Archives de la catégorie: Toriteny

Toriteny alahady maraina na fanompoam-pivavahana hafa

ALAHADY 10 JAN 2021

Lioka 4 :18a : « Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy »

Ny miteny dia Jesoa. Ny ambara momba Azy dia hoe : « ato amiko ny Fanahy ». Maninona ao Aminy ny Fanahy ? Nanosotra Azy hitory teny soa mahafaly. Ilay hoe « nanosotra » na « voahosotra », io no nadika tamin’ny teny hebreo hoe : « Mesia » ; amin’ny teny grika : « Kristy ». RESAKA MESIA izany ny toriteny amin’izao maraina izao. RESAKA MESIA.

Tonga Jesoa ry havana. Manambara ny tenany ho Mesia Izy. Izy tonga. Fa ilay fanontaniana dia hoe : isika Fiangonana ve mila Azy ? Mila Azy Mesia ? Hafahafa ilay fanontaniana an. Isika Fiangonana ve : izaho ve, ianao ve, mila Mesia ?

Araka ny hitantsika eo an, io tenin’i Jesoa io an, teny nalainy avy ao amin’ny Isaia 61. Ary ao amin’ny Isaia 61 an, Isaia manambara ny fihavian’izany Mesia izany, izay tonga izany 8 siècles taty aoriana. Zava-mahagaga izany ry havana. Efa fantatsika izany zavatra izany. Fa ilay Mesia ambara io, ny fanafahana ambara eto aloa dia fanafahana ny Zanak’Isiraely avy amin’ny sesitany any Babylona. Izany no ilàny Mpamonjy, izany ilàny Mpanafaka, izany no ilàny Mesia : hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra avy any amin’ny sesitany izay hanafaizan’Andriamanitra azy. Ny tantaran’ny Zanak’Isiraely ry havana dia tantaran’ny fanekeny tamin’i Jehovah Andriamanitra. Ary mifanindran-dalana amin’izany ny nanompoany koa, ny nijangajangany ara-panahy tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy. Hita teo foana izay lafin-javatra anankiroa izay. Nafaran’Andriamanitra izy : ianareo ange rehefa tsy mety anarina e, ho faiziko ianareo, alefako sesitany ianareo. Izay no ilàna ilay Mesia.

Io sesitany io izany : vokatry ny fahotana, vokatry ny fahotan’Isiraely ry havana. Ary io fahotana io no nanimba ny fiainan’ny Zanak’Isiraely. Tsy manimba fotsiny amin’ny maha-firenena lasa sesitany, fa nanimba ny fiainan’ny tsirairay. Ary izany no haminanian’Isaia Mesia : mila fanasitranana ilay vahoaka, mila fanasitranana ny tsirairay. Ka raha niteny izahay hoe : mila ny Mesia ve ianao ? ; andeha ovaina ohatran’izao, hoe : IANAO VE MAHATSIARO NY TENANAO, MAHATSIARO NY FIAINANAO HO SIMBAN’NY FAHOTANA, KA MILA MESIA VE IANAO HAMONJY ANAO ? Fa tsy tenenintsika hoe : mila Mesia ve ianao ? Fa hoe : MILA REPARATION VE IANAO ? Tsy manivahiva ny Mesia izany ry havana. Tsy miteny ratsy, tsy mi-blasphémer ny Mesia raha miteny amin’ny Fiangonana aho hoe : IANAO VE MAHATSIARO TENA HOE MILA REPARATION, MILA MPAMBOATRA NY FIAINANAO ?

Sambatra ianao raha ianao izany mahatsapa hoe : « izaho izay resahina androany maraina eo amin’ny pilopitra izay. Tena mila réparation ny fiainako, mila mpamboatra ny fiainako vokatry ny ota niadaladalako ».

Andeha ary jerentsika ry havana izay mety ho asan’izany hoe réparateur na mpamboatra izany ; fa teneno aloa ny voisin-nao hoe : « Mila mpamboatra ve ianao ? ». Izaho, izaho Solofo mila mpamboatra, fa lazaiko anareo izany. Ary faly aho nahita an’ity teny ity.

Inona ny asan’ilay Mesia ? Inona ny asan’ilay Mpamonjy ? Inona ny asan’ilay Mpamboatra araka izay noresahina teo ry havana?

  1. VOAHOSOTRA IZY HITORY TENY SOA MAHAFALY AMIN’NY MALAHELO  

Hitory teny soa mahafaly amin’iza ? Amin’ny malahelo. Io no vokatry ny fahotana voalohany. Misy vokany 4 eo amin’ny perikopa eo. Fa ny vokatry ny fahotana voalohany dia ny alahelo. Ilay alahelo dia hoe malahelo, mahantra, « misérable, pauvre ». Izay ry havana. Ary mila réparateur hanamboatra ny fiainako aho, hanafaka ahy amin’izany alahelo izany. Tena eo dia eo mihitsy ny alahelo sy ny fahantrana ara-bola. Ary azo toriana tsara amin’ireny olona ireny, tena hoe mitrongo vao homana amin’izao fotoana izao ity texte ity ry havana. Marina amin’izao 2021 izao ity texte ity. Fa mihoatra an’izany io hoe fahantrana na alahelo resahina eto io : fahantrana ara-panahy ry havana ô. Ka raha mijery télé isika, mijery vaovao isika, mahita ny fahantran’ny olona hoe izay hohanina anio dia tadiavina anio, dia tsy misy afa-tsy izay ny fiainany : tena mampalahelo ilay izy. Mampalahelo lavitra an’i Jesoa noho izany ilay fahantrana ara-panahy ry havana ô. Ary izay no tian’i Jesoa, ilay fahantrana ara-panahy izay no hoe tian’i Jesoa amboarina hamonjena antsika. Ary Izy tany amin’ny Matio 5 dia efa niteny tsara mihitsy hoe : « Sambatra ny mahalelo am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra ». Tena hoe imasony manokana izany e.

Fa iza ry havana ilay malahelo, na malahelo indrindra, mahantra indrindra ara-panahy ? Ilay olona hoe mahatsiaro ao anatiny ao fa tena tsy alehany mihitsy ny fiainany ara-panahy. Ivelany izy ohatran’izao sy ohatran’izao ; fa ao anatiny ao fantany loatra fa tsy manjary izy. Nahafinaritra ahy ilay teny-na mpitoriteny anankiray hoe : Sambatra ilay malahelo ara-panahy ; ilay malahelo ara-panahy dia hoe mahatsiaro fa amin’ny lafiny ara-panahy ny fiainany dia tena hoe bankirompitra ry havana ô. Asa, raha hampanangan-tanana aho, raha misy anankiray sahy hiteny eto hoe bankirompitra ny fiainako ara-panahy. Fa izany no ilàna réparation izany. Izany no ilàna Mesia izany. Izaho Pasitera ry havana, fa noraisiko ho ahy izany teny izany. Dia faly aho, tena faly aho mitoriteny eto amin’izao maraina izao.

Izay izany ilay sokajy voalohany, na ilay vokatra ratsy voalohany ny amin’ny hoe fahotana mahazo ny vahoakan’Andriamanitra.

Dia miampita eo amin’ny voka-dratsy faharoa indray isika izany, eo amin’ilay ligne manaraka izay novakiana :

  1. NANIRAKA AHY HITORY FANDEFASANA AMIN’NY MPIFATOTRA IZY

Ilay voalohany izany : olona malahelo, bankirompitra ara-panahy ;  eto indray miresaka mpifatotra. Ny mpandinika dia milaza hoe ilay mpifatotra, raha azo adika amin’ny teny frantsay hoe « prisonnier », dia hoe ampitoviana mihitsy amin’ireny hoe « prisonnier de guerre » ireny. Mifatotra amin’inona ? Mpifatotra amin’inona ? Voafatotra aminny fahazaran-dratsy sy ny fomba ratsy mpahazo ny olombelona : fimamoana, zava-mahadomelina, sexe, lalao isan-karazany, voafatotry ny fangidiam-po koa, voafatotry ny fahatezeran-dava koa etc… Tena hoe voafatotr’izany fahotana izany. Ary araka ny tenin’i Jesoa, tena mpifatotra izy satria izay manao an’izany, izay manota dia andevon’ny fahotana. Izay. « Tonga Aho hi-réparer ny fiainanao amin’izany » hoy Jesoa. Tonga ny Mesia hanafaka, hanasitrana anao amin’izany. Ary n’inon’inona fatorana, « prisonnier de guerre » hoy isika teo ; n’inon’inona prison amatoran’i Satana anao, n’inon’inona anarany : fantaro fa Jesosy ry havana ô, manana ny fanalahidin’izany prison izany raha teneninao Izy hoe : « io ary Jesoa an, voahay izany fanalahidin’ny tranomaizin’ny fiainako izany, sy hanagadran’i Satana ahy, toy ny mpifatotra, toy ny prisonnier de guerre » amin’izao maraina izao.

  • Ny malahelo
  • Ny mpifatotra

Fa eto amin’ity malahelo ity, satria araka ny notenenina teo hoe citation nataon’i Jesoa avy amin’ny Isaia ity, dia hoe : eo Isaia tsy miteny hoe « mpifatotra », fa miresaka ny « olona torotoro fo » izy. Miresaka ny olona torotoro fo. Izany hoe eto amin’ity hoe mpifatotra ity izany an, izay ilay fanazavana voalohany ; fa ilay fanazavana faharoa, hoe : tonga Jesoa ry havana ô, hi-réparer io fonao torotoro io. Fo torotoro noho ny fiainan-tokantrano, noho ny fiainan’ny fianakaviana, torotoro noho ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-manompo ato am-piangonana ; ie, tena misy izany ; torotoro noho ny fiaraha-monina ao amin’ny andavan’androm-piainana. Tonga Izy hi-réparer an’izany fonao izany. Ary raha izay no hijerena ny tontolo misy antsika ry havana, tonga koa Izy hanasitrana, hi-réparer io fonao torotoro ary rotidrotika noho ny tantaram-piainanao, ferena noho ny tantaram-piainanao, noho izay fahadiasoana nataonao teo amin’ny fiainanao, noho izay namitahana anao teo amin’ny fiainanao, noho izay nandisoana fanantenana anao teo amin’ny fiainanao, noho ny fotoana nahadiso kajy anao. Ary ferena ilay fo ry havana. Maninona no ferena ilay fo ? Tsy mety sitrana ilay fo satria ilay eritreritra mampahatsiahy anao ilay mauvais souvenir mandrakariva dia tsy mety sitrana izany fonao izany. Fa tonga ry havana Jesoa, tonga Jesoa tena hoe hi-réparer, hanasitrana izany fo ferena izany, izany fo rotidrotika izany. Ary tsarovy, ho anao izay torotoro fo, fa Jesoa dia tena hoe manatona manokana, akaiky manokana antsika rehefa hitany hoe torotoro fo isika. Satria araka ny tenin’i Isaia mpaminany ihany dia hoe : « Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena » ry havana ô. Izay ilay nahatongavan’io Mesia io, izay no nahatongavan’io Mpamboatra io : tonga hi-réparer ny fiainanao voafatotra, hi-réparer ny fonao torotoro.

  • Malahelo
  • Mpifatotra
  • Torotoro fo

Dia tohizana ny tenin’i Jesoa dia hoe :

  1. SY FAMPAHIRATANA AMIN’NY JAMBA

Io koa sarotra amintsika mpino ry havana, sarotra amintsika olom-piangonana ny miaiky hoe mila réparation ny masontsika fa jamba isika. Ary ny mifandahatra amin’ny olom-piangonana no tena mazana indrindra, ilay olona « religieux », indrindra ilay olona « religieux » manompo fatratra ireny, nefa manompo anaty fahajambana ara-panahy. Tsaroanareo ry havana, tsaroanareo, tantaran’i Saoly. Nifanena tamin’i Jesoa izy teny an-dalana ho any Damaskosy, dia nony tonga tao Damaskosy izy, nametrahan’ny mpanompon’Andriamanitra tanana, izay vao hoe nisy kiran-trondro toy ny afaka tamin’ny masony, dia izay vao nahiratra indray ny masony. Izaho ry havana tena faly, tena faly, fa isaky ny mitory teny aho, dia hitako mihitsy hoe misy kiran-trondro alan’ny Tompo. Izaho tsy mitompo teny fantatra hoe izaho no mahiratra indrindra ato amin’ity Fiangonana ity, fa tena faly hoe ampahafantarin’ny Tompo hoe hay ve izany izy ity e, hay ve izany izy ity e. Ary ny tena mampalahelo, ankoatra an’ilay hoe ilay olona « religieux » indrindra, ohatran-dry Paoly, izay tena hoe nanenjika fatratra. Izay ange ilay hoe fatratra foana e ; zélé foana e ; na ho amin’ny tsara, na ho amin’ny ratsy ; fa rehefa jamba ianao dia zélé ho amin’ny ratsy. Dia mampalahelo ny mahita an’ilay olona ohatran’izany. Fa ny tena mampalahelo, ny tena mampalahelo ry havana dia hoe : ianao izany mba mahiratra, dia malahelo ianao mahita an’ilay olona hoe jamba, tsy mba mahita ny hitanao, nefa hoe miziriziry, miziriziriy anatin’izany fahajambana izany. Nisy tantara anankiray, haintsika tsara, John Newton ; izany : trafiquant d’esclaves ; izany : mpidoroka ; izany : tompon’ny ditra. Izay ditra rehetra nataony daholo. Nony nandray an’i Jesoa izy ry havana, ka novain’i Jesoa ny fony, novain’i Jesoa ny fiainany, dia nijoro vavolombelona izy, ary izy nanoratra tononkiram-panahy maro toa ireny hoe « Amazing grace » ireny. Dia hoy izy amin’ny tonin’ilay « Amazing grace » hoe : grâce-n’Andriamanitra mahagaga loatra, ary mamy loatra ny fandrenesana azy. izany grâce-n’Andriamanitra izany no namonjy olona tsy vanona ohatr’ahy. Very aho fahiny, fa efa hitan’Andriamanitra ankehitriny. Jamba aho fahiny, fa ankehitriny aho dia efa mahiratra. Tonga Jesoa ry havana ô, hi-réparer an’io masonao io, hanasitrana io masonao io, hamonjy anao amin’io fahajambana ara-panahy io.

  • Malahelo
  • Mpifatotra
  • Torotoro fo
  • Fahajambana ara-panahy

 

  1. HANAFAKA IZAY AMPAHORIANA     

Ilay fahoriana mbola vokatry ny fahotana an. Ory ianao, nefa izay ilay fon’ny Rainao : onena dia mamindra fo, dia maniraka ny zanany hi-réparer an’ilay dégât ao amin’ny fiainanao vokatry ny fahotanao. Izany ange no mampahagaga amin’io Andriamanitra io e. Ary izay no maha-vaovao mahafaly, teny soa mahafaly, satria manolotra réparation. Manolotra réparation raha mety ianao.

Iza ilay ampahoriana na nampahoriana eto ? Tsotra ry havana ny valiny rehefa jerena ilay contexte. Araka ilay teny teo, teny natao tamin’ny andron’i Isaia ity. Iza no nampahoriana ? Ny Zanak’Isiraely. Iza no mpampahory ? Nebokadnezara. Talohan’i Nebokadnezara, iza no nampahory ? Farao, 400 taona tany Egypta. Ireo, araka ny fantatsika ; any amin’ny Sekoly Alahady isika dia efa mianatra an’izany ; ry Farao, ry Nebokadnezara, sy ny forongony, dia tsy inona fa tandindon’i Satana. Satana no tena mpampahory izany. Satana no tena mpampahory. Ary miresaka tsara an’i Satana Jesoa ao amin’ny Jaona 10 :10. Hoy izy hoe : « Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana ». Izay no laasan’i Satana ry havana ô : tsy avy raha tsy hangalatra, hamono, handringana e. Fa izao no teny fampanantenana omen’i Jesoa antsika ry havana : resy ianao, resy ianao, resy am-boalohany ianao raha manantena hoe hifanandrina irery amin’i Satana. Resy am-boalohany ianao. Resy am-boalohany ianao, raha hiady amin’izany gouvernement hoe taranak’i Farao, taranak’i Nebokadnezara mpampahory vahoaka izany. Resy am-boalohany ianao raha hifanandrina amin’izany. Resy am-boalohany ianao raha manantena hoe hampitony an’io conscience-nao io izay ampahorian’i Satana, izay culpabilisé-n’i Satana lava. Izany ny fampahoriana. Resy am-boalohany ianao raha mieritreritra hoe andeha ho any amin’ny psychologue sy ny psychiatre fa trna hoe lasa ambany be ny estime de soi-ko noho ny afitsok’i Satana. Jesosy irery ry havana ô, no mahay mi-réparer an’izany. Jesoa irery no mahay mi-réparer an’izany. Ary tadidio ilay teny fampanantenana nomeny, hoe : « ny nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra dia ny handrava ny asan’ny devoly ».Amin’izao maraina izao Izy te handrava ny asan’ny devoly ao amin’ny fiainanao.

Faranana izao teny izao : maninona eo am-pamaranana Jesoa no miteny hoe : « Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah » ? Tamin’ilay contexte-Isaia, izay hoe manambara an’ilay Mesia ho avy, hoe hitory taona ankasitrahan’i Jesoa, manambara taon-jobily hoy Isaia. Ary iany taon-jobiliy izany, tsy ilay jobily jiosy, fa hoe Jesoa no nahatanteraka azy amin’izao fahatongavany, Izy voahosotry ny Fanahy hitory teny soa mahafaly amin’ireo sokajin’olona noresahintsika ireo. Tanteraka izany jobily izany ka tsy ilay jobilin’ny jiosy isaky ny 49ans, fa hoe taon-jobily izao ; tsy hoe amin’ity 2021 ity, fa ny fiainantsika ambara-piverenany ry havana dia taon-jobily. Ny zavatra nitranga tao amin’njobily jiosy, dia hoe : raha misy olona hoe mivaro-tena ho andevo, noho ny fahantrany, dia novotsorana tamin’ny taon-jobily. Raha misy olona hoe mivarotra ny fananany, noho ny fahatereny ara-bola, dia averina tanteraka aminy izany fananana namidiny izany hanavotana an'ilay trosa etc… Ny taon-jobily tao amin’ny jiosy, ary indrindra miaraka amin’i Jesoa, dia tena hoe « nouveau départ ». Fiaingana vaovao ao amin’ny fiainan’ny olona, ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ry havana malala ô. Fa anjaranao ny manapa-kevitra raha hoe hampandroso ilay Mesia ianao, hampandroso an’ilay réparateur ianao ao amin’ny fiainanao, hi-réparer an’io fahantranao ara-panahy io, hanavotra anao amin’izay mamatotra anao, hi-réparer an’io fonao torotoro sy ferena io, hanaisotra izay mbola kiran-trondro manajamba anao, fa aza mamita-tena e. Ary hanafaka anao amin’izay mbola hihazonan’i Satana eo ambany vahohony anao ry havana ô. Miankina aminao ny maha hoe taon-jobily, fiaingana vaovao, « nouveau départ » miaraka amin’i Jesoa ho anao anio 10 Janvier 2021.            

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo. Amen

ALAHADY 03 JAN 2021

Jaona 1 :49-51 : « Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy hianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany hianao.  Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona ».

Hoy ilay and.51 : « Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona »

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana, ny amin’ny teny hamatsiany antsika Fiangonana amin’izao Alahady voalohany amin’ny taona 2021 izao. Tsy teny ho an’ny androany 03 Janvier ihany ity ; tsy teny ho an’ny volana Janvier, ho an’ny taona 2021 ; teny ho antsika mandritra ny andro ahavelomantsika ry havana ô. Inona ilay teny fampanantenana omen’ny Tompo antsika ? Hoe : HAHITA NY LANITRA MISOKATRA IANAREO. Enga anie isika Fiangonana ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ho marina amintsika izany hoe : isan’andro isan’andro hahita ny lanitra misokatra ho antsika e.

Maro amintsika izao no tsy mino an’izany. Ie tsy mampino ange izany e. Tahaka ny hoe, raha miteny aminareo izao hoe ho foanana ny kere rahampitso : tsy mino an’izany ianareo. Satria sarotra inoana izany. Fa vao maika sarotra inoana koa izany hoe « hahita ny lanitra hisokatra ianareo ». Fa izao ry havana no lazain’i Jesoa : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » ; « En vérité je vous le dis ». Rehefa miteny an’izany hoe « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » Jesoa : milaza zavatra faran’izay important Izy, ary tena hoe anteriny ny fahamarinan’izany. Tsy teny maivana izany, maika koa tsy angano angano izany : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa ». In-25 Izy ato amin’ny filazantsara an’i Jaona no mapiasa an’izany hoe « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » rehefa misy zavatra, misy fahamarinana tiany anterina manokana ry havana :

  • « Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra ».
  • « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay »

Izany le karazana hoe : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » :

  • « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo ». Manasa anareo zandry zanaka izay mbola tsy mpandray ny fanasan’ny Tompo e. Miteny aminao manokana ny Tompo amin’izao maraina izao : tsy mety e, io ianao tsy mbola mandray ny fanasan’ny Tompo io.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: fa na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray dia omeny anareo amin’ny anarako izany ».

Etc…

« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa amin’izao maraina izao fa hahita ny lanitra misokatra ianareo ». Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fahasoavany. Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fitiavany antsika amin’izao fiandohan’ny taona izao. Ary izay no firariana avy amin’ny Tompo ho antsika, izay no antom-bavaka hoe : enga anie ka hahita ny lanitra misokatra isan’andro isan’andro isika.

Dia hamonjen’ny Tompo ry havana ny fahafohizan’ny sain’ny mpianatra izay nitenenany an’izany, hamonjen’ny Tompo ny fahafohizan’ny saintsika ato amin’ny Fjkm Isotry Fitiavana, dia ampiany hoe : « Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona ». Ho hitanareo, hoy Izy, ny anjely miakatra sy midina. Tsy ao anaty-na boky-na tantara ho an’ny ankizy isika fa ao anaty Baiboly izao ry havana. Ary rehefa niteny tokoa Jesoa tamin’ireto mpianatra ireto, tamin-dry Filipo, tamin-dry Andrea, tamin’dry Petera, tamin’dry Natanaela, hoe : « hahita ny lanitra misokatra ianareo sy ny anjely miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona », dia tena nanamarina an’izany ry zareo e. Oviana izy no nanamarina an’izany anjely niakatra sy nidina teo ambonin’ny Zanak’olona izany ? Nanamarina an’izany ry havana ry zareo, tamin’i Jesoa tao Getsemane. Tamin’i Jesoa tao Getsemane dia lazain’ny filazantsara hoe nisy anjely avy any an-danitra nampionona, nampahery an’i Jesoa. Nanamarina an’izany anjely miakatra sy midina avy any an-danitra izany ireto mpianatra ireto tamin’ny andro nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty raha nisy mpianatra niditra tao anaty fasana dia nahita tovolahy anankiray niakanjo fotsy nipetraka teo amin’izay nandrian’i Jesoa ry havana ô. Anjely niakatra sy nidina avy any an-danitra izany. Alohan’ny nidirana tao am-pasana, tonga teny am-pasana izy : anjely no nanakodia, anjely niakatra sy nidina avy any an-danitra ry havana ô, nanakodia ny varavaran’ny fasana. Izany ity Jesoa manambara fa hahita ny lanitra misokatra ; ary dia noporofoiny tokoa hoe nisy ny anjely niakatra sy nidina teo amin’ny Zanak’olona. Fa talohan’izany, ary tsy hitan’ireto mpianatra ireto ; fa talohan’ny nahaterahan’i Jesoa, nirahin’Andriamanitra avy any an-danitra ny anjely Gabriela hamangy an’i Marie ry havana malala ô. Ary nony teraka Jesoa, nirahin’Andriamanitra ny anjelin’ny Tompo nilaza hoe : « Mpamonjy no teraka ho anareo anio ». Ary mbola tsy ampy izay : anjely an’alinalina, nirahin’Andriamanitra izay anjely mifanatri-tava Aminy andro aman’alina eo anoloan’ny seza fiandrianana : mandehana ianareo mankeny ambonin’ny tany vetivety, hateveno ny zavatra lazain’ny anjelin’ny Tompo teo hoe : « Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ery fiadanana ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahana ». Nosokafana tokoa ny lanitra ry havana ô. Ary maro ny anjely niakatra sy nidina teo hanamarinana ny tenin’i Jesoa. Ary tsy hitan’ireto mpianatra ireto koa, fa rehefa nentin’ny Fanahy Masina, nalaina fanahy tany an’efitra nandritra ny 40 andro Jesoa, rehefa vita ilay fakàna fanahy Azy nandritra ny 40 andro, dia nanompo Azy ny anjely izay nidina avy any an-danitra. Hahita ny lanitra misokatra ianareo sy ny anjely miakatra sy midina eo amin’ny Zanak’olona.

Ary ny farany, dia hoe : raha nakarina tany an-danitra Jesoa ry havana, dia nisy anjely teo, niteny tamin’ireo Galiliana ireo hoe : an an an, izao no lazaina anareo, izao no hafatra nampitondraina anay avy any an-danitra : « Iny Jesoa iny dia mbola ho avy indray ».

Ry havana ô, ry havana ô, fantaro fa tena hoe zava-dehibe ny fahafantarana hoe misokatra ny lanitra, ary misokatra ho ahy sy ho anao. Tsy fantatro izay andrandrainao amin’ity 2021 ity, fa ny firariana ho anao dia hahita ny lanitra misokatra ho anao ry havana ô.

Ilay fanontaniana mantsy dia izao : Fa rehefa tsy misokatra moa ny lanitra dia ahoana ? Manao ahoana ny fiainana ? Na hoe, rehefa misokatra ny lanitra dia manao ahoana ny fiainana satria efa noporofoina teo hoe misokatra ny lanitra, miakatra sy midina ny anjely eo ambonin’ny Zanak’olona ? Fa rehefa tsy misokatra ny lanitra, nanao ahoana ny fiainana tety an-tany ? 

Misy tantara vitsivitsy ry havana ao amin’ny Soratra Masina, rehefa any an-trano ianareo mijery azy, fa tamin’ny andron’i Ely ; misy an’ilay hoe Ely izay, mpisorona tao amin’ny 1 Samoela. Ely dia mpisorona, fa ny 1 Samoela 3 :1 dia milaza fa tamin’ny andron’i Ely dia nihidy ny lanitra, hany ka nahalana ny tenin’i Jehovah ary tsy nisy fahitana niseho loatra. Izany hoe, rehefa akaton’Andriamanitra ny lanitra : tsy misy teny tonga aty amintsika ry havana ô. Nefa isika mba manao hoe Mathieu 4 :4 hoe : « Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra ». Tsisy teny tonga ao aminao e. Manokatra Baiboly ianao, fa tsy miteny aminao ilay teny. Tsy nisy fahitana loatra tamin’ny andron’i Ely satria nakaton’Andriamanitra ny lanitra. Rehefa mikatona ny lanitra : tsy manana fahitana isika, tsy manana vision isika. Tsy manana vision ho an’ny firenena, tsy manana vision ho an’ny Fiangonana, tsy manana vision ho an’ny fiainanao hoe mankaiza sy mankaiza marina moa ity fiainako ity, fa mitsapatsapa eny, tahaka ny jamaba ao anatin’ny alina hoy ny Soratra Masina. Izany :tsy manana vision.

Fa inona ny zavatra nitranga tamin’ny andron’i Ely ? Nitsakitsahina ny fanompoana, tsy notezaina toy ny fitaizana zanaka ho an’Andriamanitra ny zanany. Dia ny zanany lasa ratsy fanahy, nanafintohina ny tao am-piangonana. Izay : nanitsakitsaka ny fanompoany i Ely, nanao tsinontsinona ny fanompoany amin’y maha-mpisorona, dia nakaton’Andriamanitra ny lanitra ry havana ô. Akaton’Andriamanitra ho ahy, akaton’Andriamanitra ho anao ny lanitra rehefa hitsakitsahinao ny fanompoana. Dia tsy misy teny tonga aminao, tsy misy vision tonga aminao ry havana ô.

Deoteronomia ry havana manome exemple an’izany lanitra mikatona izany ary ny teny ampiasainy dia hoe : « ho varahina ny lanitra ». Ary rehefa varahina ny lanitra, zavatra roa no mitranga : mihantona ny andro ary tsy misy ranon’orana latsaka. Mampieritreritra io kera any Atsimo izay noresahina teo io ry havana. Nahoana io no tsy mbola nahitana solution ? Ny solution ve tsy ho avy ihany rehefa tena taitra amin’io ny mpitondra fanjakana ; fa io: Andriamanitra mampihantona ny andro any Atsimo any ary tsy misy ranon’orana latsaka any. Fa varahina ny lanitra any Atsimo ry havana ô. Varahina ny lanitra any Atsimo. Ary rehefa varahina ny lanitra, ny ambaran’ny 2 Tantara 7 dia hoe tsy mihaino vavaka Andriamanitra. Mba mivavaka ianao, mivavaka ianao, mivavaka ianao ; an an an, varahina ny lanitra ary tsy mihaino vavaka Andriamanitra ry havana ô. Ary izany no mahatonga an’ilay teny ao amin’ny 2 Tantara 7 :14 hoe : « Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny ». Ianao raha tsy miala amin’ny ratsy fanaonao e : varahina ho anao io lanitra io. Ary tsisy ranon’oram-pitahiana hirotsaka aminao ry havana ô. Fa rehefa sokafan’Andriamanitra kosa ny lanitra ry havana, ary io, tena haintsika tsara ilay Malakia 3 :10 an : « Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho ». Défi-eo Andriamanitra ry havana anio maraina : « hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo ». Niteny taminareo mbola tsy mpandray ny fanasan’ny Tompo aho ; miteny aminareo mbola mandà ny fahafolon-karena : tsy hanokatra ny varavaran’ny lanitra ho anareo ampidina fitahiana Andriamanitra ry havana ô. Fa izao no promesse omen’ny Tompo antsika e, izao no promesse omeny antsika amin’izao maraina izao hoe: ianao, ny programako ho anao : hahita ny lanitra misokatra ianao ho anao.

Ny fanontaniana manaraka dia hoe : Fa naninona moa izany no nomen’i Jesoa an’izany teny fampanantenana izany : « Hahita ny lanitra misokatra ianareo » ? Fa inona no nataon’ireto mpianatra ireto ? Inona no toetran’ireto mpianatra ireto ?  

Faran’izay tsotra ry havana : ao amin’ilay perikopa ao, ao amin’ilay contexte ao, misy zavatra vitsivitsy ambaran’i Jaona raha manoratra izy. Ireto mpianatra ireto eo amin’ny and.36 eo hoe : nandray an’i Jesoa ho Zanak’ondrin’Andriamanitra. Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Izany no votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Eo amin’ny and.41 : nahita an’i Jesoa, dia hoe « nahita ny Mesia izahay ». Dia ambarany io Mesia io hoe tsy iza fa ilay Jesoa zanak’i Josefa avy any Nazareta. Ary mifanena, mifanatri-tava amin’i Jesoa i Natanaela, dia miteny izy hoe : Ianao, Raby, Ianao Zanak’Andriamanitra, Ianao Mpanjakan’ny Isiraely. Ireo mpianatra ireo, sy ny hafa koa, izay nanaiky fa Zanak’ondrin’Andriamanitra Jesoa, Mesia, Raby, Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’ny Isiraely. Ireo mpianatra ireo sy ny hafa koa, izay nanaiky fa Zanak’ondrin’Andriamanitra Jesoa, Mesia, Raby, Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’Isiraely ; ireo ry havana ô, ireo no nitenenan’i Jesoa hoe : Hahita ny lanitra misokatra ianareo.  Izay ny condition hahitana ny lanitra misokatra.  Izay ny lakle hanokafana ho anao isan’andro isan’andro izany lanitra izany ry havana malala ô.

Nisy misionera anankiray, antsoina hoe Jutson ; nanokana 30 taona tamin’ny fiainany izy nankany Birmanie hitory ny filazantsara. Vita ny 30 taona, dia nody izy, nody tany an-tanindrazany. Dia re ny lazany hoe 30 taona izy io tany Birmanie nanao an’izao sy nanao an’izao. Dia nitory teny izy. Dia nony tapitra ny toriteny, dia nanatona ilay madama anankiray : « izaho aloa tsoriko Pasitera fa somary diso fanantenana tamin’ilay toriteny teo an ; satria toriteny-na olona re fa hoe nitory ny filazantsara nandritra ny 30 taona tany amin’ny faran’ny tany : mba nanantena toriteny miavaka aho, nanantena toriteny mampangorakoraka kokoa aho ». Dia namaly Jutson : « ranabavy ô, ranabavy ô, tsy manana message hafa aho ho toriana. Tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao ny hitantarako anao hoe 30 taona aho tany Birmanie ; tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao ny hitantarako aminao hoe milevina any Birmanie ny vadiko, tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao ny mitantara hoe any Birmanie any koa no milevina ny zanako 4 ; tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao  ny mahafantatra hoe an-taonany maro aho no nogadraina satria nitory ny filazantsaran’ny fahasoavana ; tsy intéressant izany. Ny zavatra hany intéressant sy mampangorakoraka ary miavaka hitako dia hoe : mitory an’i Jesoa nohombohana teo amin’ny hazo fijaliana ary maty sy nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana ahy.

Enga anie ka tsy hankaleo anao izany ry havana ô. Fa raha leo an’izany ianao, tsy hahita ny lanitra misokatra ianao e. Nefa izany ny vaovao mahafaly amin’ny fiandohan’ny taona izao, hoy Jesoa hoe : misokatra, misokatra ho anao ny lanitra ry havana ô. Ary izay no maha-vaovao mahafaly azy : mamaritra ho avy mamiratra Izy. Mamaritra ho avy mamiratra Izy rehefa miteny hoe hisokatra ho anao ny lanitra. Ho avy mamiratra eto an-tany ry havana ô. N’inon’inona passé anao, kosehin’ny fahasoavany izany. Kosehin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay lasanao any. Na mpiteny ratsy tahaka an’inona tahaka an’i Paoly aza ianao, na mpanenjika fivavahana aza ianao, na chef-ny mpanota ; izaho no lohan’ny mpanota hoy Paoly : kosehin’ny fahasoavany izany lasanao izany.

Misy olona ry havana, matetika miteny : raha nanana bouton « supprimer » aho tao amin’ny fiainako, dia supprimé-ko izany lasa izany ; potreriko ilay bouton « supprimer » satria koriko aho amin’izany lasako izany. FA SADY MAMARITRA HO AVY MAMIRATRA NO MAMAFA NY LASANAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA RY HAVANA O.

Tahaka ny olona rehetra, mirary anareo ho salama tsy marofy aho ry havana. Fa maty antoka isika raha salama tsy marofy nefa tsy mahita ny lanitra misokatra isan’andro. Maty antoka isika e ; ary na iza na iza ianao, rehefa tsy mahita ny lanitra misokatra isan’andro ianao : pôkaty ny fiainanao, pôkaty ny fiainanao ry havana malala ô. Satria ilay Andriamanitra araka ny notenenintsika tamin’ny Zoma teo, ilay namorona anao ho endrik’Andriamanitra, namorona an’io fonao io hitady Azy, namorona an’io fonao io hila Azy, namorona an’io fonao io hanembona Azy. Ka raha tsy misokatra ny lanitra, tsy hahita Azy ianao e. Ny Tompo hamindra fo aminao, hampahita anao an’izany lanitra misokatra ho anao isan’andro isan’andro izany ry havana ô.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen    

 

ZOMA 01 JAN 2021

"Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy". Genesisy 1:27

ALAHADY 27 DES 2020

« Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly, Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Galilia, tanin’ ny jentilisa, Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana. Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra ». Matio 4 :15-17

Iverenantsika kely ilay and.16 sy 17 ; ilay 16 tapany faharoa ry havana, hoe : « Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana. Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra ».

Hoy ilay tapany faharoa amin’ny and.16 hoe : « Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana ». Izay nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana. L’ombre de la mort.

Tia antsika ry havana ny Tompo, tena tia antsika Izy. Izany no anaovany amintsika, isika mianakavy izay novoriany eto ; ary tena hoe isika no olom-bitsy tena tiany, tiany haheno an’izao hafatra izao hoe : SAO DIA IANAO IO MITOETRA AO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA IO ? SAO DIA IANAO IZANY MITOETRA AO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA IO ? Izay, izay foana ilay tenin’Andriamanitra : mamaky ianao : appliqué-nao amin’ny tenanao : SAO DIA IANAO IO HOE MITOETRA EO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA IO ?

Andeha ary jerentsika, raha ato amin’ilay Matio 4, iza izany lazain’i Jesoa izany hoe mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana izany ? Ery amin’ny and.15, hoe : « Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly ». Zebolona sy Naftaly

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : ZEBOLONA SY NAFTALY NO MITOETRA AO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA

Fa iza moa ireto hoe Zebolona sy Naftaly ireto ? Mamerina lesoan tany amin’ny Sekoly Alahady : Abrahama, rain’ny mpino niteraka an’i Isaka. Isaka niteraka an’i Jakoba. Ary Jakoba indray dia niteraka 12 lahy ; dia ireo koa niteraka, dia nihamaro ny taranany dia lasa firenena, lasa tribu 12. Fa rehefa maty Solomona mpanjaka ry havana dia nisaraka ilay foko 10 any avaratra izay naka ny anarana hoe Isiraely, sy ny foko aty atsimo, 2 aty atsimo, dia hoe Benjamina sy Joda. Dia Zebolona sy Naftaly dia anankiroa amin’ireo foko 10 tany avaratra. Izay izany ilay hoe Zebolona sy Naftaly ry havana. Dia rehefa jerena ny tantara ao amin’ny Baiboly dia hoe ireto foko 10, any avaratra izany ; ireo foko 10 ireo, ny hoe lahasany dia mi-attaque an’i Joda, izy roakely ao atsimo. Izay no lahasany : mi-attaque azy. Ary dia satria retsy maro an’isa, dia tena hoe mampihorohoro an’i Joda ilay foko 10 tany avaratra. Anisan’izany Zebolona sy Naftaly.

Ary raha amin’ny lafiny ara-panahy ry havana, dia hoe : ireto foko 10 ireto lasa nanompo andriamanitra hafa. Izay koa no manamarika azy izany. Ary ny zavatra ataon’ireto foko 10 ireto ry havana dia hoe nataon’izao tontolo izao, ny olombelona rehetra taty aoriana : niodina tamin’Andriamanitra izy, nanaraka andriamani-kafa. Ary dia ny zavatra nataon’Andriamanitra ry havana, dia nanarina ireto foko 10 ireto : nanarina Zebolona, nanarina Naftaly fa eee, eee. Dia hoy Jehovah hoe : andefasako ny Asyriana ianareo, andefasako ny Asyriana ianareo fa ho hitanareo e. Ny Asyriana izany : ampahany amin’ilay Syrie amin’izao fotoana izao sy ny Irak amin’izao fotoana izao. Izay ilay Asyriana ao amin’ny Baiboly. Efa misy ny Syrie, misy koa ny Asyriana, ampahan’ilay Syrie amin’izao fotoana izao sy ny Irak. Ireo izany no nirahin’Andriamanitra hanafay an’ireto foko 10 tany avaratra ireto. Ary fantatsika fa hoe tanteraka izany tamin’ny taona 722 talohan’i Jesoa.

Izay ireto olona resahina eto ireto ry havana : olona naniratsira an’Andriamanitra, olona naniratsira ny vahoakan’Andriamanitra. Ary araka ilay notenenina teo an, Zebolona sy Naftaly ; izy ary amin’ny tendrony avaratra ery, izany hoe akaikin’i Syrie sy ny Asyrie ireo ; ka vao manafika an’i Israël ny Asyriana, vao manafika izy, ary nanafika foana izy ; vao nanafika izy : ireo no mitaty an’izany, ireo no attaqués voalohany indrindra satria avy any ambony any izy ry havana ô. Izay ireto : ary satria any akaikin’ny firenena jentilisa, ary akaiky-na lama-barotra koa izy, dia mifanerasera tamin’ny Kananita, nandray ny andriamanitry ny Kananita, nandray ny fomban’ny Kananita. Ary teo ny fanompoan-tsampy, teo ny hoe « immoralité » amin’ny lafiny fitondran-tena. Izany izany ity hoe Zebolona sy Naftaly ity ry havana ô. Ireo no hoe tenenin’i Jesoa hoe : an an an, ireo mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana.

Izay izany ny Fahamarinana 1 hoe : NAFTALY SY ZEBOLONA IREO HOE MITOETRA AO ANATIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA NOHO NY TOE-PONY, NY TOE-PANAHINY, NY TOE-PIAINANY.

Ilay fanontaniana indray izao dia hoe, izay ny Fahamarinana 2 : AHOANA NY FIAINAN’NY OLONA MITOETRA AO ANATIN’IZANY ALOKY NY FAHAFATESANA IZANY ?

Ahoana ny fiainan’ny olona mitoetra ao anatin’izany aloky ny fahafatesana izany ? Sokafantsika ry havana ny Baibolintsika ao amin’ny Isaia 8. Io tenin’i Jesoa io manko avy ao amin’ny Isaia 9, citation-ny Isaia 9. Isaia 8 manazava ny fiainan’ilay olona mitoetra ao anatin’izany aloky ny fahafatesana izany. Eo amin’ny and.22 : « Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy ». « Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana ». Izany ilay olona mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana, hoe : mandeha anaty fahoriana. Fahoriana lalina, détresse. Izany no mahazo an’ireto Zebolona sy Naftaly ireto ry havana ô : anaty fahoriana lalina, anaty détresse. Fantatsika izany hoe « feu de détresse » izany, rehefa tratry ny fahavoazana isika eny an-dalana. Mandeha anaty fahamaizinana izy. Ilay fahamaizinana eto, tsy ilay fahamaizinan’ny andro ihany ; fa ilay fahamaizinana dia hoe fahakiviana, famoizam-po, désespoir. Izany ny olona mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana ry havana ô.

Ary ilay farany, hoe : manjombona mahafadiranovana. Intéressant ny lazain-dry zareo mpandinika Baiboly momba ny hoe manjombona mahafadiranovana. Ilay voambolana hebreo eo dia ilazana ny rano lasa glace. Izany hoe ilay olona mandeha amin’ny manjombona mahafadiranovana manana finoana ohatran’ny glace ry havana. Tsy matimaty fa lasa ohatran’ny glace ilay finoana. Izany ireto olona hoe mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Jereo anie ilay Isaia 9 e, eo amin’ny and.1 hoe : « Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina ; mandeha izy izany, fiainany izany ao anatin’izany. Fa raha mankany amin’ny Matio 4 isika ; Isaia miteny olona olona mandeha amin’ny maizina an : « olona mandeha » ; Matio 4 :16 : « Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina ». Hitanareo ny maha-samy hafa azy kely an. Ary amin’ny Isaia, Isaia miteny hoe « olona mbola mandeha » : izay ilay fomba fiainany izany ; mandeha izy ; fa Jesoa dia milaza hoe : an an an, tsy mandeha intsony izy, fa tena hoe mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana izy. Sao dia ianao izany hoe tsy mandeha intsony ao amin’ny aloky ny fahafatesana fa tena hoe mitoetra mihitsy e ? Tsy hoe mamakivaky aloky ny fahafatesana fotsiny, fa tena mitoetra amin’izany aloky ny fahafatesana izany ry havana ô. Sambatra ianao raha mahatsiaro tena amin’izany satria ireo ihany no hahita fahazavana ry havana ô.

Hitantsika teo ilay hoe : fahoriana, fahamaizinana, manjombona mahafadiranovana ho an’ny olona mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Fa andao anie jerentsika ny Salamo 107 e, ho an’ny olona indray hoe mitoetra mihitsy, hoe ny fiainany dia ao, ao. Salamo 107 :10 : « Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy ». Voafato-pahoriana sy vy. Dia eo amin’ny and.16 hoe : « Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny ». Sahala amin’ny hoe ilay olona mitoetra ao izany, hoe, na hiodin-kavia izy na hiodin-kavanana dia hoe voahidy ao. Voahidy ny varavarana varahiny, voahisy ny hidy vy ry havana ô. And.12 hoe : « Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy ». Io ange ry havana ny situation an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao e : io zavatra iainan’i Naftaly sy Zebolona io. Isika malagasy amin’izao fankalazana ny faha-60 taona izao, miala tsiny aho milaza aminao : mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana ; Ary raha tsy mibebaka isika, afaka 60 taona, ianareo no hahita an’izany, fa mbola hitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana isika, hitoetra ao amin’ny aloky ny ozona isika ry havana ô. Tsy io fitondrana io no hamonjy antsika, tsy izay manaraka eo no hamonjy antsika ; fa isika malagasy hoe mandeha araka ny hafatr’i Jesoa hoe mibebaka ry havana. Izany. Fa ao anatin’ny hidy vy isika :mankany amin’ny domaine ianao : tafintohina. Mankany amin’ny impôts ianao : tafintohina. Mankeny an-tsena ianao : tafintohina. Izay ilay zavatra raisintsika ; Ary tena marina ara-bakiteny hoe lasa ohatrany glace ny finoantsika ; mba manao akanjo-na Pasitera, fa lasa ohatrany glace sanatria an’izany ilay finoana ry havana ô. Satria tahaka an’iretsy firenena tany avaratra retsy, tahaka an’i Naftaly sy Zebolona, niodina tamin’Andriamanitra isika, nanompo andriamani-kafa. Ary ny andriamanitra voalohany tompointsika malagasy, tompointsika tsy ankanavaka, voalohany indrindra dia ny vola ; ary ny faharoa dia ny fahafinaretana. Tsy ny fahafinaretana ara-nofo ihany, fa fahafinaretana omen’ny laza, fahafinaretana omen’ny voninahitra, fahafinaretana omen’ny fahefana. Ireo no tompointsika ry havana ô. Ary ny tontalin’izany, ity firenena Madagasikara ity dia tahaka ny foko 10 tany avaratra : ny malagasy tsirairay dia mitoetra ao anatin’ny aloky ny fahafatesana.

Inona ary ny solution ? Hoy Jesoa ry havana, miverina ao amin’ny Matio 4 isika. Matio 4 :17 ry havana : « Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo». Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny Fahamarinana 3 : MIANTSO ANAO HIBEBAKA NY TOMPO E. MIANTSO AHY, MIANTSO ANTSIKA HIBEBAKA NY TOMPO

Lioka 24 ange e. Lioka 24. Jesoa nitsangana tamin’ny maty, Jesoa niseho tamin’ny mpianatra ; niara-dia tamin’ny mpianatra dia mbola mampianatra ny mpianatra : Lioka 24 :47 : « Ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana ». Ry havana ô, manomboka mitoriteny Jesoa dia miteny hoe : « mibebaha » ; mitsangana amin’ny maty Izy, alohan’ny hiakarany any an-danitra dia hoe : « torio ny fibebahana sy ny famelan-keloka ». Izany ny résumé an’ity Baiboly ity ry havana ô : antso ho amin’ny fibebahana.

Raha tsy mibebaka ianao, tsy hahita ny fahazavan’aina entin’i Jesoa Kristy. Izay manko, raha miverina ao amin’ny Matio 4 isika, andao ange jerena tsara ilay fomba fitenin’i Jesoa azy e , Matio 4 :16 : « Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana ». Ilay olona ao anatin’ny aizina ao, tsy maniry fahazavana akory, efa tellement mangatsiaka ilay finoana. Fa ny fitiavan’Andriamanitra : Izy, Izy fahazavana manatona ry havana ô. Efa nanatona ilay fahazavana amin’ny alalan’i Jesoa ; fa tsy hitantsika ilay fahazavana satria tsy mibebaka isika ry havana ô, satria tsy mibebaka isika.

Ary rehefa tsy mibebaka isika, dia tafasaraka amin’Andriamanitra ? Mba diniho kely ange ny zavatra nitranga tao Edena tao e. Nanota impiry moa ry Adama sy Eva dia voaroaka tao Edena dia tafasaraka tamin’Andriamanitra ? Nanota impiry izy ? Nanota indray mandeha monja izy ry havana ô, dia tafasaraka amin’Andriamanitra. Ary ianao raha tsy mibebaka, amin’ireo otantsika maro ireo isika ry havana ô ; izany ange no mahatafasaraka antsika amin’Andriamanitra ohatran’io e, izany ange no mahatonga antsika hanana seho ivelany fotsiny ny amin’ny finoana sy ny fanompoana e. Izany anie no maha-glacé ny finoantsika ohatran’io e ; satria tsy mibebaka isika ry havana, satria tsy mibebaka isika. Ary maro amintsika no miteny hoe : « io indray ilay fibebahana ; izaoh aloa tsy hitako izay tokony hibebahana an ; izaho rehefa mandinika ny tenako : mba olona tsara ihany aho an ; mba olona manao asa soa ihany aho an ; ary raha nodinihiko an, ny soa ataoko, ny tsara ataoko maro lavitra noho ny ratsy ataoko ; ary raha manao ratsy ary aho, eny e, izaho ve moa tsy mandaingandainga kely eny sy ohatran’izany e ; fa lainga masina e. Izay ilay izy. Fa izaho kosa tsy mbola namono olona izany, izaho kosa tsy mbola nijangajanga izany ». Izay ilay tenin’ny Fariseo, izay ilay tenin’ny lehilahy mpanan-karena ry havana ô. Hoy ny Tompo : raha te hahita fahazavana ianao, raha te hahita fahazavan’aina ianao dia mibebaha ianao. Ny mahafinaritra amin’ity tantara ity ry havana : ilay olona mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana : izy no nahita ny fahazavana voalohany. Naftaly sy Zebolona io, izy no nahita fahazavana voalohany ; Naftaly sy Zebolona izany, izany no mandrafitra an’i Galilia izany. Izany Galilia izany nitenenan’i Natanaela hoe : « moa misy zava-tsoa ve afaka mivoaka ao Galilia ao ? » Ao Galilia ao no nahita an’izany hoe fahazavana voalohany izany ry havana ô. Ilay olona mitoetra ao anaty aloky ny fahafatesana : izany no nahita voalohany izany. Nazareta, tanàna nahabe an’i Jesoa : any Zebolona izany. Kaperaomy, quartier général an’i Jesoa tamin’Izy nitory tey an-tany : any Naftaly izany ry havana, any Galilia izany. Izany no vonjena voalohany. Raha miaiky ianao fa mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana : ianao no hahazo famonjena voalohany, ianao no hahazo an’izany fahazavan’aina voalohany izany ry havana ô. Izany ny vaovao mahafaly :miantso antsika ho amin’ny fibebahana ny Tompo ry havana ô. Miantso antsika ho amin’ny fibebahana ny Tompo. Tsotra anie ny atao hoe fibebahana e. Tsotra ny atao hoe fibebahana, hoe : changement de direction hoy ny teny fantatrareo. Ny ahy, mahafinaritra ahy ilay fanazavana hoe ny olona mibebaka dia tonga sain aizy fa nanome lamosina an’i Jesoa. Izany no iodinany ohatran’izao : tonga saina izy hoe nanome lamosina an’i Jesoa. Ahoana ny fomba tsy anomezako lamosina an’i Jesoa intsony ? Ataoko eo anoloako amin’izay Izy. Izany ny olona mibebaka izany ry havana ô. Ataoko eo anoloako Izy ary raisiko ilay tanany efa natsotrany teo amin’ny hazo fijaliana, raisiko ilay tanany tiany itarihina ahy ry havana ô, ho amin’ny lalan’ny fiainana, ho amin’ny lalan’ny fahamarinana, dia Izy eo anoloako ; izaho manaraka Azy dia tsy manome lamosina Azy intsony aho. Izany ny vaovao mahafaly tian’Andriamanitra hiposaka ao amintsika izay mitoetra ao amin’izany aloky ny fahafatesana izany : ilay fahazavan’aina. Fa izao, izao : vonona ny hibebaka marina ve ianao ?

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena