Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 27 SEPT 2020

Marka 12. Ny hafatr’i Jesoa ho an’ireo olona mpiasa tany ; izay no hakantsika hafatra. Ilay tany eto an, dia tanim-boaloboka. Ary ny tanim-boaloboka ao amin’ny Soratra Masina dia manambara ny Isiraely. Isiraely : sady Fiangonana no firenena. Dia hafatra ho an’ny olona napetraky ny Tompo hiasa izany tanim-boaloboka izany, dia ny mpitondra Fiangonana, sady mpitondra firenena. Ry havana ô, ry havana ô, izaho sy ianao izany mpiasa tanim-boaloboka izany. Ity dia hafatra ho antsika mpiasa tanim-boaloboka. Fa araka ny efa mahazatra antsika ry havana, rehefa mamaky texte hoatran’izao isika dia mahatsiaro fa misy tanim-boaloboka ananky telo : ny ankohonana – ny Fiangonana – ny firenena. Izay ilay tanim-boaloboka ry havana ô. Ary Andriamanitra no tompon’ireo tanim-boaloboka ireo, fa isika irahiny hiasa amin’izany tanim-boaloboka izany. Dia hafatra ho antsika mpiasa amin’ny tanim-boaloboka izao hafatra izao ry havana ô.

Ny hafatra voalohany, dia hoe : HAJAO JESOA. Andeha iarahantsika mamaky ny Marka 12 :6 ry havana, Marka 12 :6 : « Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy ». Hanaja ny zanako izy.

Andriamanitra tompon’ny tanim-boaloboka dia naniraka mpanompo ho any amin’ny mpiasa tany hijery izay vokatra. Dia inona ny zavatra nitranga ? Nandefa mpanompo anankiray Izy dia nosamborina, nokapohina. Dia nandefa mpanompo anankiray koa Izy, dia noratrainy, nalainy baraka. Naniraka mpanompo anankiray koa izy teo amin’ny and.5 dia novonoiny ho faty. Ary mbola naniraka mpanompo hafa maro koa izy. Ary farany, naniraka anankiray Izy, dia ny zanany lahy malalany. Ny zanany lahy malalany. Ary dia nieritreritra Andriamanitra, nieritreritra ilay tompon’ilay tanim-boaloboka hoe : raha ny zanako kosa e : hajainy. Mandinika antsika ry havana ny mpino ankehitriny, mpiasa amin’ny tanim-boaloboka, na iza isika na iza, na ny ankohonantsika izany, na ny Fiangonana misy antsika izany, na ity firenena misy antsika ity izany : MANAJA AN’I JESOA VE IANAO ? MANAJA AN’I JESOA VE IANAO ?

Ho antsika Fiangonana, malaza be amintsika ilay tenin’i Jesoa ao amin’ny Apokalipsy 3 :20 hoe : « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko ». Io zanak’Andriamanitra nirahin’ny Rainy io ry havana ô, amin’izao maraina izao, dia mandondona eo am-baravaran’ny fontsika mpiasa tanim-boalobok’Andriamanitra ry havana ô. Dia misy karazany 2 isika mianakavy eto amin’izao maraina izao :

  • Misy mahare an’izany fandondonana izany dia tonga saina, ohatra, tapa-kevitra hoe hay ity izaho mbola tsy katekomena, mbola tsy namoha varavarana an’i Jesoa tao amin’ny fiainako. Misy izany mila mamoha varavarana.
  • Dia misy indray, efa namoha varavarana

Fa izao ry havana, ho anao izay mieritreritra hoe efa namoha varavarana aho : tena manaja marina an’i Jesoa ve ianao ? Efa fanajana Azy ilay famoahana varavarana, fa fanajana Azy ny fanatanterahina ny hafany ry havana ô.

Rehefa miteny ange ny Soratra Masina hoe : « mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho » hoy Jesoa, « ka hiara-misakafo aminy ». Io miara-misakafo Aminy io, eto hoe : hiara-hipetraka hiara-misakafo Aminy. Rehefa misakafo ry havana, matetika, fotoanan’ny firesahana. Fa miara-misakafo amin’i Jesoa ve ianao e ? Ny resaka ataony aminao ve dia ampiarinao ry havana ô ?  Ampiarinao ve ny resaka ataon’i Jesoa aminao ? Ary ampiarinao amin’ny antsipirihany fa tsy ampiarina amin’ny ambongadiny ? Hajao Izy e. Ampiaro amin’ny antsipirihany, aza ampiarina amin’ny ambongadiny. Ny atao hoe : ampiaro amin’ny antsipirihany : ampiaro amin’ny andavanandrom-piainanao e.

Misy havantsika avy ato Isotry Fitiavana ry havana namoy ny vadiny, dia tonga tao amin’ny secrétariat ny filazana manjo omaly maraina, dia nandalo tao izahay, dia hoy aho hoe tery tery be ilay programan’ny Fiangonana, aleo hoy aho izaho sy Tatie Landy handeha hamangy eny, ery Antohomadinika ery. Dia inona ny zavatra nitranga ry havana ? Ilay eo amin’ny rond-point misy ny BMH eo mankery Antohomadinika ery amin’ny Total ery : tsena. Tsy azo alehan’ny tômôbile, dia mandeha tongotra ianao izany. Tena mifanitsa-kitro ny olona. Dia nony nody izahay, dia misy moto mi-klaxonne ao aoriana : lalana piétons izany an, mi-klaxonne, mi-klaxonne, manao fanao-na klaxon-na adala. Tonga teo aorinako izy, tsy nihetsika aho, dia avy eo dia nikisaka ohatran’izao aho dia niodina. Dia maninona hoy aho no mivatravatra ohatran’izany e. Ka izaho hoy izy efa mi-klaxonne. Ianao ange tsy tokony andeha amin’iny e, fantatrao ve ianao fa tsy tokony handeha amin’iny ? Raha izaho ry havana no nanana moto na bisikileta dia nidina tamin’ilay moto na bisikileta dia notazoniko moramora ; fa tsy izaho indray no hanao hoe fanaovana klaxon-na adala. Izany ry havana malala ny olona manaja an’i Jesoa izany an, tsy hoe masina ohatran’izao rehefa aty am-piangonana fa rehefa any amin’ny andavanandrom-piainana dia manao izany fitiavan-tena sy tsy firaharahiana ny hafa izany. Manaja ny zanaka malalan’Andriamanitra ve ianao e  amin’ny antsipiriham-piainanao amin’ny andavanandro ? Sa hainao tsara izany fomba kristiana izany ?

Variana foana aho rehefa andefasana sary amin’ny Facebook ireny ry havana. Nisy sary-na tovovavy tsara tarehy kely nalefa taty aminay taty, dia hoe : Ok tsara ny fiainana rehefa miaraka amin’i Jesoa. Tsisy maha-ratsy an’izay hatreo an. Dia izy miankina amina paozy tena somay mi-style amina 4*4 tsara tarehy izay. Mbola tsisy maha-ratsy azy hatreo. Fa rehefa mijery ny akanjony aho ry havana : inona no tena tiany asongadina : ilay hatsaran’i Jesoa sa ilay hatsaran’ny bikany e ? Izany ry havana ô, izany, izany ny niveau antsika izany izao. Hajao, hajao Jesoa.

Tafaresaka tamin’ny olona anankiray aho, miandry fivoriana eo, dia nijoro vavolombelona izy, nahafinaritra be ilay fijoroana vavolombelona. Hoy izy : izaho izao ry zareo an, tratran’ny covid forme grave, fa sitrana soa aman-tsara aho. Fa alohan’ny nitenenany hoe sitrana soa aman-tsara : nony nisokatra ny masoko, hoy izy, satria tena nanao coma aho ; nony nisokatra ny masoko dia diso fanantenana aho. Fa naninona izy no diso fanantenana ? Ny tarehin’ny vadiko no hitako, nanantena hahita ny tarehin’i Jesoa aho. Mahafinaritra be ange izany témoignage izany ; fa rehefa jerenao ny fiainany : tsy arak’izay etc… Hajainao ve amin’ny fiainanao ary tezainao ve ny zanakao hanaja an’i Jesoa ry havana ô ?

Variana foana aho, rehefa tantarain’ny diakona, katekomena koa, misy ankizy tena hoe manao akanjo tena hoe fohy kely sy ny karazany. Fa ahoana hoy aho ? Ka iny Pasitera manahirana mihitsy : tenenina ilay zaza, fa ilay mamany mihitsy no miteny hoe tsy maintsy mba « mihetsiketsika », tsy maintsy « mba sexy ». Raha manaja an’i Jesoa ianao ry havana ô, tsy manao sexy izany satria hoe tsy matahotra ny tsy hahita vady. Fa raha tena manaja an’i Jesoa ianao, Jesoa no efa manomana izay anjara sahaza anao.

Izay ny fahamarinana 1  ho antsika mpiasan’ny tanim-boalobok’i Jehovah : HAJAO NY ZANAKA MALALAN’ANDRIAMANITRA E.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : AZA VONOINA E, AZA VONOINA NY ZANAK’ANDRIAMANITRA

Jerentsika ny and.7-8 ry havana : « Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe : Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova. Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanimboaloboka ». Laviny, dia novonoiny. Aza lavina, aza vonoina ny zanak’Andriamanitra ry havana ô.

37 taona taorian’ny nitenenan’i Jesoa an’ity teny ity tamin’ireto Fariseo sy Sadoseo ireto, 37 taona no rava Jerosalema sy yn tempoliny ry havana ô, 37 taona. Satria naninona ? Satria hoe nandà, nandà an’i Jesoa. Nandà, ary tonga hatramin’ny famonoana Azy. Ilay and.8 hoe : « Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanimboaloboka ». Tsy nalevina akory ; sanatria an’izany, natsipy any ivelany any toy ny fatim-biby. Ry havana ô, ry havana ô, ry havana ô, hainao, tsy vaovao aminao izany hoe aza mandà e ; ianao ve hieritreritra ny hoe hamono, tsy hieritreritra ny hamono ; fa aza mandà an’i Jesoa ry havana ô, fa hitondra faharavana ao amin’ny fiainanao izany. Ary raha manan adidy ianao, manana anjara ianao amin’ny fitondrana ity firenena ity : mitondra ity firenena ity any amin’ny fahapotehina sy any amin’ny faharavana ianao raha mandà an’i Jesoa ry havana ô. Fa ny tena zava-doza dia izao, ny tena zava-doza dia izao : eo ilay faharavana sy ilay fandringanana, ara-batana, ara-materialy ohatran’izany ry havana ô ; fa ny olona mandà an’i Jesoa, dia efa ambaran’ny Apostoly Jaona any amin’ny bokin’ny Apokalipsy fa ho any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara izy. Ho any amin’ny farihy mirehitra afo.

Nahatsiaro an’izay aho ry havana, fa namita iraka tany Port Bergé izahay, namangy ilay hoe Sekolin’ny Katekista izay tohanan’ny Fjkm Isotry Fitiavana. Variana ianao ; rehefa amina tronçon Ambondromamy miakatra ho any Port Bergé iny, tena hoe feno doro tanety. Ary nisy anankiray izay ry havana ô, nisy anankiray izay, tena hoe nanamorina ny arabe mihitsy. Ary teo anoloanay nisy camion-citerne izay, dia nijanona izy. Tsy sahiny ny nanapaka ilay afo, satria sady manamorina ny arabe ilay afo, no milelalela be ilay afo. Misaotra ny Tompo aho ry havana nampahitany an’izany. Izaho tsy miteny hoe mety ny doro tanety, fa misaotra ny Tompo aho nampahitany an’izany : « izaho ary, hoy aho, mipetraka eto amin’ny espace passager eto, mahare ny hafanan’ilay lela afo miredareda eo ». Tena zava-doza izany hoe farihy mirehitra afo tsy mety maty izany, mirehitra afo solifara ry havana ô.

Andeha isika hangataka ny fanahin’ny fahatahorana ; ny Fanahy Masina io ; ny fanahin’ny fahatahorana an’i Jehovah ry havana ô, mba tena hoe hatahotra isika mianakavy amin’izay rehetra kasaintsika sy ataontsika ; hoe hatahotra sao dia hanao izay hampahatezitra an’Andriamanitra, hany ka mba hoe ho any amin’ny fandringanana sy any amin’izany farihy mirehitra afo sy solifara izany.

Izay ny Fahamarinana 2 : AOKA IZAY E, NY FANDAVANA – AOKA IZAY E, NY FANDAVANA AN’I JESOA.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : ATAOVY VATO FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA.

Nahoana ry havana no zava-dehibe izany hoe atao vato fehizoron’ny fiainanao izany Jesoa ? Satria any am-parany any ry havana, any am-parany any, dia ho avy ny andro famaliana ; ho avy ny andro famaliana. Ilay famaliana : rétribution. Ho valiana araka izay nataony ny olona. Ny ratsy fanahy no tena ao an-tsaina amin’izay. Famaliana : vengeance. Vengeancen’Andriamanitra.

Misy olona ry havana tena hoe manao veto fehiziron’ny fiainany an’i Jesoa. Misy polémique mangotraka ry havana any Etats-Unis amin’izao fotoana izao, fa misy mpitsara anankiray, mpikambana amin’ireo mpitsara 9 ao amin’ny Cour Suprême des Etats-Unis ao ; izany Cour Suprême des Etats-Unis izany, izany no mandrafitra ny fiainan’ny amerikana ; tsy ny Président mifandimby eo 4taona na 8taona ; fa izany membre-ny Cour Suprême izany no tena mandrafitra azy. Ary ny tena maha-zava-dehibe azy an, eo amin’ny faha-50 taona eo no voatendry ilay mpitsara ao amin’ny Cour Suprême ary dia matetika izy 30taona eo izany. 30taona, eo mandrafitra firenena. Dia inona no mahatonga an’ilay polémique ? Amin’izao fotoana izao, 5 sy 4 izany : 5 antsoina hoe conservateurs ; 4 lazaina hoe, izay no filazan’izao tontolo izao azy hoe ankavia sady progressiste. Progressiste izany an, pro-homosexualité ; progressiste izany hono an pro-avortement sns… Ka izao : ireo conservateurs 5 izany manana majorité ; or : maty ilay progressiste iray ; dia mangotraka be ilay ady hevitra hoe iza ary no ho tendren’i Donald Trump filoha amerikana hisolo an’ilay progressiste maty io. Ny solony notendren’i Donald Trump ry havana dia Ramatoa magistrate katolika izay. Ary ny zavatra nampalaza an’io magistrate katolika io, dia teny tahak’izao, hoe : « mazava ho azy, mazava ho azy, fa raha izaho no voatendry any amin’izany Cour Suprême izany, ny maha-katolika ahy tsy maintsy hi-impacter ny fanapahan-kevitra raisiko en tant que magistrate ao amin’ny Cour Suprême ». Rahoviana re ny HCC no hiteny hoe : amin’ny maha-katolika ahy, amin’ny maha-loterana ahy, amin’ny maha-Fjkm ahy, tsy maintsy mi-impacter ny zavatra ataoko ato amin’ny HCC ny finoako ? Rahoviana ny filoham-pirenena, ny PM, hoe katolika, hiteny hoe : « mazava ho azy fa tsy maintsy hi-impacter ny fitondrako firenena ny maha-katolika ahy, ny maha-kristiana ahy ». Izany ny olona manao an’i Jesoa ho vato fehizoron’ny fiainany ry havana ô. Fa rehefa tsy izany no ataonao ao amin’ny fiainanao, rehefa tsy vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana, dia ny fiainanao : faharatsiana miampy faharatsiana. Nahoana ? Jereo anie ny bokin’ny Mpitoriteny 8 :12 : « Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany » : manao ratsy izy, tsy manao vato fehizoro ny fiainany an’i Jesoa izy, manao ratsy izy, velona izy, ambinina izy ; dia hoy ilay and.11 hoe : « Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy ». Rehefa tsy ataonao vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana ô, izany ny fiainanao : mikiry amin’ny ratsy satria heverinao hoe tsy maty manota ianao. Indrindra ny olona eo amin’ny fitondrana, satria ho an’ny mpitondra firenena ity. Ianao ange tsy ho minisitra mandra-pahafaty eo e, tsy Président mandrakizay eo e. Fa hoy ny Tompo hoe : ataovy vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana ô, satria tsy maintsy ho avy izany andro famaliana izany. Tsy maintsy ho avy izany andro fahatezeran’Andriamanitra izany. Ary tena hoe andro faran’izay mampatahotra ; ary amin’izay fotoana izay, ny olona hoy ny bokin’ny Apokalipsy dia hiteny hoe : « Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ ny tavan’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry ». Io zanaka malala io izany ry havana ô. Raha tsy ataonao vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa, tsy ho zakanao izany andron’ny fahatezerana izany. Raha mivavabavaka ianao, ny fombam-pivavahanao tsy haaro anao amin’izany andro fahatezerana izany fa anisany ilay hiteny ianao hoe « mianjerà aminay ry tendrombohitra sy vatolampy ô, afeno amin’izany fahatezerana izany izahay ». Fa ny olona manao an’i Jesoa ho vato fehizoron’ny fiainany ry havana ô : ny fototry ny fiainany, ary ilay tanim-boaloboka arafitra amin’izany vato fehizoro izany, rehefa ho avy ny andron’ny fahatezerana, rehefa ho avy ny andron’ny fahatezerana, dia voarakotry ny rà izay nalatsaka ho azy teo amin’ny hazo fijaliana, ka tsy hihatra aminy izany hoe fahatezeran’ny zanak’ondry izany. Ry havana malala ô, avelao Jesoa e, ho vato fehizoron’ny fiainanao. Ary izay no hafatra ho antsika amin’izao andro farany izao : HAJAO NY ZANAK’ONDRY – AZA LAVINA IZY – ARY ATAOVY VATO FEHIZORON’NY FIAINANAO.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.  

                        

ALAHADY 20 SEPT 2020

Titosy 1 : 7 : « Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra »

Ao amin’ny Baiboly sasany izao an, eo amin’ilay mpitandrina misy hoe 2, misy 2 kely io. Dia ilay 2 kely io eo ambany, misy hoe : « episkopo ». Ilay teny grika moa zany ry havana «  episkopo ». Izao ry havana no hafatra ho antsika : miteny amiko ny Tompo, miteny aminao Izy, ary ambarany ny maha-ianao anao dia ny hoe : MPITANDRINA NY AN’ANDRIAMANITRA IZAHO SY IANAO. Ilay hoe « mpitandrina » : « episkopo ». Io no nanome hoe Eveka. Raha fintinina izao hafatra izao dia hoe : TSAROVY E FA IANAO ANGE DIA NATAON’ANDRIAMANITRA HOE EVAKANY E. EVEKAN’ANDRIAMANITRA IANAO RY HAVANA Ô.

Tsisy resaka hoe katolika eto, fa hoe io ilay teny grika : IZAHO SY IANAO : EVEKAN’ANDRIAMANITRA ry havana ô. Ary atomboy ao amin’ny ankohonana izany.

Ny mahatsara an’ilay hoe evekan’Andriamanitra dia hoe mifandraiky amin’ny Fiangonana izany. Izay ilay izy. Ary raha mifandraiky amin’ny Fiangonana, dia mahatsiaro an’ilay fampianarana mahazatra isika hoe misy karazany 3 ny Fiangonana : ny ankohonako, ny Fiangonana misy antsika, ary koa ny tany sy ny firenena misy antsika. Fiangonana daholo izany ry havana ô. Ary rehefa ao amin’ny ankohonanao ianao : meteza ho evekan’Andriamanitra. Ato am-piangonana ianao : meteza ho evekan’Andriamanitra. Eo amin’izay toerana misy anao ianao eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fitantanam-pirenena : tsarovy fa evekan’Andriamanitra ianao. Evekan’Andriamanitra ianao.

Dia eo ilay famartitana ny atao hoe eveka, hoe : mitandrina ny an’Andriamanitra. Mitandrina ny an’Andriamanitra. Enga anie ka ho izany isika mianakavy ; hanova ny lasintsaintsika izany ny amin’ny antom-pisiantsika sy ny fomba fanompoantsika ilay « mitandrina ny an’Andriamanitra ». Ny mpitandrina ny an’Andriamanitra dia izao : samy hafa ny fandikan-dry zareo mpahay grika an’io. Ilay hoe « mitandrina », ilay teny grika dia misy mandika hoe « suveiller », ohatrany hoe « surveillance générale » any am-pianarana. Misy dikanteny tsaratsara kokoa ry havana, dia hoe : « veiller sur ». Tahaka ny ray aman-dreny mi-veiller amin’ny zanany, mi-veiller amin’ny ankohonany. Izay ilay izy, izay ilay hoe « mitandrina » : tsy « surveiller », fa « veiller sur ».

Ry havana ô, ry havana, misaotra ny Tompo isika ny amin’izany andraikitra tsy manam-paharoa sy anaram-boninahitra omeny antsika tsirairay, ambony noho ny anarana rehetra, hoe : izaho sy ianao, evekan’Andriamanitra ry havana ô.

Andeha ary jerentsika ny andrasana amin’izany evekan’Andriamanitra izany. Ery amin’ny and.9 ry havana ; lazaina izy aloa eo amin’ilay perikopa hoe tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mamo lian’ady ; izany an, faharoa izany ; fa ny fahatsiarovan-tena ny maha-eveka aloa ry havana, dia eo amin’ny and.9, ny andraikitra voalohany dia hoe : « mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra ». Ilay evekan’Andriamanitra izany, mahatsiaro izy hoe iraky ny Rainy any an-danitra e ; izany ange ilay izy e ; dia hoe izy, olona vonton’ny tenin’Andriamanitra. Izay ny Fahamarinana 1 : EVEKA VONTON’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Izay ilay izy : EVEKA VONTON’NY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA. Ery amin’ny tapany faharoa amin’ny and.9 ity, hoe : tsy misy kilema = teny salama. Ny fampianarana marina, ny fampianarana madio ry havana, dia manome fahasalamana : manome fahasalamana ny fanahy aloa, manome fahasalamana ny saina, manome fahasalamana ny nofo ry havana ô. Aty izany ny zavatra voalohany ambara amintsika : misy fampianarana mahafinaritra fa fampianaran-diso, misy fampianarana mahafinaritra fa hoy Paoly amin’i Timoty hoe tandremo fa misy fampianarana hoe fampianaran-demonia. Fa izany ry havana, ny andraikitsika amin’ny maha-eveka, ary ao amin’ny ankohonana izany, ao amin’ny Fiangonana : tandremako tsara tsy hisy fampianaran-dio hisosoka ao. Izany ny fahavalo voalohany mahazo ny Fiangonana : ilay fampianaran-diso ry havana ô.

Fotoanan’ny valim-panadinana sy ny fanadinana moa isika ry havana izao ; asa ianareo raha mahafantatra ray aman-dreny, fa maromaro ny ray aman-dreny ohatran’izany, hoe : faly fotsiny izy hoe afaka fanadinana ny zanany, faly izy hoe mifindra kilasy ny zanany, fa tsy fantany hoe inona no ianaran’ny zanany any am-pianarana any. Ianao ve ry havana, faly ve ianao fa hoe manao Sekoly Alahady ny zanakao, manao katekomena ny zanakao : fantatrao ve ny zavatra ianarany ao e ? Evekan’Andriamanitra ianao e, dia hoe : fantaro ny zavatra ianaran’ny zanakao. Izany ny hoe evekan’Andriamanitra.

Ato amin’ny Fiangonana, evekan’Andriamanitra ianao, dia hoe : hmm, ohatrany tsy izy izany an.

Eo amin’ny fitondram-pirenena ianao, evekan’Andriamanitra ianao : adidinao ny mampandroso ny filazantsara e. Ary averiko, tsara raha madilo ny sofintsika : raha te hampandroso an’i Madagasikara hoy Pasitera Ammi, « raha te hampandroso an’i Madagasikara : ampandrosoy ny filazantsara ». Eo dia misisika ny devoly hoe : « dia ahoana ny laïcité Pasitera ? ». Tsy mihaino an’izany ny evekan’Andriamanitra.

Izay ny Fahamarinana 1 hoe : EVEKAN’ANDRIAMANITRA IANAO, MITANDRINA NY AN’ANDRIAMANITRA : FANTARO IZAY FAMPIANARAN-DISO, AROVY AMIN’IZANY NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA : ANKOHONANA – FIANGONANA – FIRENENA.

Ny faharoa indray, dia hitantsika any amin’ny Eksodosy ry havana, ny andrasan’Andriamanitra amin’ny evekan’Andriamanitra. Eksodosy 18 :23 : « Raha hanao araka izany zavatra izany hianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra hianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny taniny ». Tadidio ry havana ô, ary izany ny Fahamarinana 2 : NY EVEKAN’ANDRIAMANITRA DIA MIKENDRY IZAY HAHATAFIDITRA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA ANY AMIN’NY TANINY.

Ary ahazoanao manatanteraka an’izany, dia mi-« veiller sur » izy, mijery ny fandaminana izy, ao amin’ny ankohonana, ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny firenena. Tsisy fandrosoana izany e, ary tsisy fiainana milamina izany raha tsy misy fandaminana matotra eo, ary hajaina.

Eto moa izany, ny rafozan-dahin’i Mosesy, mahita ny havesatry ny asan’i Mosesy, dia hoy izy hoe : tsy ho tafavoakanao io an, fa makà ianao 70 lahy dia zarao aminy ny andraikitra. Ary dia hoe ny andraikitrao, ny ady madinika rehetra, ny raharaha madinika : avelao ho an’ireo 70 lahy ireo ; fa ny raharaha lehibe ihany no aoka iandreketinao. Ahoana tokoa moa ry havana raha hoe ianao mahatsiaro tena ho evekan’Andriamanitra, raha sahirana amin’ny zavatra madinika ianao ? Tsisy zavatra madinika ka atao hoe ambany na ratsy rehefa ho an’Andriamanitra ry havana ô, ary izany ilay fanetren-tena ; fa hoe : raha ohatra ianao sahirana amin’ny asa madinika, tsy misy andinihinao, anaovanao ilay asa hoe tena maha-eveka anao.

Tantaraiko foana ry havana, indray mandeha izahay tary amin’ny synodam-paritany tary, dia nirava, avy teny Ambohitrimanjaka teny izahay, dia hoy ilay Pasitera namana hoe : « Ise angaha hody izao ? Izaho hiaraka amin’ise ary ». Dia napetraka tetsy amin’ny fiaro tetsy ambany tetsy izy. Fa ise izaho ho aiza, hoy aho ? Dia hoe : izaho mbola ho eny Alarobia, fa manamboatra akany izahay hoy izy, dia hitady fantsika aho hoy izy. Ry havana ô, tsisy maharatsy an’izany hoe mitady fantsika izany, fa araka ity teny ity, tsy anjaran’ny evekan’Andriamanitra, tsy anjaran’i Pasitera ny andeha hoe hitady fantsika ry havana ô. Fa rehefa lany fotoana amin’ny fitadiavana fantsika izy, dia tsy vitany ilay fitaizana ara-panahy, ilay fampitana tenin’Andriamanitra araka ny hita eto amin’ny tenin’i Mosesy eto, ilay fanoroana lalana amin’ilay vahoakan’Andriamanitra mba ho tody soa aman-tsara any amin’ny taniny e ny vahoaka. Izany anie ny mission-ny Pasitera, sy ny diakona sy ny loholona e. Variana amin’ny zavatra hafa, variana miady toerana, variana ain’ny fizahozahoana, dia adino hoe ny mission ry leretsy an, nametrahan’Andriamanitra antsika dia hoe ho tonga soa aman-tsara any amin’ny taniny ireo vahoakan’Andriamanitra izay nankininy tamintsika ireo.

Izay ny Fahamarinana 2 ry havana : NY EVEKA DIA MPAMPIDITRA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA ANY AN-DANITRA. ARY AHAZOANA MAMPIDITRA DIA HOE ENTITRA IZY, MI-VEILLER SUR IZY, MI-VEILLER IZY HOE MBA HO HAJAINA ILAY FANDAMINANA RY HAVANA. Izay ilay izy.

Ny Fahamarinana 3 farany dia ao amin’ny Matio ry havana, Matio 18 :34 : « Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra ». NY EVEKAN’ANDRIAMANITRA RY HAVANA DIA MIKENDRY KOA IZAY HOE ANDOAVAN’NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA NY TROSANY REHETRA AMIN’ANDRIAMANITRA.

Trosa ara-bola no resahina eto. Ny evekan’Andriamanitra dia mikendry izay hoe andoavan’ny vahoakan’Andriamanitra izay trosany rehetra amin’Andriamanitra. Resa-bola izany, resa-bola. Tadidintsika, malaza be ity tantara ity an, misy lehilahy anankiray nindrana vola iray alina, talenta iray alina, dia hoe vola be izany. Tsy voaloany ilay izy. Nitaraina tany amin’ilay tompon-trosa izy an, namindran’ilay tompon-trosa fo, tsy nogadrainy. Dia io, nivoaka avy ao amin’ilay tompon-trosa, nifanena amin’ny olona izay hoe manana trosa-na 100 denaria aminy. Tsy namindra fo tamin’ilay olona nanana trosa kely taminy ; dia tena hoe tezitra e, tezitra, tezitra, dia hoy Jesoa : izao, aloavy io, aloavy haingana io : ianao tsy namindra fo, Izaho koa tsy hamindra fo aminao ». Ary izao, and.34 hoe : « Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra ». Ilay baiko izany an, « avereno ilay trosa, avereno ilay vola », dia hoe izy hamerina an’ilay vola dia hoe amparapahaveriny ilay vola dia atolotra izy hoy Jesoa, atolotra ilay olona tsy mahaloa trosa, atolotra ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. Atolotr’i Jesoa amin’ny mpampijaly ianao rehefa tsy mahaloa ny trosanao Aminy.

Inona ary ity mpampijaly ity ry havana ? Ny mpampijaly dia faran’izay tsotra : izay mahatonga anao ao anaty fijaliana. Mety ho circonstance-piainana izany, mety olona izany mampijaly mampahory. Manomboka izao ianao rehefa mijaly, ao anaty fahoriana ry havana, dia hoe : andraso ihany aloa handinin-tena ny amin’ny trosako amin’i Jesoa sao misy tsy voaloako an. Fa sao dia hoe izaho ilay mba natolony tamin’ny mpampijaly. Ary rehefa atolony amin’ny mpampijaly ianao, izany hoe ilay circonstance na ilay olona, maro ny mpandinika mifoha ry havana no miteny hoe : « atolotra eo an-tanan’i Satana ianao ho ampijaliany ». Izany ry havana no maha-zava-dehibe an, an’ity hoe adidy ara-bola ity e, eo anivon’ny Fiangonana. Aza atao ambinambin-javatra io e : ataontsika ny sitrapontsika, manara-po isika, fa ny ery ihany no ampandeferina.

Faranana, faranana izao teny izao : ry havana malala ô, ry havana malala ô, izany hoe evekan’Andriamanitra izany an, faly izy hoe evekan’Andriamanitra, satria hoe voasoratra any an-danitra ny anarany. Ary dia satria voasoratra any an-danitra ny anarany, irahin’Andriamanitra izy ho evekany ety, mba hoe ho mpampiditra ny vahoaka ho tonga soa aman-tsara any an-danitra ihany koa. Enga anie ka ho evekan’Andriamanitra ao amin’ny ankohonanao ianao, mi-veiller ianao hoe tsy ny tenanao irery, fa ny ankohonanao, samy voasoratra any an-danitra ny anarana ; Fiangonana tsy mirehareha afa-tsy amin’ny zavatra hoe Fiangonan’ny olona tena voasoratra any an-danitra ny anaran : miverina amin’ny fitiavana voalohany araka ilay hira teo ; ary ity firenena ity, n’iza n’iza mitondra eo amin’ity firenena ity, dia mahatsiaro hoe evekan’Andriamanitra, manomboka any amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny sefo pokotany araka ny teny mahazatra antsika : mpampiditra ny malagasy tsy vaky volo any an-danitra ry havana ô.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

 

ALAHADY 13 SEPT 2020

Ao amin’ny Filipiana 2 ry havana, Filipiana 2 :12-18 no hakantsika hafatra. Ny hafatra ho antsika Fiangonana anio maraina ry havana  ô, dia ny hoe: « Avelao Jesoa hanatanteraka anao ». Raha teneniko amin’ny teny vary amin’anana ilay izy, fa sao dia tsy mazava ilay teny gasy, dia hoe: « Avelao Jesoa hi-perfectionner anao » na hoe « Avelao Jesoa hitondra anao any amin'ny perfection ». Ny mahatsara an lay hoe "Jesoa hi perfectionner anao" par rapport amin’ilay hoe "hitondra anao amin’ny perfection", ilay perfection mantsy hoe tanjona fa ilay perfection : toetra ao anaty ao, vokatry’ilay asa fanovana, vokatr’ilay transformation ataon’i Jesoa ao aminao. AVELAO JESOA HI-PERFECTIONNER ANAO ry havana ô. AVELAO JESOA HI-PERFECTIONNER ANAO.

Samy maniry ho parfait isika, fa tsy ho tanteraka izany raha tsy avelanao hi-perfectionner, hanatanteraka anao Jesoa.

Ny Fahamarinana 1 dia izao: RAHA MAMELA AN’I JESOA HANATANTERAKA ANAO IANAO, RAHA MAMELA AN’I JESOA HI PERFECTIONNER ANAO IANAO: NY ZAVATRA ATAONAO VOALOHANY DIA NY MANAIKY, MANKATOA: OBÉISSANCE.

Andeha vakiantsika ny 12 sy 13 : « Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony ».

Ity Fiangonana tao Filipia ity, tsy Fiangonana parfait ity, tsy Fiangonana  tanteraka ity. Fa hitan'i Paoly mihitsy hoe :hitako tao aminareo ange e, hoe nanaiky ianareo ; hitako tao aminareo izany fanekena izany, hitako tao aminareo izany obéissance izany. Ary izaho tsy eo ary, dia hoe vao maika koa ianareo nitombo amin’ny obéissance. Izay no mahafaly an’i Paoly. Ary ny hendry ihany no anarina ry havana ô. Ary inoako fa hoe rehefa mijery antsika ny Tompo avy any an-danitra dia hoe : hitako ao aminareo ao Isotry Fitiavana ao, fa tena misy mihitsy zandrikeliko zanak'Andriamanitra tena hoe efa manaiky.

Zavatra sarotra amin’ny olona ry havana io manaiky io. Fa jereo ange ny fahadalan’ny olona tsy manaiky e : Jesoa io izao, manohatra ny tenany amin’ny dokotera : « Tsy ho avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota hibebaka », « tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary », Izaho ilay dokotera ho avy hanasitrana ny mpanota amin’ny aretim-pahotana. Rehefa mankany amin’ny dokotera isika ry havana, inona ny zavatra mitranga ? Mankao amin’ilay dokotera isika an, manao diagnostic izy, iray izay ; dia vita ilay diagnostic dia miteny hoe izao izany no mahazo anao, mila mihinana fanafody ohatran’izao ianao, d tonga any an-trano isika avy any amin’ny pharmacie : mankatoa isika e, mankatoa isika ry havana ô. Tsy fahadalana be ve e, ny hoe mba nandany vola, tany am dokotera ihany, nandany vola nividy fanafody, dia hoe an an an za tsy hihinana! Ohatran’izay ny fahadalan'ny olona ry havana o. Ohatran’izay ny fahadalan’ny olona tsy mankatoa. Efa mba ampahafantarina ianao hoe : ny toetranao ange dia tsotra e, ary tokana ny toetranao : mpanota mila famonjena ianao ary ny ràn’i Jesoa no hoe afaka manasitrana anao amin’izany. Fa dia hoe omena teny ianao ampieritreretana anao, fa tsy raharahianao ilay teny.

Ny olona mamela an’i Jesoa hiasa ao aminy hanatanteraka azy : ny zavatra ataony dia hoe mankatoa ry havana ô. Tsy hiasa ao aminao Jesoa raha tsy mankato ianao. Dia ilay olona manaiky iny, dia iny indray an, tenenin’i Paoly eto hoe : eny ary, ianareo izay hoe efa manaiky tahaka ny olona efa voavonjy ; efa voavonjy isika an ; tamin’ny fotoana izay nandraisantsika an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy dia efa voavonjy. Dia hoy Paoly hoe : eny ary, nareo mampiseho hoe olona voavonjy ianareo ka mankato : « miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo ». Efa voavonjy aho, fa tsy miseho tanteraka ao amin’ny fiainako fa efa voavonjy aho ; tsy miseho. Jesoa ry havana namonjy ahy teo amin’ny hazo fijaliana ary ny finoako, ny fandraisako an’izany no manatanteraka ny famonjena. Fa ny responsabilité-ko dia hoe maneho fa efa olona voavonjy aho izany e. Raha maka sary isika, dia hoe : tenenina izao ilay olona hoe : « ianareo ireo ange efa nivady e, ianareo roa ireo efa mivady » ; izay izany ilay sary ; fa izao : rehefa miteny hoe « tanteraho ilay mariage », « an efa vita mariage ianareo, fa tantano io mariage io, kolokoloy ny fifankatiavana mba ho mariage mirindra, mba ho mariage mampivelatra » : izay ilay hoe tanteraho ny famonjena : tanteraho ilay mariage e, rehefa manambady ianareo.

Isika rehetra ireto, raha maka ohatra hafa, manana talenta, raha izay no ilazana azy, fanomezam-pahasoavana ; manana talenta. Raha manana talenta amin’ny musique ianao : tanteraho ilay talenta e, développé-o iny talenta iny. Izay ilay hoe : tanteraho ilay famonjena. Ary ahazoana manatanteraka ilay famonjena, dia hoe : miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra e. Ataovy tanjona izany ry havana ô, ataovy tanjona izany, ny hoe ; hanatanteraka ny famonjeko. Ataovy tanjona izany. Ary jereo izay rehetra sakana ho amin’izany.

Inona moa ity resaka hoe tahotra sy hovitra ity ? Vitsy ry havana ny mino, mino ka miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra. Ny mino, dia mino daholo tout le monde ; ny miasa, dia be dia be ihany no miasa. Fa ny miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra : olona an-kavitsiana ry havana ô. Ianao izany an, fantatrao tsara fa mpanota, ianao izany, fantatrao tsara ny fahalemenao. Ka ianao izay hoe miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra dia ohatran’ilay zaza, matahotra izy ao an-trano, mitandrina fatratra sao bedin’i Maman, sao bedin’i Papa. Izany ry havana ity. Miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra aho sao mampalahelo ny Raiko any an-danitra ka tsy tanteraka ilay famonjena ahy, tsy tanteraka ilay perfection-ko izany e.

Dia tenenina ianao izany hoe « maneke », tenenina ianao izany hoe « miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena ». Ny hoe manatanteraka ny famonjena anie dia hoe hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra e, amin’ny zavatra rehetra. Izay ilay izy. Dia fantatr’i Paoly tsara ny momba antsika ry havana, ary izany no itenenany ao amin’ny and.13 hoe : Fa Andriamanitra anie no miasa ao aminareo e. Izay ilay tenenintsika hoe : AVELAO IZY HANATANTERAKA ANAO. AVELAO IZY HIASA AO AMINAO. Maneke fotsiny ianao e. Ary mananà toe-po hoe matahotra sy mangovitra ry havana ô. Dia Andriamanitra no hiasa ato anatiko. Inona hoy Paoly ? Na ny fikasana na ny fanaovana. Ilay asan’ny Fanahy Masina ao amintsika, Andriamanitra miasa amin’ny Fanahy Masina ; ilay asan’ny Fanahy Masina mamboly faniriana ao amiko hanao ny sitrapon’Andriamanitra : mamboly faniriana hoe tena tiako izany e, tena tiako ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ary ilay Fanahy Masina ihany ry havana no miasa ao amiko hahatanteraka. Ilay hoe Andriamanitra miasa, io, raha amin’ny teny frantsay izy, hoe : Andriamanitra no mi-énergiser, manome ahy énergie. Izay ilay teny grika : Andriamanitra mi-énergiser. Isika ety manana micro sans fil : izy io indraindray maty satria maty ilay pile ; fa Andriamanitra mi-énergiser antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, mamboly ao ilay faniriana hanao ny sitrapony. Dia misy olona ange izao e, miteny amin’i Pasitera izy : « izaho Pasitera hamonjy étude biblique amin’izay, izaho hamonjy cellule de prière amin’izany an ». Azo heverina ihany hoe ny Fanahy Masina no manao an’izay ; fa raha tena ny Fanahy Masina no manao an’izay an, dia tanteraka ilay izy, fa tsy tonga ao amin’i Pasitera, hoe : « izaho moa araka ny teniko tamin’i Pasitera, izao ange efa tena anona fa misy sakana foana ao am-piasana » sy ny karazany e. Tsy asan’ny Fanahy Masina mi-énergiser anao izany ry havana ô.

Izay izany ilay Fahamarinana 1 hoe : HO ANAO IZAY TE HAMELA AMIN’IZAY AN’I JESOA HI-PERFECTIONNER ANAO : EKEO TANTERAKA IZY, MIASA AMIN’NY TAHOTRA SY NY HOVITRA DIA HI-ENERGISER ANAO IZY AMIN’NY FIKASANA, AMIN’NY FANIRIANA HANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA, AMIN’NY FANAOVANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA. DIA TAHAKA NY AN’I JESOA RY HAVANA : HO LASA PASSION ANAO IZANY MANAO NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA IZANY, FA NY PASSION ANAO TSY NY HANAO NY SITRAPONAO INTSONY.

Izay ny fahamarinana voalohany.  

Ny Fahamarinana 2 ry havana : HO AN’NY OLONA IZAY HOE MAMELA AN’I JESOA HANATANTERAKA AZY, HI-PERFECTIONNER AZY, DIA HOE : ATAON’I JESOA FANAZAVANA IZY.

And.14-15 : « Ataovy ny zavatra rehetra amin’ ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’ Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao ».

NY OLONA MAMELA AN’I JESOA HI-PERFECTIONNER AZY DIA ATAON’I JESOA FANAZAVANA.

Hazavaina tsara ry havana, io hoe « fanazavana » io. Io « fanazavana » io tsy ilay labozia kely, io « fanazavana » io tsy lustre ohatran’izao. Io « fanazavana » io dia ilazana « kintana » na « star » moa izany. « Star », ilay vedette-na cinema ireny moa ny antsika ilay « star » ; fa hoe « kintana ». Fantatrao fa hoe maninona rehefa mahita ny kintana amin’ny lanitra ianao, hoe mahita an’ilay kintana ianao na dia any lavitra be ilay kintana : hita ilay kintana satria ngeza be ilay kintana ry havana ô, ngeza be ilay kintana. Tian’Andriamanitra atao kintana ngeza be ianao. Ary izany ianao e, « star » ianao e. Fa tsy ohatran’ireny vedette-na hira mananonanona ary, fa tena « kintana » ianao eo imason’Andriamanitra. Ary ilay « kintana » manazava an’ilay aizina. Izay ilay izy. Izao tontolo izao manko an, rakotry ny aizina ; rakotry ny aizina izao tontolo izao.

Inona ilay aizina mandrakotra an’izao tontolo izao ? Zavatra 2 ny aizina mandrakotra an’izao tontolo izao, hoe : firenena meloka sy maditra. Izay ilay aizina itoerantsika izany e. Ary tena hitanao mihitsy izany amin’izao fotoana izao : meloka sy maditra.

  • Ilay « meloka », ny teny grika an’io hoe : « skolias », nanome hoe « skoliose ». Hitanareo ilay lamosina hoe mivilana. Tsisy mandeha mahitsy mihitsy ny zavatra manodidina anao : mivilambilana hafahafa daholo. Ary miezaka mandinika ianao, ahoana moa ny fandehan’ity, mankaiza sy mankaiza ity. Mivilana ilay izy, meloka ilay izy. Vitsy anie izany olona mahitsy miresaka aminao izany e. Izay ilay zavatra. Ary amin’izao fotoana izao, tena hoe mbola tsy nisy ohatran’izao mihitsy rehefa mijery ny fiaraha-monina ianao. Izay ilay aizina mandrakotra an’izao tontolo izao hoy Paoly. « Meloka », ilay hoe « skolias » : « tordu » ; izay koa : « tordu ». Rare ny olona miresaka aminao ka tsy tordu ry havana ô. Rare izany.
  • Dia ilay hoe « maditra » indray : « pervers », feno « perversion », feno habibiana ny zavatra hita. Jereo, mijery vaovao isika, hoe : novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Misy olona manana firaisana ara-nofo feno habibiana etc… Izany ny aizina mandrakotra ny firenena izany, hoy ny Soratra Masina. Fa ianao, ao anatin’izany : ataoko fanazavana, ataoko kintana ianao, raha avelanao hi perfectionner anao Jesoa ry havana ô. Ataony kintana ianao. Tsy ianao no hanandra-tena ho kintana, tsy ianao no hietsiketsika ohatran’izao ka ho kintana. Fa Jesoa te hi-perfectionner anao, te hanao anao ho kintana e.

Nijery ny tantaran’ny maritiora isika, fa ireo maritiora ireo, nony nanomboka ny fanenjehana, nanomboka noràràna ny fivavahana kristiana ka tratra izy ; alohan’ny hamonoana ireo maritiora, hoy ny mpanoratra ny tantara, dia nogadraina tany amina trano-na manamboninahitra ireo, dia misy manamboninahitra vaky vava ny amin’ny finoany, ny amin’ny fahamarinan’ny fitondran-tenany. Vaky vava ry havana ô. Izay ilay maritiora kintana e, satria niasza tao aminy Jesoa hanatanteraka azy. Ary izay nataon’i Jesoa tamin’ireo, ataony amintsika ry havana ô. Fa isika no tsy rototra amin’izany. Fa izao : miteny Paoly hoe : attention an, Jesoa te hanao anao ho kintana, fa misy zavatra 2 manimba an’iny fanazavana iny, eo amin’ny and.14 : « Ataovy ny zavatra rehetra amin’ ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana ». Mety tokony ho kintana ianao, fa ireo zavatra 2 ireo tena manena be ilay fahazavanao.

  • Ilay fimonomononana moa, izany ve mila hazavaina. Misy olona ry havana, n’inon’inona situation, na situation mahasosotra na situation mahafinaritra, mimonomonona foana izy, mimonomonona, tsy mba misy zavatra mahafaly azy mihitsy. Ary zavatra halan’Andriamanitra io fimonomononana io. Fantatrao moa fa hoe tamin’ilay 40 taona naha tany an’efitra ny zanak’Isiraely, efa akaikin’ny Kanana ange ny zanak’Isiraely no niodinkodina 38 taona e. 38 taona niodinkodina teo, izay no nahafeno an’ilay 40 ; fa 38 taona nandrasan’Andriamanitra ho maty ireo lehilahy rehetra nimonomonona tamin’ny fitantanan’Andriamanitra azy. Tsy misangisangy amin’ny fimonomononana Andriamanitra ry havana ô, ary izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe io fimonomononana io manena an’ilay fahazavana amin’ny maha-kintana e. Ary tsy ho parfait mihitsy ianao.
  • « Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana ». Ny tsi-fisalasalana. Ilay olona misalasala, ary izay ilay tena teny grika, hoe : « discuter ». Misy olona ry havana, mandre toriteny ohatran’izao izy, dia avy eo rehefa miresaka : mi-discuter : « ka izao ka », « eny e, izany ny tenin’i Pasitera aloa e ». Mi-discuter : ao an-trano, ao misokatra ny vavan’i Dada na vao misokatra ny vavan’i Neny, misy ny anankiray mi-discuter foana : discussion, dispute, tsisy farany. Ao amin’ny mpihevi-draharaha : toujours les mêmes, n’inon’inona sujet eo, tsy maintsy manangan-tanana, nefa mba zavatra efa mazava izao, etc…

Hoy Paoly hoe : atsaharo ny fimonomononana, atsaharo io fiadin-kevitra lava io, atsaharo io fandaharana lava io e. Tsy manena anao izany, fa au contraire, manandratra anao ho fanazavana ry havana ô.

Raha ny firariana ho antsika rehetra ry havana, dia mba hoe ho fanazavana isika manomboka ao amin’ny ankohonana, ho tena kintana ; ao anatin’ny fizahan-toetra, ao anatin’ny zava-manahirana, tsy isika indray no mpimonomonona na mpiombona amin’ny mpimonomonona na be fisalasalana, be fandaharana, be fiadin-kevitra ; fa tena ho kintana manazava, manoro lalana e. Ary arakaraky ny maha-maizina ny firenena, vao maika mampisongadina ilay fahazavana ry havana ô. Tsy mahakivy izany.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : NY OLONA IZAY MAMELA AN’I KRISTY HANATANTERAKA AZY DIA MANAO FANATITRA SY FISORONANA NY FIAINANY.

And.17 : « Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra sy fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra ». Ilay olona manaiky an’i Jesoa hiasa ao, dia manaiky hoe ataoko fanatitra ho anao ny fiainako, ary ataoko sorona ho anao ny fiainako. Manaiky ho fanatitra sy sorona.

  • Io ange, tsy mora ange izany e : atao fanatitra ; izay mantsy ilay voambolana voalohany : atao fanatitra, atao sacrifice. Izay ilay izy : atao sacrifice. Atao sacrifice ho an’i Jesoa ny fiainanao ; efa hitantsika teto, atao sacrifice ho an’i Jesoa ny ainao, ilay âme, ny passion-nao rehetra. Atao sacrifice ho an’i Jesoa izay momba anao. Raha tsy ny Fanahy Masina no mi-énergiser anao, tsy haniry an’izany ianao. Ary raha tsy ny Fanahy Masina no mi-énérgiser anao, tsy hahatanreraka an’izany ianao. Ary raha tsy ny Fanahy Masina no mi-énergiser anao, jamais ianao hi-plaire amin’Andriamanitra, jamais ianao hi-plaire amin’Andriamanitra ry havana ô. Fa izay : afarana isika hoe : ataovy fanatitra ny tenanao sy izay momba anao ary avelao Jesoa hanoro lalana anao hitarika anao ho amin’izany.
  • Dia hoy ny Soratra Masina hoe : « Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra sy fisoronan’ ny finoanareo ». Ilay resaka fisoronana indray an, manahirana moa ilay teny gasy, fa ilay fisoronana dia avy amin’ny teny grika hoe « leitourgia » izay nanome hoe « liturgie ». Raha vakiana izany dia hoe : fanatitra ilay voalohany, sy liturgie.

Ny fiainako izany : ataoko fanatitra, sacrifice, iray izay ; sy liturgie. Izany io. Ataovy liturgie ny fiainanao.

Ry zareo mpahay grika dia manazava fa hoe ilay « liturgie » resahina eto aloa, dia hoe asa fanompoana nataon’ny olona anankiray ho an’ny fanjakana. Amin’ny maha-olom-pirenena izany an, misy asa atao ho an’ny fanjakana, fanompoana ny fanjakana manomboka aty amin’ny madinika ka hatramin’ny filoham-pirenena. Isika mila mivavaka an, ho an’ny filoham-pirenena hajaina sy ny Pm ; mila mivavaka isika mba hoe : ianao ange napetrak’Andriamanitra eo, ianareo ireo, ireo minisitra rehetra e, tsy noho ny équilibre régional sy ny fahaizanareo, non ; fa eo ianareo, manao liturgie ho an’ity firenena ity. Rendez service à cet Etat, à ce pays. Izany ilay izy. Fa hanadinana anareo io fahefana izay nomen’ny Tompo anareo io rhaa tsy manao liturgie ianareo eo amin’izay toerana misy anareo.

Fa avy eo moa ilay liturgie dia noraisina hoe asa natao ho an’Andriamanitra. Mifandray ihany izany e, mifandray ihany izany, indrindra isika manana, be dia be ny mpitondra hoe kristiana. Enga anie ka haharitra izany fa tsy hahita an’izany isika, enga anie ny masontsika tsy hahita an’izany, na ny zafikelintsika, hoe maro an’isa ny slamo eo amin’ny fitondrana. Fa hoe : manao fanatitra ary Jesoa no hanampy anao amin’izany, amin’ilay sacrifice, averina indray, sy hanao ny fiainanao ho liturgie.

 

Faranana ry havana ô, izao teny izao : miteny Paoly hoe, and.16 : « mitana ny tenin’ ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ ny andron’ i Kristy ». Izao toriteny izao dia atao ho an’ny olona izay mahafantatra hoe hisy izany andron’i Kristy izany, hisy izany, izany no olona mihaino an’izao toriteny izao, izany hoe andro hiverenan’i Kristy izany, izany andro hitsarany antsika izany. Izany, izany ity toriteny ity. Ary dia tena hoe ny fahafantarana an’izany dia hoe manosika azy hamela an’i Jesoa hiasa mba ho tanteraka izy eto amin’ity tany ity. Ny tanteraka ange tsy misy, fa hoe an-dalam-pahatanterahana e. Fa rehefa tsy miroso amin’ny fahatanterahana ianao, malahelo aho miteny aminao, fa hihemotra ianao an. Tsy misy izany hoe stable izany : fa rehefa tsy mandroso any amin’ny fahatanterahana ianao, dia mankany amin’ny fihemorana ianao. Mamela an’i Kristy hiasa hanatanteraka azy koa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Ary enga anie ry havana ny ankohonantsika rehetra ireto, ho sehatra ahazoana hoe mametraka tanjona : Dada, Neny, ny ankizy, hoe hifanolotra ho tanteraka eo anatrehan’i Kristy rahatrizay tonga ny androny.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena