ALAHADY 22 MAR 2020

« Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ». 2 Timoty 2 :22-26

Ity epistily faharoa toko faharoa, ny andininy faha 22 sy ny manaraka no hakantsika hafatra ry havana, azo ampitondraina ny lohateny hoe : HAFATRA HO AN’NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA. Ary ilay mpanompon’Andriamanitra eto, tsy mandreraka ny mamerina ry havana ô, fa hoe andevo, andevon’Andriamanitra ; HAFATRA HO AN’NY ANDEVON’ANDRIAMANITRA.

Misy fahamarinana anankitelo ry havana, izay ho sintomintsika avy amin’ny texte.

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : izany hoe andevon’Andriamanitra izany dia mihazakazaka. NY ANDEVON’ANDRIAMANITRA DIA MIHAZAKAZAKA.
Hoy Paoly eo amin’ny and.22 : « Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio ». Ny zavatra atoro ny andevon’Andriamanitra izany dia hoe : « mandosira ny filan'ny tanora fanahy ». Ilay antsoina hoe « tanora fanahy » dia araka izay lazain’izany teny izany dia hoe, ilay olona manompo, fa tsy manompo tahaka ny andevo izy, ohatra moa izany, dia manao asa-na diakona, asa-na mpiandraikitra sampana, karazana activités izy, fa tsy hoe service ataon’ny andevon’i Jesoa ry havana ô. Ary rehefa izany no ataon’ilay olona tanora fanahy, dia ataony amin’ny fomba taitaitra, tsy matotra, ny fiavonavonana hita matetika eo amin’ny toetrany, manana faniriana hisandratra, manana ambition izy hoe : « izaho indray aloa dia birao-na sampana aho amin’ity, fa ny ahy ny tena tanjoko, tsy maintsy président » sy ny tahak’izany, dia ovaovaina daholo ny zavatra rehetra. Izay aty am-piangonana ilay « filan’ny tanora fanahy ». Eo ihany ilay filan’ny nofo eo amin’ny tanora fanahy, fa hoe : izay no « filan’ny tanora fanahy ».

Dia hoe Paoly hoe : « mandosira ». Ilay teny azo adika hoe : « mandosira eo am-pihazakazahana ». Ohatran’ny mandositra loza. Mandosira ka mihazakazaha – Mandosira ny filan’ny tanora fanahy.

Dia hoy ihany Paoly eo amin’ny and.22 hoe : « ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio » : « ary mihazakazaha mitady fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio ». Amin’ny mpanompon’Andriamanitra, amin’ny andevon’i Jesoa tahaka anao izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio : mihazakazaha mitady fihavanana amin’izany olona izany ry havana ô. Izay ny fomban’ny andevon’Andriamanitra. Izany hoe : misafidy izy izay tena ho hinamanana any amin’ny fifandraisana manokana, olona tahaka azy, miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Ilay hoe « fo madio », dia azo adika amin’ny teny frantsay, hoe : fo tena hoe centré, fo centré amin’i Jesoa. Izany ilay « fo madio » ry havana ô.
Mihazakazaha mandositra ny filan’ny tanora fanahy – Mihazakazaha mitady izay madio fo ohatranao.
Dia rehefa miaraka aminy, mifandray aminy, dia hoe mitady fahamarinana, mifanampy, mifamporisika hitady fahamarinana. Ilay « fahamarinana » na hoe « justice » moa dia hoe : mifanampy hanana relation juste na correcte amin’Andriamanitra izany e. Mifanampy hanana relation juste na correcte amin’ny mpiara-manompo sy amin’ny mpiara-miangona izany e. Miezaha mitady an’izany fahamarinana izany hoy Paoly Apostoly.

Miezaha mitady finoana, hoe : mifamporisiha hanana fahatokiana tanteraka, hoe hita hoe i anona iny indray, tsy miankina amin’ny volany izany, tsy miankina amin’ny fahaizany, fa hita amin’ny fihetsiny fa tena hoe manakim-po tanteraka amin’Andriamanitra.

Miezaha mitady fitiavana. Ilay fitiavana dia hoe hita amin’ny fihetsiko fa hoe Andriamanitra tia ny olona rehetra ho vonjena. Miezaha mitady an’izany fitiavana izany.

Miezaha mitady fihavanana : manànà fifandraisana amin’ny namana, fifandraisana mirindra.
Epistily pastoraly mantsy ity hoe Timoty sy Titosy. Rehefa jerena ny fiainam-piangonana ry havana, dia hatraiza hatraiza : ekipa, clan amin’ny fifandraisana ao amin’ny fitandremana, any amin’ny faritany, ao amin’ny foibe. Fa hoe : miezaha e, mihazakazaha, tadiavo amin’ny fonao rehetra izany, amin’ny herinao rehetra izany, amin’ny sainao rehetra izany : fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo tahaka anao, amin’ny fo madio.

Izay izany ilay fahamarinana 1 ry havana, hoe : MANDOSIRA NY FILAN’NY TANORA FANAHY, MIHAZAKAZAHA ARY MIEZAHA, MIHAZAKAZAHA MITADY NY OLONA IZAY MIANTSO NY TOMPO AMIN’NY FO MADIO TAHAKA ANAO.

Ny fahamarinana 2 dia izao ry havana : NY ANDEVON’I JESOA DIA MAMPIANATRA AMIN’NY FAHALEMEM-PANAHY.
Ny fahamarinana 1 dia hoe mihazakazaka. Ny fahamarinana 2 dia hoe : mampianatra amin’ny fahalemem-panahy. Hoy ny and. 23-24 : « Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo ( io ilay hoe andevon’ny Tompo izany ) fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra ». Hoy Paoly hoe : « mahay mampianatra ». Dia hoy isika amin’izao fahamarinana 2 izao hoe : « mahay mampianatra », dia olona mahafehy ny zavatra ampianariny mazava ho azy, fa hoe : « mampianatra amin’ny fahalemem-panahy ». Mampianatra ny fototry ny finoana, mampianatra ny fondamentaux de la foi. Fa mahay mampianatra amin’ny fahalemem-panahy, mahalefitra hoy Paoly, na eo aza izay mety ho fandrangitana izany e. Fa na hoe mampianatra amin’ny fahalemem-panahy, dia mampianatra ihany koa hoe misy zavatra tsy azo iadiana hevitra, misy zavatra tsy azo andeferana, misy zavatra tsy négociable. Izay ilay izy. Fa ianao mampianatra, dia araka ny tenin’i Petera ao amin’ny 1 Petera 3 :15 hoe : mampianatra amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. Mampianatra amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. Io ry havana ilay adika amin’ny teny frantsay hoe : « Affable ». Hoe ianao mampianatra, aoka affable. Sady malemy fanahy, tsy mivatravatra, nefa koa hoe manaja ilay olona hitenenanao na mihaino anao. Ary tsy asan’olombelona izany, fa asan’ny Fanahy ry havana. Asan’ny Fanahy ao amin’ny andevon’i Jesoa. Ilay Fanahy izay mamokatra hoe : fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Azo adika mihitsy amin’ilay hoe « affable » izany. Tena faly ianao, mampianatra ianao amin’ny fitiavana mampianatra, fa mampianatra ianao amin’ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, amin’ny fahamoram-panahy, amin’ny fahalemem-panahy, amin’ny fahononam-po.

Izay ilay fahamarinana 2 ho an’ny andevon’i Jesoa ry havana, hoe : MAMPIANATRA AMIN’NY FAHALEMEM-PANAHY. Fa izao : miteny mazava ny Tompo, ny Soratra Masina hoe : « malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra » ; fa indraindray, miteraka fivakisan’ny Fiangonana izany. Tsaroantsika tamin’ny andron’i Lotera, ilay mpanitsy fivavahana, tena hoe ni-insiste izy tamin’izany hoe fanamarinana maimaim-poana amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Hamarinina maimaim-poana amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny olona, fa tsy amin’ny asan’ny làlàna, dia teraka ny fanitsiam-pivavahana, teraka ny fivakisan’ny Fiangonana, teraka ny Fiangonana protestanta ry havana.
Ianao mampianatra, mahalefitra ianao eo am-mpampianarana ; fa indraindray ilay fampianarana misy zavatra tsy azo négocié-na.

Any Etats-Unis ry havana amin’izao fotoana izao, ny Fiangonana protestanta dia efa manomboka mivaky roa. Ohatra izao ny église méthodiste, ny Fiangonana metôdista any Etats-Unis dia tena hoe mivaky roa izy : ao ny mankasitraka ny fanambadian’ny homosexuel, ao ny tsy mankasitraka
Dia hoe : aleo mizara, aleo mizara. Dia ohatran’izany koa ry havana ny église anglicane any Etats-Unis efa misakana. Tsy maninona izany, tsy maninona. Fa hoe : ianao mahay mampianatra, mampianatra amin’ny fahalemem-panahy, mahalefitra ; fa misy zavatra tsy azo andeferana.

Dia izay ilay fomba fampianaran’ny andevon’i Jesoa ry havana, hoe : mampianatra amin’ny fahalemem-panahy. Fa miteny ihany koa Paoly hoe : « mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony ».Ianao mampianatra izany : mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony ; « satria fantatrao fa mahatonga ady izany ».
Inona indray ary ilay hoe : fanontaniana adaladala tsy misy antony mahatonga ady ? Ampianaro tsara ry havana ô, ampianaro tsara, fa efa tany amin’ny Genesisy 14 :20 no napetraky ny Tompo sy nankasitrahany ny fanaovana fahafolon-karena. Izany hoe Genesisy 14, talohan’ny Eksodosy sy ny fanomezana ny làlàna dia efa hoe napetraka ny fahafolon-karena. Ary rehefa jerenao ry havana ny tenin’i Jesoa, tsisy ao, tsisy teny ao hoe fanilihana na fandavana izany fahafolon-karena izany. Ampianaro, fa mialà ny fanontaniana adaladala mikasika ny fahafolon-karena. Fa ny ao ambadik’izay fanontaniana adaladala izay raha ny marina fitiavam-bola sy fahihirana amin’ny fahafoizana.

Ampianaro ny momba ny fanasana tongotra, Jaona 13 :14-15: « Koa raha Izaho,
Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo (hoy Jesoa), ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo ». Ampianaro ry havana ô, ampianaro indray mandeha, indroa. Araka ny tenin’i Petera, ampianaro amin’ny fahalemem-panahy sy amin’ny fanajana.
Ampianaro fa tsy tian’ny Soratra Masina ny mikirakira faty maina, ny mamadika sy ny tahak’izany.
Ampianaro, fa rehefa tsy laitra anarina dia ialao.
Izay ilay lazain’i Paoly hoe : « mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony ».
Raha tsy diso aho efa notantaraina teto amintsika ilay hoe Fiiangonana anankiray tany Etats-Unis tany, Fiangonana protestanta tany Etats-Unis tany, tapaka teo amin’ny ambaratonga hoe hiroso amin’ny fanasana tongotra ao am-piangonana. Dia efa ady hevitra mafana moa izany. Dia nony nandeha tsikelikely ilay fanasana tongotra dia tonga ilay lazain’i Paoly hoe fanontaniana adaladala. Ny sasany miteny hoe rehefa manasa tongotra dia ny tongotra havia no anombohana azy. Ny sasany indray miteny hoe an an an, tongotra havanana no anombohana azy. Dia tena hoe tsy nisy farany ilay ady hevitra, nangotraka ilay ady hevitra, tonga tamin’ny fivakisan’ny Fiangonana ilay ady hevitra. Dia ny zavatra nitranga : samy Fiangonana izy dia hoe : « Fiangonana batista, manasa tongotra, tongotra havia » ary ny anankiray : « Fiangonana batista, manasa tongotra, tongotra havanana » ; manomboka amin’ny tongotra havia - manomboka amin’ny tongotra havanana. Izay ilay hoe lavo e, lavo ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. Lavo ny fanontaniana adaladala. Ianao mampianara, dia hoe : lanio ny fotoananao, lanio ny herinao amin’ny fampianarana sy ny fanompoana ny Tompo tahaka ny andevo ry havana.

Ny Fahamarinana 3 farany dia hoe : Manafaka izay nataon’ny devoly sambo-belona ny mpanompon’Andriamanitra. MANAFAKA IZAY NATAON’NY DEVOLY SAMBO-BELONA NY ANDEVON’I JESOA.
Ny fahamarinana 1 hitantsika dia hoe : Ny andevon’i Jesoa dia mihazakazaka.
Ny fahamarinana 2 dia hoe : Ny andevon’i Jesoa dia mampianatra amin’ny fahalemem-panahy.
Ny Fahamarinana 3 dia hoe : NY ANDEVON’I JESOA DIA MANAFAKA IZAY NATAON’NY DEVOLY SAMBO-BELONA.
Hoy ny and.25 sy 26 : « mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ». Araka ny efa notsiahivina teo ry havana, ity hoe epistily ho an’ny Timoty ity dia hoe epistily pastoraly ampianaran’ny Apostoly Paoly an’i Timoty, nefa ho antsika rehetra, hoe : momba ny fiainam-piangonana sy ny fitantanana sy ny fitaizana ny Fiangonana. Dia eto ry havana misy fahamarinana izay tena hoe tsy omen’ny Fiangonana lanja, dia ny hoe : maro ao amin’ny Fiangonana ao no nataon’ny devoly sambo-belona hanao ny sitrapony. Maro ao amin’ny Fiangonana no ataon’ny devoly sambo-belona hanao ny sitrapony. Ao amin’ny Fiangonana, ao amin’ny sampana, any amin’ny fikambanana, ary ny tena mampalahelo ry havana, dia hoe mandinika ny programa-piangonana ianao, programa-na fitaizana sy ny karazany : eo ihany ny fampianarana ny Soratra Masina, tena ilaina izany, ary iza moa no hampianatra Soratra Masina ny Fiangonana sy ny sampana raha tsy ny Fiangonana no hampianatra azy ? Fa rehefa jerenao ankoatra an’izay, dia ny zavatra mibahana koa dia hoe activités ohatrany hoe fianarana mahandro, fianarana informatika, tsy misy maharatsy an’izany, sport sy ny karazany. Fa mba diniho kely ange ry havana e, firy ny Fiangonana, firy ny sampana miteny hoe ity misy tetik’asa amin’ny fitaizana ny sampana hamantarana hoe iza amin’ny mpikambana ato amintsika no hoe latsaka ao amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ?

Izay ry havana, izay ny fahamarinana 3 hoe : IZANY ANDEVON’I JESOA IZANY MANANA NY FIJERIN’I JESOA, MIARA-MIASA AMINY HANAFAKA IZAY NATAON’NY DEVOLY SAMBO-BELONA ry havana ô. Ary une fois ianao izany miteny hoe : maro ny olona nataon’ny devoly sambo-belona ato amin’ity Fiangonana ity, dia hoe rehefa mijery ilay Fiangonana ianao sy ny mpivavaka ao aminy, ny mpikambana ao amin’ny sampana sy any amin’ny fikambanana, dia hoe tokony ho tehirizinao ao an-tsaina mandrakariva ny itadiavana ny famonjena azy, ny itadiavana ny restauration-ny, ny itadiavana ny fanafahana azy, ny itadiavana ny fanasitranana azy ry havana ô. Izany no mission-ny Fiangonana. Tsy izay association sportive any ivelany, antoko politika-ny any akory no hitondra azy any, fa isika no mahafantatra hoe : hay, ampahafantarina antsika fa hoe maro ny olona latsaka ao anatin’ny fandriky ny devoly ry havana ô. Ilay tenenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4 :4 hoe : « nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao ». Io ange ry havana izao e, efa renao izany teny hoe andevon’i Jesoa izany ; fa ianao izay tsy mahazaka ilay teny hoe andevon’i Jesoa, ianao anie tsy manana choix e. Rehefa tsy andevon’i Jesoa ianao ry havana ô, dia andevon’i Satana, ilay andriamanitr’izao tontolo izao. Ka raha miala amin’i Satana ianao ka tsy ho ao amin’i Jesoa, ao amin’ny fanjakany, novidiany mba ho andevony, dia mbola ataon’i Satana sambo-belona ihany ianao ry havana ô. Fa izay : tena misy izany olona hoe latsaka ao amin’ny fandriky ny devoly izany.
Dia rehefa miteny isika hoe manafaka izay nataon’ny devoly sambo-belona ny andevon’i Jesoa, dia tonga amin’ilay tenin’i Zakaria hoe, ao amin’ny Zakaria 4 :6 : misy teny atao amin’ilay olona nataon’i devoly sambo-belona, dia hoe : teny tsy atao «amin-kery na amim-pahatanjahana », hoy Zakaria 4 :6, « fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro ». Paoly moa miteny eo amin’ny and.25 hoe : « mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy ». Zakaria miteny hoe : tsy «amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro ». Jehovah Tompon’ny maro, hoe : Tompon’ny fahefana rehetra, fa tsy amim-kery an amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahy. Ary io Fanahin’i Jehovah io ry havana, efa hitantsika tao amin’ny Galatiana 5 teo hoe fanahin’ny fahalemem-panahy, « esprit de douceur ». Teny ataon’ny andevon’i Jesoa izany.
« Fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina ». Ilay Fanahy, ilay Fanahy Masina izay Fanahin’ny fahalemem-panahy miasa ao amin’ilay andevon’i Jesoa no hampibebaka ry havana ô. Ny dikan’izany, hoe Andriamanitra no hanome fibebahana, Andriamanitra ampahafantatra azy tsara ny marina e. Matetika ny olona hoe nanome varavarana ho an’ny devoly eo amin’ny fiainany, dia satria hoe tsy mahalala tsara ny marina. Ilay hoe mahalala tsara ny marina dia hoe : « Epignosis » : la pleine connaissance de la vérité. Fahamarinana tapany no manokatra lalana ho an’ny devoly ry havana ô, ao amin’ny fiainantsika. Fa hoe Andriamanitra, amin’ny alalan’ny teny ataontsika amin’izany hoe fahalemem-panahy izany, no hany ampahafantatra azy tsara ny marina. Fa raha hoe manao teny anangananao ady aminy ianao, dia tonga amin’ilay fitenintsika hoe : raha miady aminy ianao, dia ohatrany hoe miady amin’ny adala. Fa hoe ny teny ataon’ny andevon’i Jesoa, dia hoe : teny atao amin’ny fahamoram-panahy. Ary tsarovy ry havana ny teny volamena ampianarin’ny bokin’ny Ohabolana, ao amin’ny Ohabolana 25 :15 : « Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana ». « Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Ny vava, na hoe ny lela malefaka mahatapa-taolana. N’inon’inona hostilité eo anoloanao, n’inon’inona résistance, n’inon’inona herisetra, na vava malefaka mahatapa-taolana. Izay no ataontsika tsianjery androany ry havana : Ohabolana 25, :15b : « Ary ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Ianaro izany ary ampiaro isan’andro eo aminareo mpivady, amin’ny ankizy, amin’ny ray aman-dreny, amin’ny iray tampo dia ho gaga ianao hoe tena marina izany hoe : « ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Ary dia ianao manao vava malefaka amin’ilay mpanohitra anao, ilay mpanohitra ny teny, n’inon’inona fahasiahana ry havana ô, dia hanamarina an’izany hoe : « ny vava malefaka mahatapa-taolana ». Dia Andriamanitra hitarika azy ho amin’ny fibebahana.
Faranana izao teny izao ry havana, faranana izao teny izao. Tena natao ho an’izay amintsika mahatsiaro fa mpanompon’Andriamanitra, andevon’Andriamanitra. Ny andevon’Andriamanitra no manompo ; ny olona mpino tsy andevo an, dia manao activité izy aty am-piangonana sy any amin’ny sampana. Tsy manompo izy fa manao activité, activité religieuse. Fa izay ilay teny atao amintsika mpanompon’Andriamanitra ry havana ô. Ary dia izao : ianaro ny teny, saino isan’andro ny teny, ianaro tsianjery ny teny, tandremo araka izay farany azonao atao izany teny izany. Amin’ny maha-andevo anao, tsy tompon’ny fotoananao ianao : mandania fotoana bebe kokoa noho ny tamin’izay lasa izay amin’ny vavaka, mifandinika amin’ny Tomponao. Ary manompoa Azy tahaka izay nanompoany tety an-tany. Ary aoka ianao ahatsiaro tena fa hoe velona mandrakariva eo amin’ny fanatrehan’izany Tomponao izany e. Ary dia hoe fanaka omeny voninahitra ianao, fanaka nodiovina ianao, fanaka nohamasinina ianao mba hanao asa tsara eo am-pelatanany.
Ry havana ô, ry havana ô, mpanompon’Andriamanitra ianao, andevon’i Jesoa ianao, 1Korintiana 6 :20 : olom-boavidy ianao. Olom-boavidy ianao. Olom-boavidy ianao. Tsarovy izany privilège izany. Ary ianao olom-boavidy, izay nataon’ny Tompo ho mpanompony, izao no tenin’ny Isaia 41 :9 aminao : « Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako ». Aoka izany teny izany hifikirantsika ry havana eo anatrehan’ny Coronavirus izay tonga eto amintsika io. Mpanompony ianao e. Raha andevony ianao dia marina aminao izany teny hoe : « Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako ». Ary ho marina amintsika ny Eksodosy 14 :14 izay mety ho haintsika tsianjery hatreto, tsianjery fotsiny hatreto hoe : « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » e. Izy hiaro. Raikitra ny guerre mondiale amin’ny Coronavirus, fa avelao Jehovah hiady ho anao, avelao Jesosy Tomponao hiady ho anao andevony e, dia ianao kosa hangina, hatoky Azy, hanana fiainana juste, hanadio ny fonao, hihazakazaka hirady fifandraisana amin’ny olona mitady an’Andriamanitra amin’ny fo madio tahaka anao. Ary dia ho marina aminao ilay tenin’i Jesoa ao amin’y Jaona 6 :6b hoe : zany no nataony mba hizahany toetra an’i Filipo an; fa Jesoa nahalala ihany izay efa hataony. Tsisy mahafantatra izay fivoaran’io Corona io ry havana ô, tsisy mahafantatra, na ny aty amin’ny tany mahantra na any amin’ny tany manan-karena. Fa Jesosy efa mahalala ihany izay efa hataony rapitso 23 Mars, afak’ampitso 24 Mars, afaka 2 volana : Izy mahalala ihany izay efa hataony.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.