ALAHADY 27 DES 2020

« Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly, Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Galilia, tanin’ ny jentilisa, Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana. Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra ». Matio 4 :15-17

Iverenantsika kely ilay and.16 sy 17 ; ilay 16 tapany faharoa ry havana, hoe : « Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana. Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra ».

Hoy ilay tapany faharoa amin’ny and.16 hoe : « Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana ». Izay nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana. L’ombre de la mort.

Tia antsika ry havana ny Tompo, tena tia antsika Izy. Izany no anaovany amintsika, isika mianakavy izay novoriany eto ; ary tena hoe isika no olom-bitsy tena tiany, tiany haheno an’izao hafatra izao hoe : SAO DIA IANAO IO MITOETRA AO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA IO ? SAO DIA IANAO IZANY MITOETRA AO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA IO ? Izay, izay foana ilay tenin’Andriamanitra : mamaky ianao : appliqué-nao amin’ny tenanao : SAO DIA IANAO IO HOE MITOETRA EO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA IO ?

Andeha ary jerentsika, raha ato amin’ilay Matio 4, iza izany lazain’i Jesoa izany hoe mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana izany ? Ery amin’ny and.15, hoe : « Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly ». Zebolona sy Naftaly

Ny Fahamarinana 1 dia hoe : ZEBOLONA SY NAFTALY NO MITOETRA AO AMIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA

Fa iza moa ireto hoe Zebolona sy Naftaly ireto ? Mamerina lesoan tany amin’ny Sekoly Alahady : Abrahama, rain’ny mpino niteraka an’i Isaka. Isaka niteraka an’i Jakoba. Ary Jakoba indray dia niteraka 12 lahy ; dia ireo koa niteraka, dia nihamaro ny taranany dia lasa firenena, lasa tribu 12. Fa rehefa maty Solomona mpanjaka ry havana dia nisaraka ilay foko 10 any avaratra izay naka ny anarana hoe Isiraely, sy ny foko aty atsimo, 2 aty atsimo, dia hoe Benjamina sy Joda. Dia Zebolona sy Naftaly dia anankiroa amin’ireo foko 10 tany avaratra. Izay izany ilay hoe Zebolona sy Naftaly ry havana. Dia rehefa jerena ny tantara ao amin’ny Baiboly dia hoe ireto foko 10, any avaratra izany ; ireo foko 10 ireo, ny hoe lahasany dia mi-attaque an’i Joda, izy roakely ao atsimo. Izay no lahasany : mi-attaque azy. Ary dia satria retsy maro an’isa, dia tena hoe mampihorohoro an’i Joda ilay foko 10 tany avaratra. Anisan’izany Zebolona sy Naftaly.

Ary raha amin’ny lafiny ara-panahy ry havana, dia hoe : ireto foko 10 ireto lasa nanompo andriamanitra hafa. Izay koa no manamarika azy izany. Ary ny zavatra ataon’ireto foko 10 ireto ry havana dia hoe nataon’izao tontolo izao, ny olombelona rehetra taty aoriana : niodina tamin’Andriamanitra izy, nanaraka andriamani-kafa. Ary dia ny zavatra nataon’Andriamanitra ry havana, dia nanarina ireto foko 10 ireto : nanarina Zebolona, nanarina Naftaly fa eee, eee. Dia hoy Jehovah hoe : andefasako ny Asyriana ianareo, andefasako ny Asyriana ianareo fa ho hitanareo e. Ny Asyriana izany : ampahany amin’ilay Syrie amin’izao fotoana izao sy ny Irak amin’izao fotoana izao. Izay ilay Asyriana ao amin’ny Baiboly. Efa misy ny Syrie, misy koa ny Asyriana, ampahan’ilay Syrie amin’izao fotoana izao sy ny Irak. Ireo izany no nirahin’Andriamanitra hanafay an’ireto foko 10 tany avaratra ireto. Ary fantatsika fa hoe tanteraka izany tamin’ny taona 722 talohan’i Jesoa.

Izay ireto olona resahina eto ireto ry havana : olona naniratsira an’Andriamanitra, olona naniratsira ny vahoakan’Andriamanitra. Ary araka ilay notenenina teo an, Zebolona sy Naftaly ; izy ary amin’ny tendrony avaratra ery, izany hoe akaikin’i Syrie sy ny Asyrie ireo ; ka vao manafika an’i Israël ny Asyriana, vao manafika izy, ary nanafika foana izy ; vao nanafika izy : ireo no mitaty an’izany, ireo no attaqués voalohany indrindra satria avy any ambony any izy ry havana ô. Izay ireto : ary satria any akaikin’ny firenena jentilisa, ary akaiky-na lama-barotra koa izy, dia mifanerasera tamin’ny Kananita, nandray ny andriamanitry ny Kananita, nandray ny fomban’ny Kananita. Ary teo ny fanompoan-tsampy, teo ny hoe « immoralité » amin’ny lafiny fitondran-tena. Izany izany ity hoe Zebolona sy Naftaly ity ry havana ô. Ireo no hoe tenenin’i Jesoa hoe : an an an, ireo mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana.

Izay izany ny Fahamarinana 1 hoe : NAFTALY SY ZEBOLONA IREO HOE MITOETRA AO ANATIN’NY ALOKY NY FAHAFATESANA NOHO NY TOE-PONY, NY TOE-PANAHINY, NY TOE-PIAINANY.

Ilay fanontaniana indray izao dia hoe, izay ny Fahamarinana 2 : AHOANA NY FIAINAN’NY OLONA MITOETRA AO ANATIN’IZANY ALOKY NY FAHAFATESANA IZANY ?

Ahoana ny fiainan’ny olona mitoetra ao anatin’izany aloky ny fahafatesana izany ? Sokafantsika ry havana ny Baibolintsika ao amin’ny Isaia 8. Io tenin’i Jesoa io manko avy ao amin’ny Isaia 9, citation-ny Isaia 9. Isaia 8 manazava ny fiainan’ilay olona mitoetra ao anatin’izany aloky ny fahafatesana izany. Eo amin’ny and.22 : « Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy ». « Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana ». Izany ilay olona mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana, hoe : mandeha anaty fahoriana. Fahoriana lalina, détresse. Izany no mahazo an’ireto Zebolona sy Naftaly ireto ry havana ô : anaty fahoriana lalina, anaty détresse. Fantatsika izany hoe « feu de détresse » izany, rehefa tratry ny fahavoazana isika eny an-dalana. Mandeha anaty fahamaizinana izy. Ilay fahamaizinana eto, tsy ilay fahamaizinan’ny andro ihany ; fa ilay fahamaizinana dia hoe fahakiviana, famoizam-po, désespoir. Izany ny olona mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana ry havana ô.

Ary ilay farany, hoe : manjombona mahafadiranovana. Intéressant ny lazain-dry zareo mpandinika Baiboly momba ny hoe manjombona mahafadiranovana. Ilay voambolana hebreo eo dia ilazana ny rano lasa glace. Izany hoe ilay olona mandeha amin’ny manjombona mahafadiranovana manana finoana ohatran’ny glace ry havana. Tsy matimaty fa lasa ohatran’ny glace ilay finoana. Izany ireto olona hoe mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Jereo anie ilay Isaia 9 e, eo amin’ny and.1 hoe : « Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina ; mandeha izy izany, fiainany izany ao anatin’izany. Fa raha mankany amin’ny Matio 4 isika ; Isaia miteny olona olona mandeha amin’ny maizina an : « olona mandeha » ; Matio 4 :16 : « Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina ». Hitanareo ny maha-samy hafa azy kely an. Ary amin’ny Isaia, Isaia miteny hoe « olona mbola mandeha » : izay ilay fomba fiainany izany ; mandeha izy ; fa Jesoa dia milaza hoe : an an an, tsy mandeha intsony izy, fa tena hoe mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana izy. Sao dia ianao izany hoe tsy mandeha intsony ao amin’ny aloky ny fahafatesana fa tena hoe mitoetra mihitsy e ? Tsy hoe mamakivaky aloky ny fahafatesana fotsiny, fa tena mitoetra amin’izany aloky ny fahafatesana izany ry havana ô. Sambatra ianao raha mahatsiaro tena amin’izany satria ireo ihany no hahita fahazavana ry havana ô.

Hitantsika teo ilay hoe : fahoriana, fahamaizinana, manjombona mahafadiranovana ho an’ny olona mandeha ao amin’ny aloky ny fahafatesana. Fa andao anie jerentsika ny Salamo 107 e, ho an’ny olona indray hoe mitoetra mihitsy, hoe ny fiainany dia ao, ao. Salamo 107 :10 : « Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy ». Voafato-pahoriana sy vy. Dia eo amin’ny and.16 hoe : « Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny ». Sahala amin’ny hoe ilay olona mitoetra ao izany, hoe, na hiodin-kavia izy na hiodin-kavanana dia hoe voahidy ao. Voahidy ny varavarana varahiny, voahisy ny hidy vy ry havana ô. And.12 hoe : « Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy ». Io ange ry havana ny situation an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao e : io zavatra iainan’i Naftaly sy Zebolona io. Isika malagasy amin’izao fankalazana ny faha-60 taona izao, miala tsiny aho milaza aminao : mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana ; Ary raha tsy mibebaka isika, afaka 60 taona, ianareo no hahita an’izany, fa mbola hitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana isika, hitoetra ao amin’ny aloky ny ozona isika ry havana ô. Tsy io fitondrana io no hamonjy antsika, tsy izay manaraka eo no hamonjy antsika ; fa isika malagasy hoe mandeha araka ny hafatr’i Jesoa hoe mibebaka ry havana. Izany. Fa ao anatin’ny hidy vy isika :mankany amin’ny domaine ianao : tafintohina. Mankany amin’ny impôts ianao : tafintohina. Mankeny an-tsena ianao : tafintohina. Izay ilay zavatra raisintsika ; Ary tena marina ara-bakiteny hoe lasa ohatrany glace ny finoantsika ; mba manao akanjo-na Pasitera, fa lasa ohatrany glace sanatria an’izany ilay finoana ry havana ô. Satria tahaka an’iretsy firenena tany avaratra retsy, tahaka an’i Naftaly sy Zebolona, niodina tamin’Andriamanitra isika, nanompo andriamani-kafa. Ary ny andriamanitra voalohany tompointsika malagasy, tompointsika tsy ankanavaka, voalohany indrindra dia ny vola ; ary ny faharoa dia ny fahafinaretana. Tsy ny fahafinaretana ara-nofo ihany, fa fahafinaretana omen’ny laza, fahafinaretana omen’ny voninahitra, fahafinaretana omen’ny fahefana. Ireo no tompointsika ry havana ô. Ary ny tontalin’izany, ity firenena Madagasikara ity dia tahaka ny foko 10 tany avaratra : ny malagasy tsirairay dia mitoetra ao anatin’ny aloky ny fahafatesana.

Inona ary ny solution ? Hoy Jesoa ry havana, miverina ao amin’ny Matio 4 isika. Matio 4 :17 ry havana : « Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo». Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny Fahamarinana 3 : MIANTSO ANAO HIBEBAKA NY TOMPO E. MIANTSO AHY, MIANTSO ANTSIKA HIBEBAKA NY TOMPO

Lioka 24 ange e. Lioka 24. Jesoa nitsangana tamin’ny maty, Jesoa niseho tamin’ny mpianatra ; niara-dia tamin’ny mpianatra dia mbola mampianatra ny mpianatra : Lioka 24 :47 : « Ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana ». Ry havana ô, manomboka mitoriteny Jesoa dia miteny hoe : « mibebaha » ; mitsangana amin’ny maty Izy, alohan’ny hiakarany any an-danitra dia hoe : « torio ny fibebahana sy ny famelan-keloka ». Izany ny résumé an’ity Baiboly ity ry havana ô : antso ho amin’ny fibebahana.

Raha tsy mibebaka ianao, tsy hahita ny fahazavan’aina entin’i Jesoa Kristy. Izay manko, raha miverina ao amin’ny Matio 4 isika, andao ange jerena tsara ilay fomba fitenin’i Jesoa azy e , Matio 4 :16 : « Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana ». Ilay olona ao anatin’ny aizina ao, tsy maniry fahazavana akory, efa tellement mangatsiaka ilay finoana. Fa ny fitiavan’Andriamanitra : Izy, Izy fahazavana manatona ry havana ô. Efa nanatona ilay fahazavana amin’ny alalan’i Jesoa ; fa tsy hitantsika ilay fahazavana satria tsy mibebaka isika ry havana ô, satria tsy mibebaka isika.

Ary rehefa tsy mibebaka isika, dia tafasaraka amin’Andriamanitra ? Mba diniho kely ange ny zavatra nitranga tao Edena tao e. Nanota impiry moa ry Adama sy Eva dia voaroaka tao Edena dia tafasaraka tamin’Andriamanitra ? Nanota impiry izy ? Nanota indray mandeha monja izy ry havana ô, dia tafasaraka amin’Andriamanitra. Ary ianao raha tsy mibebaka, amin’ireo otantsika maro ireo isika ry havana ô ; izany ange no mahatafasaraka antsika amin’Andriamanitra ohatran’io e, izany ange no mahatonga antsika hanana seho ivelany fotsiny ny amin’ny finoana sy ny fanompoana e. Izany anie no maha-glacé ny finoantsika ohatran’io e ; satria tsy mibebaka isika ry havana, satria tsy mibebaka isika. Ary maro amintsika no miteny hoe : « io indray ilay fibebahana ; izaoh aloa tsy hitako izay tokony hibebahana an ; izaho rehefa mandinika ny tenako : mba olona tsara ihany aho an ; mba olona manao asa soa ihany aho an ; ary raha nodinihiko an, ny soa ataoko, ny tsara ataoko maro lavitra noho ny ratsy ataoko ; ary raha manao ratsy ary aho, eny e, izaho ve moa tsy mandaingandainga kely eny sy ohatran’izany e ; fa lainga masina e. Izay ilay izy. Fa izaho kosa tsy mbola namono olona izany, izaho kosa tsy mbola nijangajanga izany ». Izay ilay tenin’ny Fariseo, izay ilay tenin’ny lehilahy mpanan-karena ry havana ô. Hoy ny Tompo : raha te hahita fahazavana ianao, raha te hahita fahazavan’aina ianao dia mibebaha ianao. Ny mahafinaritra amin’ity tantara ity ry havana : ilay olona mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana : izy no nahita ny fahazavana voalohany. Naftaly sy Zebolona io, izy no nahita fahazavana voalohany ; Naftaly sy Zebolona izany, izany no mandrafitra an’i Galilia izany. Izany Galilia izany nitenenan’i Natanaela hoe : « moa misy zava-tsoa ve afaka mivoaka ao Galilia ao ? » Ao Galilia ao no nahita an’izany hoe fahazavana voalohany izany ry havana ô. Ilay olona mitoetra ao anaty aloky ny fahafatesana : izany no nahita voalohany izany. Nazareta, tanàna nahabe an’i Jesoa : any Zebolona izany. Kaperaomy, quartier général an’i Jesoa tamin’Izy nitory tey an-tany : any Naftaly izany ry havana, any Galilia izany. Izany no vonjena voalohany. Raha miaiky ianao fa mitoetra ao amin’ny aloky ny fahafatesana : ianao no hahazo famonjena voalohany, ianao no hahazo an’izany fahazavan’aina voalohany izany ry havana ô. Izany ny vaovao mahafaly :miantso antsika ho amin’ny fibebahana ny Tompo ry havana ô. Miantso antsika ho amin’ny fibebahana ny Tompo. Tsotra anie ny atao hoe fibebahana e. Tsotra ny atao hoe fibebahana, hoe : changement de direction hoy ny teny fantatrareo. Ny ahy, mahafinaritra ahy ilay fanazavana hoe ny olona mibebaka dia tonga sain aizy fa nanome lamosina an’i Jesoa. Izany no iodinany ohatran’izao : tonga saina izy hoe nanome lamosina an’i Jesoa. Ahoana ny fomba tsy anomezako lamosina an’i Jesoa intsony ? Ataoko eo anoloako amin’izay Izy. Izany ny olona mibebaka izany ry havana ô. Ataoko eo anoloako Izy ary raisiko ilay tanany efa natsotrany teo amin’ny hazo fijaliana, raisiko ilay tanany tiany itarihina ahy ry havana ô, ho amin’ny lalan’ny fiainana, ho amin’ny lalan’ny fahamarinana, dia Izy eo anoloako ; izaho manaraka Azy dia tsy manome lamosina Azy intsony aho. Izany ny vaovao mahafaly tian’Andriamanitra hiposaka ao amintsika izay mitoetra ao amin’izany aloky ny fahafatesana izany : ilay fahazavan’aina. Fa izao, izao : vonona ny hibebaka marina ve ianao ?

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amena