ALAHADY 03 JAN 2021

Jaona 1 :49-51 : « Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy hianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany hianao.  Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona ».

Hoy ilay and.51 : « Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona »

Misaotra an’Andriamanitra isika ry havana, ny amin’ny teny hamatsiany antsika Fiangonana amin’izao Alahady voalohany amin’ny taona 2021 izao. Tsy teny ho an’ny androany 03 Janvier ihany ity ; tsy teny ho an’ny volana Janvier, ho an’ny taona 2021 ; teny ho antsika mandritra ny andro ahavelomantsika ry havana ô. Inona ilay teny fampanantenana omen’ny Tompo antsika ? Hoe : HAHITA NY LANITRA MISOKATRA IANAREO. Enga anie isika Fiangonana ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, ho marina amintsika izany hoe : isan’andro isan’andro hahita ny lanitra misokatra ho antsika e.

Maro amintsika izao no tsy mino an’izany. Ie tsy mampino ange izany e. Tahaka ny hoe, raha miteny aminareo izao hoe ho foanana ny kere rahampitso : tsy mino an’izany ianareo. Satria sarotra inoana izany. Fa vao maika sarotra inoana koa izany hoe « hahita ny lanitra hisokatra ianareo ». Fa izao ry havana no lazain’i Jesoa : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » ; « En vérité je vous le dis ». Rehefa miteny an’izany hoe « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » Jesoa : milaza zavatra faran’izay important Izy, ary tena hoe anteriny ny fahamarinan’izany. Tsy teny maivana izany, maika koa tsy angano angano izany : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa ». In-25 Izy ato amin’ny filazantsara an’i Jaona no mapiasa an’izany hoe « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » rehefa misy zavatra, misy fahamarinana tiany anterina manokana ry havana :

  • « Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra ».
  • « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay »

Izany le karazana hoe : « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa » :

  • « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo ». Manasa anareo zandry zanaka izay mbola tsy mpandray ny fanasan’ny Tompo e. Miteny aminao manokana ny Tompo amin’izao maraina izao : tsy mety e, io ianao tsy mbola mandray ny fanasan’ny Tompo io.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: fa na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray dia omeny anareo amin’ny anarako izany ».

Etc…

« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa amin’izao maraina izao fa hahita ny lanitra misokatra ianareo ». Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fahasoavany. Misaotra ny Tompo isika ny amin’ny fitiavany antsika amin’izao fiandohan’ny taona izao. Ary izay no firariana avy amin’ny Tompo ho antsika, izay no antom-bavaka hoe : enga anie ka hahita ny lanitra misokatra isan’andro isan’andro isika.

Dia hamonjen’ny Tompo ry havana ny fahafohizan’ny sain’ny mpianatra izay nitenenany an’izany, hamonjen’ny Tompo ny fahafohizan’ny saintsika ato amin’ny Fjkm Isotry Fitiavana, dia ampiany hoe : « Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona ». Ho hitanareo, hoy Izy, ny anjely miakatra sy midina. Tsy ao anaty-na boky-na tantara ho an’ny ankizy isika fa ao anaty Baiboly izao ry havana. Ary rehefa niteny tokoa Jesoa tamin’ireto mpianatra ireto, tamin-dry Filipo, tamin-dry Andrea, tamin’dry Petera, tamin’dry Natanaela, hoe : « hahita ny lanitra misokatra ianareo sy ny anjely miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona », dia tena nanamarina an’izany ry zareo e. Oviana izy no nanamarina an’izany anjely niakatra sy nidina teo ambonin’ny Zanak’olona izany ? Nanamarina an’izany ry havana ry zareo, tamin’i Jesoa tao Getsemane. Tamin’i Jesoa tao Getsemane dia lazain’ny filazantsara hoe nisy anjely avy any an-danitra nampionona, nampahery an’i Jesoa. Nanamarina an’izany anjely miakatra sy midina avy any an-danitra izany ireto mpianatra ireto tamin’ny andro nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty raha nisy mpianatra niditra tao anaty fasana dia nahita tovolahy anankiray niakanjo fotsy nipetraka teo amin’izay nandrian’i Jesoa ry havana ô. Anjely niakatra sy nidina avy any an-danitra izany. Alohan’ny nidirana tao am-pasana, tonga teny am-pasana izy : anjely no nanakodia, anjely niakatra sy nidina avy any an-danitra ry havana ô, nanakodia ny varavaran’ny fasana. Izany ity Jesoa manambara fa hahita ny lanitra misokatra ; ary dia noporofoiny tokoa hoe nisy ny anjely niakatra sy nidina teo amin’ny Zanak’olona. Fa talohan’izany, ary tsy hitan’ireto mpianatra ireto ; fa talohan’ny nahaterahan’i Jesoa, nirahin’Andriamanitra avy any an-danitra ny anjely Gabriela hamangy an’i Marie ry havana malala ô. Ary nony teraka Jesoa, nirahin’Andriamanitra ny anjelin’ny Tompo nilaza hoe : « Mpamonjy no teraka ho anareo anio ». Ary mbola tsy ampy izay : anjely an’alinalina, nirahin’Andriamanitra izay anjely mifanatri-tava Aminy andro aman’alina eo anoloan’ny seza fiandrianana : mandehana ianareo mankeny ambonin’ny tany vetivety, hateveno ny zavatra lazain’ny anjelin’ny Tompo teo hoe : « Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ery fiadanana ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahana ». Nosokafana tokoa ny lanitra ry havana ô. Ary maro ny anjely niakatra sy nidina teo hanamarinana ny tenin’i Jesoa. Ary tsy hitan’ireto mpianatra ireto koa, fa rehefa nentin’ny Fanahy Masina, nalaina fanahy tany an’efitra nandritra ny 40 andro Jesoa, rehefa vita ilay fakàna fanahy Azy nandritra ny 40 andro, dia nanompo Azy ny anjely izay nidina avy any an-danitra. Hahita ny lanitra misokatra ianareo sy ny anjely miakatra sy midina eo amin’ny Zanak’olona.

Ary ny farany, dia hoe : raha nakarina tany an-danitra Jesoa ry havana, dia nisy anjely teo, niteny tamin’ireo Galiliana ireo hoe : an an an, izao no lazaina anareo, izao no hafatra nampitondraina anay avy any an-danitra : « Iny Jesoa iny dia mbola ho avy indray ».

Ry havana ô, ry havana ô, fantaro fa tena hoe zava-dehibe ny fahafantarana hoe misokatra ny lanitra, ary misokatra ho ahy sy ho anao. Tsy fantatro izay andrandrainao amin’ity 2021 ity, fa ny firariana ho anao dia hahita ny lanitra misokatra ho anao ry havana ô.

Ilay fanontaniana mantsy dia izao : Fa rehefa tsy misokatra moa ny lanitra dia ahoana ? Manao ahoana ny fiainana ? Na hoe, rehefa misokatra ny lanitra dia manao ahoana ny fiainana satria efa noporofoina teo hoe misokatra ny lanitra, miakatra sy midina ny anjely eo ambonin’ny Zanak’olona ? Fa rehefa tsy misokatra ny lanitra, nanao ahoana ny fiainana tety an-tany ? 

Misy tantara vitsivitsy ry havana ao amin’ny Soratra Masina, rehefa any an-trano ianareo mijery azy, fa tamin’ny andron’i Ely ; misy an’ilay hoe Ely izay, mpisorona tao amin’ny 1 Samoela. Ely dia mpisorona, fa ny 1 Samoela 3 :1 dia milaza fa tamin’ny andron’i Ely dia nihidy ny lanitra, hany ka nahalana ny tenin’i Jehovah ary tsy nisy fahitana niseho loatra. Izany hoe, rehefa akaton’Andriamanitra ny lanitra : tsy misy teny tonga aty amintsika ry havana ô. Nefa isika mba manao hoe Mathieu 4 :4 hoe : « Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra ». Tsisy teny tonga ao aminao e. Manokatra Baiboly ianao, fa tsy miteny aminao ilay teny. Tsy nisy fahitana loatra tamin’ny andron’i Ely satria nakaton’Andriamanitra ny lanitra. Rehefa mikatona ny lanitra : tsy manana fahitana isika, tsy manana vision isika. Tsy manana vision ho an’ny firenena, tsy manana vision ho an’ny Fiangonana, tsy manana vision ho an’ny fiainanao hoe mankaiza sy mankaiza marina moa ity fiainako ity, fa mitsapatsapa eny, tahaka ny jamaba ao anatin’ny alina hoy ny Soratra Masina. Izany :tsy manana vision.

Fa inona ny zavatra nitranga tamin’ny andron’i Ely ? Nitsakitsahina ny fanompoana, tsy notezaina toy ny fitaizana zanaka ho an’Andriamanitra ny zanany. Dia ny zanany lasa ratsy fanahy, nanafintohina ny tao am-piangonana. Izay : nanitsakitsaka ny fanompoany i Ely, nanao tsinontsinona ny fanompoany amin’y maha-mpisorona, dia nakaton’Andriamanitra ny lanitra ry havana ô. Akaton’Andriamanitra ho ahy, akaton’Andriamanitra ho anao ny lanitra rehefa hitsakitsahinao ny fanompoana. Dia tsy misy teny tonga aminao, tsy misy vision tonga aminao ry havana ô.

Deoteronomia ry havana manome exemple an’izany lanitra mikatona izany ary ny teny ampiasainy dia hoe : « ho varahina ny lanitra ». Ary rehefa varahina ny lanitra, zavatra roa no mitranga : mihantona ny andro ary tsy misy ranon’orana latsaka. Mampieritreritra io kera any Atsimo izay noresahina teo io ry havana. Nahoana io no tsy mbola nahitana solution ? Ny solution ve tsy ho avy ihany rehefa tena taitra amin’io ny mpitondra fanjakana ; fa io: Andriamanitra mampihantona ny andro any Atsimo any ary tsy misy ranon’orana latsaka any. Fa varahina ny lanitra any Atsimo ry havana ô. Varahina ny lanitra any Atsimo. Ary rehefa varahina ny lanitra, ny ambaran’ny 2 Tantara 7 dia hoe tsy mihaino vavaka Andriamanitra. Mba mivavaka ianao, mivavaka ianao, mivavaka ianao ; an an an, varahina ny lanitra ary tsy mihaino vavaka Andriamanitra ry havana ô. Ary izany no mahatonga an’ilay teny ao amin’ny 2 Tantara 7 :14 hoe : « Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny ». Ianao raha tsy miala amin’ny ratsy fanaonao e : varahina ho anao io lanitra io. Ary tsisy ranon’oram-pitahiana hirotsaka aminao ry havana ô. Fa rehefa sokafan’Andriamanitra kosa ny lanitra ry havana, ary io, tena haintsika tsara ilay Malakia 3 :10 an : « Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho ». Défi-eo Andriamanitra ry havana anio maraina : « hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo ». Niteny taminareo mbola tsy mpandray ny fanasan’ny Tompo aho ; miteny aminareo mbola mandà ny fahafolon-karena : tsy hanokatra ny varavaran’ny lanitra ho anareo ampidina fitahiana Andriamanitra ry havana ô. Fa izao no promesse omen’ny Tompo antsika e, izao no promesse omeny antsika amin’izao maraina izao hoe: ianao, ny programako ho anao : hahita ny lanitra misokatra ianao ho anao.

Ny fanontaniana manaraka dia hoe : Fa naninona moa izany no nomen’i Jesoa an’izany teny fampanantenana izany : « Hahita ny lanitra misokatra ianareo » ? Fa inona no nataon’ireto mpianatra ireto ? Inona no toetran’ireto mpianatra ireto ?  

Faran’izay tsotra ry havana : ao amin’ilay perikopa ao, ao amin’ilay contexte ao, misy zavatra vitsivitsy ambaran’i Jaona raha manoratra izy. Ireto mpianatra ireto eo amin’ny and.36 eo hoe : nandray an’i Jesoa ho Zanak’ondrin’Andriamanitra. Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Izany no votoatin’ny filazantsara ry havana ô. Eo amin’ny and.41 : nahita an’i Jesoa, dia hoe « nahita ny Mesia izahay ». Dia ambarany io Mesia io hoe tsy iza fa ilay Jesoa zanak’i Josefa avy any Nazareta. Ary mifanena, mifanatri-tava amin’i Jesoa i Natanaela, dia miteny izy hoe : Ianao, Raby, Ianao Zanak’Andriamanitra, Ianao Mpanjakan’ny Isiraely. Ireo mpianatra ireo, sy ny hafa koa, izay nanaiky fa Zanak’ondrin’Andriamanitra Jesoa, Mesia, Raby, Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’ny Isiraely. Ireo mpianatra ireo sy ny hafa koa, izay nanaiky fa Zanak’ondrin’Andriamanitra Jesoa, Mesia, Raby, Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan’Isiraely ; ireo ry havana ô, ireo no nitenenan’i Jesoa hoe : Hahita ny lanitra misokatra ianareo.  Izay ny condition hahitana ny lanitra misokatra.  Izay ny lakle hanokafana ho anao isan’andro isan’andro izany lanitra izany ry havana malala ô.

Nisy misionera anankiray, antsoina hoe Jutson ; nanokana 30 taona tamin’ny fiainany izy nankany Birmanie hitory ny filazantsara. Vita ny 30 taona, dia nody izy, nody tany an-tanindrazany. Dia re ny lazany hoe 30 taona izy io tany Birmanie nanao an’izao sy nanao an’izao. Dia nitory teny izy. Dia nony tapitra ny toriteny, dia nanatona ilay madama anankiray : « izaho aloa tsoriko Pasitera fa somary diso fanantenana tamin’ilay toriteny teo an ; satria toriteny-na olona re fa hoe nitory ny filazantsara nandritra ny 30 taona tany amin’ny faran’ny tany : mba nanantena toriteny miavaka aho, nanantena toriteny mampangorakoraka kokoa aho ». Dia namaly Jutson : « ranabavy ô, ranabavy ô, tsy manana message hafa aho ho toriana. Tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao ny hitantarako anao hoe 30 taona aho tany Birmanie ; tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao ny hitantarako aminao hoe milevina any Birmanie ny vadiko, tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao ny mitantara hoe any Birmanie any koa no milevina ny zanako 4 ; tsy intéressant ho ahy, tsy intéressant ho anao  ny mahafantatra hoe an-taonany maro aho no nogadraina satria nitory ny filazantsaran’ny fahasoavana ; tsy intéressant izany. Ny zavatra hany intéressant sy mampangorakoraka ary miavaka hitako dia hoe : mitory an’i Jesoa nohombohana teo amin’ny hazo fijaliana ary maty sy nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana ahy.

Enga anie ka tsy hankaleo anao izany ry havana ô. Fa raha leo an’izany ianao, tsy hahita ny lanitra misokatra ianao e. Nefa izany ny vaovao mahafaly amin’ny fiandohan’ny taona izao, hoy Jesoa hoe : misokatra, misokatra ho anao ny lanitra ry havana ô. Ary izay no maha-vaovao mahafaly azy : mamaritra ho avy mamiratra Izy. Mamaritra ho avy mamiratra Izy rehefa miteny hoe hisokatra ho anao ny lanitra. Ho avy mamiratra eto an-tany ry havana ô. N’inon’inona passé anao, kosehin’ny fahasoavany izany. Kosehin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay lasanao any. Na mpiteny ratsy tahaka an’inona tahaka an’i Paoly aza ianao, na mpanenjika fivavahana aza ianao, na chef-ny mpanota ; izaho no lohan’ny mpanota hoy Paoly : kosehin’ny fahasoavany izany lasanao izany.

Misy olona ry havana, matetika miteny : raha nanana bouton « supprimer » aho tao amin’ny fiainako, dia supprimé-ko izany lasa izany ; potreriko ilay bouton « supprimer » satria koriko aho amin’izany lasako izany. FA SADY MAMARITRA HO AVY MAMIRATRA NO MAMAFA NY LASANAO NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA RY HAVANA O.

Tahaka ny olona rehetra, mirary anareo ho salama tsy marofy aho ry havana. Fa maty antoka isika raha salama tsy marofy nefa tsy mahita ny lanitra misokatra isan’andro. Maty antoka isika e ; ary na iza na iza ianao, rehefa tsy mahita ny lanitra misokatra isan’andro ianao : pôkaty ny fiainanao, pôkaty ny fiainanao ry havana malala ô. Satria ilay Andriamanitra araka ny notenenintsika tamin’ny Zoma teo, ilay namorona anao ho endrik’Andriamanitra, namorona an’io fonao io hitady Azy, namorona an’io fonao io hila Azy, namorona an’io fonao io hanembona Azy. Ka raha tsy misokatra ny lanitra, tsy hahita Azy ianao e. Ny Tompo hamindra fo aminao, hampahita anao an’izany lanitra misokatra ho anao isan’andro isan’andro izany ry havana ô.

Ho aminao ny fahasoavan’ny Tompo. Amen