ALAHADY 27 SEPT 2020

Marka 12. Ny hafatr’i Jesoa ho an’ireo olona mpiasa tany ; izay no hakantsika hafatra. Ilay tany eto an, dia tanim-boaloboka. Ary ny tanim-boaloboka ao amin’ny Soratra Masina dia manambara ny Isiraely. Isiraely : sady Fiangonana no firenena. Dia hafatra ho an’ny olona napetraky ny Tompo hiasa izany tanim-boaloboka izany, dia ny mpitondra Fiangonana, sady mpitondra firenena. Ry havana ô, ry havana ô, izaho sy ianao izany mpiasa tanim-boaloboka izany. Ity dia hafatra ho antsika mpiasa tanim-boaloboka. Fa araka ny efa mahazatra antsika ry havana, rehefa mamaky texte hoatran’izao isika dia mahatsiaro fa misy tanim-boaloboka ananky telo : ny ankohonana – ny Fiangonana – ny firenena. Izay ilay tanim-boaloboka ry havana ô. Ary Andriamanitra no tompon’ireo tanim-boaloboka ireo, fa isika irahiny hiasa amin’izany tanim-boaloboka izany. Dia hafatra ho antsika mpiasa amin’ny tanim-boaloboka izao hafatra izao ry havana ô.

Ny hafatra voalohany, dia hoe : HAJAO JESOA. Andeha iarahantsika mamaky ny Marka 12 :6 ry havana, Marka 12 :6 : « Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy ». Hanaja ny zanako izy.

Andriamanitra tompon’ny tanim-boaloboka dia naniraka mpanompo ho any amin’ny mpiasa tany hijery izay vokatra. Dia inona ny zavatra nitranga ? Nandefa mpanompo anankiray Izy dia nosamborina, nokapohina. Dia nandefa mpanompo anankiray koa Izy, dia noratrainy, nalainy baraka. Naniraka mpanompo anankiray koa izy teo amin’ny and.5 dia novonoiny ho faty. Ary mbola naniraka mpanompo hafa maro koa izy. Ary farany, naniraka anankiray Izy, dia ny zanany lahy malalany. Ny zanany lahy malalany. Ary dia nieritreritra Andriamanitra, nieritreritra ilay tompon’ilay tanim-boaloboka hoe : raha ny zanako kosa e : hajainy. Mandinika antsika ry havana ny mpino ankehitriny, mpiasa amin’ny tanim-boaloboka, na iza isika na iza, na ny ankohonantsika izany, na ny Fiangonana misy antsika izany, na ity firenena misy antsika ity izany : MANAJA AN’I JESOA VE IANAO ? MANAJA AN’I JESOA VE IANAO ?

Ho antsika Fiangonana, malaza be amintsika ilay tenin’i Jesoa ao amin’ny Apokalipsy 3 :20 hoe : « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko ». Io zanak’Andriamanitra nirahin’ny Rainy io ry havana ô, amin’izao maraina izao, dia mandondona eo am-baravaran’ny fontsika mpiasa tanim-boalobok’Andriamanitra ry havana ô. Dia misy karazany 2 isika mianakavy eto amin’izao maraina izao :

  • Misy mahare an’izany fandondonana izany dia tonga saina, ohatra, tapa-kevitra hoe hay ity izaho mbola tsy katekomena, mbola tsy namoha varavarana an’i Jesoa tao amin’ny fiainako. Misy izany mila mamoha varavarana.
  • Dia misy indray, efa namoha varavarana

Fa izao ry havana, ho anao izay mieritreritra hoe efa namoha varavarana aho : tena manaja marina an’i Jesoa ve ianao ? Efa fanajana Azy ilay famoahana varavarana, fa fanajana Azy ny fanatanterahina ny hafany ry havana ô.

Rehefa miteny ange ny Soratra Masina hoe : « mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho » hoy Jesoa, « ka hiara-misakafo aminy ». Io miara-misakafo Aminy io, eto hoe : hiara-hipetraka hiara-misakafo Aminy. Rehefa misakafo ry havana, matetika, fotoanan’ny firesahana. Fa miara-misakafo amin’i Jesoa ve ianao e ? Ny resaka ataony aminao ve dia ampiarinao ry havana ô ?  Ampiarinao ve ny resaka ataon’i Jesoa aminao ? Ary ampiarinao amin’ny antsipirihany fa tsy ampiarina amin’ny ambongadiny ? Hajao Izy e. Ampiaro amin’ny antsipirihany, aza ampiarina amin’ny ambongadiny. Ny atao hoe : ampiaro amin’ny antsipirihany : ampiaro amin’ny andavanandrom-piainanao e.

Misy havantsika avy ato Isotry Fitiavana ry havana namoy ny vadiny, dia tonga tao amin’ny secrétariat ny filazana manjo omaly maraina, dia nandalo tao izahay, dia hoy aho hoe tery tery be ilay programan’ny Fiangonana, aleo hoy aho izaho sy Tatie Landy handeha hamangy eny, ery Antohomadinika ery. Dia inona ny zavatra nitranga ry havana ? Ilay eo amin’ny rond-point misy ny BMH eo mankery Antohomadinika ery amin’ny Total ery : tsena. Tsy azo alehan’ny tômôbile, dia mandeha tongotra ianao izany. Tena mifanitsa-kitro ny olona. Dia nony nody izahay, dia misy moto mi-klaxonne ao aoriana : lalana piétons izany an, mi-klaxonne, mi-klaxonne, manao fanao-na klaxon-na adala. Tonga teo aorinako izy, tsy nihetsika aho, dia avy eo dia nikisaka ohatran’izao aho dia niodina. Dia maninona hoy aho no mivatravatra ohatran’izany e. Ka izaho hoy izy efa mi-klaxonne. Ianao ange tsy tokony andeha amin’iny e, fantatrao ve ianao fa tsy tokony handeha amin’iny ? Raha izaho ry havana no nanana moto na bisikileta dia nidina tamin’ilay moto na bisikileta dia notazoniko moramora ; fa tsy izaho indray no hanao hoe fanaovana klaxon-na adala. Izany ry havana malala ny olona manaja an’i Jesoa izany an, tsy hoe masina ohatran’izao rehefa aty am-piangonana fa rehefa any amin’ny andavanandrom-piainana dia manao izany fitiavan-tena sy tsy firaharahiana ny hafa izany. Manaja ny zanaka malalan’Andriamanitra ve ianao e  amin’ny antsipiriham-piainanao amin’ny andavanandro ? Sa hainao tsara izany fomba kristiana izany ?

Variana foana aho rehefa andefasana sary amin’ny Facebook ireny ry havana. Nisy sary-na tovovavy tsara tarehy kely nalefa taty aminay taty, dia hoe : Ok tsara ny fiainana rehefa miaraka amin’i Jesoa. Tsisy maha-ratsy an’izay hatreo an. Dia izy miankina amina paozy tena somay mi-style amina 4*4 tsara tarehy izay. Mbola tsisy maha-ratsy azy hatreo. Fa rehefa mijery ny akanjony aho ry havana : inona no tena tiany asongadina : ilay hatsaran’i Jesoa sa ilay hatsaran’ny bikany e ? Izany ry havana ô, izany, izany ny niveau antsika izany izao. Hajao, hajao Jesoa.

Tafaresaka tamin’ny olona anankiray aho, miandry fivoriana eo, dia nijoro vavolombelona izy, nahafinaritra be ilay fijoroana vavolombelona. Hoy izy : izaho izao ry zareo an, tratran’ny covid forme grave, fa sitrana soa aman-tsara aho. Fa alohan’ny nitenenany hoe sitrana soa aman-tsara : nony nisokatra ny masoko, hoy izy, satria tena nanao coma aho ; nony nisokatra ny masoko dia diso fanantenana aho. Fa naninona izy no diso fanantenana ? Ny tarehin’ny vadiko no hitako, nanantena hahita ny tarehin’i Jesoa aho. Mahafinaritra be ange izany témoignage izany ; fa rehefa jerenao ny fiainany : tsy arak’izay etc… Hajainao ve amin’ny fiainanao ary tezainao ve ny zanakao hanaja an’i Jesoa ry havana ô ?

Variana foana aho, rehefa tantarain’ny diakona, katekomena koa, misy ankizy tena hoe manao akanjo tena hoe fohy kely sy ny karazany. Fa ahoana hoy aho ? Ka iny Pasitera manahirana mihitsy : tenenina ilay zaza, fa ilay mamany mihitsy no miteny hoe tsy maintsy mba « mihetsiketsika », tsy maintsy « mba sexy ». Raha manaja an’i Jesoa ianao ry havana ô, tsy manao sexy izany satria hoe tsy matahotra ny tsy hahita vady. Fa raha tena manaja an’i Jesoa ianao, Jesoa no efa manomana izay anjara sahaza anao.

Izay ny fahamarinana 1  ho antsika mpiasan’ny tanim-boalobok’i Jehovah : HAJAO NY ZANAKA MALALAN’ANDRIAMANITRA E.

Ny Fahamarinana 2 dia izao : AZA VONOINA E, AZA VONOINA NY ZANAK’ANDRIAMANITRA

Jerentsika ny and.7-8 ry havana : « Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe : Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova. Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanimboaloboka ». Laviny, dia novonoiny. Aza lavina, aza vonoina ny zanak’Andriamanitra ry havana ô.

37 taona taorian’ny nitenenan’i Jesoa an’ity teny ity tamin’ireto Fariseo sy Sadoseo ireto, 37 taona no rava Jerosalema sy yn tempoliny ry havana ô, 37 taona. Satria naninona ? Satria hoe nandà, nandà an’i Jesoa. Nandà, ary tonga hatramin’ny famonoana Azy. Ilay and.8 hoe : « Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanimboaloboka ». Tsy nalevina akory ; sanatria an’izany, natsipy any ivelany any toy ny fatim-biby. Ry havana ô, ry havana ô, ry havana ô, hainao, tsy vaovao aminao izany hoe aza mandà e ; ianao ve hieritreritra ny hoe hamono, tsy hieritreritra ny hamono ; fa aza mandà an’i Jesoa ry havana ô, fa hitondra faharavana ao amin’ny fiainanao izany. Ary raha manan adidy ianao, manana anjara ianao amin’ny fitondrana ity firenena ity : mitondra ity firenena ity any amin’ny fahapotehina sy any amin’ny faharavana ianao raha mandà an’i Jesoa ry havana ô. Fa ny tena zava-doza dia izao, ny tena zava-doza dia izao : eo ilay faharavana sy ilay fandringanana, ara-batana, ara-materialy ohatran’izany ry havana ô ; fa ny olona mandà an’i Jesoa, dia efa ambaran’ny Apostoly Jaona any amin’ny bokin’ny Apokalipsy fa ho any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara izy. Ho any amin’ny farihy mirehitra afo.

Nahatsiaro an’izay aho ry havana, fa namita iraka tany Port Bergé izahay, namangy ilay hoe Sekolin’ny Katekista izay tohanan’ny Fjkm Isotry Fitiavana. Variana ianao ; rehefa amina tronçon Ambondromamy miakatra ho any Port Bergé iny, tena hoe feno doro tanety. Ary nisy anankiray izay ry havana ô, nisy anankiray izay, tena hoe nanamorina ny arabe mihitsy. Ary teo anoloanay nisy camion-citerne izay, dia nijanona izy. Tsy sahiny ny nanapaka ilay afo, satria sady manamorina ny arabe ilay afo, no milelalela be ilay afo. Misaotra ny Tompo aho ry havana nampahitany an’izany. Izaho tsy miteny hoe mety ny doro tanety, fa misaotra ny Tompo aho nampahitany an’izany : « izaho ary, hoy aho, mipetraka eto amin’ny espace passager eto, mahare ny hafanan’ilay lela afo miredareda eo ». Tena zava-doza izany hoe farihy mirehitra afo tsy mety maty izany, mirehitra afo solifara ry havana ô.

Andeha isika hangataka ny fanahin’ny fahatahorana ; ny Fanahy Masina io ; ny fanahin’ny fahatahorana an’i Jehovah ry havana ô, mba tena hoe hatahotra isika mianakavy amin’izay rehetra kasaintsika sy ataontsika ; hoe hatahotra sao dia hanao izay hampahatezitra an’Andriamanitra, hany ka mba hoe ho any amin’ny fandringanana sy any amin’izany farihy mirehitra afo sy solifara izany.

Izay ny Fahamarinana 2 : AOKA IZAY E, NY FANDAVANA – AOKA IZAY E, NY FANDAVANA AN’I JESOA.

Ny Fahamarinana 3 farany dia izao : ATAOVY VATO FEHIZORON’NY FIAINANAO JESOA.

Nahoana ry havana no zava-dehibe izany hoe atao vato fehizoron’ny fiainanao izany Jesoa ? Satria any am-parany any ry havana, any am-parany any, dia ho avy ny andro famaliana ; ho avy ny andro famaliana. Ilay famaliana : rétribution. Ho valiana araka izay nataony ny olona. Ny ratsy fanahy no tena ao an-tsaina amin’izay. Famaliana : vengeance. Vengeancen’Andriamanitra.

Misy olona ry havana tena hoe manao veto fehiziron’ny fiainany an’i Jesoa. Misy polémique mangotraka ry havana any Etats-Unis amin’izao fotoana izao, fa misy mpitsara anankiray, mpikambana amin’ireo mpitsara 9 ao amin’ny Cour Suprême des Etats-Unis ao ; izany Cour Suprême des Etats-Unis izany, izany no mandrafitra ny fiainan’ny amerikana ; tsy ny Président mifandimby eo 4taona na 8taona ; fa izany membre-ny Cour Suprême izany no tena mandrafitra azy. Ary ny tena maha-zava-dehibe azy an, eo amin’ny faha-50 taona eo no voatendry ilay mpitsara ao amin’ny Cour Suprême ary dia matetika izy 30taona eo izany. 30taona, eo mandrafitra firenena. Dia inona no mahatonga an’ilay polémique ? Amin’izao fotoana izao, 5 sy 4 izany : 5 antsoina hoe conservateurs ; 4 lazaina hoe, izay no filazan’izao tontolo izao azy hoe ankavia sady progressiste. Progressiste izany an, pro-homosexualité ; progressiste izany hono an pro-avortement sns… Ka izao : ireo conservateurs 5 izany manana majorité ; or : maty ilay progressiste iray ; dia mangotraka be ilay ady hevitra hoe iza ary no ho tendren’i Donald Trump filoha amerikana hisolo an’ilay progressiste maty io. Ny solony notendren’i Donald Trump ry havana dia Ramatoa magistrate katolika izay. Ary ny zavatra nampalaza an’io magistrate katolika io, dia teny tahak’izao, hoe : « mazava ho azy, mazava ho azy, fa raha izaho no voatendry any amin’izany Cour Suprême izany, ny maha-katolika ahy tsy maintsy hi-impacter ny fanapahan-kevitra raisiko en tant que magistrate ao amin’ny Cour Suprême ». Rahoviana re ny HCC no hiteny hoe : amin’ny maha-katolika ahy, amin’ny maha-loterana ahy, amin’ny maha-Fjkm ahy, tsy maintsy mi-impacter ny zavatra ataoko ato amin’ny HCC ny finoako ? Rahoviana ny filoham-pirenena, ny PM, hoe katolika, hiteny hoe : « mazava ho azy fa tsy maintsy hi-impacter ny fitondrako firenena ny maha-katolika ahy, ny maha-kristiana ahy ». Izany ny olona manao an’i Jesoa ho vato fehizoron’ny fiainany ry havana ô. Fa rehefa tsy izany no ataonao ao amin’ny fiainanao, rehefa tsy vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana, dia ny fiainanao : faharatsiana miampy faharatsiana. Nahoana ? Jereo anie ny bokin’ny Mpitoriteny 8 :12 : « Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany » : manao ratsy izy, tsy manao vato fehizoro ny fiainany an’i Jesoa izy, manao ratsy izy, velona izy, ambinina izy ; dia hoy ilay and.11 hoe : « Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy ». Rehefa tsy ataonao vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana ô, izany ny fiainanao : mikiry amin’ny ratsy satria heverinao hoe tsy maty manota ianao. Indrindra ny olona eo amin’ny fitondrana, satria ho an’ny mpitondra firenena ity. Ianao ange tsy ho minisitra mandra-pahafaty eo e, tsy Président mandrakizay eo e. Fa hoy ny Tompo hoe : ataovy vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa ry havana ô, satria tsy maintsy ho avy izany andro famaliana izany. Tsy maintsy ho avy izany andro fahatezeran’Andriamanitra izany. Ary tena hoe andro faran’izay mampatahotra ; ary amin’izay fotoana izay, ny olona hoy ny bokin’ny Apokalipsy dia hiteny hoe : « Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ ny tavan’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry ». Io zanaka malala io izany ry havana ô. Raha tsy ataonao vato fehizoron’ny fiainanao Jesoa, tsy ho zakanao izany andron’ny fahatezerana izany. Raha mivavabavaka ianao, ny fombam-pivavahanao tsy haaro anao amin’izany andro fahatezerana izany fa anisany ilay hiteny ianao hoe « mianjerà aminay ry tendrombohitra sy vatolampy ô, afeno amin’izany fahatezerana izany izahay ». Fa ny olona manao an’i Jesoa ho vato fehizoron’ny fiainany ry havana ô : ny fototry ny fiainany, ary ilay tanim-boaloboka arafitra amin’izany vato fehizoro izany, rehefa ho avy ny andron’ny fahatezerana, rehefa ho avy ny andron’ny fahatezerana, dia voarakotry ny rà izay nalatsaka ho azy teo amin’ny hazo fijaliana, ka tsy hihatra aminy izany hoe fahatezeran’ny zanak’ondry izany. Ry havana malala ô, avelao Jesoa e, ho vato fehizoron’ny fiainanao. Ary izay no hafatra ho antsika amin’izao andro farany izao : HAJAO NY ZANAK’ONDRY – AZA LAVINA IZY – ARY ATAOVY VATO FEHIZORON’NY FIAINANAO.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena.