary manompoa Azy tahaka izay nanompoany tety an-tany. Ary aoka ianao ahatsiaro tena fa hoe velona mandrakariva eo amin’ny fanatrehan’izany Tomponao izany e. Ary dia hoe fanaka omeny voninahitra ianao, fanaka nodiovina ianao, fanaka nohamasinina ianao mba hanao asa tsara eo am-pelatanany.
Ry havana ô, ry havana ô, mpanompon’Andriamanitra ianao, andevon’i Jesoa ianao, 1Korintiana 6 :20 : olom-boavidy ianao. Olom-boavidy ianao. Olom-boavidy ianao. Tsarovy izany privilège izany. Ary ianao olom-boavidy, izay nataon’ny Tompo ho mpanompony, izao no tenin’ny Isaia 41 :9 aminao : « Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako ». Aoka izany teny izany hifikirantsika ry havana eo anatrehan’ny Coronavirus izay tonga eto amintsika io. Mpanompony ianao e. Raha andevony ianao dia marina aminao izany teny hoe : « Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako ». Ary ho marina amintsika ny Eksodosy 14 :14 izay mety ho haintsika tsianjery hatreto, tsianjery fotsiny hatreto hoe : « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » e. Izy hiaro. Raikitra ny guerre mondiale amin’ny Coronavirus, fa avelao Jehovah hiady ho anao, avelao Jesosy Tomponao hiady ho anao andevony e, dia ianao kosa hangina, hatoky Azy, hanana fiainana juste, hanadio ny fonao, hihazakazaka hirady fifandraisana amin’ny olona mitady an’Andriamanitra amin’ny fo madio tahaka anao. Ary dia ho marina aminao ilay tenin’i Jesoa ao amin’y Jaona 6 :6b hoe : zany no nataony mba hizahany toetra an’i Filipo an; fa Jesoa nahalala ihany izay efa hataony. Tsisy mahafantatra izay fivoaran’io Corona io ry havana ô, tsisy mahafantatra, na ny aty amin’ny tany mahantra na any amin’ny tany manan-karena. Fa Jesosy efa mahalala ihany izay efa hataony rapitso 23 Mars, afak’ampitso 24 Mars, afaka 2 volana : Izy mahalala ihany izay efa hataony.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.

Alahady 15 MAR 2020

Matio 12. Misaotra ny Tompo isika ny amin’ilay hafany ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana. Raha fintinina ilay hafatra dia lazaina tahak’izao, hoe : AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO.

Andeha, hanazavana an’izany, vakiantsika ny Matio 12 :38-39a. Iarahantsika mamaky milamina izany ry havana, mamaky mafy, mamaky milamina amin’ny anaran’i Jesoa : Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra o, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. Fa Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana ».

Izay ny fahamarinana 1 : AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO. Lazain’i Jesoa mazava eto ry havana ny antony, hoe : ny olona fatra-pitady fahagagana, hoy ilay and.39, dia taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga. Ianao fatra-pitady fahagagana io izany, itarafana ny any anaty fonao lalina ao izany hoe fitadiavana sy fiandrandrana fahagagana izany : ratsy fanahy ianao, mpijangajanga ianao, manana fo tsy mino ianao. Ireto fariseo sy mpanora-dalàna ireto anie ry havana ô, efa nahita fahagagana e, efa nahita fahagagana e, nataon’i Jesoa e. Fa izy mihitsy no tsy vonona, tsy tapa-kevitra ny hino. Izany no hitenenan’i Jesoa hoe : Ry taranaka ratsy fanahy, ratsy fanahy sy mpijangajanga. Raha ato amin’ity Matio 12 ity, ao amin’ny fiandohany ao, ny fahagagana tanisain’i Matio dia hoe ny nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy maty tanana ; ny fahagagana taorian’izay an, dia ilay Jesoa nanasitrana demoniaka sady jamba no moana, etc… Ka ao an-tsain’i Jesoa, matoa Izy miteny, manao teny faran’izay hentitra hoe ny olona fatra-pitady fahagagana dia ratsy fanahy sy mijangajanga, dia olona efa tsy tapa-kevitra ny hino, ka tsy izay fahagagana fanampiny anankiray na anankiroa na anankitelo, na firy polo aza no hiteraka finoana amin’izany fo ratsy sy mijangajanga izany. Miteny amintsika ry havana ny Tompo an, amin’izao maraina izao : AZA AORINA E, AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO. Andao anie averintsika vakiana ilay miresaka an’ity fijangajangana ity, dia ilay Jakoba 4 :4 efa nianarantsika tsianjery izy ity, Jakoba 4 :4 : « Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy ». Raha ny marina, io ilay hoe fo sy fanahy mijangajanga io, dia ilay hoe fo misakaiza amin’izao tontolo izao, manana préoccupation na lahara-pahamehana hafa noho Andriamanitra sy ny momba an’Andriamanitra, fa ny fony efa any amin’izao tontolo izao, ka tsy izay fahagagana atao eo hoy Jesoa, tsy izany no hampiova anao raha sakaizan’izao tontolo izao, raha mpandrafy an’Andriamanitra ianao, raha fahavalon’Andriamanitra ianao ry havana ô. Ary efa notenenina teto izany, fa averina, fantsihana : sady tsy mitarika ho amin’ny finoana ny fahagagana, ary finoana izay miorina amin’ny fahagagana ry havana ô, ny finoana izay miorina amin’ny fahagagana dia malemy fototra e. ny finoana izay miorina amin’ny fahagagana dia malemy fototra. Fa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy, Romana 10 :17. Ary izany no mahatonga ny Fiangonana réformé ry havana, ny Fiangonana protestanta amin’ny ankapobeany hanao ho ivon’ny fanompoam-pivavahana ny toriteny, satria io no ampiorenana ny finoana. Raha tsy izany, raha finoana miorina amin’ny fahagagana, dia malemy fototra. Malemy fototra satria mahita fahagagana iray izy androany, mitady fahagagana indray rapitso, mitady fahagagana hafa indray amin’ny herinandro, mitady fahagagana isan’andro isan’andro, dia rehefa tsy mahita fahagagana, dia mihemotra ry havana ô, dia mihemotra. Fa tadidio e : NY FINOANA DIA AVY AMIN’NY TORITENY. IZAY NO FOTOTRA AZO ANTOKA. ARY NY TORITENY KOSA DIA AVY AMIN’NY TENIN’I KRISTY. AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO.

Andao anie jerentsika, tenin’ny Apostoly Paoly e, ao amin’ny 2 Korintiana 12. Efa rentsika ity an, fa mamantsika isika izao. Narary ny Apostoly Paoly, tsy fantatra marina inona ilay aretin’ny Apostoly Paoly ; izany ny Apostoly lehibe indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao, Paoly miaraka amin’i Petera ry havana. Narary izy, dia ahoana ny témoignage-ny ? 2 Korintiana 12 :7-9 : « Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko;
Ampy ho anao ny fahasoavako ». Paoly, ao anatin’ny tsy fahasalamana, nahazo aretina, navelan’Andriamanitra sy ny Satana aretina, nitalaho intelo. Non non non, tsy sitrana, tsy afaka aretina Paoly ry havana ô. Ary averina, fa mampieritreritra ireny Fiangonana mitory fahagagana ; Andriamanitra anie tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay e ; fa ilay Fiangonana ohatrany mampianatra hoe raha tena zanak’Andriamanitra marina ianao : sitrana ianao, tsy tratry ny aretina izany ianao. Aiza no misy an’izany ? Misy olona tena ao amin’ny Tompo, ohatran’i Paoly : tsy afaka aretina mandra-pahafatiny. Fa maty izy an, dia nankeo an-tratran’ny Rainy izy. Izany, izany ry havana. Ary raha Paoly ihany no jerena, ao amin’ny Filipiana 4 ry havana, Filipiana 4 :12 : « Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo ». Hahantra izany e. Mbola fampianaran-diso, ary matetika tsy misaraka ireo : ny tena zanak’Andriamanitra, satria ambinina izy, dia manan-karena. Tsia ry havana ô. Andriamanitra no mampanan-karena, Andriamanitra no mampalahelo. Samy avy Aminy izany zavatra izany. Fa ny zava-dehibe, dia zanany ianao, ary ny contrat-ny aminao, dia ny hanananao hanina sahaza anao isan’andro. Izay ny contrat-ny aminao. Izay ny toriteny miorina amin’ny tenin’i Kristy, ampiorenana ny finoana izay nomen’ny Tompo antsika ry havana ô. AOKA IZAY ITY MIANTEHITRA AMIN’NY FAHAGAGANA, AMIN’NY FANASITRANANA MAHAGAGA SY AMIN’NY FAMPANANANA HARENA MAHAGAGA RY HAVANA Ô. Raha ny amiko manokana ry havana, io mananontanona io ny Coronavirus izao. Teny entiko hamakivakiana sy hiatrehina an’io Coronavirus : raha sanatria aho, sanatriavina amin’ny maha-olombelona, tratran’izany hoe Coronavirus izany, ny teniko amin’i Kristy dia hoe : « izay izany Jesoa an, fa Ianao efa nitondra an’io aretiko Coronavirus io, ary fantatro fa ny dian-kapoka nihatra taminao no hoe hanasitrana ahy amin’io Coronavirus io ». Izay ilay izy ry havana ô. Isaia 53.

Izay ny fahamarinana 1, hoe : AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO FA MALEMY FOTOTRA IZANY.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO

Ahoana ilay Fahamarinana 1 ? AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO. Ilay faharoa dia hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO. Raha ny tena marina, ilay fahamarinana 2 dia izao, hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO KA MIBEBAHA.

Andao ary jerentsika ilay tapany faharoa amin’ilay and.39-41 :« nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto ».

Inona moa ry havana no ampianarin’i Jesoa eto ? Ampianariny antsika eto ny fototry ny finoana kristiana, ny votoatin’ny finoana kristiana, ilay essence-ny filazantsara, ilay noyau an’ilay filazantsara, ilay votoatin’ny filazantsara : Kristy maty noho ny fahotantsika ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo. Izany ny famantarana, izany ny fahagagana lehibe indrindra maneran-tany, ary tsy mbola nisy fahagagana ohatran’izany hatrizay hatrizay : Kristy maty ary nitsangana tamin’ny maty.

Manazava Izy amin’ireto Fariseo ireto, amin’ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ireto, izany hoe mahay Soratra Masina izany ireto olona ireto fa tsy mety mino. Izao hoy Izy an : hitako ny fonareo ratsy sy mijangajanga io. Nefa nomena famantarana ihany ianareo, ny famantaran’i Jona, dia ilay Jona natelin’ny hazandrano, hazandrano be ka nitoetra tao anatin’izany hazandrano be izany 3 andro sy 3 alina. Parenthèse : tsy angano angano, tsy conte na légende izany tantaran’i Jona izany fa tena raisin’i Jesoa hoe tantara tena nitranga mihitsy ; io tantaran’i Jona tany anaty baleine io. Dia izao hoy Izy : hitanareo ny zavatra nitranga tamin’i Jona, dia hoe : rebelle Jona, rebelle, mpiodina, nandà an’Andriamanitra izy, dia nofaizin’Andriamanitra, nanarin’Andriamanitra, nalefany tany anaty kibo-na hazandrano be hateloan’andro sy hateloan’alina. Fa rehefa nivoaka avy ao Jona : olom-baovao Jona nivoaka avy ao, nanana toe-po sy toe-panahy vaovao, nankatoa ilay iraka nampanaovin’Andriamanitra azy, dia niteny tamin’i Ninive hoe nareo ange raha tsy mibebaka e, dia ho ringana ianareo afaka 40 andro e. Inona ny zavatra nitranga hoy Jesoa ? Asa moa ireto olona tao Ninive ireto raha nandray tsara ny tantaran’i Jona, fa avy hatrany dia nibebaka izy rehefa notenenina izy hoe : Mibebaha ianareo raha tsy izany ianareo ho ringana afaka 40 andro ; dia nibebaka Ninive ry havana ô. Ary izay no ohatra anambaran’i Jesoa ny tenany. Io tantara nitranga tamin’i Jona io hoy Izy, dia tandindon’ny zavatra hitranga tamin’i Jesoa. Jona : 3 andro izy tany anaty kibo-na hazandrano, fa Izaho lehibe no Jona, Izaho 3 andro tany anaty fasana. Izay ilay izy. Izaho teo amin’ny hazo fijaliana ary tany anaty fasana ; izany no maha-lehibe Ahy noho i Jona. Ary Izaho lehibe noho i Jona satria Izaho nitsangana tamin’ny maty hoy Jesoa Kristy, mba hahazoanareo famelan-keloka sy fanamarinana izay hanjary fiainana mandrakizay. Izany no votoatin’ny filazantsara, izany ny votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Ary tahaka an’i Jona, izay niteny tamin’i Ninive hoe rehefa tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana ianareo afaka 40 andro. Nibebaka hoy isika Ninive. Ireto jiosy ireto nahare an’izany ho ianareo anie ka raha hoe tsy hibebaka e, dia ho ringana ianareo. Marina ara-bakiteny ny tenin’i Jesoa ry havana, satria taorian’izao teny izao, tsy nino ilay jiosy, tsy nandray Azy ho Mesia mpanafaka sy hitondra azy ho any amin’ny fiainana mandrakizay ; tsy nibebaka izy. Tsy 40 andro tahaka an’i Ninive, fa 40 taona dia rava Jerosalema ry havana ô. Tsy kilalao ry havana ô, izany hoe « miverena » ; tsy kilalao ry havana ô, izany hoe « mibebaha » ; tsy kilalao ry havana ô, izany hoe « mifonà ary miverena amin’Andriamanitra ». Tsy katekisma fandre isan’Alahady izany. Averin’Andriamanitra satria ny sofintsika lalodalovana ry havana ô. Lalodalovana ny sofintsika. Fa ny olona marina, ny ahafantarana hoe misy olona mahafantatra fa hoe Jesoa Kristy dia maty teo amin’ny hazo fijaliana, nalevina, nitsangana tamin’ny maty ho azy, dia mibebaka izy. Izay no mahatonga ilay fahamarinana 2 hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO KA MIBEBAHA. Andao anie jerentsika ny tenin’ny Apostoly Paoly manazava an’io : 1 Korintiana 15. Ato moa izao misy tsy mahalala ny fisian’ny 1 Korintiana 15. Nefa ianao raha miteny hoe fantatro Paris nefa tsy fantatrao hoe misy Tour Eiffel ao Paris : tsy mahafantatra an’i Paris ianao. Raha eto Antananarivo ianao ka tsy mahafantatra hoe misy an’io Rova io. Ary ianao milaza fa mamay Baiboly, tsy mahafantatra ny fisian’ny 1 Korintiana 15 : tsy mahafantatra ny ataoa hoe Baiboly ry havana. Ity ry havana no aza lazaina hoe ivon’ny Baiboly, ity 1 Korintiana 15 ity. Dia ahoana hoy Paoly manazava ? Jereo tsara eo amin’ny and.3 : « Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika ». Izay ry havana ô, no notenenin’i Paoly, no notorian’i Paoly tamin’ireto Korintiana ireto en priorité : ny fahafatesan’i Kristy, maty noho ny fahotany. Tadidio mandrakariva izay. Izay ilay izy ry havana ô. Ary avy eo Izy dia hoe : nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Dia jereo tsara ireo vavolombelona ; efa henontsika ombieny ombieny ity, aleo fantsihana ry havana ô, and 5 sy ny manaraka : « ary niseho (voalohany) tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa (faharoa). Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy (fahatelo), ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. (Faha-efatra) Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, (ary faha-dimy) dia tamin'ny Apostoly rehetra. (Ary farany dia niseho tamiko Paoly Izy) Ary faran'izy rehetra, izaho ». In-6 izany ny 1 Korintiana 15  no nilaza hoe vavolombelona nahita an’i Jesoa rehefa avy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ry havana ô. Izany hoe zavatra azo antoka io. N’inon’inona fahaizanao, tsy afaka hanakosoka ianao hoe nisy an’izany Jesoa izany nitsangana tamin’ny maty ry havana ô. Maty Izy noho ny fahotako, nalevina Izy, ary nitsangana tamin’ny maty. Fa raha maty moa Izy, maty Izy ka tsy nitsangana tamin’ny maty, dia azo tantaraina daholo anie izay azo tantaraina e. Fa nitsangana tamin’ny maty Izy, hanamarinana an’ilay asa-pamonjena ry havana. Dia jereo tsara ato amin’ny 1 Korintiana 15 ry havana, dia hoe, and.14 « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo ». Tsisy zavatra torian’ny Fiangonana ry havana ô, ary ny Fiangonana mitory hoe gestion de temps, leadership, oaoaoa, sy ny karazany, mety ilaina izany, fa izany no hasolo ny filazantsaran’ny fitsanganan’ny tenan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty : tsy Fiangonana araka ny filazantsara izany. Foana ny toritenin’ny Fiangonana rehefa tsy mitory ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izy, fa minomino foana isika rehefa tsy mahafantatra fa hoe maty Kristy ary nitsangana tamin’ny maty noho ny fahotantsika izany. Dia jereo tsara ny fananteran’i Paoly an’izany eo amin’ny and. 17-18 : « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany hianareo ; dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy ». Mbola ao amin’ny fahotana. Izany ry havana no nidinan’i Jesoa avy any an-danitra an : ny otako sy ny otanao io e. Izany ; raha mbola tsy azonao izany, tsy azonao ny filazantsara ry havana ô. Ary dia foana, paokaty ny finoanao, minomino foana ianao. Fa raha azonao izany ry havana, raha azonao izany, dia hoe : hay, nisolo voina ahy, nisolo heloka ahy teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa mba hananako fiainana mandrakizay. Tena hoe raisiko au sérieux amin’izay ny fahotako manomboka anio ; Raisiko au sérieux ny fahotako ary ataoko marina amiko ilay tenin’i Joela teo hoe : an an an, fantatro fa na Pasitera aza aho, hatramin’ny fara-fofon’aiko, na dia miezaka sy miady aho, mbola mety ho lavon’ny fahotana. Fa isaky ny lavon’ny fahotana aho, dia triatra ny foko tahaka izay tenin’i Joela ry havana ô. Donc tena hoe tsy fanahy iniana, tsy ahitana fahafinaretana ilay fahotana, fa tena hoe fahotana manatriatra ny fo ry havana ô. Tsisy te ho triatra fo izany e. Ary dia fantatro fa rehefa triatra ny foko an, dia Jesoa ilay nitsangana tamin’ny maty ka velona mandrakizay, sady mifona ho ahy eo anilan’ny Ray Izy, ary manangana ahy hoe : tohizo ny lalanao, tohizo ny fanompoanao, mahareta amin’ny fanarahana Ahy fa Izaho hampitombo anao amin’ny fanahafana Ahy, fa izay ny contrat-ko aminao.

Izay ny fahamarinana 2 ry havana, hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO DIA MIBEBAHA

Mijereva anie ianareo sur Youtube ry havana e, misy Fiangonana sasany manao toriteny miezinezina momba an’io 1 Korintiana 15 io, fa ny tena fahagagana amiko, dia mitoriteny momba ny 1 Corinthiens 15 izy, tsy miresaka ota sy famelan-keloka na indray mandeha aza. Fiangonana tsy tarihin’ny Fanahy Masina izany ry havana ô. Manazava tsara ny amin’ny herin’Andriamanitra manangana ny maty izy, fa na indray mandeha aza ilay voambolana hoe ota sy fanafahana amin’ny ota tsita. Tsy toriteny avy amin’ny Fanahy Masina izany ry havana ô.

Ny Fahamarinana 3 farany dia hoe : HENDRE AMIN’IZAY

Matio 12 :42 : « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto ». Nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.

Notenenina teo hoe lehibe noho i Jona Jesoa ; nefa Jona aza, tamin’ny nitoriteny tao Ninive, ny vahoaka iray manontolo tarihin’ny mpanjaka dia nibebaka. Andao anie vakiana ihany ilay izy fa mamy loatra ilay Jona. Jona 3 : 6 : «Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona ». Izay hoya ho ilay vokatry ny toritenin’i Jona tao Ninive. Mpanjaka, niala avy teo amin’ny seza fiandrianany. Ny olona mibebaka ry havana ô, dia hoe miala eo amin’ny seza fiandrianan’ny fony, fa Jesosy no asaina mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fonao. Izany ny olona mibebaka satria mahafantatra fa Jesoa io dia Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo, ary maty nisolo heloka anao teo amin’ny hazo fijaliana. Fa raha mbola ianao no mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fonao, non non non, tu n’as rien compris à l’évangile. Izay ilay izy ry havana. Nidina avy ao amin’ny seza fiandrianana izy, dia ahoana hoy izy ? « Nanaisotra ny akanjom-boninahiny ». Izay rehetra maha-izy azy, ny maha-mpanjaka azy, ny voninahiny, ny fanambarana fahefana rehetra rehetra : alany izany satria nibebaka izy. Dia ahoana koa ? « Nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona » ; nipetraka tamin’ny lavenona. Io zavatra imatimatesanao io anie ry havana, iraketan’ny fonao eo amin’izao tontolo izao io e, ambaran’ny Soratra Masina aminao : lavenona io, lavenona io.

Misaotra ny Tompo afaka nifampahatsiahy kely momba an’i Jona. Misy mihoatra an’i Jona eto hoy Jesoa. Fa eto koa hoy izy, misy mihoatra noho Solomona. Zavatra tokana no nahafantarana an’i Solomona tany am-piandohan’ny fiainany sy ny fanjakany, dia ny fahendreny ry havana ô, ny fahendreny. Solomona hendry, fa hoy Jesoa hoe : misy lehibe noho Solomona eto, dia Izaho Jesoa. Solomona mpanjaka hendry ary mivavaka isika mba hanana mpanjaka sy mpitondra hendry tahaka an’i Solomona e ; izany ny antom-bavak’isika malagasy, raha tsy izany, mbola ao anatin’ny fisaonana no hankalazantsika ny faha-60 taonan’ny fahaleovan-tena e. Andao isika hivavaka mba hoe hanana mpanjaka manana n fahendren’i Solomona. Fa Solomona hendry ; Jesoa lehibe noho Solomona satria Jesoa dia fahendrena tonga nofo. Jesoa dia fahendrena tonga nofo ry havana ô. Fa efa nampitolagaga ange e, izany hoe fahendren’i Solomona izany. Misy an’ilay mpanjakavavy, la reine de Saba, mpanjakavavy avy any Seba, avy any atsimon’ny Egypta any moa izany hoe Seba izany, tamin’izany fotoan’andro izany, hoe niakatra handeha hijery an’izany Solomona izany ry havana ; nanao izy 1.600km hahitany an’i Solomona. Nojereko kely hoe ohatran’inona raha eto Madagasikara izany 1.600km izany. Ohatrany hoe miala any Fort-Dauphin hono izany dia asa tonga hatrany Majunga na tonga any Ambilobe any. Izany à peu près ilay nataon’ity mpanjakavavy avy any Seba ity. Mandeha rameva izy an, fa tsy mandeha 4*4 ohatranareo ; mamakivaky efitra tora-pasika. Izay ilay izy. Lafo, mandreraka, fa izany no hoe vehivavy mitady fahendrena, vehivavy mitady fahendrena. Ary ho antsika izany satria isika tenenina hoe : « mba hendre amin’izay e ». Izay ilay zavatra. Vehivavy nitady fahendrena. Dia jereo ny hagagany ry havana rehefa teo anoloan’i Solomona izy, nahita an’i Solomona, nahita ny lapany, nahita ny fisakafoanany, nahita ny meuble-ny, nahita ny fombany. Andao anie jerentsika e, 1 Mpanjaka 10 :7-8 : «Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay!na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! ». Izaho nanao 1.600km io hoy ilay mpanjakavavy avy any Seba, hay tsy ny antsasaky ny réalité akory no tonga tany amiko tany rehefa mifanatri-tava aminao aho ry Solomona mpanjaka, ny amin’ny fahatsaranao, ny amin’ny fahendrenao, nefa ampy nandrisika ahy hoe handeha hijery anao. Tsy antsasaky ny zavatra reko tany. Ary dia jereo ; enga anie ka mba hisy hiteny an’izany amintsika ry havana ô, ao amin’ny fiainantsika, ilay and.8 hoe : « Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! ». Enga anie isika lehilahy mba ho sambatra ny vadintsika, nareo vehivavy ho sambatra ny zanakareo mahita anareo, mahita ny fahendrenareo, mahita ny fahatahoranareo an’Andriamanitra, tsy ny Alahady ihany, fa ao amin’ny tokantrano, ao amin’ny ankohonana amin’ny Alatsinainy hatramin’ny Sabotsy koa, any amin’ny toerana misy anareo any, any amin’ny fandrarahana any, any amin’ny varotra any, any amin’ny fitantanana firenena any : asehoy fa hendry amin’ny fahendren’Andriamanitra ianareo. Fa izao ange e : possible izany e, izany ho an’ny jiosy izany ry havana, na ho an’ny jentilisa ohatran’ilay mpanjakavavy avy any Seba ; fa ianao, Kristy ry havana ô, Kristy izay maty ho anao, nilevina ho anao, nitsangana tamin’ny maty ho anao ; une fois namonjy anao Izy, tsy mamela anao irery fa hoy Andriamanitra hoe tamin’i Jesoa : andao alefantsika ny Fanahy Masina mba hitari-dalana an’io zanako vao natsangako io, io mpanompoko vao novonjeko io. Tsy avelako irery io, fa andao alefantsika aminy ny Fanahy Masina ; ary io Fanahy Masina io ry havana ô, Fanahin’ny fahendrena ary mila raisina amin’ny finoana izany. Mahafinaritra ilay filazan’ny mpitoriteny hoe : inona moa izany no atao hoe finoana eto e ? Rehefa niteny aho hoe ny votoatin’ny finoako dia hoe Krisy maty noho ny fahotako ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo an, dia hoe : ilay finoana koa dia hoe karazana tanana andraisako an’izany fahendrena atolotr’i Kristy ahy izany, mba handeha amin’ny fahamasinam-piainana aho, handeha amin’ny fahendrena sy ny fahatahorana an’Andriamanitra ry havana ô. Ary ny olona mandeha amin’ny fahendrena, ny olona mandeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia araka ilay teny eto, hoe : mahafantatra fa ho avy ny andro fitsarana. Ary inona ny zavatra hitranga ? Zavatra hampalahelo be ry havana ny zavatra hitranga amin’io fitsarana io. Hoy ny and.42 hoe : « mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy ». Ry havana, alaivo sary an-tsaina anie ilay scène hitranga amin’izany e. Mitsangana eo isika Fiangonana, eo koa ry zareo avy eo Ninive, eo koa ilay mpanjakavavy avy any Seba ; samy mitsangana eo. Ireo ry havana ô, hiara-mitsanga amintsika hanameloka antsika satria hoe io Fiangonan’Andriamanitra io, nahazo toriteny asan’Alahady nitaona azy ho amin’ny fibebahana ; tsy mba ohatranay ; izahay nitoriana indray mandeha dia nibebaka. Fa ireto, isaky ny hitoriana fibebahana dia hoe : « efa reko, efa reko, efa reko ». Hitanareo, izay ilay feon’ny saobakaka : « efa reko, efa reko, efa reko ». Hijoro eo anilanao, ary jentilisa no hitsara ny vahoakan’Andriamanitra, jentilisa no hitsara ny Fiangonan’Andriamanitra. Zavatra mahamenatra izany ry havana ô. Zavatra mahamenatra. Ary izany no maha-urgent an’ity hoe lohahevitra volamena ity, hoe : « Mibebaha, mibebaha, ka miverena amin’ny Tompo » ry havana ô. Ary aoka ny finoanao, aoka ny finoanao ho finoana iorina amin’ny toriteny sy amin’ny tenin’i Kristy.

Hamarana aho ry havana. Iaraha-mahita fa tandidomin-doza izao tontolo izao amin’ny alalan’ity hoe « coronavirus » ity. Ny olona hendry dia manana fijery, mitovy fijery amin’Andriamanitra. Andeha anie sokafantsika ny Mpitoriteny 7 :2 : « Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany ». Ry havana ô, henoy tsara : izao tontolo izao, raha fijerena avy any an-danitra, azo oharina amina trano anankiray. Ary noho io « coronavirus » io ry havana dia hoe azo lazaina fa hoe trano misy fisaonana, ankehitriny ity tany misy antsika ity. Ary satria ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra ry havana ô, dia aoka ho fantatrao : rehefa mijery ny olona aman’arivony efa maty atsy sy aroa ry havana, dia hoe : « ah, ianao izany Andriamanitra ô, ianao izany Andriamanitra ô, no mampahatsiaro ahy fa amin’izany no iafarana e, amin’izany ho iafarana. Ary mandrisika ahy hibebaka izany. Alatsako ao am-poko izany, mandrisika ahy hibebaka izany. Tsy hanao tahaka an’ilay jiosy tamin’ny andron’i Jesoa aho » ; jereo tsara anie ilay jiosy tamin’ny andron’i Jesoa e : ilay mpanjakavavy avy any Seba nanatona an’i Solomona nefa Jesoa anie no nanatona an’ilay jiosy e ; fa tsy hoe ilay jiosy no nanatona an’i Jesoa. Jesoa no nidina avy any an-danitra nanatona an’ilay jiosy nefa mbola nanetsin-tadiny ilay jiosy. Jesoa no nidina avy any an-danitra ry havana ô nefa dia hoe tsy nanome toerana an’i Jesoa ireto jiosy ireto, tao am-pony, tsy nety nibebaka. Ary izany no anisan’ny message-n’io « coronavirus » io : trano misy fisaonana ity tany ity ankehitriny. Ny velona handatsaka an’izany ao am-pony, ary hisaina an’izany hoe : e, io corona io ange e, mety hanafaingana ny andro hitsarana anao ry havana ô. Fa trano misy fisaonana no ivahiniantsika ankehitriny. Izay ny anankiray ry havana ô. Ary ny faharoa dia izao : ny olona hendry dia mandatsaka ao am-pony izany ; fa faharoa, ny olona hendry ankoatra ilay fepetra hoe ataon’ny Président de la République sy ny dokotera, ny mampianavaka antsika : ny olona hendry dia mivavaka. Ny olona hendry dia mivavaka. Andeha ange jerentsika ny karazana tonom-bavaka azontsika atao eo anatrehan’izao corona izao e. Salamo 86 :2-3 : « Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao. Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva ». Ilay tonombavaka dia hoe : eny e, asa na rahoviana na rahoviana io corona io no ho avy eto Madagasikara, diso hevitra ianao raha tsy ho tonga eto io ry havana ô, diso hevitra ianao. Fa izao : aoka io ho occasion itomboanao amin’ny finoana. Ilay finoana indray dia confiance hoe eo am-pelatanan’Andriamanitra ny momba an’io corona io ry havana ô, eo am-pelatanan’Andriamanitra ny momba an’io corona io. Fa ny ataoko, dia hoe : « arovy ny fanahiko ». Ilay hoe « masina » dia hoe : « mahatoky aho, fidèle Aminao aho ». Tsy ilay ratsy fanahy, tsy ilay mpijangajanga aho, fa mahatoky. « Arovy ny fanahiko fa mahatoky aho.  Arovy ny fanahiko fa mahatoky aho ». Mianara mivavaka an’izany ry havana ô. Ary hoy ilay and.3  hoe : « Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva ». Ianao no itarainao mandrakariva ; Ny DIEM dia mandika hoe : « Miantso Anao aho tontolo andro, Miantso Anao aho tontolo andro ». Enga anie ry havana ka eo anatrehan’izao corona izao an, hisy vitsivitsy amintsika hianatra hiantso an’i Jesoa tontolo andro, tontolo andro. Tsy maraina vao mifoha ihany, tsy ny hariva hisaotra ihany, fa tontolo andro. Hangataka ny famindram-pony, hangataka ny fiarovan’ny Fanahy.

Mahatsiaro ny tantaran’izao tontolo izao ry havana, dia hoe : ny 11 Novembre dia ahatsiarovana ny « armistice ».  « Armistice » : ny namaranan’ireo firenena tafiditra tamin’ny ady lehibe voalohany izany ady izany. Fa hoe aleo mihavana, fa sao dia ringana eto isika mianakavy. 20 millions de morts tamin’izany. Dia hoe andao hanao « armistice ». Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray : mampieritreritra hoy izy io « armistice »io, satria tena hoe niniana nosoniavina 11 Novembre. Ary niniana nosoniavina tamin’ny 11ora. 11-11-11. Dia hoe, tao an-tsain’ny mpanao sonia, asa, ny ankamaroany angamba kristiana tamin’izany, mpitondra firenena kristiana, dia hoe ilay ora faha-11 mialohan’ny ora faha-12 an, mety hoe oran’ny fandringanana. Dia hoe adin’iray sisa tsy ahatongavan’ny fandringanana. Izay no nanaovany azy hoe, andao ho tsarovana mandrakizay izany hoe 11 Novembre amin’ny 11 izany. Ry havana ô, possible, adin’iray sisa tsy ahatongavan’ny mamanton’alina ; possible adin’iray sisa tsy ahatongavan’izany hoe fandringanana izany. Hoy ny Tompo, araka ilay hirantsika 354 teo, hoe : « Mihavana Amiko, mihavana ianareo ary mibebaha ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena