ALAHADY 20 SEPT 2020

Titosy 1 : 7 : « Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra »

Ao amin’ny Baiboly sasany izao an, eo amin’ilay mpitandrina misy hoe 2, misy 2 kely io. Dia ilay 2 kely io eo ambany, misy hoe : « episkopo ». Ilay teny grika moa zany ry havana «  episkopo ». Izao ry havana no hafatra ho antsika : miteny amiko ny Tompo, miteny aminao Izy, ary ambarany ny maha-ianao anao dia ny hoe : MPITANDRINA NY AN’ANDRIAMANITRA IZAHO SY IANAO. Ilay hoe « mpitandrina » : « episkopo ». Io no nanome hoe Eveka. Raha fintinina izao hafatra izao dia hoe : TSAROVY E FA IANAO ANGE DIA NATAON’ANDRIAMANITRA HOE EVAKANY E. EVEKAN’ANDRIAMANITRA IANAO RY HAVANA Ô.

Tsisy resaka hoe katolika eto, fa hoe io ilay teny grika : IZAHO SY IANAO : EVEKAN’ANDRIAMANITRA ry havana ô. Ary atomboy ao amin’ny ankohonana izany.

Ny mahatsara an’ilay hoe evekan’Andriamanitra dia hoe mifandraiky amin’ny Fiangonana izany. Izay ilay izy. Ary raha mifandraiky amin’ny Fiangonana, dia mahatsiaro an’ilay fampianarana mahazatra isika hoe misy karazany 3 ny Fiangonana : ny ankohonako, ny Fiangonana misy antsika, ary koa ny tany sy ny firenena misy antsika. Fiangonana daholo izany ry havana ô. Ary rehefa ao amin’ny ankohonanao ianao : meteza ho evekan’Andriamanitra. Ato am-piangonana ianao : meteza ho evekan’Andriamanitra. Eo amin’izay toerana misy anao ianao eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fitantanam-pirenena : tsarovy fa evekan’Andriamanitra ianao. Evekan’Andriamanitra ianao.

Dia eo ilay famartitana ny atao hoe eveka, hoe : mitandrina ny an’Andriamanitra. Mitandrina ny an’Andriamanitra. Enga anie ka ho izany isika mianakavy ; hanova ny lasintsaintsika izany ny amin’ny antom-pisiantsika sy ny fomba fanompoantsika ilay « mitandrina ny an’Andriamanitra ». Ny mpitandrina ny an’Andriamanitra dia izao : samy hafa ny fandikan-dry zareo mpahay grika an’io. Ilay hoe « mitandrina », ilay teny grika dia misy mandika hoe « suveiller », ohatrany hoe « surveillance générale » any am-pianarana. Misy dikanteny tsaratsara kokoa ry havana, dia hoe : « veiller sur ». Tahaka ny ray aman-dreny mi-veiller amin’ny zanany, mi-veiller amin’ny ankohonany. Izay ilay izy, izay ilay hoe « mitandrina » : tsy « surveiller », fa « veiller sur ».

Ry havana ô, ry havana, misaotra ny Tompo isika ny amin’izany andraikitra tsy manam-paharoa sy anaram-boninahitra omeny antsika tsirairay, ambony noho ny anarana rehetra, hoe : izaho sy ianao, evekan’Andriamanitra ry havana ô.

Andeha ary jerentsika ny andrasana amin’izany evekan’Andriamanitra izany. Ery amin’ny and.9 ry havana ; lazaina izy aloa eo amin’ilay perikopa hoe tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mamo lian’ady ; izany an, faharoa izany ; fa ny fahatsiarovan-tena ny maha-eveka aloa ry havana, dia eo amin’ny and.9, ny andraikitra voalohany dia hoe : « mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra ». Ilay evekan’Andriamanitra izany, mahatsiaro izy hoe iraky ny Rainy any an-danitra e ; izany ange ilay izy e ; dia hoe izy, olona vonton’ny tenin’Andriamanitra. Izay ny Fahamarinana 1 : EVEKA VONTON’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Izay ilay izy : EVEKA VONTON’NY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA. Ery amin’ny tapany faharoa amin’ny and.9 ity, hoe : tsy misy kilema = teny salama. Ny fampianarana marina, ny fampianarana madio ry havana, dia manome fahasalamana : manome fahasalamana ny fanahy aloa, manome fahasalamana ny saina, manome fahasalamana ny nofo ry havana ô. Aty izany ny zavatra voalohany ambara amintsika : misy fampianarana mahafinaritra fa fampianaran-diso, misy fampianarana mahafinaritra fa hoy Paoly amin’i Timoty hoe tandremo fa misy fampianarana hoe fampianaran-demonia. Fa izany ry havana, ny andraikitsika amin’ny maha-eveka, ary ao amin’ny ankohonana izany, ao amin’ny Fiangonana : tandremako tsara tsy hisy fampianaran-dio hisosoka ao. Izany ny fahavalo voalohany mahazo ny Fiangonana : ilay fampianaran-diso ry havana ô.

Fotoanan’ny valim-panadinana sy ny fanadinana moa isika ry havana izao ; asa ianareo raha mahafantatra ray aman-dreny, fa maromaro ny ray aman-dreny ohatran’izany, hoe : faly fotsiny izy hoe afaka fanadinana ny zanany, faly izy hoe mifindra kilasy ny zanany, fa tsy fantany hoe inona no ianaran’ny zanany any am-pianarana any. Ianao ve ry havana, faly ve ianao fa hoe manao Sekoly Alahady ny zanakao, manao katekomena ny zanakao : fantatrao ve ny zavatra ianarany ao e ? Evekan’Andriamanitra ianao e, dia hoe : fantaro ny zavatra ianaran’ny zanakao. Izany ny hoe evekan’Andriamanitra.

Ato amin’ny Fiangonana, evekan’Andriamanitra ianao, dia hoe : hmm, ohatrany tsy izy izany an.

Eo amin’ny fitondram-pirenena ianao, evekan’Andriamanitra ianao : adidinao ny mampandroso ny filazantsara e. Ary averiko, tsara raha madilo ny sofintsika : raha te hampandroso an’i Madagasikara hoy Pasitera Ammi, « raha te hampandroso an’i Madagasikara : ampandrosoy ny filazantsara ». Eo dia misisika ny devoly hoe : « dia ahoana ny laïcité Pasitera ? ». Tsy mihaino an’izany ny evekan’Andriamanitra.

Izay ny Fahamarinana 1 hoe : EVEKAN’ANDRIAMANITRA IANAO, MITANDRINA NY AN’ANDRIAMANITRA : FANTARO IZAY FAMPIANARAN-DISO, AROVY AMIN’IZANY NY FIANGONAN’ANDRIAMANITRA : ANKOHONANA – FIANGONANA – FIRENENA.

Ny faharoa indray, dia hitantsika any amin’ny Eksodosy ry havana, ny andrasan’Andriamanitra amin’ny evekan’Andriamanitra. Eksodosy 18 :23 : « Raha hanao araka izany zavatra izany hianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra hianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny taniny ». Tadidio ry havana ô, ary izany ny Fahamarinana 2 : NY EVEKAN’ANDRIAMANITRA DIA MIKENDRY IZAY HAHATAFIDITRA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA ANY AMIN’NY TANINY.

Ary ahazoanao manatanteraka an’izany, dia mi-« veiller sur » izy, mijery ny fandaminana izy, ao amin’ny ankohonana, ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny firenena. Tsisy fandrosoana izany e, ary tsisy fiainana milamina izany raha tsy misy fandaminana matotra eo, ary hajaina.

Eto moa izany, ny rafozan-dahin’i Mosesy, mahita ny havesatry ny asan’i Mosesy, dia hoy izy hoe : tsy ho tafavoakanao io an, fa makà ianao 70 lahy dia zarao aminy ny andraikitra. Ary dia hoe ny andraikitrao, ny ady madinika rehetra, ny raharaha madinika : avelao ho an’ireo 70 lahy ireo ; fa ny raharaha lehibe ihany no aoka iandreketinao. Ahoana tokoa moa ry havana raha hoe ianao mahatsiaro tena ho evekan’Andriamanitra, raha sahirana amin’ny zavatra madinika ianao ? Tsisy zavatra madinika ka atao hoe ambany na ratsy rehefa ho an’Andriamanitra ry havana ô, ary izany ilay fanetren-tena ; fa hoe : raha ohatra ianao sahirana amin’ny asa madinika, tsy misy andinihinao, anaovanao ilay asa hoe tena maha-eveka anao.

Tantaraiko foana ry havana, indray mandeha izahay tary amin’ny synodam-paritany tary, dia nirava, avy teny Ambohitrimanjaka teny izahay, dia hoy ilay Pasitera namana hoe : « Ise angaha hody izao ? Izaho hiaraka amin’ise ary ». Dia napetraka tetsy amin’ny fiaro tetsy ambany tetsy izy. Fa ise izaho ho aiza, hoy aho ? Dia hoe : izaho mbola ho eny Alarobia, fa manamboatra akany izahay hoy izy, dia hitady fantsika aho hoy izy. Ry havana ô, tsisy maharatsy an’izany hoe mitady fantsika izany, fa araka ity teny ity, tsy anjaran’ny evekan’Andriamanitra, tsy anjaran’i Pasitera ny andeha hoe hitady fantsika ry havana ô. Fa rehefa lany fotoana amin’ny fitadiavana fantsika izy, dia tsy vitany ilay fitaizana ara-panahy, ilay fampitana tenin’Andriamanitra araka ny hita eto amin’ny tenin’i Mosesy eto, ilay fanoroana lalana amin’ilay vahoakan’Andriamanitra mba ho tody soa aman-tsara any amin’ny taniny e ny vahoaka. Izany anie ny mission-ny Pasitera, sy ny diakona sy ny loholona e. Variana amin’ny zavatra hafa, variana miady toerana, variana ain’ny fizahozahoana, dia adino hoe ny mission ry leretsy an, nametrahan’Andriamanitra antsika dia hoe ho tonga soa aman-tsara any amin’ny taniny ireo vahoakan’Andriamanitra izay nankininy tamintsika ireo.

Izay ny Fahamarinana 2 ry havana : NY EVEKA DIA MPAMPIDITRA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA ANY AN-DANITRA. ARY AHAZOANA MAMPIDITRA DIA HOE ENTITRA IZY, MI-VEILLER SUR IZY, MI-VEILLER IZY HOE MBA HO HAJAINA ILAY FANDAMINANA RY HAVANA. Izay ilay izy.

Ny Fahamarinana 3 farany dia ao amin’ny Matio ry havana, Matio 18 :34 : « Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra ». NY EVEKAN’ANDRIAMANITRA RY HAVANA DIA MIKENDRY KOA IZAY HOE ANDOAVAN’NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA NY TROSANY REHETRA AMIN’ANDRIAMANITRA.

Trosa ara-bola no resahina eto. Ny evekan’Andriamanitra dia mikendry izay hoe andoavan’ny vahoakan’Andriamanitra izay trosany rehetra amin’Andriamanitra. Resa-bola izany, resa-bola. Tadidintsika, malaza be ity tantara ity an, misy lehilahy anankiray nindrana vola iray alina, talenta iray alina, dia hoe vola be izany. Tsy voaloany ilay izy. Nitaraina tany amin’ilay tompon-trosa izy an, namindran’ilay tompon-trosa fo, tsy nogadrainy. Dia io, nivoaka avy ao amin’ilay tompon-trosa, nifanena amin’ny olona izay hoe manana trosa-na 100 denaria aminy. Tsy namindra fo tamin’ilay olona nanana trosa kely taminy ; dia tena hoe tezitra e, tezitra, tezitra, dia hoy Jesoa : izao, aloavy io, aloavy haingana io : ianao tsy namindra fo, Izaho koa tsy hamindra fo aminao ». Ary izao, and.34 hoe : « Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra ». Ilay baiko izany an, « avereno ilay trosa, avereno ilay vola », dia hoe izy hamerina an’ilay vola dia hoe amparapahaveriny ilay vola dia atolotra izy hoy Jesoa, atolotra ilay olona tsy mahaloa trosa, atolotra ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra. Atolotr’i Jesoa amin’ny mpampijaly ianao rehefa tsy mahaloa ny trosanao Aminy.

Inona ary ity mpampijaly ity ry havana ? Ny mpampijaly dia faran’izay tsotra : izay mahatonga anao ao anaty fijaliana. Mety ho circonstance-piainana izany, mety olona izany mampijaly mampahory. Manomboka izao ianao rehefa mijaly, ao anaty fahoriana ry havana, dia hoe : andraso ihany aloa handinin-tena ny amin’ny trosako amin’i Jesoa sao misy tsy voaloako an. Fa sao dia hoe izaho ilay mba natolony tamin’ny mpampijaly. Ary rehefa atolony amin’ny mpampijaly ianao, izany hoe ilay circonstance na ilay olona, maro ny mpandinika mifoha ry havana no miteny hoe : « atolotra eo an-tanan’i Satana ianao ho ampijaliany ». Izany ry havana no maha-zava-dehibe an, an’ity hoe adidy ara-bola ity e, eo anivon’ny Fiangonana. Aza atao ambinambin-javatra io e : ataontsika ny sitrapontsika, manara-po isika, fa ny ery ihany no ampandeferina.

Faranana, faranana izao teny izao : ry havana malala ô, ry havana malala ô, izany hoe evekan’Andriamanitra izany an, faly izy hoe evekan’Andriamanitra, satria hoe voasoratra any an-danitra ny anarany. Ary dia satria voasoratra any an-danitra ny anarany, irahin’Andriamanitra izy ho evekany ety, mba hoe ho mpampiditra ny vahoaka ho tonga soa aman-tsara any an-danitra ihany koa. Enga anie ka ho evekan’Andriamanitra ao amin’ny ankohonanao ianao, mi-veiller ianao hoe tsy ny tenanao irery, fa ny ankohonanao, samy voasoratra any an-danitra ny anarana ; Fiangonana tsy mirehareha afa-tsy amin’ny zavatra hoe Fiangonan’ny olona tena voasoratra any an-danitra ny anaran : miverina amin’ny fitiavana voalohany araka ilay hira teo ; ary ity firenena ity, n’iza n’iza mitondra eo amin’ity firenena ity, dia mahatsiaro hoe evekan’Andriamanitra, manomboka any amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny sefo pokotany araka ny teny mahazatra antsika : mpampiditra ny malagasy tsy vaky volo any an-danitra ry havana ô.

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amena