Alahady 15 MAR 2020

Matio 12. Misaotra ny Tompo isika ny amin’ilay hafany ho antsika Fiangonana amin’izao maraina izao ry havana. Raha fintinina ilay hafatra dia lazaina tahak’izao, hoe : AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO.

Andeha, hanazavana an’izany, vakiantsika ny Matio 12 :38-39a. Iarahantsika mamaky milamina izany ry havana, mamaky mafy, mamaky milamina amin’ny anaran’i Jesoa : Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra o, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. Fa Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana ».

Izay ny fahamarinana 1 : AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO. Lazain’i Jesoa mazava eto ry havana ny antony, hoe : ny olona fatra-pitady fahagagana, hoy ilay and.39, dia taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga. Ianao fatra-pitady fahagagana io izany, itarafana ny any anaty fonao lalina ao izany hoe fitadiavana sy fiandrandrana fahagagana izany : ratsy fanahy ianao, mpijangajanga ianao, manana fo tsy mino ianao. Ireto fariseo sy mpanora-dalàna ireto anie ry havana ô, efa nahita fahagagana e, efa nahita fahagagana e, nataon’i Jesoa e. Fa izy mihitsy no tsy vonona, tsy tapa-kevitra ny hino. Izany no hitenenan’i Jesoa hoe : Ry taranaka ratsy fanahy, ratsy fanahy sy mpijangajanga. Raha ato amin’ity Matio 12 ity, ao amin’ny fiandohany ao, ny fahagagana tanisain’i Matio dia hoe ny nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy maty tanana ; ny fahagagana taorian’izay an, dia ilay Jesoa nanasitrana demoniaka sady jamba no moana, etc… Ka ao an-tsain’i Jesoa, matoa Izy miteny, manao teny faran’izay hentitra hoe ny olona fatra-pitady fahagagana dia ratsy fanahy sy mijangajanga, dia olona efa tsy tapa-kevitra ny hino, ka tsy izay fahagagana fanampiny anankiray na anankiroa na anankitelo, na firy polo aza no hiteraka finoana amin’izany fo ratsy sy mijangajanga izany. Miteny amintsika ry havana ny Tompo an, amin’izao maraina izao : AZA AORINA E, AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO. Andao anie averintsika vakiana ilay miresaka an’ity fijangajangana ity, dia ilay Jakoba 4 :4 efa nianarantsika tsianjery izy ity, Jakoba 4 :4 : « Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy ». Raha ny marina, io ilay hoe fo sy fanahy mijangajanga io, dia ilay hoe fo misakaiza amin’izao tontolo izao, manana préoccupation na lahara-pahamehana hafa noho Andriamanitra sy ny momba an’Andriamanitra, fa ny fony efa any amin’izao tontolo izao, ka tsy izay fahagagana atao eo hoy Jesoa, tsy izany no hampiova anao raha sakaizan’izao tontolo izao, raha mpandrafy an’Andriamanitra ianao, raha fahavalon’Andriamanitra ianao ry havana ô. Ary efa notenenina teto izany, fa averina, fantsihana : sady tsy mitarika ho amin’ny finoana ny fahagagana, ary finoana izay miorina amin’ny fahagagana ry havana ô, ny finoana izay miorina amin’ny fahagagana dia malemy fototra e. ny finoana izay miorina amin’ny fahagagana dia malemy fototra. Fa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa dia avy amin’ny tenin’i Kristy, Romana 10 :17. Ary izany no mahatonga ny Fiangonana réformé ry havana, ny Fiangonana protestanta amin’ny ankapobeany hanao ho ivon’ny fanompoam-pivavahana ny toriteny, satria io no ampiorenana ny finoana. Raha tsy izany, raha finoana miorina amin’ny fahagagana, dia malemy fototra. Malemy fototra satria mahita fahagagana iray izy androany, mitady fahagagana indray rapitso, mitady fahagagana hafa indray amin’ny herinandro, mitady fahagagana isan’andro isan’andro, dia rehefa tsy mahita fahagagana, dia mihemotra ry havana ô, dia mihemotra. Fa tadidio e : NY FINOANA DIA AVY AMIN’NY TORITENY. IZAY NO FOTOTRA AZO ANTOKA. ARY NY TORITENY KOSA DIA AVY AMIN’NY TENIN’I KRISTY. AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO.

Andao anie jerentsika, tenin’ny Apostoly Paoly e, ao amin’ny 2 Korintiana 12. Efa rentsika ity an, fa mamantsika isika izao. Narary ny Apostoly Paoly, tsy fantatra marina inona ilay aretin’ny Apostoly Paoly ; izany ny Apostoly lehibe indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao, Paoly miaraka amin’i Petera ry havana. Narary izy, dia ahoana ny témoignage-ny ? 2 Korintiana 12 :7-9 : « Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho. Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko;
Ampy ho anao ny fahasoavako ». Paoly, ao anatin’ny tsy fahasalamana, nahazo aretina, navelan’Andriamanitra sy ny Satana aretina, nitalaho intelo. Non non non, tsy sitrana, tsy afaka aretina Paoly ry havana ô. Ary averina, fa mampieritreritra ireny Fiangonana mitory fahagagana ; Andriamanitra anie tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay e ; fa ilay Fiangonana ohatrany mampianatra hoe raha tena zanak’Andriamanitra marina ianao : sitrana ianao, tsy tratry ny aretina izany ianao. Aiza no misy an’izany ? Misy olona tena ao amin’ny Tompo, ohatran’i Paoly : tsy afaka aretina mandra-pahafatiny. Fa maty izy an, dia nankeo an-tratran’ny Rainy izy. Izany, izany ry havana. Ary raha Paoly ihany no jerena, ao amin’ny Filipiana 4 ry havana, Filipiana 4 :12 : « Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo ». Hahantra izany e. Mbola fampianaran-diso, ary matetika tsy misaraka ireo : ny tena zanak’Andriamanitra, satria ambinina izy, dia manan-karena. Tsia ry havana ô. Andriamanitra no mampanan-karena, Andriamanitra no mampalahelo. Samy avy Aminy izany zavatra izany. Fa ny zava-dehibe, dia zanany ianao, ary ny contrat-ny aminao, dia ny hanananao hanina sahaza anao isan’andro. Izay ny contrat-ny aminao. Izay ny toriteny miorina amin’ny tenin’i Kristy, ampiorenana ny finoana izay nomen’ny Tompo antsika ry havana ô. AOKA IZAY ITY MIANTEHITRA AMIN’NY FAHAGAGANA, AMIN’NY FANASITRANANA MAHAGAGA SY AMIN’NY FAMPANANANA HARENA MAHAGAGA RY HAVANA Ô. Raha ny amiko manokana ry havana, io mananontanona io ny Coronavirus izao. Teny entiko hamakivakiana sy hiatrehina an’io Coronavirus : raha sanatria aho, sanatriavina amin’ny maha-olombelona, tratran’izany hoe Coronavirus izany, ny teniko amin’i Kristy dia hoe : « izay izany Jesoa an, fa Ianao efa nitondra an’io aretiko Coronavirus io, ary fantatro fa ny dian-kapoka nihatra taminao no hoe hanasitrana ahy amin’io Coronavirus io ». Izay ilay izy ry havana ô. Isaia 53.

Izay ny fahamarinana 1, hoe : AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO FA MALEMY FOTOTRA IZANY.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO

Ahoana ilay Fahamarinana 1 ? AZA AORINA AMIN’NY FAHAGAGANA NY FINOANAO. Ilay faharoa dia hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO. Raha ny tena marina, ilay fahamarinana 2 dia izao, hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO KA MIBEBAHA.

Andao ary jerentsika ilay tapany faharoa amin’ilay and.39-41 :« nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany. Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto ».

Inona moa ry havana no ampianarin’i Jesoa eto ? Ampianariny antsika eto ny fototry ny finoana kristiana, ny votoatin’ny finoana kristiana, ilay essence-ny filazantsara, ilay noyau an’ilay filazantsara, ilay votoatin’ny filazantsara : Kristy maty noho ny fahotantsika ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo. Izany ny famantarana, izany ny fahagagana lehibe indrindra maneran-tany, ary tsy mbola nisy fahagagana ohatran’izany hatrizay hatrizay : Kristy maty ary nitsangana tamin’ny maty.

Manazava Izy amin’ireto Fariseo ireto, amin’ireto Fariseo sy mpanora-dalàna ireto, izany hoe mahay Soratra Masina izany ireto olona ireto fa tsy mety mino. Izao hoy Izy an : hitako ny fonareo ratsy sy mijangajanga io. Nefa nomena famantarana ihany ianareo, ny famantaran’i Jona, dia ilay Jona natelin’ny hazandrano, hazandrano be ka nitoetra tao anatin’izany hazandrano be izany 3 andro sy 3 alina. Parenthèse : tsy angano angano, tsy conte na légende izany tantaran’i Jona izany fa tena raisin’i Jesoa hoe tantara tena nitranga mihitsy ; io tantaran’i Jona tany anaty baleine io. Dia izao hoy Izy : hitanareo ny zavatra nitranga tamin’i Jona, dia hoe : rebelle Jona, rebelle, mpiodina, nandà an’Andriamanitra izy, dia nofaizin’Andriamanitra, nanarin’Andriamanitra, nalefany tany anaty kibo-na hazandrano be hateloan’andro sy hateloan’alina. Fa rehefa nivoaka avy ao Jona : olom-baovao Jona nivoaka avy ao, nanana toe-po sy toe-panahy vaovao, nankatoa ilay iraka nampanaovin’Andriamanitra azy, dia niteny tamin’i Ninive hoe nareo ange raha tsy mibebaka e, dia ho ringana ianareo afaka 40 andro e. Inona ny zavatra nitranga hoy Jesoa ? Asa moa ireto olona tao Ninive ireto raha nandray tsara ny tantaran’i Jona, fa avy hatrany dia nibebaka izy rehefa notenenina izy hoe : Mibebaha ianareo raha tsy izany ianareo ho ringana afaka 40 andro ; dia nibebaka Ninive ry havana ô. Ary izay no ohatra anambaran’i Jesoa ny tenany. Io tantara nitranga tamin’i Jona io hoy Izy, dia tandindon’ny zavatra hitranga tamin’i Jesoa. Jona : 3 andro izy tany anaty kibo-na hazandrano, fa Izaho lehibe no Jona, Izaho 3 andro tany anaty fasana. Izay ilay izy. Izaho teo amin’ny hazo fijaliana ary tany anaty fasana ; izany no maha-lehibe Ahy noho i Jona. Ary Izaho lehibe noho i Jona satria Izaho nitsangana tamin’ny maty hoy Jesoa Kristy, mba hahazoanareo famelan-keloka sy fanamarinana izay hanjary fiainana mandrakizay. Izany no votoatin’ny filazantsara, izany ny votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Ary tahaka an’i Jona, izay niteny tamin’i Ninive hoe rehefa tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana ianareo afaka 40 andro. Nibebaka hoy isika Ninive. Ireto jiosy ireto nahare an’izany ho ianareo anie ka raha hoe tsy hibebaka e, dia ho ringana ianareo. Marina ara-bakiteny ny tenin’i Jesoa ry havana, satria taorian’izao teny izao, tsy nino ilay jiosy, tsy nandray Azy ho Mesia mpanafaka sy hitondra azy ho any amin’ny fiainana mandrakizay ; tsy nibebaka izy. Tsy 40 andro tahaka an’i Ninive, fa 40 taona dia rava Jerosalema ry havana ô. Tsy kilalao ry havana ô, izany hoe « miverena » ; tsy kilalao ry havana ô, izany hoe « mibebaha » ; tsy kilalao ry havana ô, izany hoe « mifonà ary miverena amin’Andriamanitra ». Tsy katekisma fandre isan’Alahady izany. Averin’Andriamanitra satria ny sofintsika lalodalovana ry havana ô. Lalodalovana ny sofintsika. Fa ny olona marina, ny ahafantarana hoe misy olona mahafantatra fa hoe Jesoa Kristy dia maty teo amin’ny hazo fijaliana, nalevina, nitsangana tamin’ny maty ho azy, dia mibebaka izy. Izay no mahatonga ilay fahamarinana 2 hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO KA MIBEBAHA. Andao anie jerentsika ny tenin’ny Apostoly Paoly manazava an’io : 1 Korintiana 15. Ato moa izao misy tsy mahalala ny fisian’ny 1 Korintiana 15. Nefa ianao raha miteny hoe fantatro Paris nefa tsy fantatrao hoe misy Tour Eiffel ao Paris : tsy mahafantatra an’i Paris ianao. Raha eto Antananarivo ianao ka tsy mahafantatra hoe misy an’io Rova io. Ary ianao milaza fa mamay Baiboly, tsy mahafantatra ny fisian’ny 1 Korintiana 15 : tsy mahafantatra ny ataoa hoe Baiboly ry havana. Ity ry havana no aza lazaina hoe ivon’ny Baiboly, ity 1 Korintiana 15 ity. Dia ahoana hoy Paoly manazava ? Jereo tsara eo amin’ny and.3 : « Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika ». Izay ry havana ô, no notenenin’i Paoly, no notorian’i Paoly tamin’ireto Korintiana ireto en priorité : ny fahafatesan’i Kristy, maty noho ny fahotany. Tadidio mandrakariva izay. Izay ilay izy ry havana ô. Ary avy eo Izy dia hoe : nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Dia jereo tsara ireo vavolombelona ; efa henontsika ombieny ombieny ity, aleo fantsihana ry havana ô, and 5 sy ny manaraka : « ary niseho (voalohany) tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa (faharoa). Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy (fahatelo), ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. (Faha-efatra) Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, (ary faha-dimy) dia tamin'ny Apostoly rehetra. (Ary farany dia niseho tamiko Paoly Izy) Ary faran'izy rehetra, izaho ». In-6 izany ny 1 Korintiana 15  no nilaza hoe vavolombelona nahita an’i Jesoa rehefa avy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ry havana ô. Izany hoe zavatra azo antoka io. N’inon’inona fahaizanao, tsy afaka hanakosoka ianao hoe nisy an’izany Jesoa izany nitsangana tamin’ny maty ry havana ô. Maty Izy noho ny fahotako, nalevina Izy, ary nitsangana tamin’ny maty. Fa raha maty moa Izy, maty Izy ka tsy nitsangana tamin’ny maty, dia azo tantaraina daholo anie izay azo tantaraina e. Fa nitsangana tamin’ny maty Izy, hanamarinana an’ilay asa-pamonjena ry havana. Dia jereo tsara ato amin’ny 1 Korintiana 15 ry havana, dia hoe, and.14 « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo ». Tsisy zavatra torian’ny Fiangonana ry havana ô, ary ny Fiangonana mitory hoe gestion de temps, leadership, oaoaoa, sy ny karazany, mety ilaina izany, fa izany no hasolo ny filazantsaran’ny fitsanganan’ny tenan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty : tsy Fiangonana araka ny filazantsara izany. Foana ny toritenin’ny Fiangonana rehefa tsy mitory ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izy, fa minomino foana isika rehefa tsy mahafantatra fa hoe maty Kristy ary nitsangana tamin’ny maty noho ny fahotantsika izany. Dia jereo tsara ny fananteran’i Paoly an’izany eo amin’ny and. 17-18 : « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany hianareo ; dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy ». Mbola ao amin’ny fahotana. Izany ry havana no nidinan’i Jesoa avy any an-danitra an : ny otako sy ny otanao io e. Izany ; raha mbola tsy azonao izany, tsy azonao ny filazantsara ry havana ô. Ary dia foana, paokaty ny finoanao, minomino foana ianao. Fa raha azonao izany ry havana, raha azonao izany, dia hoe : hay, nisolo voina ahy, nisolo heloka ahy teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa mba hananako fiainana mandrakizay. Tena hoe raisiko au sérieux amin’izay ny fahotako manomboka anio ; Raisiko au sérieux ny fahotako ary ataoko marina amiko ilay tenin’i Joela teo hoe : an an an, fantatro fa na Pasitera aza aho, hatramin’ny fara-fofon’aiko, na dia miezaka sy miady aho, mbola mety ho lavon’ny fahotana. Fa isaky ny lavon’ny fahotana aho, dia triatra ny foko tahaka izay tenin’i Joela ry havana ô. Donc tena hoe tsy fanahy iniana, tsy ahitana fahafinaretana ilay fahotana, fa tena hoe fahotana manatriatra ny fo ry havana ô. Tsisy te ho triatra fo izany e. Ary dia fantatro fa rehefa triatra ny foko an, dia Jesoa ilay nitsangana tamin’ny maty ka velona mandrakizay, sady mifona ho ahy eo anilan’ny Ray Izy, ary manangana ahy hoe : tohizo ny lalanao, tohizo ny fanompoanao, mahareta amin’ny fanarahana Ahy fa Izaho hampitombo anao amin’ny fanahafana Ahy, fa izay ny contrat-ko aminao.

Izay ny fahamarinana 2 ry havana, hoe : AORENO AMIN’NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY FINOANAO DIA MIBEBAHA

Mijereva anie ianareo sur Youtube ry havana e, misy Fiangonana sasany manao toriteny miezinezina momba an’io 1 Korintiana 15 io, fa ny tena fahagagana amiko, dia mitoriteny momba ny 1 Corinthiens 15 izy, tsy miresaka ota sy famelan-keloka na indray mandeha aza. Fiangonana tsy tarihin’ny Fanahy Masina izany ry havana ô. Manazava tsara ny amin’ny herin’Andriamanitra manangana ny maty izy, fa na indray mandeha aza ilay voambolana hoe ota sy fanafahana amin’ny ota tsita. Tsy toriteny avy amin’ny Fanahy Masina izany ry havana ô.

Ny Fahamarinana 3 farany dia hoe : HENDRE AMIN’IZAY

Matio 12 :42 : « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto ». Nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.

Notenenina teo hoe lehibe noho i Jona Jesoa ; nefa Jona aza, tamin’ny nitoriteny tao Ninive, ny vahoaka iray manontolo tarihin’ny mpanjaka dia nibebaka. Andao anie vakiana ihany ilay izy fa mamy loatra ilay Jona. Jona 3 : 6 : «Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona ». Izay hoya ho ilay vokatry ny toritenin’i Jona tao Ninive. Mpanjaka, niala avy teo amin’ny seza fiandrianany. Ny olona mibebaka ry havana ô, dia hoe miala eo amin’ny seza fiandrianan’ny fony, fa Jesosy no asaina mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fonao. Izany ny olona mibebaka satria mahafantatra fa Jesoa io dia Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo, ary maty nisolo heloka anao teo amin’ny hazo fijaliana. Fa raha mbola ianao no mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fonao, non non non, tu n’as rien compris à l’évangile. Izay ilay izy ry havana. Nidina avy ao amin’ny seza fiandrianana izy, dia ahoana hoy izy ? « Nanaisotra ny akanjom-boninahiny ». Izay rehetra maha-izy azy, ny maha-mpanjaka azy, ny voninahiny, ny fanambarana fahefana rehetra rehetra : alany izany satria nibebaka izy. Dia ahoana koa ? « Nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona » ; nipetraka tamin’ny lavenona. Io zavatra imatimatesanao io anie ry havana, iraketan’ny fonao eo amin’izao tontolo izao io e, ambaran’ny Soratra Masina aminao : lavenona io, lavenona io.

Misaotra ny Tompo afaka nifampahatsiahy kely momba an’i Jona. Misy mihoatra an’i Jona eto hoy Jesoa. Fa eto koa hoy izy, misy mihoatra noho Solomona. Zavatra tokana no nahafantarana an’i Solomona tany am-piandohan’ny fiainany sy ny fanjakany, dia ny fahendreny ry havana ô, ny fahendreny. Solomona hendry, fa hoy Jesoa hoe : misy lehibe noho Solomona eto, dia Izaho Jesoa. Solomona mpanjaka hendry ary mivavaka isika mba hanana mpanjaka sy mpitondra hendry tahaka an’i Solomona e ; izany ny antom-bavak’isika malagasy, raha tsy izany, mbola ao anatin’ny fisaonana no hankalazantsika ny faha-60 taonan’ny fahaleovan-tena e. Andao isika hivavaka mba hoe hanana mpanjaka manana n fahendren’i Solomona. Fa Solomona hendry ; Jesoa lehibe noho Solomona satria Jesoa dia fahendrena tonga nofo. Jesoa dia fahendrena tonga nofo ry havana ô. Fa efa nampitolagaga ange e, izany hoe fahendren’i Solomona izany. Misy an’ilay mpanjakavavy, la reine de Saba, mpanjakavavy avy any Seba, avy any atsimon’ny Egypta any moa izany hoe Seba izany, tamin’izany fotoan’andro izany, hoe niakatra handeha hijery an’izany Solomona izany ry havana ; nanao izy 1.600km hahitany an’i Solomona. Nojereko kely hoe ohatran’inona raha eto Madagasikara izany 1.600km izany. Ohatrany hoe miala any Fort-Dauphin hono izany dia asa tonga hatrany Majunga na tonga any Ambilobe any. Izany à peu près ilay nataon’ity mpanjakavavy avy any Seba ity. Mandeha rameva izy an, fa tsy mandeha 4*4 ohatranareo ; mamakivaky efitra tora-pasika. Izay ilay izy. Lafo, mandreraka, fa izany no hoe vehivavy mitady fahendrena, vehivavy mitady fahendrena. Ary ho antsika izany satria isika tenenina hoe : « mba hendre amin’izay e ». Izay ilay zavatra. Vehivavy nitady fahendrena. Dia jereo ny hagagany ry havana rehefa teo anoloan’i Solomona izy, nahita an’i Solomona, nahita ny lapany, nahita ny fisakafoanany, nahita ny meuble-ny, nahita ny fombany. Andao anie jerentsika e, 1 Mpanjaka 10 :7-8 : «Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay!na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! ». Izaho nanao 1.600km io hoy ilay mpanjakavavy avy any Seba, hay tsy ny antsasaky ny réalité akory no tonga tany amiko tany rehefa mifanatri-tava aminao aho ry Solomona mpanjaka, ny amin’ny fahatsaranao, ny amin’ny fahendrenao, nefa ampy nandrisika ahy hoe handeha hijery anao. Tsy antsasaky ny zavatra reko tany. Ary dia jereo ; enga anie ka mba hisy hiteny an’izany amintsika ry havana ô, ao amin’ny fiainantsika, ilay and.8 hoe : « Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! ». Enga anie isika lehilahy mba ho sambatra ny vadintsika, nareo vehivavy ho sambatra ny zanakareo mahita anareo, mahita ny fahendrenareo, mahita ny fahatahoranareo an’Andriamanitra, tsy ny Alahady ihany, fa ao amin’ny tokantrano, ao amin’ny ankohonana amin’ny Alatsinainy hatramin’ny Sabotsy koa, any amin’ny toerana misy anareo any, any amin’ny fandrarahana any, any amin’ny varotra any, any amin’ny fitantanana firenena any : asehoy fa hendry amin’ny fahendren’Andriamanitra ianareo. Fa izao ange e : possible izany e, izany ho an’ny jiosy izany ry havana, na ho an’ny jentilisa ohatran’ilay mpanjakavavy avy any Seba ; fa ianao, Kristy ry havana ô, Kristy izay maty ho anao, nilevina ho anao, nitsangana tamin’ny maty ho anao ; une fois namonjy anao Izy, tsy mamela anao irery fa hoy Andriamanitra hoe tamin’i Jesoa : andao alefantsika ny Fanahy Masina mba hitari-dalana an’io zanako vao natsangako io, io mpanompoko vao novonjeko io. Tsy avelako irery io, fa andao alefantsika aminy ny Fanahy Masina ; ary io Fanahy Masina io ry havana ô, Fanahin’ny fahendrena ary mila raisina amin’ny finoana izany. Mahafinaritra ilay filazan’ny mpitoriteny hoe : inona moa izany no atao hoe finoana eto e ? Rehefa niteny aho hoe ny votoatin’ny finoako dia hoe Krisy maty noho ny fahotako ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo an, dia hoe : ilay finoana koa dia hoe karazana tanana andraisako an’izany fahendrena atolotr’i Kristy ahy izany, mba handeha amin’ny fahamasinam-piainana aho, handeha amin’ny fahendrena sy ny fahatahorana an’Andriamanitra ry havana ô. Ary ny olona mandeha amin’ny fahendrena, ny olona mandeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia araka ilay teny eto, hoe : mahafantatra fa ho avy ny andro fitsarana. Ary inona ny zavatra hitranga ? Zavatra hampalahelo be ry havana ny zavatra hitranga amin’io fitsarana io. Hoy ny and.42 hoe : « mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy ». Ry havana, alaivo sary an-tsaina anie ilay scène hitranga amin’izany e. Mitsangana eo isika Fiangonana, eo koa ry zareo avy eo Ninive, eo koa ilay mpanjakavavy avy any Seba ; samy mitsangana eo. Ireo ry havana ô, hiara-mitsanga amintsika hanameloka antsika satria hoe io Fiangonan’Andriamanitra io, nahazo toriteny asan’Alahady nitaona azy ho amin’ny fibebahana ; tsy mba ohatranay ; izahay nitoriana indray mandeha dia nibebaka. Fa ireto, isaky ny hitoriana fibebahana dia hoe : « efa reko, efa reko, efa reko ». Hitanareo, izay ilay feon’ny saobakaka : « efa reko, efa reko, efa reko ». Hijoro eo anilanao, ary jentilisa no hitsara ny vahoakan’Andriamanitra, jentilisa no hitsara ny Fiangonan’Andriamanitra. Zavatra mahamenatra izany ry havana ô. Zavatra mahamenatra. Ary izany no maha-urgent an’ity hoe lohahevitra volamena ity, hoe : « Mibebaha, mibebaha, ka miverena amin’ny Tompo » ry havana ô. Ary aoka ny finoanao, aoka ny finoanao ho finoana iorina amin’ny toriteny sy amin’ny tenin’i Kristy.

Hamarana aho ry havana. Iaraha-mahita fa tandidomin-doza izao tontolo izao amin’ny alalan’ity hoe « coronavirus » ity. Ny olona hendry dia manana fijery, mitovy fijery amin’Andriamanitra. Andeha anie sokafantsika ny Mpitoriteny 7 :2 : « Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany ». Ry havana ô, henoy tsara : izao tontolo izao, raha fijerena avy any an-danitra, azo oharina amina trano anankiray. Ary noho io « coronavirus » io ry havana dia hoe azo lazaina fa hoe trano misy fisaonana, ankehitriny ity tany misy antsika ity. Ary satria ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra ry havana ô, dia aoka ho fantatrao : rehefa mijery ny olona aman’arivony efa maty atsy sy aroa ry havana, dia hoe : « ah, ianao izany Andriamanitra ô, ianao izany Andriamanitra ô, no mampahatsiaro ahy fa amin’izany no iafarana e, amin’izany ho iafarana. Ary mandrisika ahy hibebaka izany. Alatsako ao am-poko izany, mandrisika ahy hibebaka izany. Tsy hanao tahaka an’ilay jiosy tamin’ny andron’i Jesoa aho » ; jereo tsara anie ilay jiosy tamin’ny andron’i Jesoa e : ilay mpanjakavavy avy any Seba nanatona an’i Solomona nefa Jesoa anie no nanatona an’ilay jiosy e ; fa tsy hoe ilay jiosy no nanatona an’i Jesoa. Jesoa no nidina avy any an-danitra nanatona an’ilay jiosy nefa mbola nanetsin-tadiny ilay jiosy. Jesoa no nidina avy any an-danitra ry havana ô nefa dia hoe tsy nanome toerana an’i Jesoa ireto jiosy ireto, tao am-pony, tsy nety nibebaka. Ary izany no anisan’ny message-n’io « coronavirus » io : trano misy fisaonana ity tany ity ankehitriny. Ny velona handatsaka an’izany ao am-pony, ary hisaina an’izany hoe : e, io corona io ange e, mety hanafaingana ny andro hitsarana anao ry havana ô. Fa trano misy fisaonana no ivahiniantsika ankehitriny. Izay ny anankiray ry havana ô. Ary ny faharoa dia izao : ny olona hendry dia mandatsaka ao am-pony izany ; fa faharoa, ny olona hendry ankoatra ilay fepetra hoe ataon’ny Président de la République sy ny dokotera, ny mampianavaka antsika : ny olona hendry dia mivavaka. Ny olona hendry dia mivavaka. Andeha ange jerentsika ny karazana tonom-bavaka azontsika atao eo anatrehan’izao corona izao e. Salamo 86 :2-3 : « Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao. Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva ». Ilay tonombavaka dia hoe : eny e, asa na rahoviana na rahoviana io corona io no ho avy eto Madagasikara, diso hevitra ianao raha tsy ho tonga eto io ry havana ô, diso hevitra ianao. Fa izao : aoka io ho occasion itomboanao amin’ny finoana. Ilay finoana indray dia confiance hoe eo am-pelatanan’Andriamanitra ny momba an’io corona io ry havana ô, eo am-pelatanan’Andriamanitra ny momba an’io corona io. Fa ny ataoko, dia hoe : « arovy ny fanahiko ». Ilay hoe « masina » dia hoe : « mahatoky aho, fidèle Aminao aho ». Tsy ilay ratsy fanahy, tsy ilay mpijangajanga aho, fa mahatoky. « Arovy ny fanahiko fa mahatoky aho.  Arovy ny fanahiko fa mahatoky aho ». Mianara mivavaka an’izany ry havana ô. Ary hoy ilay and.3  hoe : « Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva ». Ianao no itarainao mandrakariva ; Ny DIEM dia mandika hoe : « Miantso Anao aho tontolo andro, Miantso Anao aho tontolo andro ». Enga anie ry havana ka eo anatrehan’izao corona izao an, hisy vitsivitsy amintsika hianatra hiantso an’i Jesoa tontolo andro, tontolo andro. Tsy maraina vao mifoha ihany, tsy ny hariva hisaotra ihany, fa tontolo andro. Hangataka ny famindram-pony, hangataka ny fiarovan’ny Fanahy.

Mahatsiaro ny tantaran’izao tontolo izao ry havana, dia hoe : ny 11 Novembre dia ahatsiarovana ny « armistice ».  « Armistice » : ny namaranan’ireo firenena tafiditra tamin’ny ady lehibe voalohany izany ady izany. Fa hoe aleo mihavana, fa sao dia ringana eto isika mianakavy. 20 millions de morts tamin’izany. Dia hoe andao hanao « armistice ». Dia hoy ilay mpitoriteny anankiray : mampieritreritra hoy izy io « armistice »io, satria tena hoe niniana nosoniavina 11 Novembre. Ary niniana nosoniavina tamin’ny 11ora. 11-11-11. Dia hoe, tao an-tsain’ny mpanao sonia, asa, ny ankamaroany angamba kristiana tamin’izany, mpitondra firenena kristiana, dia hoe ilay ora faha-11 mialohan’ny ora faha-12 an, mety hoe oran’ny fandringanana. Dia hoe adin’iray sisa tsy ahatongavan’ny fandringanana. Izay no nanaovany azy hoe, andao ho tsarovana mandrakizay izany hoe 11 Novembre amin’ny 11 izany. Ry havana ô, possible, adin’iray sisa tsy ahatongavan’ny mamanton’alina ; possible adin’iray sisa tsy ahatongavan’izany hoe fandringanana izany. Hoy ny Tompo, araka ilay hirantsika 354 teo, hoe : « Mihavana Amiko, mihavana ianareo ary mibebaha ».

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena